< Marka 8 >
1 Tamin’ izany andro izany, nony betsaka indray ny vahoaka teo sady tsy nanan-kohanina izy, dia nantsoin’ i Jesosy hanatona Azy ny mpianany ka nilazany hoe:
តទា តត្សមីបំ ពហវោ លោកា អាយាតា អតស្តេឞាំ ភោជ្យទ្រវ្យាភាវាទ៑ យីឝុះ ឝិឞ្យានាហូយ ជគាទ, ។
2 Mahonena Ahy ireo vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatỳ amiko, sady tsy manan-kohanina izy;
លោកនិវហេ មម ក្ឫបា ជាយតេ តេ ទិនត្រយំ មយា សាទ៌្ធំ សន្តិ តេឞាំ ភោជ្យំ កិមបិ នាស្តិ។
3 koa raha hampodiko ho any an-tranony mbola tsy nihinana izy, dia ho reraka eny an-dalana, sady avy lavitra ny sasany.
តេឞាំ មធ្យេៜនេកេ ទូរាទ៑ អាគតាះ, អភុក្តេឞុ តេឞុ មយា ស្វគ្ឫហមភិប្រហិតេឞុ តេ បថិ ក្លមិឞ្យន្តិ។
4 Fa ny mpianany namaly Azy hoe: Aiza no hahazoana mofo atỳ an-efitra hahavoky ireto olona ireto!
ឝិឞ្យា អវាទិឞុះ, ឯតាវតោ លោកាន៑ តប៌យិតុម៑ អត្រ ប្រន្តរេ បូបាន៑ ប្រាប្តុំ កេន ឝក្យតេ?
5 Ary izy nanontany azy hoe: Misy mofo firy any aminareo? Ary hoy ireo: Fito.
តតះ ស តាន៑ បប្រច្ឆ យុឞ្មាកំ កតិ បូបាះ សន្តិ? តេៜកថយន៑ សប្ត។
6 Dia nasainy nipetraka tamin’ ny tany ny vahoaka; ary dia nandray ny mofo fito Izy, ka rehefa nisaotra, dia novakiny ka natolony ny mpianany mba harosony; dia narosony teny anoloan’ ny vahoaka izany.
តតះ ស តាល្លោកាន៑ ភុវិ សមុបវេឞ្ដុម៑ អាទិឝ្យ តាន៑ សប្ត បូបាន៑ ធ្ឫត្វា ឦឝ្វរគុណាន៑ អនុកីត៌្តយាមាស, ភំក្ត្វា បរិវេឞយិតុំ ឝិឞ្យាន៑ ប្រតិ ទទៅ, តតស្តេ លោកេភ្យះ បរិវេឞយាមាសុះ។
7 Ary nisy hazandrano madinika vitsy tao aminy; ka rehefa nanaovan’ i Jesosy fisaorana ireo, dia nasainy naroso teny anoloany koa.
តថា តេឞាំ សមីបេ យេ ក្ឞុទ្រមត្ស្យា អាសន៑ តានប្យាទាយ ឦឝ្វរគុណាន៑ សំកីត៌្យ បរិវេឞយិតុម៑ អាទិឞ្ដវាន៑។
8 Ary nihinana ny olona, ka dia voky; ary nangoniny ny sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy fito sobiky.
តតោ លោកា ភុក្ត្វា ត្ឫប្តិំ គតា អវឝិឞ្ដខាទ្យៃះ បូណ៌ាះ សប្តឌល្លកា គ្ឫហីតាឝ្ច។
9 Ary tokony ho efatra arivo ireo. Dia nampodiny izy.
ឯតេ ភោក្តារះ ប្រាយឝ្ចតុះ សហស្របុរុឞា អាសន៑ តតះ ស តាន៑ វិសសជ៌។
10 Ary niaraka tamin’ izay dia niondrana an-tsambokely Izy mbamin’ ny mpianany ka tonga tany amin’ ny fari-tanin’ i Dalmanota.
