< Matio 24 >
1 Ary nony niala teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, dia lasa nandeha; ary ny mpianany nanatona Azy hampizaha Azy ny rafitry ny tempoly.
Yesu anatuluka mʼNyumba ya Mulungu ndipo akuchoka ophunzira ake anadza kwa Iye ndi kumuonetsa mamangidwe a Nyumbayo.
2 Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy hitanareo va ireo rehetra ireo? Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana.
Iye anawafunsa kuti, “Kodi mukuona zinthu zonsezi? Zoonadi, Ine ndikuwuzani kuti palibe mwala pano umene udzasiyidwe pa unzake; uliwonse udzagwetsedwa pansi.”
3 Ary nipetraka teo an-tendrombohitra Oliva Izy, dia nanatona Azy mangingina ny mpianany ka nanao hoe: Lazao aminay izay andro hahatongavan’ izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan’ izao tontolo izao. (aiōn )
Pamene Yesu anakhala pansi pa phiri la Olivi, ophunzira ake anabwera kwa Iye mwamseri nati, “Tiwuzeni, kodi izi zidzachitika liti, ndipo chizindikiro cha kubwera kwanu ndi zizindikiro za kutha kwa dziko zidzakhala chiyani?” (aiōn )
4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
Yesu anayankha kuti, “Onetsetsani kuti wina asakunyengeni.
5 Fa maro no ho avy amin’ ny anarako hanao hoe: Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany.
Pakuti ambiri adzabwera mʼdzina langa nadzati, ‘Ndine Khristu,’ ndipo adzanyenga ambiri.
6 Ary handre ady sy filazana ady ianareo; koa mitandrema, aza matahotra; fa tsy maintsy ho tonga izany; nefa tsy mbola tonga ny farany.
Mudzamva za nkhondo ndi mbiri za nkhondo, koma onetsetsani kuti musadzidzimuke nazo. Zotere ziyenera kuchitika, koma chimaliziro sichinafike.
7 Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana; ary hisy mosary sy horohorontany amin’ ny tany samy hafa.
Mtundu ndi mtundu udzawukirana, ndipo ufumu ndi ufumu udzawukirana. Kudzakhala njala ndi zivomerezi mʼmalo osiyanasiyana.
8 Fa izany rehetra izany no fiandohan’ ny fahoriana.
Zonsezi ndi chiyambi chabe cha zowawa.
9 Ary dia hatolony ho amin’ ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.
“Pamenepo adzakuperekani kuti mukazunzidwe ndi kuphedwa, ndipo mitundu yonse idzakudani chifukwa cha Ine.
10 Ary amin’ izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy.
Pa nthawi imeneyo ambiri adzasiya chikhulupiriro ndipo adzadana ndi kuperekana wina ndi mnzake,
11 Ary hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka hamitaka ny maro.
ndipo aneneri onama ambiri adzaoneka ndi kunyenga anthu ambiri.
12 Ary noho ny haben’ ny tsi-fankatoavan-dalàna dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ ny maro.
Chifukwa cha kuchuluka kwa zoyipa, chikondi cha ambiri chidzazirala,
13 Fa izay maharitra hatramin’ ny farany no hovonjena.
koma wopirira kufikira chimaliziro adzapulumuka.
14 Ary hotorina amin’ izao tontolo izao ity filazantsaran’ ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.
Ndipo uthenga wa ufumu udzalalikidwa ku dziko lonse lapansi ngati umboni kwa mitundu yonse, ndipo pomwepo chimaliziro chidzafika.”
15 Koa raha hitanareo mitsangana ao amin’ izay fitoerana masìna ny fahavetavetan’ ny fandravana, izay nampilazaina an’ i Daniela mpaminany (aoka hisaina izay mamaky izany),
“Tsono mukadzaona chinthu chonyansa chosakaza chitayima pamalo oyera chimene anayankhula mneneri Danieli, owerengayo azindikire.
16 dia aoka izay olona any Jodia handositra ho any an-tendrombohitra;
Pamenepo amene ali ku Yudeya athawire ku mapiri.
17 ary izay ao an-tampon-trano aoka tsy hidina haka ny ao an-tranony;
Yemwe ali pa denga la nyumba yake asatsike kukatulutsa chinthu chilichonse mʼnyumba.
