< Matio 14 >
1 Tamin’ izany andro izany Heroda mpanapaka nandre ny lazan’ i Jesosy,
Panguva iyo Herodhe umwe wevatongi vana wakanzwa mukurumbira waJesu,
2 ka hoy izy tamin’ ny mpanompony: Jaona Mpanao-batisa izay; efa nitsangana tamin’ ny maty izy, koa izany no ananany hery hanao izany asa lehibe izany.
akati kuvaranda vake: Uyu ndiJohwani Mubhabhatidzi; iye wakamuka kuvakafa, naizvozvowo mabasa esimba awa anobata maari.
3 Fa Heroda efa nisambotra an’ i Jaona, dia namatotra azy ka nanao azy tao an-tranomaizina, noho ny tamin’ i Herodiasy, vadin’ i Filipo rahalahiny.
Nokuti Herodhe wakange abata Johwani akamusunga akamuisa mutirongo nekuda kwaHerodhiasi mukadzi waFiripi munin'ina wake.
4 Fa Jaona efa nilaza taminy hoe: Diso ianao, raha manambady azy.
Nokuti Johwani wakange ati kwaari: Hazvitenderwi kwauri kuti uve naye.
5 Ary Heroda naniry hamono azy, saingy natahotra ny vahoaka izy, satria nataon’ ireo ho mpaminany Jaona.
Zvino achida kumuuraya, akatya chaunga, nokuti vaimutora semuporofita.
6 Fa nony tonga ny fitsingerenan’ ny taona nahaterahan’ i Heroda, dia nandihy teo anatrehany ny zanakavavin’ i Herodiasy ka nahafaly an’ i Heroda.
Asi kwakati kuchichengetedzwa zuva rekuberekwa kwaHerodhe, mukunda waHerodhiasi akatamba pakati pavo, akafadza Herodhe.
7 Ary noho izany dia nianiana izy fa hanome azy izay hangatahiny na inona na inona.
Naizvozvo wakavimbisa nemhiko kuti achamupa chipi nechipi chaaizokumbira.
8 Ary rehefa nomen-dreniny saina razazavavy, dia nanao hoe: Omeo ahy eto an-dovia ny lohan’ i Jaona Mpanao-batisa.
Zvino iye, wakati amborairwa namai vake, akati: Ndipei pano mundiro musoro waJohwani Mubhabhatidzi.
9 Dia nalahelo ny mpanjaka; kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia nandidy ihany izy mba homena izany.
Mambo akashungurudzika, asi nekuda kwemhiko, uye kwevakange vagere naye pakudya, wakaraira kuti apiwe.
10 Ary dia naniraka hanapaka ny lohan’ i Jaona tao an-tranomaizina izy.
Akatuma vanhu, akagura Johwani musoro mutirongo.
11 Dia nentina an-dovia ny lohany ka nomena ilay zazavavy; ary izy nitondra azy ho ao amin-dreniny.
Musoro wake ukauyiswa mundiro, ukapiwa kumusikana, akauisa kuna mai vake.
12 Ary avy ny mpianany, dia naka ny faty ka nandevina azy; ary dia lasa izy ka nilaza tamin’ i Jesosy.
Vadzidzi vake vakauya vakatora mutumbi vakauviga, vakaenda ndokuudza Jesu.
13 Ary nony nandre izany Jesosy, dia niondrana an-tsambokely niala teo handeha hitokana any an-tany foana; ary raha nandre izany ny vahoaka, dia niala teny amin’ ny tanàna maro izy ka nandeha an-tanety nanaraka Azy.
Jesu wakati azvinzwa, akabvapo nechikepe, akaenda kunzvimbo yerenje ari ega; asi zvaunga zvakati zvichizvinzwa zvikamutevera netsoka zvichibva mumaguta.
14 Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.
Zvino Jesu wakati abuda akaona chaunga chikuru, akavanzwira tsitsi, akaporesa varwere vavo.
15 Ary nony hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianatra ka nanao hoe: Tany foana ity, ary efa hariva ny andro izao; ravao ny vahoaka, mba hankanesany eny amin’ ny vohitra hividy hanina ho azy.
Zvino ava madekwani, vadzidzi vake vakauya kwaari vachiti: Iyi inzvimbo yerenje, uye ikozvino nguva dzaenda; regai zvaunga zviende, kuti vaende kumisha vanozvitengera kudya.
