< Marka 6 >

1 Ary niala teo Izy ka tonga tany amin’ ny taniny, sady nanaraka Azy ny mpianany.
anantaraṁ sa tatsthānāt prasthāya svapradeśamāgataḥ śiṣyāśca tatpaścād gatāḥ|
2 Ary rehefa tonga ny Sabata, dia nampianatra tao amin’ ny synagoga Izy; ary maro izay nihaino Azy dia talanjona indrindra ka nanao hoe: Taiza no nahazoan’ ilehity izany zavatra izany, ary manao ahoana ny fahendrena nomena Azy sy izao asa lehibe ataon’ ny tànany izao?
atha viśrāmavāre sati sa bhajanagṛhe upadeṣṭumārabdhavān tato'neke lokāstatkathāṁ śrutvā vismitya jagaduḥ, asya manujasya īdṛśī āścaryyakriyā kasmāj jātā? tathā svakarābhyām itthamadbhutaṁ karmma karttām etasmai kathaṁ jñānaṁ dattam?
3 Tsy ilay mpandrafitra, zanak’ i Maria, ary rahalahin’ i Jakoba sy Josesy sy Jodasy sy Simona va Ilehity? Ary tsy etỳ amintsika va ireo anabaviny? Dia tafintohina taminy izy.
kimayaṁ mariyamaḥ putrastajñā no? kimayaṁ yākūb-yosi-yihudā-śimonāṁ bhrātā no? asya bhaginyaḥ kimihāsmābhiḥ saha no? itthaṁ te tadarthe pratyūhaṁ gatāḥ|
4 Fa ho Jesosy taminy: Tsy misy mpaminany tsy hajaina afa-tsy eo amin’ ny taniny sy ny havany ary ny ankohonany ihany.
tadā yīśustebhyo'kathayat svadeśaṁ svakuṭumbān svaparijanāṁśca vinā kutrāpi bhaviṣyadvādī asatkṛto na bhavati|
5 Ary tsy nahazo nampiseho hery akory Izy teo, afa-tsy ny nametraka ny tànany tamin’ ny olona marary vitsy foana ka nahasitrana azy.
aparañca teṣāmapratyayāt sa vismitaḥ kiyatāṁ rogiṇāṁ vapuḥṣu hastam arpayitvā kevalaṁ teṣāmārogyakaraṇād anyat kimapi citrakāryyaṁ karttāṁ na śaktaḥ|
6 Ary gaga Izy noho ny tsi-finoany. Dia nitety ny vohitra manodidina Izy ka nampianatra.
atha sa caturdikstha grāmān bhramitvā upadiṣṭavān
7 Ary niantso ny roa ambin’ ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto.
dvādaśaśiṣyān āhūya amedhyabhūtān vaśīkarttāṁ śaktiṁ dattvā teṣāṁ dvau dvau jano preṣitavān|
8 Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin’ ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola ao amin’ ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.
punarityādiśad yūyam ekaikāṁ yaṣṭiṁ vinā vastrasaṁpuṭaḥ pūpaḥ kaṭibandhe tāmrakhaṇḍañca eṣāṁ kimapi mā grahlīta,
9 Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa.
mārgayātrāyai pādeṣūpānahau dattvā dve uttarīye mā paridhadvvaṁ|
10 Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any.
aparamapyuktaṁ tena yūyaṁ yasyāṁ puryyāṁ yasya niveśanaṁ pravekṣyatha tāṁ purīṁ yāvanna tyakṣyatha tāvat tanniveśane sthāsyatha|
11 Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy.
tatra yadi kepi yuṣmākamātithyaṁ na vidadhati yuṣmākaṁ kathāśca na śṛṇvanti tarhi tatsthānāt prasthānasamaye teṣāṁ viruddhaṁ sākṣyaṁ dātuṁ svapādānāsphālya rajaḥ sampātayata; ahaṁ yuṣmān yathārthaṁ vacmi vicāradine tannagarasyāvasthātaḥ sidomāmorayo rnagarayoravasthā sahyatarā bhaviṣyati|
12 Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona.
atha te gatvā lokānāṁ manaḥparāvarttanīḥ kathā pracāritavantaḥ|
13 Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.
evamanekān bhūtāṁśca tyājitavantastathā tailena marddayitvā bahūn janānarogānakārṣuḥ|
14 Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran’ i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin’ ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo.
itthaṁ tasya sukhyātiścaturdiśo vyāptā tadā herod rājā tanniśamya kathitavān, yohan majjakaḥ śmaśānād utthita atohetostena sarvvā etā adbhutakriyāḥ prakāśante|
15 Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy dia toy ny anankiray amin’ ny mpaminany.