អថ ស ឝិឞ្យះ សហ នាវមារុហ្យ ទល្មានូថាសីមាមាគតះ។
11 Ary ny Fariseo nankany, dia niady hevitra taminy ary naka fanahy Azy ka nitady famantarana avy any an-danitra.
តតះ បរំ ផិរូឝិន អាគត្យ តេន សហ វិវទមានាស្តស្យ បរីក្ឞាត៌្ហម៑ អាកាឝីយចិហ្នំ ទ្រឞ្ដុំ យាចិតវន្តះ។
12 Ary nisento mafy am-panahy Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ity taranaka ity no mitady famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana akory ity taranaka ity.
តទា សោៜន្តទ៌ីគ៌្ហំ និឝ្វស្យាកថយត៑, ឯតេ វិទ្យមាននរាះ កុតឝ្ចិន្ហំ ម្ឫគយន្តេ? យុឞ្មានហំ យថាត៌្ហំ ព្រវីមិ លោកានេតាន៑ កិមបិ ចិហ្នំ ន ទឝ៌យិឞ្យតេ។
13 Ary nandao azy Izy, dia niondrana indray ka lasa nankeny am-pita.
អថ តាន៑ ហិត្វា បុន រ្នាវម៑ អារុហ្យ បារមគាត៑។
14 Ary tsy tsaroan’ ireo ny hitondra mofo, ka tsy nisy teo an-tsambokely afa-tsy mofo iray ihany.
ឯតហ៌ិ ឝិឞ្យៃះ បូបេឞុ វិស្ម្ឫតេឞុ នាវិ តេឞាំ សន្និធៅ បូប ឯកឯវ ស្ថិតះ។
15 Dia nananatra azy Izy ka nanao hoe: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon’ ny masirasiran’ ny Fariseo sy ny masirasiran’ i Heroda.
តទានីំ យីឝុស្តាន៑ អាទិឞ្ដវាន៑ ផិរូឝិនាំ ហេរោទឝ្ច កិណ្វំ ប្រតិ សតក៌ាះ សាវធានាឝ្ច ភវត។
16 Ary niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany.
តតស្តេៜន្យោន្យំ វិវេចនំ កត៌ុម៑ អារេភិរេ, អស្មាកំ សន្និធៅ បូបោ នាស្តីតិ ហេតោរិទំ កថយតិ។
17 Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no miara-misaina, satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahazo an-tsaina na mahafantatra va ianareo? Efa mafy va ny fonareo?
តទ៑ ពុទ្វ្វា យីឝុស្តេភ្យោៜកថយត៑ យុឞ្មាកំ ស្ថានេ បូបាភាវាត៑ កុត ឥត្ថំ វិតក៌យថ? យូយំ កិមទ្យាបិ កិមបិ ន ជានីថ? ពោទ្ធុញ្ច ន ឝក្នុថ? យាវទទ្យ កិំ យុឞ្មាកំ មនាំសិ កឋិនានិ សន្តិ?
18 Mana-maso, fa tsy mahita va ianareo? Ary manan-tsofina, fa tsy mandre va ianareo? Ary tsy mahatadidy va ianareo?
សត្សុ នេត្រេឞុ កិំ ន បឝ្យថ? សត្សុ កណ៌េឞុ កិំ ន ឝ្ឫណុថ? ន ស្មរថ ច?
19 Raha ny mofo dimy no novakiko ho an’ ny dimy arivo, firy harona moa no sombintsombiny nangoninareo? Hoy ny mpianany taminy: Roa ambin’ ny folo.
យទាហំ បញ្ចបូបាន៑ បញ្ចសហស្រាណាំ បុរុឞាណាំ មធ្យេ ភំក្ត្វា ទត្តវាន៑ តទានីំ យូយម៑ អវឝិឞ្ដបូបៃះ បូណ៌ាន៑ កតិ ឌល្លកាន៑ គ្ឫហីតវន្តះ? តេៜកថយន៑ ទ្វាទឝឌល្លកាន៑។
20 Ary raha ny mofo fito ho an’ ny efatra arivo, firy sobiky moa no sombintsombiny nangoninareo? Dia hoy ny mpianany: Fito.
