< Matio 23 >
1 Ary tamin’ izany Jesosy dia niteny tamin’ ny vahoaka sy tamin’ ny mpianany ka nanao hoe:
anantaraṁ yīśu rjananivahaṁ śiṣyāṁścāvadat,
2 Eo amin’ ny fipetrahan’ i Mosesy no ipetrahan’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo;
adhyāpakāḥ phirūśinaśca mūsāsane upaviśanti,
3 koa amin’ izany, izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo; fa aza mba manao araka ny asany, satria miteny ihany izy, nefa tsy manao.
ataste yuṣmān yadyat mantum ājñāpayanti, tat manyadhvaṁ pālayadhvañca, kintu teṣāṁ karmmānurūpaṁ karmma na kurudhvaṁ; yatasteṣāṁ vākyamātraṁ sāraṁ kāryye kimapi nāsti|
4 Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ ny rantsan-tànany anankiray asa.
te durvvahān gurutarān bhārān badvvā manuṣyāṇāṁ skandhepari samarpayanti, kintu svayamaṅgulyaikayāpi na cālayanti|
5 Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ ny olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny.
kevalaṁ lokadarśanāya sarvvakarmmāṇi kurvvanti; phalataḥ paṭṭabandhān prasāryya dhārayanti, svavastreṣu ca dīrghagranthīn dhārayanti;
6 Ary tia ny fitoerana aloha eo amin’ ny fanasana izy, sy ny fipetrahana aloha eo amin’ ny synagoga
bhojanabhavana uccasthānaṁ, bhajanabhavane pradhānamāsanaṁ,
7 sy ny hoharabain’ ny olona eny an-tsena ary ny hataon’ ny olona hoe: Raby ô!
haṭṭhe namaskāraṁ gururiti sambodhanañcaitāni sarvvāṇi vāñchanti|
8 Fa ianareo kosa aza mba mety hatao hoe: Raby ô; fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa.
kintu yūyaṁ gurava iti sambodhanīyā mā bhavata, yato yuṣmākam ekaḥ khrīṣṭaeva guru
9 Ary aza milaza olona etỳ an-tany ho rainareo; fa iray ihany no Rainareo, dia Izay any an-danitra.
ryūyaṁ sarvve mitho bhrātaraśca| punaḥ pṛthivyāṁ kamapi piteti mā sambudhyadhvaṁ, yato yuṣmākamekaḥ svargasthaeva pitā|
10 Ary aza mba mety hatao hoe mpitarika ianareo; fa iray ihany no Mpitarika anareo, dia Kristy.
yūyaṁ nāyaketi sambhāṣitā mā bhavata, yato yuṣmākamekaḥ khrīṣṭaeva nāyakaḥ|
11 Fa izay lehibe aminareo no ho mpanompo anareo.
aparaṁ yuṣmākaṁ madhye yaḥ pumān śreṣṭhaḥ sa yuṣmān seviṣyate|
12 Fa izay manandra-tena no haetry; ary izay manetry tena no hasandratra.
yato yaḥ svamunnamati, sa nataḥ kariṣyate; kintu yaḥ kaścit svamavanataṁ karoti, sa unnataḥ kariṣyate|
13 Fa lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa arindrinareo eo anoloan’ ny olona ny fanjakan’ ny lanitra; fa ianareo tsy miditra, ary izay miditra dia tsy avelanareo hiditra.
hanta kapaṭina upādhyāyāḥ phirūśinaśca, yūyaṁ manujānāṁ samakṣaṁ svargadvāraṁ rundha, yūyaṁ svayaṁ tena na praviśatha, pravivikṣūnapi vārayatha| vata kapaṭina upādhyāyāḥ phirūśinaśca yūyaṁ chalād dīrghaṁ prārthya vidhavānāṁ sarvvasvaṁ grasatha, yuṣmākaṁ ghorataradaṇḍo bhaviṣyati|
14 (Lozanareo mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! Fa laninareo ny tranon’ ny mpitondratena, ary dia manao vavaka lavareny ho fiolahana ianareo; koa izany no hahazoanareo fahamelohana mafimafy kokoa.)