anye'kathayan ayam eliyaḥ, kepi kathitavanta eṣa bhaviṣyadvādī yadvā bhaviṣyadvādināṁ sadṛśa ekoyam|
16 Ary rehefa nahare izany Heroda, dia hoy izy: Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany; efa nitsangana izy.
kintu herod ityākarṇya bhāṣitavān yasyāhaṁ śiraśchinnavān sa eva yohanayaṁ sa śmaśānādudatiṣṭhat|
17 Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an’ i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin’ i Herodiasy vadin’ i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy.
pūrvvaṁ svabhrātuḥ philipasya patnyā udvāhaṁ kṛtavantaṁ herodaṁ yohanavādīt svabhātṛvadhū rna vivāhyā|
18 Fa Jaona efa nilaza tamin’ i Heroda hoe: Diso ianao, raha manambady ny vadin’ ny rahalahinao.
ataḥ kāraṇāt herod lokaṁ prahitya yohanaṁ dhṛtvā bandhanālaye baddhavān|
19 Ary Herodiasy dia nanao otri-po taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy nahazo.
herodiyā tasmai yohane prakupya taṁ hantum aicchat kintu na śaktā,
20 Fa Heroda natahotra an’ i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masìna izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany; ary nihaino azy tamin’ ny hafaliana izy.
yasmād herod taṁ dhārmmikaṁ satpuruṣañca jñātvā sammanya rakṣitavān; tatkathāṁ śrutvā tadanusāreṇa bahūni karmmāṇi kṛtavān hṛṣṭamanāstadupadeśaṁ śrutavāṁśca|
21 Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan’ i Heroda fanasana ho an’ ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin’ ny andro fahatsiarovana ny nahaterahany,
kintu herod yadā svajanmadine pradhānalokebhyaḥ senānībhyaśca gālīlpradeśīyaśreṣṭhalokebhyaśca rātrau bhojyamekaṁ kṛtavān
22 ka niditra ny zanakavavin’ i Herodiasy ary nandihy ka nahafaly an’ i Heroda mbamin’ izay niara-nipetraka nihinana teo aminy, dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: Angataho amiko izay tianao na inona na inona, dia homeko anao.
tasmin śubhadine herodiyāyāḥ kanyā sametya teṣāṁ samakṣaṁ saṁnṛtya herodastena sahopaviṣṭānāñca toṣamajījanat tatā nṛpaḥ kanyāmāha sma matto yad yācase tadeva tubhyaṁ dāsye|
23 Ary nianiana taminy hoe izy: Na inona na inona hangatahinao amiko dia homeko anao na dia hatramin’ ny antsasaky ny fanjakako aza.
śapathaṁ kṛtvākathayat ced rājyārddhamapi yācase tadapi tubhyaṁ dāsye|
24 Dia nivoaka razazavavy ka nanao tamin-dreniny hoe: Inona no hangatahiko? Ary hoy reniny: Ny lohan’ i Jaona Mpanao-batisa.
tataḥ sā bahi rgatvā svamātaraṁ papraccha kimahaṁ yāciṣye? tadā sākathayat yohano majjakasya śiraḥ|
25 Dia niditra faingana niaraka tamin’ izay izy ho ao amin’ ny mpanjaka ka nangataka hoe: Tiako raha homenao ahy faingana eto an-dovia ny lohan’ i Jaona Mpanao-batisa.
atha tūrṇaṁ bhūpasamīpam etya yācamānāvadat kṣaṇesmin yohano majjakasya śiraḥ pātre nidhāya dehi, etad yāce'haṁ|
26 Dia nalahelo indrindra ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy ny olona izay nipetraka nihinana teo, dia tsy sahy nandà azy izy.
tasmāt bhūpo'tiduḥkhitaḥ, tathāpi svaśapathasya sahabhojināñcānurodhāt tadanaṅgīkarttuṁ na śaktaḥ|
27 Ary niaraka tamin’ izay ny mpanjaka dia naniraka mpiambina, ka nasainy nentiny ny lohan’ i Jaona. Ary dia nandeha izy, ka notapahiny tao an-tranomaizina ny lohany.
