< Matio 2 >
1 Ary rehefa teraka Jesosy tao Betlehema an’ i Jodia, tamin’ ny andron’ i Heroda mpanjaka, indreo, nisy Magy avy tany atsinanana tonga tany Jerosalema ka nanao hoe:
Baada ya Yesu kuzaliwa katika Bethelehem ya Uyahudi katika siku za mfalme Herode, watu wasomi kutoka mashariki ya mbali walifika Yerusalemu wakisema,
2 Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.
“Yuko wapi yeye ambaye aliyezaliwa Mfalme wa Wayahudi? Tuliiona nyota yake mashariki nasi tumekuja kumwabudu.”
3 Ary nony nandre izany Heroda mpanjaka, dia nangorohoro izy mbamin’ i Jerosalema rehetra.
Pindi Mfalme herode aliposikia haya alifadhaika, na Yerusalemu yote pamoja naye.
4 Dia namory ny lohan’ ny mpisorona rehetra sy ny mpanora-dalàna tamin’ ny vahoaka izy ka nanontany ary hoe: Aiza mba no hahaterahan’ i Kristy?
Herode akawakusanya wakuu wa makuhani wote na waandishi wa watu, naye akawauliza, “Kristo atazaliwa wapi?”
5 Ary hoy ireo taminy: Ao Betlehema an’ i Jodia; fa izao no voasoratry ny mpaminany:
Wakamwabia, “Katika Bethelehemu ya Uyahudi, kwa kuwa hivi ndivyo ilivyoandikwa na nabii,
6 Ary ianao, ry Betlehema, tanin’ ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin’ ny andrianan’ ny Joda ianao tsy akory; Fa avy ao aminao no hivoahan’ izay anankiray ho Mpanapaka, Ka Izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko.
Nawe Bethelehemu, katika nchi ya Yuda, si mdogo miongoni mwa viongozi wa Yuda, kwa kuwa kutoka kwako atakuja mtawala atakayewachunga watu wangu Israeli.”
7 Dia nampaka ny Magy mangingina Heroda ka namototra fatratra taminy izay andro nisehoan’ ilay kintana.
Hivyo Herode aliwaita wale wasomi kwa siri na kuwauliza ni wakati gani hasa nyota ilikuwa imeonekana.
8 Dia naniraka azy hankany Betlehema izy ka nanao hoe: Andeha, fotory tsara ny amin’ ilay Zazakely; koa rehefa hitanareo Izy, dia ambarao amiko, mba hankanesako any koa hiankohoka eo anatrehany.
Akawatuma Bethelehem, akisema, “Nendeni kwa uangalifu mkamtafute mtoto aliyezaliwa. Wakati mtakapomwona, nileteeni habari ili kwamba mimi pia niweze kuja na kumwabudu.”
9 Ary rehefa nandre ny tenin’ ny mpanjaka izy ireo, dia lasa; ary, indro, ilay kintana hitany teny atsinanana nialoha azy mandra-pijanony teo ambonin’ izay nitoeran’ ny Zazakely.
Baada ya kuwa wamemsikia mfalme, waliendelea na safari yao, na nyota ile waliyokuwa wameiona mashariki iliwatangulia hadi iliposimama juu ya mahali mtoto aliyezaliwa alipokuwa.
10 Ary nony nahita ny kintana izy, dia nifaly indrindra.
Wakati walipoiona nyota, walifurahi kwa furaha kuu mno.
11 Ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy Maria reniny ka niankohoka teo anatrehany; ary nony efa nosokafany ny fitehirizan-drakiny, dia nanolotra zavatra ho Azy izy, dia volamena sy zava-manitra ary miora.
Waliingia nyumbani na kumuona mtoto aliyezaliwa na Mariamu mama yake. Walimsujudia na kumwabudu. Walifungua hazina zao na kumtolea zawadi za dhahabu, uvumba, na manemane.
12 Ary rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra tamin’ ny nofy izy tsy hiverina any amin’ i Heroda, dia lalana hafa no nalehany nody ho any amin’ ny fonenany.
Mungu aliwaonya katika ndoto wasirudi kwa Herode, hivyo, waliondoka kurudi katika nchi yao kwa njia nyingine.
