< Matio 24 >

1 Ary nony niala teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.
イエスは神殿から出て行き,進んで行こうとした。弟子たちが彼に神殿の建物を示そうとして近寄って来た。
2 Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
しかし,イエスは彼らに言った,「あなた方はこれらすべてのものを見ていないのか。ここで石が崩されずにほかの石の上に残ることはないだろう」 。
3 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan’ izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’ izao tontolo izao. (aiōn g165)
彼がオリーブ山の上で座っていた時,弟子たちがひそかに彼のもとに来て,こう言った。「わたしたちに教えてください。それらのことはいつ起きるのですか。あなたの来臨と時代の終わりのしるしは何ですか」。 (aiōn g165)
4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
イエスは彼らに答えた,「だれもあなた方を惑わすことがないように注意しなさい。
5 Fa maro no ho avy amin’ ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany.
多くの者がわたしの名においてやって来て,『わたしがキリストだ』と言って,多くの者を惑わすだろう。
6 Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.
あなた方は戦争のことや戦争のうわさを聞くだろう。動転しないように気を付けなさい。これらのすべてのことは起こらなければならないが,終わりはまだなのだ。
7 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ ny tany samy hafa.
民族は民族に,王国は王国に敵対して立ち上がるからだ。あちこちでききんと伝染病と地震がある。
8 Fa izany rehetra izany no fiandohan’ ny fahoriana.
だが,これらのすべてのことは産みの苦しみの始まりだ。
9 Ary dia hatolony ho amin’ ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.
その時,人々はあなた方を苦しみに引き渡し,あなた方を殺すだろう。あなた方はわたしの名のためにすべての民族から憎まれるだろう。
10 Ary amin’ izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.
その時,多くの者がつまずき,互いに引き渡し合い,互いに憎み合うだろう。
11 Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.
多くの偽預言者たちが現われて,多くの者を惑わすだろう。
12 Ary noho ny haben’ ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ ny maro.
不法が増してゆくので,多くの者の愛が冷えてゆくだろう。
13 Fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.
だが,最後まで耐え忍ぶ者,その者が救われるだろう。
14 Ary hotorina amin’ izao tontolo izao ity filazantsaran’ ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.
王国のこの福音は,あらゆる民族に対する証言のために,全世界で宣教されるだろう。そしてそれから終わりが来る。
15 Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’ izay fitoerana masìna ny fahavetavetan’ ny fandravana, izay nampilazaina an’ i Daniela mpaminany (aoka hisaina izay mamaky izany),
「それで,預言者ダニエルを通して語られた,荒廃させる嫌悪すべきものが,聖なる所に立っているのを見るなら(読者は理解せよ),
16 dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra;
その時,ユダヤにいる者たちは山に逃げなさい。
17 ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony;
屋上にいる者は自分の家から物を取り出そうとして降りてはいけない。
18 ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
畑にいる者は外衣を取りに戻ってはいけない。
19 Ary lozan’ ny bevohoka sy ny mampinono amin’ ireo andro ireo!
だが,それらの日,妊娠している者たちと乳を飲ませている母親たちにとっては災いだ!
20 Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ ny ririnina na ho amin’ ny Sabata no handosiranareo.
あなた方の逃走が冬や安息日に起こらないように祈っていなさい。
21 Fa amin’ izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’ izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.
その時,世のはじめから今に至るまで起きたことがなく,また二度と起きないような苦しみがあるからだ。
22 Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.
それらの日が短くされなかったなら,肉なる者はだれも救われないだろう。だが,選ばれた者たちのために,その日々は短くされるのだ。
23 Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro, y Kristy, na: Indro, ar; aza mino ianareo.
「その時,だれかがあなた方に,『見よ,ここにキリストがいる!』とか,『あそこだ』などと告げても,それを信じてはいけない。
24 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.
偽キリストたちや偽預言者たちが現われて,できるなら選ばれた者たちをさえ惑わそうとして,しるしと不思議な業を行なうからだ。
25 Indro, voalazako aminareo rahateo izany.
「見よ,わたしはあなた方にあらかじめ告げている。
26 Ary amin’ izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin’ ny efi-trano Izy, aza mino.
だから,人々があなた方に,『見よ,彼は荒野にいる』と言っても,出て行ってはいけない。『見よ,奥の部屋にいる』と言っても,それを信じてはいけない。
27 Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian’ ny Zanak’ olona.
