< Matio 12 >

1 Tamin’ izany andro izany Jesosy nandeha namaky ny tanimbary tamin’ ny Sabata; ary noana ny mpianany ka nanoty salohim-bary, dia nihinana.
En ce temps-là, Jésus traversait des champs de blé un jour de sabbat, et ses disciples, ayant faim, se mirent à cueillir des épis et à les manger.
2 Fa nony nahita izany ny Fariseo, dia hoy izy taminy: Indro, ny mpianatrao manao izay tsy mety hatao amin’ ny Sabata.
Les Pharisiens, voyant cela, lui dirent: « Vos disciples font une chose qu’il n’est pas permis de faire pendant le sabbat. »
3 Ary hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’ i Davida, raha noana izy mbamin’ izay nanaraka azy,
Mais il leur répondit: « N’avez-vous pas lu ce que fit David, lorsqu’il eut faim, lui et ceux qui étaient avec lui:
4 Fa niditra tao amin’ ny tranon’ Andriamanitra izy ka nihinana ny mofo aseho, izay nahadiso raha haniny, na izay nanaraka azy, afa-tsy ny mpisorona ihany?
comment il entra dans la maison de Dieu et mangea les pains de proposition, qu’il ne lui était pas permis de manger, non plus qu’à ceux qui étaient avec lui, mais aux prêtres seuls?
5 Ary tsy mbola novakinareo ao amin’ ny lalàna va fa amin’ ny Sabata ny mpisorona ao amin’ ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny?
Ou n’avez-vous pas lu dans la Loi que, le jour du sabbat, les prêtres violent le sabbat dans le temple sans commettre de péché?
6 Ary dia lazaiko aminareo fa misy eto lehibe noho ny tempoly.
Or, je vous dis qu’il y a ici quelqu’un plus grand que le temple.
7 Fa raha fantatrareo izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà, dia tsy mba nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.
Si vous compreniez cette parole: « Je veux la miséricorde, et non le sacrifice », vous n’auriez jamais condamné des innocents.
8 Fa Tompon’ ny Sabata ny Zanak’ olona.
Car le Fils de l’homme est maître même du sabbat. »
9 Ary nony niala teo Jesosy, dia niditra tao amin’ ny synagoga;
Jésus, ayant quitté ce lieu, entra dans leur synagogue.
10 ary, indro, nisy lehilahy maty tanana teo. Ary ny olona nanontany Azy hoe: Mety va ny mahasitrana amin’ ny Sabata? mba hiampangany Azy.
Or, il se trouvait là un homme qui avait la main desséchée, et ils demandèrent à Jésus: « Est-il permis de guérir, le jour du sabbat? « C’était pour avoir un prétexte de l’accuser.
11 Ary hoy Izy taminy: Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin’ ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy?
Il leur répondit: « Quel est celui d’entre vous qui, n’ayant qu’une brebis, si elle tombe dans une fosse un jour de sabbat, ne la prend et ne l’en retire?
12 Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin’ izany dia mety ny manao soa amin’ ny Sabata.
Or, combien un homme ne vaut-il pas plus qu’une brebis? Il est donc permis de faire du bien les jours de sabbat. »
13 Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray.
Alors il dit à cet homme: « Étends ta main. « Il l’étendit, et elle redevint saine comme l’autre.
14 Ary ny Fariseo dia lasa nivoaka ka niara-nisaina mba hahafaty Azy.
Les Pharisiens, étant sortis, tinrent conseil contre lui sur les moyens de le perdre.
15 Fa Jesosy nahalala izany, ka dia niala teo. Ary nisy olona betsaka nanaraka Azy, ka dia nositraniny avokoa izy rehetra;
Mais Jésus, en ayant eu connaissance, s’éloigna de ces lieux. Une grande foule le suivit, et il guérit tous leurs malades.
16 ary nandrara azy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy,
Et il leur commanda de ne pas le faire connaître:
17 mba hahatanteraka izay nampilazaina an’ Isaia mpaminany hoe:
afin que s’accomplît la parole du prophète Isaïe:
18 Indro ny Mpanompoko, Izay nofidiko, Ny Malalako, Izay sitraky ny foko indrindra; Hapetrako ao aminy ny Fanahiko, Ary hitory ny rariny amin’ ny jentilisa Izy;
« Voici mon serviteur que j’ai choisi, mon bien-aimé, en qui j’ai mis toute mon affection. Je ferai reposer sur lui mon Esprit, et il annoncera la justice aux nations.