អបរញ្ច យទា ចតុះសហស្រាណាំ បុរុឞាណាំ មធ្យេ បូបាន៑ ភំក្ត្វាទទាំ តទា យូយម៑ អតិរិក្តបូបានាំ កតិ ឌល្លកាន៑ គ្ឫហីតវន្តះ? តេ កថយាមាសុះ សប្តឌល្លកាន៑។
21 Ary hoy Izy taminy: Mbola tsy mahafantatra ihany va ianareo?
តទា ស កថិតវាន៑ តហ៌ិ យូយម៑ អធុនាបិ កុតោ ពោទ្វ្វុំ ន ឝក្នុថ?
22 Ary tonga tany Betsaida izy; ary nisy nitondra lehilahy jamba teo amin’ i Jesosy ka nangataka taminy hanendry ilay jamba.
អនន្តរំ តស្មិន៑ ពៃត្សៃទានគរេ ប្រាប្តេ លោកា អន្ធមេកំ នរំ តត្សមីបមានីយ តំ ស្ប្រឞ្ដុំ តំ ប្រាត៌្ហយាញ្ចក្រិរេ។
23 Ary nitantana ilay jamba Izy ka nitondra azy teny ivelan’ ny tanàna; ary rehefa nororany ny masony, ka napetrany taminy ny tànany, dia nanontaniany hoe izy: Mahita zavatra va ianao?
តទា តស្យាន្ធស្យ ករៅ គ្ឫហីត្វា នគរាទ៑ ពហិទ៌េឝំ តំ នីតវាន៑; តន្នេត្រេ និឞ្ឋីវំ ទត្ត្វា តទ្គាត្រេ ហស្តាវប៌យិត្វា តំ បប្រច្ឆ, កិមបិ បឝ្យសិ?
24 Dia niandrandra ralehilahy ka nanao hoe: Mahita ny olona aho: fa toa hazo ny fijeriko azy, saingy mamindra.
ស នេត្រេ ឧន្មីល្យ ជគាទ, វ្ឫក្ឞវត៑ មនុជាន៑ គច្ឆតោ និរីក្ឞេ។
25 Dia napetrany tamin’ ny masony indray ny tànany, dia nibanjina ralehilahy ka nahiratra tsara, ary hitany miharihary ny zavatra rehetra.
តតោ យីឝុះ បុនស្តស្យ នយនយោ រ្ហស្តាវប៌យិត្វា តស្យ នេត្រេ ឧន្មីលយាមាស; តស្មាត៑ ស ស្វស្ថោ ភូត្វា ស្បឞ្ដរូបំ សវ៌្វលោកាន៑ ទទឝ៌។
26 Ary Jesosy nampody azy ho any an-tranony ka nanao hoe: Aza mankao an-tanàna.
តតះ បរំ ត្វំ គ្រាមំ មា គច្ឆ គ្រាមស្ថំ កមបិ ច កិមប្យនុក្ត្វា និជគ្ឫហំ យាហីត្យាទិឝ្យ យីឝុស្តំ និជគ្ឫហំ ប្រហិតវាន៑។
27 Ary Jesosy sy ny mpianany dia lasa nankeny amin’ ireny tanàna momba an’ i Kaisaria-filipo; ary nony teny an-dalana dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Ataon’ ny olona ho iza moa Aho?
អនន្តរំ ឝិឞ្យៃះ សហិតោ យីឝុះ កៃសរីយាផិលិបិបុរំ ជគាម, បថិ គច្ឆន៑ តានប្ឫច្ឆត៑ កោៜហម៑ អត្រ លោកាះ កិំ វទន្តិ?
28 Ary izy nanao taminy hoe: Jaona Mpanao-batisa; fa hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Anankiray amin’ ny mpaminany.
