< Matio 16 >

1 Ary ny Fariseo sy ny Sadoseo nankeo aminy, dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra.
Då kom farisæarane og sadducæarane og freista honom, og bad at han vilde lata deim få sjå eit teikn frå himmelen.
2 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nony hariva, dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.
Han svara: «Um kvelden segjer de: «Det vert godt ver; for himmelen er raud, »
3 Ary nony maraina, dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin’ ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo.
og um morgonen: «I dag vert det uver; for himmelen er raud og myrk.» Himmelsbragdi veit de å døma um, men tidarteikni kann de ikkje tyda.
4 Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’ i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa.
Ei vond og utru ætt krev etter teikn, men dei skal’kje få anna teikn enn Jona-teiknet.» Dermed snudde han seg ifrå deim og gjekk burt.
5 Ary rehefa tonga teny am-pita ny mpianatra, dia nanadino hitondra mofo izy.
Då dei so for yver til hi sida, gløymde læresveinarne å taka brød med seg.
6 Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo.
So sagde Jesus til deim: «Sjå til at de tek dykk i vare for farisæar- og sadducæar-surdeigen!»
7 Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
Då sagde dei seg imillom: «Det er av di me ikkje tok brød med oss!»
8 Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo?
Jesus gådde det og sagde: «Kvi talar de dykk imillom um det at de ikkje hev brød med, de fåtruande?
9 Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an’ ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo?
Hev de endå so lite vit? Kjem de ikkje i hug dei fem brødleivarne til dei fem tusund mann, og kor mange korger de fekk att,
10 na ny mofo fito ho an’ ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo?
og ikkje dei sju leivarne til dei fire tusund, og kor mange korger de då fekk att?
11 Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin’ ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo.
Kann de då’kje skyna at det ikkje var brød eg tala til dykk um? Men agta dykk for farisæar- og sadducæar-surdeigen!»
12 Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo’ ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon’ ny fampianaran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo.
Då skyna dei at det ikkje var surdeigen i brødet han hadde meint, men læra åt farisæarane og sadducæarane.
13 Ary rehefa tonga tany amin’ ny faritanin’ i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon’ ny olona ho iza moa ny Zanak’ olona?
Då Jesus var komen til bygderne kring Cæsarea Filippi, spurde han læresveinarne sine: «Kven segjer folk at Menneskjesonen er?»
14 Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin’ ny mpaminany.
Dei svara: «Sume segjer: «Johannes døyparen, » andre: «Elia», endå andre: «Jeremia eller ein annan av profetarne.»»
15 Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?
«Kven segjer då de at eg er?» spurde han.
16 Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona.
Då tok Simon Peter til ords og sagde: «Du er Messias, den livande Guds Son.»
17 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.
Og Jesus sagde til honom: «Sæl er du, Simon Jonason! for det er ikkje kjøt og blod som hev lært deg det, men far min i himmelen.
18 Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin’ ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. (Hadēs g86)
Og no segjer eg deg at du er Peter; yver den steinen vil eg byggja mi kyrkja, og helheimsportarne skal ikkje vinna yver henne. (Hadēs g86)
19 Homeko anao ny fanalahidin’ ny fanjakan’ ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin’ ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin’ ny tany dia hovahana any an-danitra.
Eg vil gjeva deg lyklarne til himmelriket; det som du bind på jordi, skal vera bunde i himmelen, og det som du løyser på jordi, skal vera løyst i himmelen.»
20 Ary tamin’ izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin’ olona akory fa Izy no Kristy.
So forbaud han læresveinarne å segja det med nokon at han var Messias.
21 Hatramin’ izany no vao natoron’ i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ ny andro fahatelo.
Frå den tidi tok Jesus til å syna læresveinarne at han laut fara til Jerusalem og tola mykje vondt av styresmennerne og dei øvste prestarne og dei skriftlærde, og at dei kom til å drepa honom, men tridje dagen skulde han standa upp att.
22 Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!
Peter tok honom til sides og for til å telja for honom og sagde: «Hjelpe deg Gud, Herre! Slikt må aldri henda deg!»
23 Fa Izy nihodina ka niteny tamin’ i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra ianao, fa izay an’ ny olona.
Då snudde han seg imot Peter og sagde: «Gakk utor augo mine, Satan! Du er meg eit styggje, for du hev’kje ans for det som er Guds vilje, men berre for det som er menneskjevilje.»
24 Dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
Same gongen sagde Jesus til læresveinarne sine: «Vil nokon vera i lag med meg, so lyt han gløyma seg sjølv, og taka krossen sin upp og fylgja etter meg.
25 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.
For den som vil berga livet sitt, skal missa det; men den som misser livet for mi skuld, skal finna det.
26 Fa inona moa no soa ho azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?
Kva batar det eit menneskje, um han vinn heile verdi, men taper sjæli si? Eller kva hev menneskjet å gjeva i byte for sjæli si?
27 Fa ho avy ny Zanak’ olona amin’ ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.
For Menneskjesonen skal koma i herlegdomen åt far sin med englarne sine, og då skal han gjeva kvar og ein lika for det dei hev gjort.
28 Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’ olona avy amin’ ny fanjakany.
Det segjer eg dykk for visst: Sume av dei som stend her, skal ikkje smaka dauden fyrr dei hev set Menneskjesonen koma i sitt kongelege velde.»

< Matio 16 >