tatkṣaṇaṁ rājā ghātakaṁ preṣya tasya śira ānetumādiṣṭavān|
28 Dia nentiny teo an-dovia ny lohany ka nomeny an-drazazavavy; ary razazavavy kosa dia nanome azy an-dreniny.
tataḥ sa kārāgāraṁ gatvā tacchiraśchitvā pātre nidhāyānīya tasyai kanyāyai dattavān kanyā ca svamātre dadau|
29 Ary rehefa nandre izany ny mpianany, dia tonga ka naka ny faty ary nandevina azy.
ananataraṁ yohanaḥ śiṣyāstadvārttāṁ prāpyāgatya tasya kuṇapaṁ śmaśāne'sthāpayan|
30 Ary ny Apostoly niangona teo amin’ i Jesosy ka nilaza taminy izay rehetra efa nataony mbamin’ izay nampianariny.
atha preṣitā yīśoḥ sannidhau militā yad yac cakruḥ śikṣayāmāsuśca tatsarvvavārttāstasmai kathitavantaḥ|
31 Ary hoy Jesosy taminy: Avia ianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza).
sa tānuvāca yūyaṁ vijanasthānaṁ gatvā viśrāmyata yatastatsannidhau bahulokānāṁ samāgamāt te bhoktuṁ nāvakāśaṁ prāptāḥ|
32 Dia nandeha an-tsambokely izy hitokana any an-tany foana.
tataste nāvā vijanasthānaṁ guptaṁ gagmuḥ|
33 Ary ny olona nahita azy mandeha, sady betsaka no nahalala an’ i Jesosy, dia niala avy teny amin’ ny tanàna rehetra ny olona ka nihazakazaka nandeha an-tanety, dia tonga talohany.
tato lokanivahasteṣāṁ sthānāntarayānaṁ dadarśa, aneke taṁ paricitya nānāpurebhyaḥ padairvrajitvā javena taiṣāmagre yīśoḥ samīpa upatasthuḥ|
34 Ary nony niala Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
tadā yīśu rnāvo bahirgatya lokāraṇyānīṁ dṛṣṭvā teṣu karuṇāṁ kṛtavān yataste'rakṣakameṣā ivāsan tadā sa tāna nānāprasaṅgān upadiṣṭavān|
35 Ary rehefa hariva ny andro, dia nanatona Azy ny mpianany ka nanao hoe: Tany foana ity, ka efa hariva ny andro ankehitriny;
atha divānte sati śiṣyā etya yīśumūcire, idaṁ vijanasthānaṁ dinañcāvasannaṁ|
36 ravao ny olona mba hankanesany eny an-tsaha sy eny amin’ ny vohitra manodidina hividy hanina ho azy.
lokānāṁ kimapi khādyaṁ nāsti, ataścaturdikṣu grāmān gantuṁ bhojyadravyāṇi kretuñca bhavān tān visṛjatu|
37 Fa Izy namaly ka nanao taminy hoe: Omeonareo hanina izy. Fa hoy kosa izy ireo taminy: Handeha hividy mofo izay azon’ ny denaria roan-jato va izahay, ka homenay azy hohaniny?
tadā sa tānuvāca yūyameva tān bhojayata; tataste jagadu rvayaṁ gatvā dviśatasaṁkhyakai rmudrāpādaiḥ pūpān krītvā kiṁ tān bhojayiṣyāmaḥ?
38 Fa hoy Izy taminy: Misy mofo firy any aminareo? Andeha, izahao. Ary rehefa fantany, dia hoy izy: Dimy sy hazandrano roa.
tadā sa tān pṛṣṭhavān yuṣmākaṁ sannidhau kati pūpā āsate? gatvā paśyata; tataste dṛṣṭvā tamavadan pañca pūpā dvau matsyau ca santi|
39 Dia nasain’ i Jesosy nampipetraka ny olona rehetra hatao an-tokotokony eny ambonin’ ny ahi-maitso izy.
tadā sa lokān śaspopari paṁktibhirupaveśayitum ādiṣṭavān,
40 Dia nipetraka an-tokony zato sy dimam-polo avy ny olona.
tataste śataṁ śataṁ janāḥ pañcāśat pañcāśajjanāśca paṁktibhi rbhuvi samupaviviśuḥ|
41 Ary rehefa voarain’ i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nisaotra, dia novakiny ny mofo ka natolony ny mpianatra mba harosony eny anoloan’ ny olona; ary ny hazandrano roa nozarainy tamin’ ny olona rehetra.