18 ary izay any an-tsaha aoka tsy hiverina haka ny lambany.
Yemwe ali ku munda asapite kukatenga mkanjo wake.
19 Ary lozan’ ny bevohoka sy ny mampinono amin’ ireo andro ireo!
Kudzakhala koopsa kwambiri masiku amenewo kwa amayi oyembekezera ndi kwa oyamwitsa!
20 Fa mivavaha ianareo mba tsy ho amin’ ny ririnina na ho amin’ ny Sabata no handosiranareo.
Pempherani kuti kuthawa kwanu kusadzachitike nthawi yozizira kapena pa Sabata.
21 Fa amin’ izany andro izany dia hisy fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’ izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony.
Popeza kudzakhala masautso aakulu, omwe safanana ndi ena ali onse chiyambireni cha dziko lapansi mpaka lero lino ndipo sadzafanananso ndi ena.
22 Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.
Ngati masiku amenewo sakanafupikitsidwa, palibe mmodzi akanapulumuka, koma chifukwa cha osankhidwawo masiku amenewo adzafupikitsidwa.
23 Koa raha misy manao aminareo hoe: Indro, y Kristy, na: Indro, ar; aza mino ianareo.
Pa nthawi imeneyo ngati wina adzati kwa inu, ‘Onani, Khristu ali pano!’ Kapena, ‘Uyo ali ukoyo!’ Musakhulupirire.
24 Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.
Chifukwa akhristu onama ndi aneneri onama adzaoneka ndipo adzachita zizindikiro zazikulu ndi zodabwitsa kuti akanyenge ngakhale osankhidwawo ngati kukanakhala kotheka kutero.
25 Indro, voalazako aminareo rahateo izany.
Onani, ndakuwuzani izi nthawi isanafike.
26 Ary amin’ izany, raha misy manao aminareo hoe: Indro, any an-efitra Izy, aza mankany ianareo; Indro, ao amin’ ny efi-trano Izy, aza mino.
“Ndiye ngati wina akuwuzani inu kuti, ‘Uyo ali ku chipululu,’ inu musapiteko; kapena akati, ‘Uyu ali kuno mʼchipinda chamʼkati,’ musakhulupirire.
27 Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fihavian’ ny Zanak’ olona.
Monga momwe mphenzi ingʼanima kuchokera kummawa kupita kumadzulo, momwemonso kudzakhala kubwera kwa Mwana wa Munthu.
28 Fa izay itoeran’ ny faty, dia any no hiangonan’ ny voromahery.
Kulikonse kuli chinthu cha kufa, makwangwala adzasonkhanako.
29 Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin’ ny lanitra hohozongozonina.
“Akadzangotha mavuto a masiku amenewo, “‘dzuwa lidzadetsedwa, ndipo mwezi sudzawala; nyenyezi zidzagwa kuchokera kumwamba, ndipo mphamvu za mmwamba zidzagwedezeka.’
30 Ary amin’ izany andro izany dia hiseho eo amin’ ny lanitra ny famantarana ny Zanak’ olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, ary hahita ny Zanak’ olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ ny rahon’ ny lanitra izy.
“Pa nthawi imeneyo chizindikiro cha Mwana wa Munthu chidzaoneka mlengalenga, ndipo mitundu yonse ya pa dziko lapansi idzalira. Idzaona Mwana wa Munthu akubwera ndi mitambo, mphamvu ndi ulemerero waukulu.
31 Ary amin’ ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin’ ireo ny olom-boafidy avy amin’ ny vazan-tany efatra hatramin’ ny faravodilanitra rehetra.
Ndipo adzatuma angelo ake, ndi kulira kwa lipenga kwakukulu, nadzasonkhanitsa osankhidwa ake kuchokera ku mphepo zinayi, ndi kuchokera kumathero a thambo kufika mbali ina.
32 Ary mianara ny fanoharana ny amin’ ny aviavy: Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona.
“Tsopano kuchokera ku mtengo wamkuyu phunzirani ichi: Pamene uyamba kuphukira, masamba ake akatuluka, mumadziwa kuti dzinja layandikira.
33 Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy.
Momwemonso, pamene mudzaona zinthu zonsezi mudzadziwe kuti ali pafupi pa khomo penipeni.
