< Matio 11 >

1 Ary rehefa vitan’ i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin’ ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any an-tanànan’ ny olona.
І сталось, як скінчив Ісус, наказуючи дванайцятьом ученикам своїм, пійшов звіділя навчати й проповідувати по городах їх.
2 Ary rehefa ren’ i Jaona tao an-tranomaizina ny asa nataon’ i Kristy, dia naniraka ny mpianany izy
Почувши ж Йоан у темниці про дїла Христові, дослав двох учеників своїх,
3 hanao aminy hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
сказати Йому: Чи ти грядущий, чи иншого ждати нам?
4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ka ambarao amin’ i Jaona izao renareo sy hitanareo izao:
Одказав Ісус і рече їм: Ійдїть та сповістіть Йоана про все, що чули й бачили:
5 Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
сліпі бачять, і криві ходять, прокажеш очищають ся, і глухі чують, мертві встають, і вбогі проповідують благовістє.
6 Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
І щасливий, хто не поблазнить ся мною.
7 Ary nony lasa ireny, dia vao nilaza an’ i Jaona tamin’ ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nivoahanareo nankany an-efitra? Volotara nohozongozonin’ ny rivotra va?
Як же вони відходили, почав Ісус говорити людям про Йоана: Чого виходили ви в пустиню дивитись? На тростину, що вітер колише?
8 Sa hizaha inona no nivoahanareo? Olona mitafy soa va? Indro, ny mitafy soa dia ao an-tranon’ ny mpanjaka.
Або чого виходили ви дивитись? На чоловіка одягненого в мяку одежу? ось ті, що носять мяку одежу, вони в царських будинках.
9 Sa hizaha inona no nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
Або чого виходили ви дивитись? На пророка? Так, глаголю вам: І більше пророка.
10 Izy no ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao.
Се ж бо той, про кого писано: Ось посилаю ангела мого перед лицем твоїм, що приготовить дорогу твою перед тобою.
11 Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin’ izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra dia lehibe noho izy.
Істино глаголю вам: Не явив ся між нарожденими від жінок більший од Йоана Хрестителя; найменший же у царстві небесному більший од него.
12 Ary hatramin’ ny andron’ i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.
І від часів Йоана Хрестителя та й до сього дня царство небесне здобуваєть ся силою, і хто здобуває, той силоміць бере його.
13 Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin’ i Jaona.
Бо всї пророки й закон пророкували до Йоана
14 Ary raha mety mandray ianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy.
І коли хочете прийняти, він єсть Ілия, що має прийти.
15 Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
Хто має уші слухати, нехай слухає.
16 Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe:
Кому ж я уподоблю рід сей? Подібен він тим дітям, що сидять на торгу, та гукають до своїх товаришів,
17 Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra ianareo.
та кажуть: Ми вам сурмили, а ви не скакали; ми вам жалібно приговорювали, а ви не плакали.
18 Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy.
Бо прийшов Йоан, не їсть і не пє, а вони кажуть: Диявола має.
19 Tonga ny Zanak’ olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany.
Прийшов Син чоловічий, їсть і пє, а вони кажуть: Ось чоловік прожора та пяниця, друг митникам та грішникам. І оправдилась премудрість од дїтей своїх.
20 Ary tamin’ izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan’ ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe:
Тоді почав докоряти городам, де стало ся найбільше чудес Його, що не покаялись:
21 Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin’ ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny.
Горе тобі, Хоразине! горе тобі, Витсаїдо! бо коди б чудеса, що стали ся в вас, стались у Тирі та Сидонї, давно були б вони покаялись у веретищі та попелї.
22 Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’ i Tyro sy Sidona amin’ ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
Тільки ж глаголю вам: Одраднїще буде Тирові та Силонові суднього дня, ніж вам.
23 Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy. (Hadēs g86)
І ти, Капернауме, що піднявсь аж під небо, провадиш ся в саме пекло; бо коли б чудеса, що стали ся в тобі, стали ся в Содомі, зостав ся б він аж і досі. (Hadēs g86)
24 Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’ ny tany Sodoma amin’ ny andro fitsarana noho ny ho aminao.
Тим то глаголю вам: Що одраднїще буде землї Содомській суднього дня, нїж тобі.
25 Tamin’ izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika.
І озвав ся Ісус того часу знов і рече: Хвалю Тебе, Отче, Господи неба й землї, що Ти втаїв се від премудрих і розумних, а відкрив сеє те недоліткам.
26 Eny, Raiko; fa izany no sitraponao.
Так, Отче: бо так воно вподобалось тобі.
27 Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy.
Все передане менї від Отця мого, й нїхто не знає Сина, тільки Oтець; анї Отця нїхто не знає, тільки Син, та кому хоче Син одкрити.
28 Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
Прийдіть до мене, всї знеможені та отягчені, я впокою вас.
29 Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ ny fanahinareo ianareo.
Візьміть ярмо мов на себе, й навчіть ся від мене: бо я тихий і смирний серцем; то й знайдете відпочинок душам вашим.
30 Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.
Бо ярмо моє любе, й тягар мій легкий.

< Matio 11 >