< Marka 15 >

1 Ary niaraka tamin’ izay raha vao maraina ny andro, ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ ny Synedriona rehetra dia niara-nisaina ary namatotra an’ i Jesosy ka nitondra Azy, dia nanolotra Azy teo amin’ i Pilato.
και ευθεως επι το πρωι συμβουλιον ποιησαντες οι αρχιερεις μετα των πρεσβυτερων και γραμματεων και ολον το συνεδριον δησαντες τον ιησουν απηνεγκαν και παρεδωκαν τω πιλατω
2 Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Voalazanao.
και επηρωτησεν αυτον ο πιλατος συ ει ο βασιλευς των ιουδαιων ο δε αποκριθεις ειπεν αυτω συ λεγεις
3 Ary ny lohan’ ny mpisorona niampanga Azy zavatra maro.
και κατηγορουν αυτου οι αρχιερεις πολλα
4 Ary Pilato dia nanontany Azy indray hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? He! izao hamaroan’ ny zavatra iampangany Anao izao!
ο δε πιλατος παλιν επηρωτησεν αυτον λεγων ουκ αποκρινη ουδεν ιδε ποσα σου καταμαρτυρουσιν
5 Fa Jesosy tsy namaly intsony, na dia indraim-bava akory aza, ka dia gaga Pilato.
ο δε ιησους ουκετι ουδεν απεκριθη ωστε θαυμαζειν τον πιλατον
6 Ary isaky ny avy ny andro firavoravoana dia fanaony ny mandefa mpifatotra iray izay angatahin’ ny vahoaka.
κατα δε εορτην απελυεν αυτοις ενα δεσμιον ονπερ ητουντο
7 Ary nisy anankiray ilay atao hoe Barabasy, nifatotra tao mbamin’ ny mpikomy sasany, izay efa nahafaty olona tamin’ ny fikomiana.
ην δε ο λεγομενος βαραββας μετα των συστασιαστων δεδεμενος οιτινες εν τη στασει φονον πεποιηκεισαν
8 Ary ny vahoaka niakatra ka nangataka azy hanao araka izay fanaony aminy.
και αναβοησας ο οχλος ηρξατο αιτεισθαι καθως αει εποιει αυτοις
9 Fa Pilato namaly azy ka nanao hoe: Tianareo va mba ny Mpanjakan’ ny Jiosy no halefako ho anareo?
ο δε πιλατος απεκριθη αυτοις λεγων θελετε απολυσω υμιν τον βασιλεα των ιουδαιων
10 Fa fantany fa fialonana no nanoloran’ ny lohan’ ny mpisorona Azy.
εγινωσκεν γαρ οτι δια φθονον παραδεδωκεισαν αυτον οι αρχιερεις
11 Fa ny lohan’ ny mpisorona nanome fo ny vahoaka, fa aleo Barabasy no halefan’ i Pilato ho azy.
οι δε αρχιερεις ανεσεισαν τον οχλον ινα μαλλον τον βαραββαν απολυση αυτοις
12 Ary Pilato namaly ka nanao taminy indray hoe: Ka inona ary no hataoko amin’ ilay ataonareo hoe: Mpanjakan’ ny Jiosy?
ο δε πιλατος αποκριθεις παλιν ειπεν αυτοις τι ουν θελετε ποιησω ον λεγετε βασιλεα των ιουδαιων
13 Ary ny vahoaka niantso indray hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy!
οι δε παλιν εκραξαν σταυρωσον αυτον
14 Ary hoy Pilato taminy: Fa inona moa no ratsy nataony? Nefa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy!
ο δε πιλατος ελεγεν αυτοις τι γαρ κακον εποιησεν οι δε περισσοτερως εκραξαν σταυρωσον αυτον
15 Ary Pilato ta-hahazo sitraka tamin’ ny vahoaka, ka dia nandefa an’ i Barabasy ho azy; fa Jesosy nasainy nokapohina, dia natolony azy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana.
ο δε πιλατος βουλομενος τω οχλω το ικανον ποιησαι απελυσεν αυτοις τον βαραββαν και παρεδωκεν τον ιησουν φραγελλωσας ινα σταυρωθη
16 Ary ny miaramila nitondra an’ i Jesosy ho eo an-kianja, dia ao anati-rova, sady nanangona ny miaramila namany rehetra.
