< Matio 15 >
1 Dia nankeo amin’ i Jesosy ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema ka nanao hoe:
मंग यरूशलेमतीन परूशी अनं शास्त्री येशुकडे ईसन बोलणात,
2 Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina.
तुमना शिष्य पुर्वजसना रितीरिवाज का बर मोडतस? कारण जेवणना पहिले त्या हात धोतस नही.
3 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’ Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo?
त्यानी त्यासले उत्तर दिधं, तुमना रितीरिवाजकरता तुम्हीन बी देवनी आज्ञा का बर मोडतस?
4 Fa Andriamanitra efa nanao hoe: Manajà ny rainao sy ny reninao, ary koa: Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa.
कारण देवनी सांगेल शे की, तु “तुना बाप अनी तुनी माय यासना मान ठेव,” अनी जो कोणी बापनी किंवा मायनी निंदा करस त्याले मरणदंडनी शिक्षा व्हई;
5 Fa hoy kosa ianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ ny rainy na ny reniny hoe: Efa fanatitra ho an’ Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko, dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy.
पण तुम्हीन सांगतस की, जो कोणी स्वतःना माय बापले अस सांगी, मी जे तुमले देणार व्हतु, ते मी देवले अर्पण करी टाकं.
6 Koa dia foananareo ny tenin’ Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo.
त्यानी स्वतःना मायबापना मान नही ठेवा तरी चाली, हाई सांगीन तुम्हीन तुमना रितीरिवाजकरता देवनं वचन मोडी टाकेल शे.
7 Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’ Isaia anareo hoe:
अरे ढोंगीसवन, यशया संदेष्टानी तुमनाबद्दल बरोबर भविष्य करेल शे की,
8 Ity firenena ity manaja Ahy amin’ ny molony; Fa ny fony kosa lavitra Ahy.
ह्या लोके तोंडघाई मना सन्मान करतस पण त्यासनं मन मनापाईन दुर शे.
9 Koa foana ny ivavahan’ ireo amiko, raha mampianatra ny didin’ olombelona ho fampianarana izy.
त्या माणुसनी बनाडेल विधीसले मनं शास्त्र मानिसन शिकाडतस अनं बिनकामनी मनी भक्ती करतस.
10 Ary niantso ny vahoaka hankeo aminy Izy ka nanao taminy hoe: Mihainoa ka mahafantara:
तवय त्यानी लोकसनी गर्दीले जवळ बलाईन सांगं, ऐका अनं समजी ल्या.
11 tsy izay miditra amin’ ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin’ ny vava, izany no mahaloto ny olona.
जे तोंडमा जास ते माणुसले अशुध्द करस नही, तर जे तोंडमाईन निंघस ते माणुसले अशुध्द करस.
12 Dia nankeo aminy ny mpianatra ka nanao taminy hoe: Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany?
नंतर शिष्य ईसन त्याले बोलणात, हाई वचन ऐकीन परूशी नाराज व्हयनात, हाई तुमले समजनं का?
13 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana.
त्यानी उत्तर दिधं की, ज्या ज्या रोपटा मना स्वर्ग माधला बापनी लायेल नही, त्या त्या उपटाई जातीन.
14 Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.
त्यासले राहु द्या; त्या आंधया मार्गदर्शक शेतस, अनी आंधया आंधयाले ली जाई तर दोन्ही बी खड्डामा पडतीन.
15 Ary Petera namaly ka nanao taminy hoe: Lazao aminay ny hevitr’ izany fanoharana izany.
पेत्र त्याले बोलना, हाऊ दृष्टांत आमले फोडीन सांगा,
16 Ary hoy Jesosy: Hianareo koa va mbola tsy mahafantatra ihany?
तो बोलना, तुमले बी अजुन समजनं नही का?
17 Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin’ ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka ao amin’ ny fivoahana?
जे तोंडमा जास ते पोटमा उतरस अनं नंतर शरिरबाहेर टाकाय जास, हाई तुमले समजत नही का?
18 Fa izay mivoaka avy amin’ ny vava kosa dia avy amin’ ny fo, ka izany no mahaloto ny olona.
जे तोंडमाईन निंघस ते मनमातीन येस अनं माणुसले अशुध्द करस.
19 Fa avy amin’ ny fo no ivoahan’ ny sain-dratsy, dia ny vonoan’ olona, ny fakam-badin’ olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy;
मनमातीन दुष्ट ईचार, खुन, व्यभिचार, जारकर्मे, चोऱ्या, खोट्या साक्षी, गाळ्या, निंदा, ह्या निंघतस.
20 izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin’ ny tanana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.
ह्या गोष्टी माणुसले अशुध्द करतस; हात न धोता जेवण करानं हाई माणुसले अशुध्द करस नही.
21 Dia niala teo Jesosy ka nankany amin’ ny fari-tanin’ i Tyro sy Sidona.
नंतर येशु तठेन निंघीन सोर अनं सिदोन प्रांतमा गया;
22 Ary, indro, nisy vehivavy Kananita anankiray nivoaka avy tamin’ izany tany izany ka niantso nanao hoe: Mamindrà fo amiko, Tompoko, Zanak’ i Davida ô! ny zanako-vavy ampahorin’ ny demonia loatra.
अनी दखा, त्या प्रांतमातीन एक कनानी बाई ईसन वरडीन बोलनी, प्रभु, दावीदना पोऱ्या, मनावर दया कर, मनी पोरले दुष्ट आत्मा भलताच तरास दि ऱ्हाईना शे.
23 Fa Izy tsy namaly teny azy. Dia nanatona ny mpianany ka nangataka taminy nanao hoe: Roahy izy, fa miantso mafy ato aoriantsika.
