< Marka 2 >

1 Ary nony niditra tao Kapernaomy indray Izy, rehefa afaka andro vitsivitsy, dia re fa tao an-trano Izy,
After a fewe dayes, hee entred into Capernaum againe, and it was noysed that he was in the house.
2 ka dia tafangona ny maro, ka tsy nisy hitoerana intsony, na dia teny anoloan’ ny varavarana aza; ary Izy nitory ny teny taminy.
And anon, many gathered together, in so much that the places about the doore coulde not receiue any more and he preached the word vnto them.
3 Ary nisy nanatona nitondra ny anankiray mararin’ ny paralysisa ho eo aminy, izay nolanjain’ efa-dahy.
And there came vnto him, that brought one sicke of the palsie, borne of foure men.
4 Ary satria tsy afaka nanakaiky Azy izy noho ny habetsahan’ ny vahoaka, dia nanesorany ny tafon’ ny trano nitoeran’ i Jesosy, ka nony efa voasokatra, dia nampidininy teo ny fandriana izay nandrian’ ilay nararin’ ny paralysisa.
And because they could not come neere vnto him for the multitude, they vncouered ye roofe of the house where hee was: and when they had broken it open, they let downe the bed, wherein the sicke of the palsie lay.
5 Ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ ireo, dia nanao tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa hoe: Anaka, voavela ny helokao.
Nowe when Iesus sawe their faith, he saide to the sicke of the palsie, Sonne, thy sinnes are forgiuen thee.
6 Ary nisy mpanora-dalàna sasany nipetraka teo ka nieritreritra tao am-pony hoe:
And there were certaine of the Scribes sitting there, and reasoning in their hearts,
7 Nahoana Ilehity no miteny toy izany? Miteny ratsy Izy. Iza no mahavela heloka afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra?
Why doeth this man speake such blasphemies? who can forgiue sinnes, but God onely?
8 Ary niaraka tamin’ izay Jesosy dia nahalala tao am-panahiny fa nieritreritra izany tao am-pony ireo, dia hoy Izy taminy: Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo?
And immediatly when Iesus perceiued in his spirite, that thus they reasoned with themselues, he sayde vnto them, Why reason yee these things in your hearts?
9 Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin’ ilay mararin’ ny paralysisa hoe: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka mandehana?
Whether is it easier to say to the sicke of the palsie, Thy sinnes are forgiuen thee? or to say, Arise, and take vp thy bed, and walke?
10 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana etỳ ambonin’ ny tany hamela heloka, dia lazaiko aminao (hoy Izy tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa):
But that ye may knowe, that the Sonne of man hath authoritie in earth to forgiue sinnes, (he sayde vnto the sicke of the palsie.)
11 Mitsangàna, betao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.
I say vnto thee, Arise and take vp thy bed, and get thee hence into thine owne house.
12 Dia nitsangana izy ka nambeta ny fandriany niaraka tamin’ izay ary niala teo anatrehan’ ny olona rehetra; dia talanjona izy rehetra ka nankalaza an’ Andriamanitra nanao hoe: Tsy mbola nahita izay toy izao izahay.
And by and by he arose, and tooke vp his bed, and went foorth before them all, in so much that they were all amased, and glorified God, saying, We neuer sawe such a thing.
13 Ary lasa nandeha teny amoron-dranomasina indray Jesosy; ary ny vahoaka rehetra nanatona Azy, ka dia nampianatra azy Izy.
Then he went foorth againe towarde the sea, and all the people resorted vnto him, and he taught them.
14 Ary nony nandalo Izy, dia nahita an’ i Levy, zanak’ i Alfeo, nipetraka teo am-pamorian-ketra; ka hoy Izy taminy: Manaraha Ahy. Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
And as Iesus passed by, hee sawe Leui the sonne of Alpheus sit at the receit of custome, and said vnto him, Folowe me. And he arose and followed him.
15 Ary raha nipetraka nihinana tao an-tranony Izy, dia maro ny mpamory hetra sy ny mpanota no niara-nipetraka nihinana tamin’ i Jesosy mbamin’ ny mpianany; fa nisy maro tao, dia nanaraka Azy izy.
