< Marka 1 >

1 Ny niandohan’ ny filazantsaran’ i Jesosy Kristy, Zanak’ Andriamanitra.
Початок Доброї Звістки Ісуса Христа, Сина Божого.
2 Araka izay voasoratra ao amin’ Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao;
Як написано в пророка Ісаї: «Ось Я посилаю Мого посланця перед обличчям Твоїм, який приготує дорогу перед Тобою.
3 Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany,
Голос кличе в пустелі: „Приготуйте дорогу Господеві, вирівняйте шляхи для Нього!“»
4 dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka.
У пустелі з’явився Іван, який хрестив людей та проповідував хрещення покаяння для прощення гріхів.
5 Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin’ ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
І приходили до нього [люди] з усієї Юдейської землі та всі мешканці Єрусалима й були охрещені Іваном у річці Йордані, визнаючи свої гріхи.
6 Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin’ ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
Іван носив одяг із верблюжої шерсті й шкіряний пояс довкола стегон. Він їв сарану та дикий мед.
7 Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
Він проповідував та казав: «Після мене йде Сильніший за мене, Якому я не достойний навіть, схилившись, розв’язати ремінці Його сандалій.
8 Izaho efa nanao batisa anareo tamin’ ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna.
Я хрещу вас водою, а Він буде хрестити вас Духом Святим».
9 Ary tamin’ izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon’ i Jaona batisa tao Jordana.
У ті дні прийшов Ісус із Назарета, що в Галілеї, та був хрещений Іваном у Йордані.
10 Ary raha vao niakatra avy teo amin’ ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
Коли [Ісус] виходив із води, то відразу побачив розкриті небеса та Духа, Який сходив на Нього, як голуб.
11 Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.
І голос із неба пролунав: «Ти Син Мій улюблений, Тебе Я вподобав!»
12 Ary niaraka tamin’ izay dia nampandehanin’ ny Fanahy ho any an-efitra Izy.
І зразу ж Дух повів Ісуса в пустелю.
13 Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain’ i Satana fanahy; ary teo amin’ ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy.
Він пробув сорок днів у пустелі, і сатана спокушав Його. Там Він перебував серед диких звірів, і ангели служили Йому.
14 Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran’ Andriamanitra
Після ув’язнення Івана Ісус прийшов до Галілеї, проповідуючи Добру Звістку Бога.
15 ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.
Він казав: «Настав час, і наблизилося Царство Боже. Покайтеся та увіруйте в Добру Звістку!»
16 Ary nony nandalo teny amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Izy, dia nahita an’ i Simona sy Andrea, rahalahin’ i Simona, nanarato teo amin’ ny ranomasina; fa mpanarato izy.
Коли Ісус проходив біля Галілейського моря, то побачив Симона та Андрія, брата Симонового, які закидали сіті в море, оскільки були рибалками.
17 Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
Ісус сказав їм: «Ідіть за Мною, і Я зроблю вас ловцями людей».
18 Dia nandao ny harato niaraka tamin’ izay izy ka nanaraka Azy.
Вони відразу залишили сіті та пішли за Ним.
19 Ary rehefa nandroso kelikely Izy, nahita an’ i Jakoba, zanak’ i Zebedio, Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony.
Потім пішов трохи далі й побачив Якова, сина Зеведеєва, та Івана, його брата. Вони були в човні та лагодили сіті.
20 Dia niantso azy niaraka tamin’ izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an’ i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin’ ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an’ i Jesosy.
Він зараз же покликав їх. Вони залишили свого батька Зеведея з наймитами в човні та пішли за Ісусом.
21 Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin’ ny Sabata, dia niditra tao amin’ ny synagoga niaraka tamin’ izay Jesosy ka nampianatra.
Коли прийшли до Капернаума, то відразу в Суботу пішли до синагоги, де Він почав навчати.
22 Dia talanjona ny olona tamin’ ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.
Люди дивувалися Його вченню, бо Він навчав їх як Той, Хто має владу, а не як книжники.
