< Matio 11 >
1 Ary rehefa vitan’ i Jesosy ny nandidiany ny mpianany roa ambin’ ny folo lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any an-tanànan’ ny olona.
Jesu akati apedza kurayira vadzidzi vake gumi navaviri, akabvapo akandodzidzisa nokuparidza mumaguta omuGarirea.
2 Ary rehefa ren’ i Jaona tao an-tranomaizina ny asa nataon’ i Kristy, dia naniraka ny mpianany izy
Zvino Johani ari mutorongo, paakanzwa nezvamabasa aJesu, akabva atuma vadzidzi vake
3 hanao aminy hoe: Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?
kundobvunza vachiti, “Ko, ndimi iye akanzi achauya here, kana kuti totarisira mumwe?”
4 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mandehana ianareo, ka ambarao amin’ i Jaona izao renareo sy hitanareo izao:
Jesu akavapindura achiti, “Dzokerai mundoudza Johani zvamuri kunzwa nezvamuri kuona:
5 Mahiratra ny jamba, ary afaka ny mandringa; diovina ny boka, ary malady ny marenina; atsangana ny maty, ary ny malahelo dia itoriana ny filazantsara.
Mapofu ava kuona, zvirema zvava kufamba, vana maperembudzi vanoporeswa, matsi dzonzwa, vakafa vari kumutswa, uye kuti nhau dzakanaka dziri kuparidzirwa varombo.
6 Ary sambatra izay tsy ho tafintohina noho ny amiko.
Akaropafadzwa munhu asingagumburwi nokuda kwangu.”
7 Ary nony lasa ireny, dia vao nilaza an’ i Jaona tamin’ ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Hizaha inona no nivoahanareo nankany an-efitra? Volotara nohozongozonin’ ny rivotra va?
Vadzidzi vaJohani pavakanga voenda, Jesu akatanga kuudza vanhu vazhinji nezvaJohani achiti, “Makaenda kurenje kundoonei? Rutsanga rwaizungunuswa nemhepo here?
8 Sa hizaha inona no nivoahanareo? Olona mitafy soa va? Indro, ny mitafy soa dia ao an-tranon’ ny mpanjaka.
Kana zvisizvo, makabuda kundoonei? Maindoona murume akanga akapfeka nguo dzakanaka here? Kwete, avo vanopfeka nguo dzakanaka vari mumizinda yamadzimambo.
9 Sa hizaha inona no nivoahanareo? Mpaminany va? Eny, hoy Izaho aminareo, sady mihoatra lavitra noho ny mpaminany izy.
Zvino makabuda kundooneiko? Muprofita here? Hongu, ndinoti kwamuri anopfuura muprofita.
10 Izy no ilay voasoratra hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao eo alohanao.
Iyeyu ndiye akanyorwa nezvake zvichinzi: “Ndinotuma nhume yangu mberi kwako uye achakugadzirira nzira yako mberi kwako.”
11 Lazaiko aminareo marina tokoa: Amin’ izay nateraky ny vehivavy tsy mbola nisy nitsangana izay lehibe noho Jaona Mpanao-batisa; nefa ny kely indrindra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra dia lehibe noho izy.
Ndinokuudzai chokwadi kuti: Pavanhu vose vakaberekwa navakadzi, hapana mukuru kuna Johani Mubhabhatidzi. Asi mudukusa muushe hwokudenga mukuru kwaari.
12 Ary hatramin’ ny andron’ i Jaona Mpanao-batisa ka mandraka ankehitriny ny fanjakan’ ny lanitra dia rombahina, ary ny mpandrombaka maka azy an-keriny.
Kubva pamazuva aJohani Mubhabhatidzi kusvikira zvino, umambo hwokudenga hwanga huchipfuurira mberi nechisimba, uye varume vechisimba vanohutora.
13 Fa ny mpaminany rehetra sy ny lalàna dia naminany hatramin’ i Jaona.
Nokuti Vaprofita vose neMirayiro vakaprofita kusvikira pana Johani.
14 Ary raha mety mandray ianareo, dia izy no ilay Elia izay ho avy.
Kana muchida kuzvigamuchira, ndiye Eria akanga achizouya.
15 Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
Uyo ane nzeve dzokunzwa ngaanzwe.