13 Ary nony efa lasa nandeha ireo, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho tamin’ i Josefa tamin’ ny nofy ka nanan hoe: Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mandosira any Egypta, ary mitoera any ambara-pilazako aminao; fa Heroda efa hitady ny Zazakely hovonoiny.
Baada ya kuwa wameondoka, malaika wa Bwana alimtokea Yusufu katika ndoto na kusema, “Inuka, mchukue mtoto na mama yake na mkimbilie Misri. Bakini huko mpaka nitakapowaambia, kwa kuwa Herode atamtafuta mtoto ili amwangamize.
14 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, raha mbola alina, dia lasa nankany Egypta;
Usiku huo Yusufu aliamka na kumchukua mtoto na mama yake na kukimbilia Misri.
15 ary nitoetra tany izy ambara-pahafatin’ i Heroda, mba hahatanteraka izay nampilazain’ i Jehovah ny mpaminany hoe: Nantsoiko hiala tany Egypta ny zanako.
Aliishi huko hadi Herode alipo kufa. Hii ilitimiza kile Bwana alichokuwa amenena kupitia nabii, “Kutoka Misri nimemwita mwanangu.”
16 Ary nony efa fantatr’ i Heroda fa voafitaky ny Magy izy, dia tezitra indrindra izy ka naniraka namono ny zazalahy rehetra hatramin’ ny roa taona no ho midìna, izay tao Betlehema sy tamin’ ny manodidina rehetra, araka ny andro izay nofotorany fatratra tamin’ ny Magy.
Kisha Herode, alipoona kuwa amedhihakiwa na watu wasomi, alikasirika sana. Aliagiza kuuawa kwa watoto wote wa kiume waliokuwa Bethelehemu na wote katika eneo lile ambao walikuwa na umri wa miaka miwili na chini yake kulingana na wakati aliokuwa amekwisha thibitisha kabisa kutoka kwa wale watu wasomi.
17 Dia tanteraka izay nampilazaina an’ i Jeremia mpaminany hoe:
Ndipo lilipotimizwa lile neno lililonenwa kwa kinywa cha nabii Yeremia,
18 Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, Ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra ireny.
“Sauti ilisikika Ramah, kilio na maombolezo makubwa, Raheli akiwalilia watoto wake, na alikataa kufarijiwa, kwa sababu hawapo tena.”
19 Ary rehefa maty Heroda, indro, nisy anjelin’ ny Tompo niseho tamin’ i Josefa tany Egypta tamin’ ny nofy ka nanao hoe:
Herode alipo kufa, tazama malaika wa Bwana alimtokea Yusufu katika ndoto huko Misri na kusema,
20 Mifohaza ianao, ka ento ny Zazakely sy ny reniny, dia mankanesa any amin’ ny tanin’ ny Isiraely; fa efa maty izay nitady ny ain’ ny Zazakely.
“Inuka mchukue mtoto na mama yake, na mwende katika nchi ya Israeli kwa maana waliokuwa wakitafuta uhai wa mtoto wamekufa.”
21 Dia nifoha izy ka nitondra ny Zazakely sy ny reniny, dia tonga tany amin’ ny tanin’ ny Isiraely.
Yusufu aliinuka, akamchukua mtoto pamoja na mama yake, na wakaja katika nchi ya Israeli.
22 Fa rehefa reny fa Arkelaosy no nanjaka tany Jodia nandimby an’ i Heroda rainy, dia natahotra hankany izy; ary rehefa notoroan’ Andriamanitra hevitra tamin’ ny nofy izy, dia lasa nankany amin’ ny tany Galilia.
Lakini aliposikia kuwa Arikelau alikuwa anatawala Yuda mahali pa baba yake Herode, aliogopa kwenda huko. Baada ya Mungu kumuonya katika ndoto, aliondoka kwenda mkoa wa Galilaya
23 Ary nony tonga tany izy, dia nonina tao amin’ ny tanàna atao hoe Nazareta, mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hatao hoe Nazarena Izy.
na alienda kuishi katika mji uitwao Nazareti. Hili lilitimiza kile kilichokuwa kimekwisha kunenwa kwa njia ya manabii, kwamba ataitwa Mnazareti.