< Marka 3 >
1 Ary niditra tao amin’ ny synagoga indray Jesosy: ary nisy lehilahy anankiray maty tanana teo.
Again Jesus walked into the synagogue and there was a man with a withered hand.
2 Ary nizaha taratra Azy ny olona, na hahasitrana io amin’ ny Sabata Izy na tsia, mba hiampanganany Azy.
Some people watched him closely to see if he would heal him on the Sabbath so that they could accuse him.
3 Dia hoy Jesosy tamin’ ilay lehilahy maty tanana: Mitsangàna etsy afovoany.
Jesus said to the man with the withered hand, “Get up and stand here in the middle of everyone.”
4 Ary hoy koa Izy tamin’ ny olona: Inona moa no mety hatao amin’ ny Sabata, ny manao soa va, sa ny manao ratsy? ny mamonjy aina va, sa ny mahafaty? Fa tsy nety niteny ny olona.
Then he said to the people, “Is it lawful to do good on the Sabbath day or to do harm; to save a life or to kill?” But they were silent.
5 Ary nony nijerijery azy tamin’ ny fahatezerana Izy sady nalahelo noho ny hamafin’ ny fony, dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tananao. Dia nahinjiny, ka sitrana ny tànany.
He looked around at them with anger, and he was grieved by their hardness of heart, and he said to the man, “Stretch out your hand.” He stretched it out, and his hand was restored.
6 Ary lasa nivoaka ny Fariseo, ka niaraka tamin’ izay dia niray tetika tamin’ ny Herodiana izy hanohitra an’ i Jesosy mba hahafaty Azy.
The Pharisees went out and immediately began to plot with the Herodians as to how they might put him to death.
7 Ary Jesosy mbamin’ ny mpianany niala teo ka nankany amin’ ny ranomasina; ary nisy olona maro avy tany Galilia nanaraka Azy; ary nisy olona maro koa avy tany Jodia
Then Jesus, with his disciples, went to the sea, and a great crowd of people followed from Galilee and from Judea
8 sy Jerosalema sy Edoma sy tany an-dafin’ i Jordana ary tamin’ ny tany manodidina an’ i Tyro sy Sidona nandre izay zavatra nataony, dia nankeo aminy.
and from Jerusalem and from Idumea and beyond the Jordan and around Tyre and Sidon. When they heard about the things he was doing, a great crowd came to him.
9 Ary Izy nilaza tamin’ ny mpianany mba hanisy sambokely hiandry Azy noho ny habetsahan’ ny vahoaka, fandrao mifanety aminy ireo.
He asked his disciples to have a small boat ready for him because of the crowd, so that they would not crush him.
10 Fa efa nahasitrana olona maro Izy, ka dia nifanety taminy mba hanendry Azy izay rehetra nanana aretina.
For he healed many, so that everyone who had afflictions eagerly approached him in order to touch him.
11 Ary ny fanahy maloto, raha nahita Azy dia niankohoka teo anatrehany ka niantso hoe: Hianao no Zanak’ Andriamanitra.
Whenever the unclean spirits saw him, they fell down before him and cried out, and they said, “You are the Son of God.”
12 Ary nandrara azy mafy Izy tsy hanao izay hahafantarana Azy.
He strictly ordered them not to make him known.
13 Ary niakatra teo an-tendrombohitra Jesosy ka niantso izay tiany hankeo aminy; dia nankeo aminy ireo.
He went up on the mountain, and he called for those he wanted, and they came to him.
14 Ary nanendry roa ambin’ ny folo lahy Izy ho ao aminy sy hirahiny hitori-teny
He appointed the twelve (whom he named apostles) so that they might be with him and he might send them to proclaim the message,
15 sady hanana fahefana hamoaka ny demonia.
and to have authority to cast out demons.