19 Tsy hifanditra, na hiantso mafy Izy; Ary tsy hisy handre ny feony any an-dalana;
Il ne disputera point, il ne criera point, et on n’entendra pas sa voix dans les places publiques.
20 Tsy hotapahiny ny volotara torotoro, Ary tsy hovonoiny ny lahin-jiro manetona, Ambara-pamoakany ny rariny ho mpandresy;
Il ne brisera point le roseau froissé et n’éteindra point la mèche qui fume encore, jusqu’à ce qu’il ait fait triompher la justice.
21 Ary ny anarany no hitokian’ ny jentilisa.
En son nom, les nations mettront leur espérance. »
22 Dia nentina tany amin’ i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana.
On lui présenta alors un possédé aveugle et muet, et il le guérit, de sorte que cet homme parlait et voyait.
23 Dia talanjona ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Moa Ity va Ilay Zanak’ i Davida?
Et tout le peuple, saisi d’étonnement, disait: « N’est-ce point là le fils de David? »
24 Fa nony ren’ ny Fariseo izany, dia hoy izy: Tsy misy amoahan’ ilehiny ny demonia, afa-tsy Belzeboba, lohan’ ny demonia.
Mais les Pharisiens, entendant cela, dirent: « Il ne chasse les démons que par Béelzébub, prince des démons. »
25 Ary Jesosy nahalala ny eritreriny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary tsy haharitra ny tanàna rehetra, na ny trano, izay miady an-trano.
Jésus, qui connaissait leurs pensées, leur dit: « Tout royaume divisé contre lui-même sera désolé, et toute ville ou maison divisée contre elle-même ne pourra subsister.
26 Ary raha Satana no mamoaka an’ i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan’ ny fanjakany?
Si Satan chasse Satan, il est divisé contre lui-même: comment donc son royaume subsistera-t-il?
27 Ary raha Belzeboba no amoahako ny demonia, iza kosa no mba amoahan’ ny zanakareo azy? ary noho izany dia izy ihany no ho mpitsara anareo.
Et si moi je chasse les démons par Béelzébub, par qui vos fils les chassent-ils? C’est pourquoi ils seront eux-mêmes vos juges.
28 Fa raha ny Fanahin’ Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo sahady ny fanjakan’ Andriamanitra.
Que si c’est par l’Esprit de Dieu que je chasse les démons, le royaume de Dieu est donc venu à vous.
29 Fa hataon’ ny olona ahoana no fiditra ao an-tranon’ ny mahery handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ny mahery? dia vao handroba ny ao an-tranony izy.
Et comment peut-on entrer dans la maison de l’homme fort et piller ses meubles, sans avoir auparavant lié cet homme fort? Alors seulement on pillera sa maison.
30 Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
Qui n’est pas avec moi est contre moi, et qui n’amasse pas avec moi disperse.
31 Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Hahazo famelan-keloka ny olona amin’ ny ota sy fitenenan-dratsy samy hafa rehetra; fa tsy hahazo famelan-keloka ny olona amin’ ny fitenenan-dratsy ny Fanahy Masìna.
« C’est pourquoi je vous dis: Tout péché et tout blasphème sera remis aux hommes; mais le blasphème contre l’Esprit ne leur sera pas remis.
32 Ary na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak’ olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny Fanahy Masìna, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’ izao fiainana izao, na amin’ ny ho avy. (aiōn g165)
Et quiconque aura parlé contre le Fils de l’homme, on le lui remettra; mais à celui qui aura parlé contre l’Esprit-Saint, on ne le lui remettra ni dans ce siècle, ni dans le siècle à venir. (aiōn g165)
33 Koa ataovy tsara ny hazo mbamin’ ny voany, na ataovy ratsy ny hazo mbamin’ ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.
Ou dites que l’arbre est bon, et son fruit bon; ou dites que l’arbre est mauvais, et son fruit mauvais: car c’est par son fruit qu’on connaît l’arbre.
34 Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin’ ny haben’ ny ao am-po no itenenan’ ny vava.
Race de vipères, comment pourriez-vous dire des choses bonnes, méchants comme vous l’êtes? Car la bouche parle de l’abondance du cœur.