hanta kapaṭina upādhyāyāḥ phirūśinaśca, yūyamekaṁ svadharmmāvalambinaṁ karttuṁ sāgaraṁ bhūmaṇḍalañca pradakṣiṇīkurutha,
15 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandeha mitety ny ranomasina sy ny tany maina ianareo mba hahazoanareo na dia iray ihany aza ho proselyta; ary rehefa azonareo izy, dia ataonareo zanaky ny helo mihoatra indroa noho ianareo aza. (Geenna )
kañcana prāpya svato dviguṇanarakabhājanaṁ taṁ kurutha| (Geenna )
16 Lozanareo, mpitarika jamba izay manao hoe: Raha misy mianiana amin’ ny tempoly, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ ny volamena amin’ ny tempoly, dia haningo-tena izy.
vata andhapathadarśakāḥ sarvve, yūyaṁ vadatha, mandirasya śapathakaraṇāt kimapi na deyaṁ; kintu mandirasthasuvarṇasya śapathakaraṇād deyaṁ|
17 Ry adala sy jamba! iza no lehibe, ny volamena va, sa ny tempoly izay nahamasina ny volamena?
he mūḍhā he andhāḥ suvarṇaṁ tatsuvarṇapāvakamandiram etayorubhayo rmadhye kiṁ śreyaḥ?
18 Ary koa: Raha misy mianiana amin’ ny alitara, dia tsy mampaninona izany; fa raha misy mianiana amin’ ny fanatitra eo amboniny, dia haningo-tena izy.
anyacca vadatha, yajñavedyāḥ śapathakaraṇāt kimapi na deyaṁ, kintu taduparisthitasya naivedyasya śapathakaraṇād deyaṁ|
19 Ry jamba! iza no lehibe, ny fanatitra, sa ny alitara izay mahamasina ny fanatitra?
he mūḍhā he andhāḥ, naivedyaṁ tannaivedyapāvakavediretayorubhayo rmadhye kiṁ śreyaḥ?
20 Koa amin’ izany, izay mianiana amin’ ny alitara, dia mianiana aminy mbamin’ ny zavatra rehetra izay eo amboniny.
ataḥ kenacid yajñavedyāḥ śapathe kṛte taduparisthasya sarvvasya śapathaḥ kriyate|
21 Ary izay mianiana amin’ ny tempoly dia mianiana aminy mbamin’ izay mitoetra ao anatiny.
kenacit mandirasya śapathe kṛte mandiratannivāsinoḥ śapathaḥ kriyate|
22 Ary izay mianiana amin’ ny lanitra dia mianiana amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra mbamin’ izay mipetraka eo amboniny.
kenacit svargasya śapathe kṛte īśvarīyasiṁhāsanataduparyyupaviṣṭayoḥ śapathaḥ kriyate|
23 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa mandoa ny fahafolon’ ny solila sy ny aneta ary ny komina ianareo, nefa navelanareo izay lehibe amin’ ny lalàna, dia ny rariny sy ny famindram-po ary ny finoana; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
hanta kapaṭina upādhyāyāḥ phirūśinaśca, yūyaṁ podināyāḥ sitacchatrāyā jīrakasya ca daśamāṁśān dattha, kintu vyavasthāyā gurutarān nyāyadayāviśvāsān parityajatha; ime yuṣmābhirācaraṇīyā amī ca na laṁghanīyāḥ|
24 Ry mpitarika jamba! tantavaninareo ny moka, nefa atelinareo ny rameva.
he andhapathadarśakā yūyaṁ maśakān apasārayatha, kintu mahāṅgān grasatha|
25 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon’ ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.
hanta kapaṭina upādhyāyāḥ phirūśinaśca, yūyaṁ pānapātrāṇāṁ bhojanapātrāṇāñca bahiḥ pariṣkurutha; kintu tadabhyantaraṁ durātmatayā kaluṣeṇa ca paripūrṇamāste|
26 Ry Fariseo jamba! diovy aloha ny atin’ ny kapoaka sy ny lovia, mba ho madio koa ny vohony.
he andhāḥ phirūśilokā ādau pānapātrāṇāṁ bhojanapātrāṇāñcābhyantaraṁ pariṣkuruta, tena teṣāṁ bahirapi pariṣkāriṣyate|
27 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ ny maty mbamin’ ny fahalotoana rehetra.
hanta kapaṭina upādhyāyāḥ phirūśinaśca, yūyaṁ śuklīkṛtaśmaśānasvarūpā bhavatha, yathā śmaśānabhavanasya bahiścāru, kintvabhyantaraṁ mṛtalokānāṁ kīkaśaiḥ sarvvaprakāramalena ca paripūrṇam;
28 Dia tahaka izany koa ianareo: raha amin’ ny eo ivelany dia miseho amin’ ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna.