16 Fa tahaka ny inona no hanoharako ity taranaka ity? Tahaka ny ankizy madinika mipetraka eny an-tsena izy, izay miantso ny namany ka manao hoe:
“Rudzi urwu ndingaruenzanisa nei? Vakafanana navana vari mumisika vari kudanidzira kuna vamwe vachiti:
17 Efa nitsoka sodina taminareo izahay, nefa tsy nandihy ianareo, efa nanao feo fisaonana izahay, nefa tsy niteha-tratra ianareo.
“‘Takakuridzirai hwamanda, asi hamuna kutamba; takaimba rwiyo rworufu, uye hamuna kuchema.’
18 Fa tonga Jaona tsy nihinana na nisotro, ka hoy ny olona: Manana demonia izy.
Nokuti Johani akanga asingadyi kana kunwa asi vakati, ‘Ane dhimoni.’
19 Tonga ny Zanak’ olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ny olona: Indro, olona fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan’ ny mpamory hetra sy ny mpanota. Fa ny fahendrena dia hamarinin ny asany.
Mwanakomana woMunhu akanga achidya uye achinwa, zvino vanoti, ‘Houno wamakaro nomunwi, shamwari yavateresi na“vatadzi”.’ Asi uchenjeri hunozviratidza kuti hwakarurama namabasa ahwo.”
20 Ary tamin’ izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan’ ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe:
Ipapo Jesu akatanga kutuka maguta akanga aitwa zvishamiso zvake zvizhinji, nokuti akanga asina kutendeuka.
21 Lozanao, ry Korazina! Lozanao, ry Betsaida! fa raha mba tany Tyro sy Sidona no natao ny asa lehibe izay natao teo aminareo, dia ho efa nibebaka ela tamin’ ny lamba fisaonana sy ny lavenona ireny.
“Une nhamo iwe Korazini! Une nhamo iwe Bhetisaidha! Kudai zvishamiso zvakaitwa mauri zvainge zvakaitwa muTire neSidhoni vangadai vakatendeuka kare vakapfeka masaga uye vakazvizora dota.
22 Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’ i Tyro sy Sidona amin’ ny andro fitsarana noho ny ho aminareo.
Asi ndinokuudzai kuti Tire neSidhoni zvicharerukirwa pazuva rokutongwa kupfuura imi.
23 Ary ianao, ry Kapernaomy, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita ianao; fa raha mba tany Sodoma no natao ny asa lehibe izay natao teo aminao, dia ho naharitra ambaraka androany izy. (Hadēs )
Uye iwe Kapenaume, uchasimudzirwa kudenga here? Kwete, asi uchaiswa pakadzikadzika. Dai zvishamiso zvakaitwa mauri zvainge zvakaitwa muSodhomu, ringadai richiripo nanhasi. (Hadēs )
24 Fa lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin’ ny tany Sodoma amin’ ny andro fitsarana noho ny ho aminao.
Asi ndinokuudza kuti guta reSodhomu richarerukirwa pazuva rokutongwa kupfuura iwe.”
25 Tamin’ izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika.
Panguva iyoyo Jesu akati, “Ndinokurumbidzai Baba, Ishe wedenga nenyika, nokuti makavanza zvinhu izvi kuna vakachenjera navakadzidza, uye mukazvizarurira kuvana vaduku.
26 Eny, Raiko; fa izany no sitraponao.
Hongu, Baba nokuti izvi ndizvo zvakakufadzai.
27 Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy.
“Zvinhu zvose zvakapiwa kwandiri naBaba vangu. Hakuna anoziva Mwanakomana kunze kwaBaba, uye hakuna anoziva Baba kunze kwoMwanakomana naavo chete Mwanakomana vaanenge asarudza kuti avazarurire.
28 Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana.
“Uyai kwandiri, imi mose makaneta makaremerwa, uye ndichakupai zororo.
29 Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ ny fanahinareo ianareo.
Takurai joko rangu, mudzidze kwandiri, nokuti ndiri munyoro uye ndine mwoyo unozvininipisa, uye muchawana zororo remweya yenyu.
30 Fa mora ny ziogako, ary maivana ny entako.
Nokuti joko rangu hariremi uye mutoro wangu wakareruka.”