16 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy tokony handeha izy; omeonareo hanina izy.
Asi Jesu wakati kwavari: Havafaniri kuenda; vapei imwi kuti vadye.
17 Fa hoy ny mpianany taminy: Tsy misy atỳ aminay, afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa.
Asi vakati kwaari: Hatina pano kunze kwezvingwa zvishanu nehove mbiri.
18 Ary hoy Izy: Ento eto amiko izany.
Iye akati: Uyai nazvo pano pandiri.
19 Dia nasainy nipetraka teny ambonin’ ny ahitra ny vahoaka, ary noraisiny ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra; ary nony efa novakiny ny mofo, dia natolony ny mpianatra, ary ny mpianatra kosa nanolotra ho an’ ny vahoaka.
Akaraira zvaunga kuti zvigare pasi pauswa, zvino akatora zvingwa zvishanu nehove mbiri, akatarira kumusoro kudenga, akazviropafadza, ndokumedura akapa zvingwa kuvadzidzi, vadzidzi ndokupa kuzvaunga.
20 Ary nihinana avokoa izy rehetra, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka dia nahafeno harona roa ambin’ ny folo.
Vakadya vese, vakaguta; vakanonga zvimedu zvakasara, matengu gumi nemaviri azere.
21 Ary izay nihinana dia tokony ho dimy arivo lahy, afa-tsy ny zaza amim-behivavy.
Uye vakange vadya vaiva varume vanenge zvuru zvishanu pasina vakadzi nevana.
22 Ary niaraka tamin’ izay dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely Jesosy ka hita eo alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka.
Pakarepo Jesu wakamanikidza vadzidzi vake kupinda muchikepe, vamutungamirire mhiri, iye acharega zvaunga zvichienda.
23 Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy.
Zvino wakati arega zvaunga zvichienda, akakwira mugomo ari ega kunonyengetera; akati ava madekwani, wakange ari ega ipapo.
24 Ary efa mby teo ampovoan’ ny ranomasina ny sambokely tamin’ izay, dia natopatopan’ ny alon-drano izy, fa notohain’ ny rivotra.
Asi chikepe zvino chakange chava pakati pegungwa chichitambudzwa nemafungu; nokuti mhepo yakange ichipikisa.
25 Ary tamin’ ny fiambenana fahefatra amin’ ny alina dia nankeny amin’ ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin’ ny ranomasina.
Nenguva yechina yemurindiro yeusiku Jesu akaenda kwavari achifamba pamusoro pegungwa.
26 Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin’ ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.
Zvino vadzidzi vakati vachimuona achifamba pamusoro pegungwa, vakavhunduka vachiti: Chipoko; ndokudanidzira nekutya.
27 Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin’ izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra.
Asi pakarepo Jesu wakataura navo akati: Tsungai moyo; ndini; musatya.
28 Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin’ ny rano aho.
Petro ndokumupindura akati: Ishe, kana muri imwi, ndirairei ndiuye kwamuri pamusoro pemvura.
29 Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin’ ny sambokely Petera ka nandeha tambonin’ ny rano hanatona an’ i Jesosy.
Ndokubva ati: Uya. Petro ndokuburuka muchikepe akafamba pamusoro pemvura, kuenda kuna Jesu.
30 Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho!
Asi wakati achiona mhepo ine simba, akatya; zvino otanga kunyura, akadanidzira, achiti: Ishe, ndiponesei!
31 Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin’ izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao?
Pakarepo Jesu wakatandavadza ruoko, akamubata, akati kwaari: Iwe werutendo rudiki, unokononei?
32 Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra.
Vakati vapinda muchikepe, mhepo ikanyarara.
33 Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak’ Andriamanitra tokoa Hianao.
Vakange vari muchikepe ndokuuya vakamunamata vachiti: Zvirokwazvo muri Mwanakomana waMwari.
34 Ary nony tafita izy, dia tonga teo an-tanety, any Genesareta.
Vakati vayambuka, vakasvika panyika yeGenesareti.
35 Ary nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo, dia naniraka tany amin’ ny tany rehetra manodidina izy ka nitondra ny marary rehetra ho eo aminy.
Varume venzvimbo iyo vakati vamuziva vakatuma shoko panyika yese iyo yakapoteredza, vakauisa kwaari vese vairwara.
36 Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa.
Vakakumbirisa kwaari kuti vabate chete mupendero wenguvo yake; uye vese vakabata vakaporeswa.