तरी तो तिले काहीच नही बोलना; तवय त्याना शिष्यसनी जोडे ईसन त्याले ईनंती करी की, तिले परत धाडी द्या; कारण ती आमनामांगे वरडत ई राहिनी.
24 Ary Izy namaly ka nanao hoe: Tsy nirahina Aho afa-tsy ho amin’ ny ondry very amin’ ny taranak’ isiraely.
त्यानी उत्तर दिधं, माले इस्त्राएलना खानदानमधला दवडायेल मेंढरसशिवाय दुसरा कोणाचकरता धाडेल नही शे.
25 Fa nanatona ihany ravehivavy, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Tompoko ô, vonjeo aho.
तवय ती ईसन त्याना पाया पडीन बोलनी, प्रभुजी, माले मदत करा.
26 Fa Izy namaly ka nanao hoe: Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an’ ny amboakely.
येशुनी उत्तर दिधं, पोऱ्यासनी भाकर लिसन कुत्राले टाकानी हाई बराबर नही शे.
27 Fa hoy ravehivavy: Marina izany, Tompoko; fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin’ ny latabatry ny tompony ihany.
ती बोलनी, बराबर शे, प्रभु; पण कुत्रा बी आपला मालकना ताटमातीन पडेल उष्ट खातस.
28 Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Ravehivavy, lehibe ny finoanao; tongava aminao araka izay irinao. Dia sitrana ny zananivavy tamin’ izay ora izay.
तवय येशुनी तिले उत्तर दिधं, बाई, “तुना ईश्वास मोठा शे, जशी तुनी ईच्छा शे तस तुनाकरता होवो; अनी त्याच येळले तिनी पोर बरी व्हयनी.”
29 Ary raha niala teo Jesosy, dia nankany amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Izy; ary niakatra nankeo an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo;
नंतर येशु तठेन निंघीन गालील समुद्रजोडे वना, अनं डोंगरवर जाईन बठना
30 ary nisy vahoaka betsaka nankeo aminy nitondra ny mandringa, ny jamba, ny moana, ny kilemaina, ary ny maro hafa koa, ka nametraka azy teo akaikin’ ny tongotr’ i Jesosy; dia nahasitrana azy Izy;
मंग लोकसनी गर्दी त्यानाकडे वनी; त्यासनासंगे लंगडा, पांगया, आंधया, मुक्का अनं दुसरा बराच जण व्हतात; त्यासले त्यासनी त्याना पायजोडे ठेई दिधं अनी त्यानी त्यासले बरं करं.
31 ka dia talanjona ny vahoaka, raha nahita ny moana miteny, ny kilemaina sitrana, ny mandringa afaka, ary ny jamba mahiratra; dia nankalaza an’ Andriamanitry ny Isiraely izy.
लोकसनी गर्दीनी हाई दखं की मुक्का बोलतस, पांगया बरा व्हतस, लंगडा चालतस अनं आंधया दखतस तवय लोके आश्चर्यचकीत व्हयनात अनी त्यासनी इस्त्राएलना देवना गौरव करा.
32 Ary Jesosy niantso ny mpianany hankeo aminy ka nanao hoe: Mahonena Ahy ny vahoaka, fa efa nitoetra hateloana tatỳ amiko izy izao ka tsy manan-kohanina; ary tsy tiako ny hampody azy tsy mihinana, fandrao reraka eny an-dalana izy.
मंग येशुनी आपला शिष्यसले बलाईन सांगं, माले लोकसनी किव ई राहीनी, कारण तिन दिनपाईन त्या मनासंगे शेतस अनी त्यासनाजोडे खावाले काहीच नही; कदाचित त्या वाटमा मरगळेलना मायक पडतीन; म्हणीन त्यासले भूक्या धाडानी मनी ईच्छा नही शे.
33 Fa hoy ny mpianatra taminy: Aiza no hahitanay mofo atỳ an-efitra ampy hahavoky izao vahoaka betsaka izao!
शिष्यसनी त्याले सांगं, असा जंगलमा इतला लोकसनी भूक मिटी इतल्या भाकरी आमनाजोडे कोठेन येतीन?
34 Ary hoy Jesosy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy izy: Fito sy hazandrano madinika vitsy foana.
येशुनी त्यासले ईचारं, तुमना जोडे कितल्या भाकरी शेतस? त्या बोलणात सात भाकरी अनं काही धाकला मासा.
35 Ary Izy nandidy ny vahoaka betsaka hipetraka amin’ ny tany.
मंग त्यानी लोकसनी गर्दीले जमीनवर बठाले सांगं.
36 Dia nandray ny mofo fito mbamin’ ny hazandrano Izy, ary rehefa nisaotra, dia namaky ka nanolotra azy ho an’ ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ ny vahoaka.
नंतर त्यानी त्या सात भाकरी अनं धाकला मासा लिसन देवना उपकार मनीन; त्या मोडीसन शिष्यसले दिध्यात अनी शिष्यसनी ते लोकसले वाटी दिध्यात.
37 Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno sobiky fito.
मंग त्या सर्वा खाईसन तृप्त व्हयनात अनी उरेल तुकडसना सात टोपला भरी लिधात.
38 Ary izay nihinana dia efatra arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
जेवढासनी खादं त्यानामा बाया अनं पोऱ्या सोडीसन चार हजार माणसे व्हतात.
39 Ary nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia niondrana an-tsambokely ka nankany amin’ ny sisin-tanin’ i Magadana.
मंग लोकसनी गर्दीले घर धाडावर तो नावमा बशीन मगदानना प्रांतमा वना.