いなずまが東から出て,西にまで輝きわたるように,人の子の来臨もそのようだからだ。
28 Fa izay itoeran’ ny faty, dia any no hiangonan’ ny voromahery.
どこでも死体のあるところ,そこにハゲワシたちも集まって来るのだ。
29 Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin’ ny lanitra hohozongozonina.
だが,それらの日の苦しみのすぐ後に,太陽は暗くなり,月は光を放たなくなり,星々は天から落ち,天にあるもろもろの力は揺り動かされるだろう。
30 Ary amin’ izany andro izany dia hiseho eo amin’ ny lanitra ny famantarana ny Zanak’ olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, ary hahita ny Zanak’ olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ ny rahon’ ny lanitra izy.
そしてその時,人の子のしるしが天に現われるだろう。その時,地のすべての部族は悲しみ,人の子が力と大いなる栄光をもって天の雲に乗って来るのを見るだろう。
31 Ary amin’ ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin’ ireo ny olom-boafidy avy amin’ ny vazan-tany efatra hatramin’ ny faravodilanitra rehetra.
彼は大きならっぱの音と共に自分の使いたちを遣わし,彼らは四方の風から,天の一方の果てから他方の果てまで,自分の選ばれた者たちを集め寄せるだろう。
32 Ary mianara ny fanoharana ny amin’ ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
「さあ,イチジクの木からこのたとえを学びなさい。その枝が柔らかくなり,葉を出すと,あなた方は夏の近いことを知る。
33 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy.
そのようにあなた方も,これらのすべてのことが起こるのを見たなら,彼が戸口にまで近づいていることを知りなさい。
34 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.
本当にはっきりとあなた方に告げる。これらのすべてのことが実現するまでは,この世代は過ぎ去らない。
35 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
天と地は過ぎ去るだろう。それでも,わたしの言葉は過ぎ去らないのだ。
36 Fa ny amin’ izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza, ] afa-tsy ny Ray ihany.
だが,その日や時刻についてはだれも知らない。天のみ使いたちも知らず,ただ父だけが知っておられる。
37 Fa tahaka ny andron’ i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ ny Zanak’ olona.
「人の子の来臨はノアの日々と同じようだ。
38 Fa tahaka ny tamin’ ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ ny andro izay nidiran’ i Noa tao amin’ ny sambo-fiara,
というのも,洪水前のそれらの日,ノアが箱船に入るその日まで,人々は食べたり飲んだり,めとったり嫁いだりしていて,
39 ary tsy fantany mandra-pihavin’ ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ ny Zanak’ olona.
洪水が来て彼らすべてをさらって行くまで,気づかなかったのだ。人の子の来臨もそのようになるだろう。
40 Ary amin’ izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
その時,二人の男が畑にいるだろう。一方は取り去られ,他方は残される。
41 Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
二人の女が引き臼をひいているだろう。一方は取り去られ,他方は残される。
42 Koa amin’ izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ ny Tomponareo.
だから,見張っていなさい。あなた方は自分たちの主が来るその時を知らないからだ。
43 Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin’ ny alina izay hihavian’ ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
だが,このことを知っておきなさい。家の主人は,夜のどの見張り時に盗人が来るかを知っているなら,見張っていて,自分の家に押し入られることを許さなかっただろう。
44 Koa miomana kosa ianareo; fa amin’ izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ ny Zanak’ olona.
だから,あなた方も用意をしておきなさい。あなた方の思いもしない時に人の子は来るからだ。
45 Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ ny fotoana?
「それでは,主人が,時節に応じて家の者たちに食物を与えさせるため,彼らの上に任命した,忠実で賢い召使いは,いったいだれか。
46 Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.
主人がやって来た時,そうしているのを見られるその召使いは幸いだ。
47 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
本当にはっきりとあなた方に告げるが,主人は彼を自分のすべての持ち物の上に任命するだろう。
48 Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko,
だが,それが悪い召使いで,心の中で,『わたしの主人は来るのが遅れている』と言い,
49 ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin’ ny mpimamo,
自分の仲間の召使いたちを打ちたたき始め,酔っぱらいたちと食べたり飲んだりしているなら,
50 dia ho avy ny tompon’ izany mpanompo izany amin’ ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ ny ora izay tsy fantany,
その召使いの主人は,彼の思いもしない日,彼の知らない時にやって来て,
51 dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin’ ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
彼をずたずたに切り裂き,その受け分を偽善者たちと共にならせるだろう。そこには嘆きと歯ぎしりとがあるだろう。

< Matio 24 >