And it came to passe, as Iesus sate at table in his house, many Publicanes and sinners sate at table also with Iesus, and his disciples: for there were many that followed him.
16 Ary ny mpanora-dalàna, izay isan’ ny Fariseo, raha nahita fa niara-nipetraka nihinana tamin’ ny mpanota sy ny mpamory hetra Izy, dia niteny tamin’ ny mpianatra hoe: Miara-mihinana sy misotro amin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy!
And when the Scribes and Pharises sawe him eate with the Publicanes and sinners, they sayd vnto his disciples, Howe is it, that hee eateth and drinketh with Publicanes and sinners?
17 Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota
Now when Iesus heard it, hee sayde vnto them, The whole haue no neede of the Physicion, but the sicke. I came not to call the righteous, but the sinners to repentance.
18 Ary ny mpianatr’ i Jaona sy ny Fariseo nifady hanina tamin’ izany; dia avy izy ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Nahoana ny mpianatr’ i Jaona sy ny mpianatry ny Fariseo no mifady hanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?
And the disciples of Iohn, and the Pharises did fast, and came and saide vnto him, Why doe the disciples of Iohn, and of the Pharises fast, and thy disciples fast not?
19 Ary Jesosy niteny taminy hoe: Mahay mifady va ny havan’ ny mpampakatra raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra? Raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra dia tsy mahay mifady izy.
And Iesus saide vnto them, Can the children of the marriage chamber fast, whiles the bridegrome is with them? as long as they haue the bridegrome with them, they cannot fast.
20 Fa ho avy andro izay hanalana ny mpampakatra hiala ao aminy, ka amin’ izany andro izany hifady izy.
But the daies will come, when the bridegrome shall be taken from them, and then shall they fast in those daies.
21 Tsy misy olona manjaitra tapa-damba tsy mbola voalòna amin’ ny lamba tonta; fa raha izany, ny vaovao izay natampina dia handrompitra ny tonta, ka hitatra ny triatra.
Also no man soweth a piece of newe cloth in an olde garment: for els the newe piece that filled it vp, taketh away somewhat from the olde, and the breach is worse.
22 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay dia hahatriatra ny siny hoditra, ka dia samy ho very foana ny divay sy ny siny hoditra; fa divay vaovao no ho ao anaty siny hoditra vaovao.
Likewise, no man putteth newe wine into old vessels: for els the new wine breaketh the vessels, and the wine runneth out, and the vessels are lost: but newe wine must be put into new vessels.
23 Ary nandeha namaky ny tanim-bary tamin’ ny Sabata Jesosy; ary ny mpianatra dia nanoty ny salohim-bary teny am-pandehanana.
And it came to passe as hee went through the corne on the Sabbath day, that his disciples, as they went on their way, began to plucke the eares of corne.
24 Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin’ ny Sabata?
And the Pharises saide vnto him, Beholde, why doe they on the Sabbath day, that which is not lawfull?
25 Fa hoy Izy taminy: Tsy mbola novakinareo va ny teny milaza ilay nataon’ i Davida, raha reraky ny hanoanana izy mbamin’ izay nanaraka azy,
And he saide to them, Haue yee neuer read what Dauid did when he had neede, and was an hungred, both he, and they that were with him?
26 fa niditra tao an-tranon’ Andriamanitra tamin’ ny andron’ i Abiatara mpisoronabe izy ka nihinana ny mofo aseho, izay mahadiso raha misy homana izany, afa-tsy ny mpisorona ihany, ary nomeny koa izay nanaraka azy?
Howe he went into the house of God, in the daies of Abiathar the hie Priest, and did eat the shewe bread, which were not lawfull to eate, but for the Priests, and gaue also to them which were with him?
27 Ary hoy Izy taminy: Ny Sabata no natao ho ny olona, fa tsy ny olona ho an’ ny Sabata.
And hee sayde to them, The Sabbath was made for man, and not man for the Sabbath.
28 ka dia Tompon’ ny Sabata aza ny Zanak’ olona.
Wherefore the Sonne of man is Lord, euen of the Sabbath.

< Marka 2 >