តេ ប្រត្យូចុះ ត្វាំ យោហនំ មជ្ជកំ វទន្តិ កិន្តុ កេបិ កេបិ ឯលិយំ វទន្តិ; អបរេ កេបិ កេបិ ភវិឞ្យទ្វាទិនាម៑ ឯកោ ជន ឥតិ វទន្តិ។
29 Ary Jesosy nanontany azy hoe: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao taminy hoe: Hianao no Kristy.
អថ ស តានប្ឫច្ឆត៑ កិន្តុ កោហម៑? ឥត្យត្រ យូយំ កិំ វទថ? តទា បិតរះ ប្រត្យវទត៑ ភវាន៑ អភិឞិក្តស្ត្រាតា។
30 Ary nandrara azy rehetra Izy mba tsy hilazalaza Azy amin’ olona.
តតះ ស តាន៑ គាឍមាទិឝទ៑ យូយំ មម កថា កស្មៃចិទបិ មា កថយត។
31 Dia nampianatra azy Izy fa ny Zanak’ olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoiny, ary rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
មនុឞ្យបុត្រេណាវឝ្យំ ពហវោ យាតនា ភោក្តវ្យាះ ប្រាចីនលោកៃះ ប្រធានយាជកៃរធ្យាបកៃឝ្ច ស និន្ទិតះ សន៑ ឃាតយិឞ្យតេ ត្ឫតីយទិនេ ឧត្ថាស្យតិ ច, យីឝុះ ឝិឞ្យានុបទេឞ្ដុមារភ្យ កថាមិមាំ ស្បឞ្ដមាចឞ្ដ។
32 Ary naharihariny tsara no filaza izany teny izany. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely, dia niteny mafy Azy.
តស្មាត៑ បិតរស្តស្យ ហស្តៅ ធ្ឫត្វា តំ តជ៌្ជិតវាន៑។
33 Fa Izy nihodina, dia nijery ny mpianany ka niteny mafy an’ i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana, satria tsy misaina izay an’ Andriamanitra ianao, fa izay an’ ny olona.
កិន្តុ ស មុខំ បរាវត៌្យ ឝិឞ្យគណំ និរីក្ឞ្យ បិតរំ តជ៌យិត្វាវាទីទ៑ ទូរីភវ វិឃ្នការិន៑ ឦឝ្វរីយកាយ៌្យាទបិ មនុឞ្យកាយ៌្យំ តុភ្យំ រោចតតរាំ។
34 Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin’ ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
អថ ស លោកាន៑ ឝិឞ្យាំឝ្ចាហូយ ជគាទ យះ កឝ្ចិន៑ មាមនុគន្តុម៑ ឥច្ឆតិ ស អាត្មានំ ទាម្យតុ, ស្វក្រុឝំ គ្ឫហីត្វា មត្បឝ្ចាទ៑ អាយាតុ។
35 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany.
យតោ យះ កឝ្ចិត៑ ស្វប្រាណំ រក្ឞិតុមិច្ឆតិ ស តំ ហារយិឞ្យតិ, កិន្តុ យះ កឝ្ចិន៑ មទត៌្ហំ សុសំវាទាត៌្ហញ្ច ប្រាណំ ហារយតិ ស តំ រក្ឞិឞ្យតិ។
36 Fa inona no soa azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy?
អបរញ្ច មនុជះ សវ៌្វំ ជគត៑ ប្រាប្យ យទិ ស្វប្រាណំ ហារយតិ តហ៌ិ តស្យ កោ លាភះ?
37 Fa inona no homen’ ny olona ho takalon’ ny ainy?
នរះ ស្វប្រាណវិនិមយេន កិំ ទាតុំ ឝក្នោតិ?
38 Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin’ ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’ olona, raha avy amin’ ny voninahitry ny Rainy mbamin’ ny anjely masìna.
ឯតេឞាំ វ្យភិចារិណាំ បាបិនាញ្ច លោកានាំ សាក្ឞាទ៑ យទិ កោបិ មាំ មត្កថាញ្ច លជ្ជាស្បទំ ជានាតិ តហ៌ិ មនុជបុត្រោ យទា ធម៌្មទូតៃះ សហ បិតុះ ប្រភាវេណាគមិឞ្យតិ តទា សោបិ តំ លជ្ជាស្បទំ ជ្ញាស្យតិ។