< Marka 1 >

1 Ny niandohan’ ny filazantsaran’ i Jesosy Kristy, Zanak’ Andriamanitra.
Wannan itace farkon bisharar Yesu Almasihu, Dan Allah.
2 Araka izay voasoratra ao amin’ Isaia mpaminany hoe: Indro, Izaho maniraka ny irako hialoha Anao, Izay hamboatra ny lalanao;
kamar yadda aka rubuta cikin littafin annabi Ishaya. Duba, ina aika manzona, a gabanka, wanda zai shirya maka hanya.
3 Injany! misy feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Amboary ny lalan’ i Jehovah. Ataovy mahitsy ny lalan-kalehany,
Akwai murya mai kira a jeji, tana cewa ka shirya hanyar Ubangiji. ka daidaita ta.
4 dia niseho Jaona, izay nanao batisa tany an-efitra ka nitory ny batisan’ ny fibebahana ho famelan-keloka.
Yahaya ya zo, yana baptisma acikin jeji yana wa'azin tuba, domin gafarar zunubai.
5 Dia nandeha nanatona azy ny tany Jodia rehetra sy ny mponina rehetra tany Jerosalema, ka nataony batisa tao amin’ ny ony Jordana ireny, rehefa niaiky ny fahotany.
Dukan kasar Yahudiya da mutanen Urshalima suka zo wurin sa, a ka kuma yi masu baptisma a kogin urdun. suna furta zunubansu.
6 Ary Jaona nitafy lamba volon-drameva; ary fehin-kibo hoditra no tamin’ ny valahany, ary ny fihinany dia valala sy tantely remby.
Yahaya yana saye da tufa ta gashin rakumi, yana kuma da damara ta fata a kugunsa, abincinsa fara ce da zuma.
7 Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
Yana wa'azi, ya ce “akwai mai zuwa a bayana wanda ya ke da iko fiye da ni. wanda ko maballin takalminsa ban isa in kwance ba.
8 Izaho efa nanao batisa anareo tamin’ ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin’ ny Fanahy Masìna.
Ni ina yi maku baptisma da ruwa, amma mai zuwa a bayana zai yi maku baptisma da Ruhu Mai Tsarki''.
9 Ary tamin’ izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon’ i Jaona batisa tao Jordana.
Sai ya kasance a kwanakin nan Yesu ya zo daga Nazarat ta Galili, sai Yahaya ya yi masa baptisma a kogin urdun.
10 Ary raha vao niakatra avy teo amin’ ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny.
Sa'adda Yesu ya fito daga ruwan, sai sama ta bude, sai Ruhu ya sauko a bisansa da kamanin kurciya.
11 Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako.
Sai wata murya ta zo daga sama, tana cewa, “Kai kaunataccen Dana ne. zuciyata ta na murna da kai kwarai''.
12 Ary niaraka tamin’ izay dia nampandehanin’ ny Fanahy ho any an-efitra Izy.
Sai Ruhu ya iza shi zuwa jeji.
13 Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain’ i Satana fanahy; ary teo amin’ ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy.
Yana a jeji kwana arba'in, Shaidan yana jarabtar sa. Yana cikin jeji da dabobi, sai malaiku su ka yi masa hidima.
14 Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran’ Andriamanitra
Bayan da aka kama Yahaya, Yesu ya shiga kasar Galili yana wa'azin bisharar Allah.
15 ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara.
Yana cewa, “Lokaci ya yi, gama mulkin Allah ya kusato. Ku tuba ku bada gaskiya ga bishara”.
16 Ary nony nandalo teny amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia Izy, dia nahita an’ i Simona sy Andrea, rahalahin’ i Simona, nanarato teo amin’ ny ranomasina; fa mpanarato izy.
Sa'adda ya ke wucewa a gefen takun Galili, sai ya ga Saminu da Andarawus, dan'uwansa suna jefa taru a teku, domin su masunta ne.
17 Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.
Yesu ya ce masu ku zo, ku biyo ni, ni kuwa sai in maisheku masuntan mutane”.
18 Dia nandao ny harato niaraka tamin’ izay izy ka nanaraka Azy.
Nan da nan suka bar tarun su, suka bi shi.
19 Ary rehefa nandroso kelikely Izy, nahita an’ i Jakoba, zanak’ i Zebedio, Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony.
Sa'adda Yesu ya yi tafiya kadan, sai ya ga Yakubu dan Zabadi da Yahaya dan'uwansa; suna gyaran tarunsu a jirgin ruwa.
20 Dia niantso azy niaraka tamin’ izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an’ i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin’ ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an’ i Jesosy.
Sai ya kira su, su kuwa suka bar mahaifinsu Zabadi a jirgin ruwan da ma'aikatansu, sai su ka bi shi.
21 Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin’ ny Sabata, dia niditra tao amin’ ny synagoga niaraka tamin’ izay Jesosy ka nampianatra.