οι δε στρατιωται απηγαγον αυτον εσω της αυλης ο εστιν πραιτωριον και συγκαλουσιν ολην την σπειραν
17 Ary dia nampitafy Azy lamba volomparasy izy, sady nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany.
και ενδυουσιν αυτον πορφυραν και περιτιθεασιν αυτω πλεξαντες ακανθινον στεφανον
18 Ary dia niarahaba Azy hoe izy: Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy!
και ηρξαντο ασπαζεσθαι αυτον χαιρε βασιλευ των ιουδαιων
19 Ary dia nikapoka ny lohany tamin’ ny volotara izy sady nandrora Azy, dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehany.
και ετυπτον αυτου την κεφαλην καλαμω και ενεπτυον αυτω και τιθεντες τα γονατα προσεκυνουν αυτω
20 Ary rehefa nanao Azy ho fihomehezana izy, dia nanala ilay lamba volomparasy teny aminy, ka nampitafiny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny hohomboany amin’ ny hazo fijaliana Izy.
και οτε ενεπαιξαν αυτω εξεδυσαν αυτον την πορφυραν και ενεδυσαν αυτον τα ιματια τα ιδια και εξαγουσιν αυτον ινα σταυρωσωσιν αυτον
21 Ary Simona Kyreniana (rain’ i Aleksandro sy Rofosy) izay nandalo avy tany an-tsaha, no notereny hitondra ny hazo fijalian’ i Jesosy.
και αγγαρευουσιν παραγοντα τινα σιμωνα κυρηναιον ερχομενον απ αγρου τον πατερα αλεξανδρου και ρουφου ινα αρη τον σταυρον αυτου
22 Ary Jesosy dia nentiny teo amin’ ny tany Golgota, izany hoe, raha adika, Fitoeran-karan-doha.
και φερουσιν αυτον επι γολγοθα τοπον ο εστιν μεθερμηνευομενον κρανιου τοπος
23 Dia notolorany divay miharo miora Izy; nefa tsy nety nisotro Izy.
και εδιδουν αυτω πιειν εσμυρνισμενον οινον ο δε ουκ ελαβεν
24 Ary rehefa voahombony tamin’ ny hazo fijaliana Izy, dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany, hahitany izay ho azony avy.
και σταυρωσαντες αυτον διεμεριζον τα ιματια αυτου βαλλοντες κληρον επ αυτα τις τι αρη
25 Ary tamin’ ny ora fahatelo no nanomboany tamin’ ny hazo fijaliana.
ην δε ωρα τριτη και εσταυρωσαν αυτον
26 Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: MPANJAKAN’ NY JIOSY.
και ην η επιγραφη της αιτιας αυτου επιγεγραμμενη ο βασιλευς των ιουδαιων
27 Ary nisy jiolahy roa nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana koa, ny anankiray teo amin’ ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin’ ny ankaviany.
και συν αυτω σταυρουσιν δυο ληστας ενα εκ δεξιων και ενα εξ ευωνυμων αυτου
και επληρωθη η γραφη η λεγουσα και μετα ανομων ελογισθη
29 Ary izay nandalo niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin’ ny hateloana,
και οι παραπορευομενοι εβλασφημουν αυτον κινουντες τας κεφαλας αυτων και λεγοντες ουα ο καταλυων τον ναον και εν τρισιν ημεραις οικοδομων
30 vonjeo ny tenanao, ka midìna hiala amin’ ny hazo fijaliana.
σωσον σεαυτον και καταβα απο του σταυρου
31 Ary toy izany koa no faneson’ ny lohan’ ny mpisorona, fa niresaka izy sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena.
ομοιως δε και οι αρχιερεις εμπαιζοντες προς αλληλους μετα των γραμματεων ελεγον αλλους εσωσεν εαυτον ου δυναται σωσαι
32 Aoka Kristy, Mpanjakan’ ny Isiraely, hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika. Ary ireo niaraka nohomboana taminy tamin’ ny hazo fijaliana dia naneso Azy koa.
ο χριστος ο βασιλευς του ισραηλ καταβατω νυν απο του σταυρου ινα ιδωμεν και πιστευσωμεν και οι συνεσταυρωμενοι αυτω ωνειδιζον αυτον
33 Ary nony tamin’ ny ora fahenina, dia tonga maizina ny tany rehetra, ka naharitra hatramin’ ny ora fahasivy izany.
γενομενης δε ωρας εκτης σκοτος εγενετο εφ ολην την γην εως ωρας εννατης
34 Ary tamin’ ny ora fahasivy Jesosy dia niantso tamin’ ny feo mahery ka nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany! izay hoe, raha adika: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no mahafoy Ahy Hianao?