23 Ary niaraka tamin’ izay dia nisy olona teo amin’ ny synagogany, izay azon’ ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy
Саме тоді в синагозі був чоловік, одержимий нечистим духом. Він закричав
24 ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin’ Andriamanitra Hianao.
кажучи: ―Що Тобі до нас, Ісусе з Назарета? Ти прийшов знищити нас? Я знаю, Хто Ти – Святий Божий!
25 Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangìna ianao ka mivoaha aminy.
Але Ісус наказав йому: ―Замовкни та вийди з нього!
26 Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan’ ilay marary, dia niantso tamin’ ny feo mahery ka niala taminy.
Тоді нечистий дух почав трясти чоловіка в конвульсіях і, голосно закричавши, вийшов із нього.
27 Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.
Усі здивувалися, так що запитували одне одного: «Що це таке? Нове вчення, яке має владу! Він наказує нечистим духам, і вони слухаються Його!»
28 Ary ny lazany dia niely niaraka tamin’ izay teny tontolo eny tamin’ ny tany rehetra eran’ i Galilia.
Звістка про Ісуса негайно розійшлася всюди, по всій Галілейській околиці.
29 Ary niaraka tamin’ izay, raha nivoaka avy tao amin’ ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon’ i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona.
Коли вийшли з синагоги, вони з Яковом та Іваном відразу прийшли в дім Симона та Андрія.
30 Ary ny rafozam-bavin’ i Simona nandry teo nanavin’ ny tazo; ary niaraka tamin’ izay dia nilaza azy taminy izy ireo.
Теща Симона лежала в гарячці, тож зараз же сказали Ісусові про неї.
31 Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy.
Він підійшов, узяв її за руку та підняв, і гарячка залишила жінку, так що вона почала прислуговувати їм.
32 Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.
Коли ж настав вечір, після заходу сонця, привели до Нього багатьох хворих та біснуватих.
33 Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan’ ny varavarana avokoa.
Усе місто зібралося перед дверима.
34 Ary nahasitrana olona maro izay nararin’ ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.
Він зцілив багатьох хворих на різні недуги та з багатьох вигнав демонів. Не дозволяв демонам говорити, бо вони знали, Хто Він.
35 Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.
Рано-вранці [Ісус] встав ще до світанку, вийшов та пішов у пустинне місце й там молився.
36 Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany.
Симон і ті, що були з ним, пішли шукати Його
37 Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao.
й, знайшовши, сказали Йому: ―Усі шукають Тебе!
38 Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin’ ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako.
Він відповів їм: ―Ходімо до інших міст, у сусідні села, щоб Я і там проповідував, адже для цього Я прийшов.
39 Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin’ ny synagogan’ ny olona eran’ i Galilia sady namoaka ny demonia.
Він пішов та проповідував у їхніх синагогах по всій Галілеї, виганяючи демонів.
40 Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
Одного разу до Нього прийшов прокажений, упав на коліна й благав: ―Якщо хочеш, можеш мене очистити.
41 Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao.
[Ісус], змилосердившись, простягнув руку, доторкнувся до нього й промовив: ―Хочу, будь чистим!
42 Ary niaraka tamin’ izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.
Тієї ж миті проказа залишила його, і він був очищений.
43 Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin’ izay
[Ісус] негайно відіслав його та попередив
44 ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’ iza na amin’ iza; fa mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian’ i Mosesy, ho vavolombelona amin’ ireo.
кажучи: ―Дивись, нікому не кажи нічого, але йди, покажи себе священникові та принеси жертву за своє очищення, як наказав Мойсей, їм на свідчення.
45 Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin’ ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.
Але той пішов і почав всюди проповідувати та поширювати цю звістку, так що Ісус більше не міг відкрито увійти в місто, а перебував у пустинних місцях, і [люди] приходили до Нього звідусіль.

< Marka 1 >