34 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’ izany rehetra izany.
Zoonadi, ndikuwuzani kuti mʼbado uwu sudzatha mpaka zinthu zonse zitachitika.
35 Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.
Kumwamba ndi dziko lapansi zidzatha, koma mawu anga sadzatha.”
36 Fa ny amin’ izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ ny lanitra aza, [ary na ny Zanaka aza, ] afa-tsy ny Ray ihany.
“Palibe amene adziwa za tsikulo kapena nthawi, angakhale angelo akumwamba, angakhale Mwana, koma Atate okha.
37 Fa tahaka ny andron’ i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ ny Zanak’ olona.
Monga momwe zinalili nthawi ya Nowa, momwemonso zidzatero pobwera kwa Mwana wa Munthu.
38 Fa tahaka ny tamin’ ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ ny andro izay nidiran’ i Noa tao amin’ ny sambo-fiara,
Pakuti masiku amenewo chisanafike chigumula, anthu amadya ndi kumwa, kukwatira ndi kukwatiwa, mpaka tsiku limene Nowa analowa mʼchombo;
39 ary tsy fantany mandra-pihavin’ ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ ny Zanak’ olona.
ndipo sanadziwe za chimene chikanachitika mpaka pamene chigumula chinafika ndi kuwamiza onse. Umu ndi mmene zidzakhalira pobwera kwa Mwana wa Munthu.
40 Ary amin’ izany hisy roa lahy any an-tsaha; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
Amuna awiri adzakhala mʼmunda; wina adzatengedwa ndi wina adzatsala.
41 Ary hisy roa vavy manodina ny fikosoham-bary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
Amayi awiri adzakhala akusinja pa mtondo; wina adzatengedwa ndi wina adzatsala.
42 Koa amin’ izany miambena ianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ ny Tomponareo.
“Chifukwa chake yangʼanirani, popeza simudziwa tsiku lanji limene Ambuye anu adzabwera.
43 Nefa aoka ho fantatrareo izao: Raha fantatry ny tompon-trano ny fiambenana amin’ ny alina izay hihavian’ ny mpangalatra, dia ho niambina izy ka tsy namela ny tranony hotamina.
Koma zindikirani ichi: Ngati mwini nyumba akanadziwa nthawi yanji ya usiku imene mbala imabwera, sakanagona ndipo sakanalola kuti nyumba yake ithyoledwe.
44 Koa miomana kosa ianareo; fa amin’ izay ora tsy ampoizinareo no hihavian’ ny Zanak’ olona.
Inunso tsono muyenera kukhala okonzeka, chifukwa Mwana wa Munthu adzabwera pa nthawi imene inu simukumuyembekezera.
45 Iza moa no mpanompo mahatoky sy manan-tsaina, izay notendren’ ny tompony hifehy ny mpanompony mba hanome azy hanina amin’ ny fotoana?
“Kodi wantchito wokhulupirika ndi wanzeru amene ambuye ake anamuyika kukhala woyangʼanira antchito a mʼnyumba kuti awapatse chakudya chawo pa nthawi yake ndani?
46 Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny tompony ka hahita azy manao izany.
Chidzakhala chabwino kwa wantchitoyo ngati mbuye wake pofika adzamupeza akuchita zimenezi.
47 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hotendreny ho mpanapaka ny fananany rehetra izy.
Zoonadi, ndikuwuzani kuti adzamuyika kukhala woyangʼanira katundu wake yense.
48 Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe: Maharitra ela ny tompoko,
Koma tiyerekeze kuti wantchitoyo ndi woyipa, nati kwa iye yekha, ‘Mbuye wanga akuchedwa kubwera,’
49 ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin’ ny mpimamo,
nayamba kumenya antchito anzake, nadya ndi kumwa ndi zidakwa.
50 dia ho avy ny tompon’ izany mpanompo izany amin’ ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ ny ora izay tsy fantany,
Mbuye wa wantchitoyo adzabwera pa tsiku limene iye samamuyembekezera ndi pa nthawi imene iye sakuyidziwa.
51 dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara any amin’ ny mpihatsaravelatsihy; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
Adzamulanga koopsa ndipo adzamuyika kokhala anthu achiphamaso, kumene kudzakhala kulira ndi kukukuta mano.”