16 Ary Simona dia nomeny anarana hafa koa hoe Petera;
Then he appointed the twelve: Simon, to whom he gave the name Peter;
17 ary Jakoba, zanak’ i Zebedio, sy Jaona, rahalahin’ i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boaneryjesy, izany hoe Zana-baratra;
James son of Zebedee, and John the brother of James, to whom he gave the name Boanerges, that is, sons of thunder;
18 ary Andrea sy Filipo sy Bartolomeo sy Matio sy Tomasy sy Jakoba, zanak’ i Alfeo, sy Tadeo sy Simona Kananeana
and Andrew, Philip, Bartholomew, Matthew, Thomas, James son of Alphaeus, Thaddaeus, Simon the Zealot,
19 ary Jodasy Iskariota, ilay namadika Azy.
and Judas Iscariot, who would betray him.
20 Ary niditra tao an-trano Izy, dia niangona indray ny vahoaka, ka dia tsy nahazo nihinan-kanina akory Izy.
Then he went home, and the crowd came together again, so that they could not even eat bread.
21 Ary ny havany, raha nandre, dia nivoaka hihazona Azy; fa hoy ireo: Efa very saina Izy.
When his family heard about it, they went out to seize him, for they said, “He is out of his mind.”
22 Ary ny mpanora-dalàna izay nidina avy tany Jerosalema dia nanao hoe: Manana an’ i Belzeboba Izy, sy hoe: Ny lohan’ ny demonia no amoahany ny demonia.
The scribes who came down from Jerusalem said, “He is possessed by Beelzebul” and “By the ruler of the demons he drives out demons.”
23 Ary rehefa niantso ireo hankeo aminy Izy, dia nanao fanoharana taminy hoe: Hataon’ i Satana ahoana no famoaka an’ i Satana?
Jesus called them to him and said to them in parables, “How can Satan cast out Satan?
24 Fa raha misy fanjakana miady an-trano, dia tsy haharitra izany fanjakana izany.
If a kingdom is divided against itself, that kingdom cannot stand.
25 Ary raha misy mpiray trano miady an-trano, dia tsy haharitra izany mpiray trano izany.
If a house is divided against itself, that house will not be able to stand.
26 Ary raha Satana no mitsangana hanohitra ny tenany ka miady an-trano, dia tsy haharitra izy, fa ho rava ny heriny.
If Satan has risen up against himself and is divided, he is not able to stand, but has come to an end.
27 Kanefa tsy misy olona afaka miditra ao an-tranon’ ny mahery ka handroba ny entany, raha tsy afatony aloha ilay mahery, dia vao robainy ny ao an-tranony.
But no one can enter into the house of a strong man and steal his belongings without tying up the strong man first, and then he will plunder his house.
28 Lazaiko aminareo marina tokoa: Hahazo famelan-keloka ny zanak’ olombelona amin’ ny ota rehetra sy ny fitenenan-dratsy rehetra izay ataony;
Truly I say to you, all sins of the sons of men will be forgiven, even all the blasphemies which they utter,
29 fa izay miteny ratsy ny Fanahy Masìna kosa dia tsy mahazo famelan-keloka mandrakizay, fa miendrika hohelohina ny amin’ ny ota mandrakizay izy; izany no nolazainy, (aiōn , aiōnios )
but whoever blasphemes against the Holy Spirit will never have forgiveness, but is guilty of an eternal sin.” (aiōn , aiōnios )
30 satria ny olona nanao hoe: Azom-panahy maloto Izy.
Jesus said this because they were saying, “He has an unclean spirit.”
31 Ary avy ny reniny mbamin’ ny rahalahiny ka nijanona teo ala-trano, dia naniraka tao aminy hiantso Azy.
Then his mother and his brothers came and stood outside. They sent for him, summoning him.
32 Ary ny vahoaka nipetraka manodidina Azy ka nanao taminy hoe: Indreo, ato ala-trano ny reninao sy ny rahalahinao mitady Anao.
A crowd was sitting around him and they said to him, “Your mother and your brothers are outside, and they are looking for you.”
33 Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Iza no reniko sy rahalahiko?
He answered them, “Who are my mother and my brothers?”
34 Ary nony nijery izay nipetraka manodidina Azy Izy, dia hoy Izy: Indreo ny reniko sy ny rahalahiko!
He looked around at those who were sitting in a circle around him and said, “See, here are my mother and my brothers!
35 Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’ Andriamanitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.
For whoever does the will of God, that person is my brother, and sister, and mother.”