tathaiva yūyamapi lokānāṁ samakṣaṁ bahirdhārmmikāḥ kintvantaḥkaraṇeṣu kevalakāpaṭyādharmmābhyāṁ paripūrṇāḥ|
29 Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa manao ny fasan’ ny mpaminany ianareo sady manisy haingony ny rarivatom-pasan’ ny olona marina,
hā hā kapaṭina upādhyāyāḥ phirūśinaśca, yūyaṁ bhaviṣyadvādināṁ śmaśānagehaṁ nirmmātha, sādhūnāṁ śmaśānaniketanaṁ śobhayatha
30 ka hoy ianareo: Raha niara-belona tamin’ ny razanay izahay, dia tsy mba nikambana taminy handatsa-drà ny mpaminany.
vadatha ca yadi vayaṁ sveṣāṁ pūrvvapuruṣāṇāṁ kāla asthāsyāma, tarhi bhaviṣyadvādināṁ śoṇitapātane teṣāṁ sahabhāgino nābhaviṣyāma|
31 Ka dia miampanga tena ianareo fa zanak’ izay namono ny mpaminany.
ato yūyaṁ bhaviṣyadvādighātakānāṁ santānā iti svayameva sveṣāṁ sākṣyaṁ dattha|
32 Ary ianareo koa dia mamenoa ny famaran’ ny razanareo.
ato yūyaṁ nijapūrvvapuruṣāṇāṁ parimāṇapātraṁ paripūrayata|
33 Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ ny helo? (Geenna )
re bhujagāḥ kṛṣṇabhujagavaṁśāḥ, yūyaṁ kathaṁ narakadaṇḍād rakṣiṣyadhve| (Geenna )
34 Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin’ ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra, ―
paśyata, yuṣmākamantikam ahaṁ bhaviṣyadvādino buddhimata upādhyāyāṁśca preṣayiṣyāmi, kintu teṣāṁ katipayā yuṣmābhi rghāniṣyante, kruśe ca ghāniṣyante, kecid bhajanabhavane kaṣābhirāghāniṣyante, nagare nagare tāḍiṣyante ca;
35 mba hanody anareo ny rà marina rehetra, izay nalatsaka tambonin’ ny tany, hatramin’ ny ran’ i Abela marina ka hatramin’ ny ran’ i Zakaria, zanak’ i Barakia, izay novonoinareo teo anelanelan’ ny tempoly sy ny alitara.
tena satpuruṣasya hābilo raktapātamārabhya berikhiyaḥ putraṁ yaṁ sikhariyaṁ yūyaṁ mandirayajñavedyo rmadhye hatavantaḥ, tadīyaśoṇitapātaṁ yāvad asmin deśe yāvatāṁ sādhupuruṣāṇāṁ śoṇitapāto 'bhavat tat sarvveṣāmāgasāṁ daṇḍā yuṣmāsu varttiṣyante|
36 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hanody ity taranaka ity izany rehetra izany.
ahaṁ yuṣmānta tathyaṁ vadāmi, vidyamāne'smin puruṣe sarvve varttiṣyante|
37 Ry Jerosalema, ry Jerosalema, izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay irahina ho aminao, impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao, tahaka ny fanomban’ ny akoho ny zanany ao ambanin’ ny elany, fa tsy nety ianareo!
he yirūśālam he yirūśālam nagari tvaṁ bhaviṣyadvādino hatavatī, tava samīpaṁ preritāṁśca pāṣāṇairāhatavatī, yathā kukkuṭī śāvakān pakṣādhaḥ saṁgṛhlāti, tathā tava santānān saṁgrahītuṁ ahaṁ bahuvāram aicchaṁ; kintu tvaṁ na samamanyathāḥ|
38 Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo.
paśyata yaṣmākaṁ vāsasthānam ucchinnaṁ tyakṣyate|
39 Fa lazaiko aminareo: Hatramin’ izao dia tsy hahita Ahy tokoa ianareo mandra-pilazanareo hoe: Isaorana anie Izay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah.
ahaṁ yuṣmān tathyaṁ vadāmi, yaḥ parameśvarasya nāmnāgacchati, sa dhanya iti vāṇīṁ yāvanna vadiṣyatha, tāvat māṁ puna rna drakṣyatha|