< Matio 16 >

1 Ary ny Fariseo sy ny Sadoseo nankeo aminy, dia naka fanahy Azy ka nangataka Azy haneho famantarana aminy avy any an-danitra.
Sai Farisawa da Sadukiyawa suka zo su gwada shi suka roke shi ya nuna masu alama daga sama.
2 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nony hariva, dia hoy ianareo: Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.
Amma ya amsa ya ce masu, “Lokacin da yamma ta yi, sai ku ce, 'Za a yi yanayi mai kyau, domin sama ta yi ja,'
3 Ary nony maraina, dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin’ ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo.
Kuma da safe ku ce, 'Zai zama yanayi mara kyau a yau, domin sama ta yi ja ta kuma gama gari, kun san yadda za ku bayyana kammanin sararin sama, amma ba ku iya bayyana alamun lokaci ba.
4 Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’ i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa.
Mugun zamani, maciya amana suna neman alama, amma babu wata alama da za a nuna sai ta Yunusa.” Daga nan sai Yesu ya tafi.
5 Ary rehefa tonga teny am-pita ny mpianatra, dia nanadino hitondra mofo izy.
Almajiran suka zo daga wancan gefe, amma sun manta su dauki gurasa,
6 Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo.
Yesu ya ce masu, “Ku kula ku kuma mai da hankali da yisti na Farisawa da Sadukiyawa.”
7 Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
Sai almajiran suka fara magana da junansu suka ce, “Ko saboda bamu kawo gurasa bane.”
8 Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo?
Yesu yana sane da wannan sai ya ce, “Ku masu karancin bangaskiya, don me ku ke magana a tsakaninku cewa ko don bamu kawo gurasa bane?
9 Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an’ ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo?
Ba ku gane ko tuna da gurasa guda biyar da aka ciyar da mutum dubu biyar, kuma kwando nawa kuka tara ba?
10 na ny mofo fito ho an’ ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo?
Ko gurasa bakwai ga mutum dubu hudu, da kuma kwanduna nawa kuka dauka ba?
11 Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin’ ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo.
Yaya kuka kasa fahimta cewa ba game da gurasa nake yi maku magana ba? Ku yi hankali ku kuma lura da yistin Farisawa da Sadukiyawa.”
12 Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo’ ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon’ ny fampianaran’ ny Fariseo sy ny Sadoseo.
Sa'annan suka fahimta cewa ba yana gaya masu su yi hankali da yistin da ke cikin gurasa ba ne, amma sai dai su yi lura da koyarwar Farisawa da Sadukiyawa.
13 Ary rehefa tonga tany amin’ ny faritanin’ i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon’ ny olona ho iza moa ny Zanak’ olona?
A lokacin da Yesu ya zo yankin Kaisariya Filibbi, ya tambayi almajiransa, cewa, “Wa mutane ke cewa Dan Mutum yake?
14 Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin’ ny mpaminany.
Suka ce, “Wadansu suna cewa Yahaya mai baftisma; wadansu Iliya, saura suna cewa Irmiya, ko daya daga cikin annabawa.”
15 Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza?
Ya ce masu, “Amma ku wa kuke ce da ni?”
16 Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra velona.
Sai Saminu Bitrus ya amsa ya ce, “Kai ne Almasihu, Dan Allah mai rai.”
17 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra.
Yesu ya amsa ya ce masa, “Mai albarka ne kai, Saminu dan Yunusa, don ba nama da jini ba ne ya bayyana maka wannan, amma Ubana wanda ke cikin sama.
18 Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin’ ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. (Hadēs g86)
Ina kuma gaya maka cewa kai ne Bitrus, a kan wannan dutse zan gina ikilisiya ta. Kofofin hades ba za su yi nasara da ita ba. (Hadēs g86)
19 Homeko anao ny fanalahidin’ ny fanjakan’ ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin’ ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etỳ ambonin’ ny tany dia hovahana any an-danitra.
Zan ba ka mabudan mulkin sama. Duk abin da ka kulla a duniya zai zama abin da an kulla a cikin sama, kuma duk abinda ka warware a duniya a warware yake cikin sama,”
20 Ary tamin’ izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin’ olona akory fa Izy no Kristy.
Sai Yesu ya umarci almajiransa kada su gaya wa kowa cewa shi ne Almasihu.
21 Hatramin’ izany no vao natoron’ i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ ny andro fahatelo.
Daga lokacin nan Yesu ya fara gaya wa almajiransa cewa dole ne ya tafi Urushalima, ya sha wahala mai yawa a hannun dattawa, da manyan firistoci da malaman attaura, a kashe shi, a tashe shi zuwa rai a rana ta uku.
22 Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany!
Sai Bitrus ya kai shi a gefe ya tsauta masa, cewa, “Wannan ya yi nesa da kai, Ubangiji; wannan ba zai taba faruwa da kai ba.”
23 Fa Izy nihodina ka niteny tamin’ i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra ianao, fa izay an’ ny olona.
Amma Yesu ya juya ya ce wa Bitrus, “Ka koma bayana, Shaidan! Kai sanadin tuntube ne gare ni, domin ba ka damuwa da abubuwan da suke na Allah, amma sai abubuwan mutane.”
24 Dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
Sa'annan Yesu ya ce wa almajiransa, “Duk wanda yake so ya bi ni, lallai ne ya ki kansa, ya dauki gicciyensa, ya bi ni.
25 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany.
Domin duk wanda yake so ya ceci ransa zai rasa shi. Duk wanda ya rasa ransa domina zai same shi.
26 Fa inona moa no soa ho azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?
Domin wace riba mutum zai samu in ya sami dukan duniya ya rasa ransa? Me mutum zai iya bayarwa a maimakon ransa?
27 Fa ho avy ny Zanak’ olona amin’ ny voninahitry ny Rainy, mbamin’ ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony.
Domin Dan Mutum zai zo ne cikin daukakar Ubansa tare da mala'ikunsa. Sa'annan ne zaya biya kowane mutum bisa ga ayyukansa.
28 Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak’ olona avy amin’ ny fanjakany.
Gaskiya ina gaya maku, akwai wadansun ku da ke tsaye a nan, da ba za su dandana mutuwa ba sai sun ga Dan Mutum na zuwa cikin mulkinsa.”

< Matio 16 >