35 Ny rakitra tsara no amoahan’ ny olona tsara fanahy zavatra tsara; ary ny rakitra ratsy kosa no amoahan’ ny olona ratsy fanahy zavatra ratsy.
L’homme bon tire du bon trésor de son cœur des choses bonnes, et l’homme mauvais, d’un mauvais trésor, tire des choses mauvaises.
36 Ary lazaiko aminareo fa hampamoahina ny olona amin’ ny andro fitsarana noho ny amin’ ny teny foana rehetra izay ataony.
Je vous le dis: au jour du jugement, les hommes rendront compte de toute parole vaine qu’ils auront dite.
37 Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao.
Car tu seras justifié par tes paroles, et tu seras condamné par tes paroles »
38 Ary tamin’ izany ny sasany tamin’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo namaly Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, ta-hahita famantarana avy aminao izahay.
Alors quelques-uns des Scribes et des Pharisiens prirent la parole et dirent: « Maître, nous voudrions voir un signe de vous. »
39 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy famantarana ny amin’ i Jona mpaminany;
Il leur répondit: « Cette race méchante et adultère demande un signe, et il ne lui sera pas donné d’autre signe que celui du prophète Jonas:
40 fa tahaka ny nitoeran’ i Jona hateloan’ andro sy hateloan’ alina tao an-kibon’ ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ ny Zanak’ olona hateloan’ Andro sy hateloan’ alina ao anatin’ ny tany.
de même que Jonas fut trois jours et trois nuits dans le ventre du poisson, ainsi le Fils de l’homme sera dans le sein de la terre trois jours et trois nuits.
41 Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa nibebaka izy tamin’ ny nitorian’ i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
Les hommes de Ninive se dresseront, au jour du jugement, avec cette génération et la condamneront, parce qu’ils ont fait pénitence à la voix de Jonas, et il y a ici plus que Jonas.
42 Ny mpanjakavavy avy tany atsimo hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ ny faran’ ny tany izy hihaino ny fahendren’ i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
La reine du Midi s’élèvera, au jour du jugement, avec cette génération et la condamnera, parce qu’elle est venue des extrémités de la terre pour entendre la sagesse de Salomon, et il y a ici plus que Salomon.
43 Raha mivoaka amin’ ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana, fa tsy mahita.
« Lorsque l’esprit impur est sorti d’un homme, il va par des lieux arides, cherchant du repos, et il n’en trouve point.
44 Dia hoy izy: Hody any amin’ ny tranoko izay nivoahako aho; ary nony tonga izy, dia hitany fa foana ny trano sady voafafa no voavoatra.
Alors il dit: Je retournerai dans ma maison, d’où je suis sorti. Et revenant, il la trouve vide, nettoyée et ornée.
45 Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa miaraka aminy izay ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran’ izany olona izany dia tonga ratsy noho ny voalohany. Ary dia tahaka izany koa no ho amin’ ity taranaka ratsy fanahy ity.
Alors il s’en va prendre sept autres esprits plus méchants que lui, et, entrant dans cette maison, ils y fixent leur demeure, et le dernier état de cet homme est pire que le premier. Ainsi en sera-t-il de cette génération méchante. »
46 Ary raha mbola niteny tamin’ ny vahoaka Jesosy, indreo, ny reniny mbamin’ ny rahalahiny nijanona teo ala-trano nitady hiteny aminy.
Comme il parlait encore au peuple, sa mère et ses frères étaient dehors, cherchant à lui parler.
47 Ary nisy anankiray nanao taminy hoe: Indreo, ny reninao mbamin’ ny rahalahinao mijanona ato ala-trano mitady hiteny aminao.
Quelqu’un lui dit: « Voici votre mère et vos frères qui sont là dehors, et ils cherchent à vous parler. »
48 Fa namaly Izy ka nanao tamin’ ilay nilaza taminy hoe: Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko?
Jésus répondit à l’homme qui lui disait cela: « Qui est ma mère et qui sont mes frères? »
49 Ary naninjitra ny tànany nanondro ny mpianany Izy ka nanao hoe: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko;
Et étendant la main vers ses disciples, il dit: « Voici ma mère et mes frères.
50 Fa na iza na iza no hanao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.

< Matio 12 >