και τη ωρα τη εννατη εβοησεν ο ιησους φωνη μεγαλη λεγων ελωι ελωι λαμμα σαβαχθανι ο εστιν μεθερμηνευομενον ο θεος μου ο θεος μου εις τι με εγκατελιπες
35 Ary ny sasany izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Indro, miantso an’ i Elia Izy.
και τινες των παρεστηκοτων ακουσαντες ελεγον ιδου ηλιαν φωνει
36 Ary ny anankiray nihazakazaka, dia nanatsoboka sipaonjy tamin’ ny vinaingitra, ka notohiziny tamin’ ny volotara, dia natohony hotsentsefin’ i Jesosy, fa hoy izy: Aoka ho hizahantsika, na ho avy hampidina Azy Elia, na tsia.
δραμων δε εις και γεμισας σπογγον οξους περιθεις τε καλαμω εποτιζεν αυτον λεγων αφετε ιδωμεν ει ερχεται ηλιας καθελειν αυτον
37 Ary Jesosy niantso tamin’ ny feo mahery, dia afaka ny ainy.
ο δε ιησους αφεις φωνην μεγαλην εξεπνευσεν
38 Ary ny efitra lamba tao amin’ ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany.
και το καταπετασμα του ναου εσχισθη εις δυο απο ανωθεν εως κατω
39 Ary ny kapiteny izay nijanona tandrifiny, raha nahita fa afaka toy izany ny ainy, dia nanao hoe: Marina tokoa fa Zanak’ Andriamanitra io Lehilahy io.
ιδων δε ο κεντυριων ο παρεστηκως εξ εναντιας αυτου οτι ουτως κραξας εξεπνευσεν ειπεν αληθως ο ανθρωπος ουτος υιος ην θεου
40 Ary nisy vehivavy koa nitsinjo teny lavidavitra eny, ary isan’ ireny Maria Magdalena sy Salome ary Maria, renin’ i Jakoba kely sy Josesy,
ησαν δε και γυναικες απο μακροθεν θεωρουσαι εν αις ην και μαρια η μαγδαληνη και μαρια η του ιακωβου του μικρου και ιωση μητηρ και σαλωμη
41 izay nanaraka Azy ka nanompo Azy, fony Izy tany Galilia, mbamin’ ny vehivavy maro koa izay niaraka taminy niakatra tany Jerosalema.
αι και οτε ην εν τη γαλιλαια ηκολουθουν αυτω και διηκονουν αυτω και αλλαι πολλαι αι συναναβασαι αυτω εις ιεροσολυμα
42 Ary nony hariva (satria andro fiomanana ny andro, dia ny andro alohan’ ny Sabata),
και ηδη οψιας γενομενης επει ην παρασκευη ο εστιν προσαββατον
43 dia avy Josefa avy any Arimatia, lehilahy manan-kaja, izay isan’ ny Synedriona sady niandry ny fanjakan’ Andriamanitra koa; ary sahy niditra tao amin’ i Pilato izy ka nangataka ny fatin’ i Jesosy.
ηλθεν ιωσηφ ο απο αριμαθαιας ευσχημων βουλευτης ος και αυτος ην προσδεχομενος την βασιλειαν του θεου τολμησας εισηλθεν προς πιλατον και ητησατο το σωμα του ιησου
44 Ary gaga Pilato raha maty sahady Jesosy, ka dia niantso ny kapiteny hankao aminy izy ka nanontaniany azy na efa maty ela Izy, na tsia.
ο δε πιλατος εθαυμασεν ει ηδη τεθνηκεν και προσκαλεσαμενος τον κεντυριωνα επηρωτησεν αυτον ει παλαι απεθανεν
45 Ary rehefa nahare tamin’ ny kapiteny izy, dia nomeny an’ i Josefa ny faty.
και γνους απο του κεντυριωνος εδωρησατο το σωμα τω ιωσηφ
46 Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin’ i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin’ ny fasana, izay nolavahana tamin’ ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin’ ny varavaran’ ny fasana izy.
και αγορασας σινδονα και καθελων αυτον ενειλησεν τη σινδονι και κατεθηκεν αυτον εν μνημειω ο ην λελατομημενον εκ πετρας και προσεκυλισεν λιθον επι την θυραν του μνημειου
47 Ary Maria Magdalena sy Maria, renin’ i Josesy, dia nijery izay nametrahany Azy.
η δε μαρια η μαγδαληνη και μαρια ιωση εθεωρουν που τιθεται

< Marka 15 >