atha sa tān pañcapūpān matsyadvayañca dhṛtvā svargaṁ paśyan īśvaraguṇān anvakīrttayat tān pūpān bhaṁktvā lokebhyaḥ pariveṣayituṁ śiṣyebhyo dattavān dvā matsyau ca vibhajya sarvvebhyo dattavān|
42 Ary samy nihinana avokoa ny olona rehetra ka voky.
tataḥ sarvve bhuktvātṛpyan|
43 Ary nangoniny izay sombintsombin’ ny mofo sy ny hazandrano, ka dia nahafeno harona roa ambin’ ny folo.
anantaraṁ śiṣyā avaśiṣṭaiḥ pūpai rmatsyaiśca pūrṇān dvadaśa ḍallakān jagṛhuḥ|
44 Ary izay nihinana ny mofo dia dimy arivo lahy.
te bhoktāraḥ prāyaḥ pañca sahasrāṇi puruṣā āsan|
45 Ary niaraka tamin’ izay Jesosy dia nanery ny mpianany hiondrana an-tsambokely hita hialoha ho any Betsaida, mandra-pandràvany ny vahoaka.
atha sa lokān visṛjanneva nāvamāroḍhuṁ svasmādagre pāre baitsaidāpuraṁ yātuñca śṣyin vāḍhamādiṣṭavān|
46 Ary rehefa nanao veloma ny olona Izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra hivavaka.
tadā sa sarvvān visṛjya prārthayituṁ parvvataṁ gataḥ|
47 Ary nony hariva ny andro, dia efa mby teo ampovoan’ ny ranomasina ny sambokely, ary Izy irery ihany no teo an-tanety.
tataḥ sandhyāyāṁ satyāṁ nauḥ sindhumadhya upasthitā kintu sa ekākī sthale sthitaḥ|
48 Ary nahita azy ireo sahirana nivoy fatratra Izy, fa notohain’ ny rivotra: ary tokony ho tamin’ ny fiambenana fahefatra amin’ ny alina dia nankeny aminy nitsangantsangana tambonin’ ny ranomasina Jesosy ka nikasa handalo azy.
atha sammukhavātavahanāt śiṣyā nāvaṁ vāhayitvā pariśrāntā iti jñātvā sa niśācaturthayāme sindhūpari padbhyāṁ vrajan teṣāṁ samīpametya teṣāmagre yātum udyataḥ|
49 Ary rehefa hitany nitsangantsangana tambonin’ ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo.
kintu śiṣyāḥ sindhūpari taṁ vrajantaṁ dṛṣṭvā bhūtamanumāya ruruvuḥ,
50 Fa izy rehetra samy nahita Azy avokoa, ka dia raiki-tahotra. Ary Izy niteny taminy niaraka tamin’ izay ka nanao taminy hoe: Matokia, fa Izaho ihany; aza matahotra.
yataḥ sarvve taṁ dṛṣṭvā vyākulitāḥ| ataeva yīśustatkṣaṇaṁ taiḥ sahālapya kathitavān, susthirā bhūta, ayamahaṁ mā bhaiṣṭa|
51 Ary niakatra nankeo aminy teo an-tsambokely Izy; dia nitsahatra ny rivotra, ka dia talanjona izy ireo.
atha naukāmāruhya tasmin teṣāṁ sannidhiṁ gate vāto nivṛttaḥ; tasmātte manaḥsu vismitā āścaryyaṁ menire|
52 Ary tsy fantany ny amin’ ny mofo; fa efa mafy ny fony.
yataste manasāṁ kāṭhinyāt tat pūpīyam āścaryyaṁ karmma na viviktavantaḥ|
53 Ary nony tafita izy, dia tonga teo amin’ ny tany Genesareta ka niantsona teo.
atha te pāraṁ gatvā gineṣaratpradeśametya taṭa upasthitāḥ|
54 Ary raha niala teo an-tsambokely izy, dia nahalala an’ i Jesosy niaraka tamin’ izay ny olona teo
teṣu naukāto bahirgateṣu tatpradeśīyā lokāstaṁ paricitya
55 ka nihazakazaka tamin’ izany tany rehetra izany ary nitondra ny marary tamin’ ny fandriana ho any amin’ izay reny fa nitoerany.
caturdikṣu dhāvanto yatra yatra rogiṇo narā āsan tān sarvvāna khaṭvopari nidhāya yatra kutracit tadvārttāṁ prāpuḥ tat sthānam ānetum ārebhire|
56 Ary na taiza na taiza no nidiran’ i Jesosy, na tao amin’ ny vohitra, na tao an-tanàna, na tany an-tsaha, dia napetraka teo an-kianja ny marary, ary ny olona nangataka hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary sitrana izay rehetra nanendry Azy.
tathā yatra yatra grāme yatra yatra pure yatra yatra pallyāñca tena praveśaḥ kṛtastadvartmamadhye lokāḥ pīḍitān sthāpayitvā tasya celagranthimātraṁ spraṣṭum teṣāmarthe tadanujñāṁ prārthayantaḥ yāvanto lokāḥ paspṛśustāvanta eva gadānmuktāḥ|

< Marka 6 >