Da su ka shigo cikin kafanahum, a ranar asabar, Yesu ya shiga majami'a ya koya masu.
22 Dia talanjona ny olona tamin’ ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.
Su ka yi mamakin koyarwarsa, domin ya na koya masu da iko ba kamar marubuta ba.
23 Ary niaraka tamin’ izay dia nisy olona teo amin’ ny synagogany, izay azon’ ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy
A nan cikin majami'a akwai wani mutum mai kazamin ruhu, sai ya yi ihu da karfi.
24 ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin’ Andriamanitra Hianao.
Yana cewa Ina ruwan mu da kai, Yesu Banazarat? Ka zo ne domin ka halakar da mu? Na san wanene kai. Kai ne Mai Tsarki na Allah”.
25 Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangìna ianao ka mivoaha aminy.
Sai Yesu ya tsauta wa kazamin ruhun ya ce, “Ka yi shiru ka fita daga cikinsa”.
26 Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan’ ilay marary, dia niantso tamin’ ny feo mahery ka niala taminy.
Bayan da kazamin ruhun ya buga shi kasa, sai kazamin ruhun ya yi ihu sa'annan ya fita daga jikinsa.
27 Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy.
Sai dukan mutanen su ka yi mamaki kwarai, suna tambayar junansu menene wannan? wace sabuwar koyarwa ce da iko haka? har yana umartar kazaman ruhohi suna kuwa yi masa biyayya!”
28 Ary ny lazany dia niely niaraka tamin’ izay teny tontolo eny tamin’ ny tany rehetra eran’ i Galilia.
Nan da nan labarinsa ya bazu ko'ina a dukkan kewayen kasar Galili.
29 Ary niaraka tamin’ izay, raha nivoaka avy tao amin’ ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon’ i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona.
Bayan da suka bar majami'a, sai su ka shiga gidan Saminu da Andarawus, suna kuma tare da Yakubu da Yahaya.
30 Ary ny rafozam-bavin’ i Simona nandry teo nanavin’ ny tazo; ary niaraka tamin’ izay dia nilaza azy taminy izy ireo.
Surikar Saminu tana kwance ba lafiya tana fama da zazzabi. Sai suka gaya wa Yesu game da ita.
31 Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy.
Sai ya zo, ya kama hannunta, ya daga ta, sai zazzabin ya sake ta, ta fara yi masu hidima.
32 Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.
Da yamman nan, bayan da rana ta fadi, sai su ka kawo masa dukan marasa lafiya da masu fama da aljanu.
33 Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan’ ny varavarana avokoa.
Dukan mutanen garin su ka taru a bakin kofa.
34 Ary nahasitrana olona maro izay nararin’ ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny.
ya warkar da masu ciwo da yawa da masu chututtuka iri-iri, ya kuma fitar da bakaken aljanu, amma bai yarda aljanun su yi magana ba domin sun san shi.
35 Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany.
Ya tashi da sassafe, tun da sauran dare, ya tafi wurin da ba kowa, a can ya yi add'ua.
36 Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany.
Saminu da wandanda suke tare da shi suka neme shi.
37 Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao.
Suka sa me shi, sai su ka ce masa, “kowa yana nemanka”.
38 Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin’ ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako.
Ya ce, bari mu tafi wani wuri, zuwa wadansu garuruwan da ke kewaye, Saboda in yi wa'azi a can kuma. Wannan shi yasa na zo nan''.
39 Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin’ ny synagogan’ ny olona eran’ i Galilia sady namoaka ny demonia.
Ya tafi dukan kasar Galili, yana wa'azi a majimi'un su yana kuma fitar da aljanu.
40 Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
Wani kuturu ya zo wurinsa. Yana rokonsa, ya durkusa. Ya ce masa, “in ka yarda kana iya warkar da ni.
41 Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao.
Sai ya yi juyayi, Yesu ya mi ka hannun sa ya ta ba shi ya na ce masa “Na yarda. Ka sarkaka”.
42 Ary niaraka tamin’ izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy.
Nan da nan kuturtar ta barshi, ya kuma sa mu tsarkakewa.
43 Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin’ izay
Yesu ya yi masa gargadi sosai, ya salame shi.
44 ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’ iza na amin’ iza; fa mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian’ i Mosesy, ho vavolombelona amin’ ireo.
Ya ce masa “ka tabbata fa kada ka gayawa kowa, amma ka tafi ka nuna kanka ga firist, sai ka je ka yi hadaya domin tsarkakewa kamar yadda Musa ya umurta, domin shaida.
45 Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin’ ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny.
Amma da ya fita sai ya fara gaya wa kowa, ya baza maganar a ko'ina, har Yesu bai iya tafiya a sake a garin ba. Ya tafi ya tsaya a wuraren da ba kowa, mutane kuwa su ka zo wurinsa daga ko'ina.

< Marka 1 >