< Marka 14 >
1 Rehefa indroa andro no sisa tsy hahatongavan’ ny Paska, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nitady hisambotra an’ i Jesosy tamin’ ny fitaka ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna mba hamonoany Azy.
Ai yatulaa mahiku abiili duu ze yakilaa i siku kuu a pasaka nulu nula mikate Ni shanga I ikiwe i igai. Akuhani niakulu ni amanyi ai atulaa akuduma nzila akumuamba uYesu ku uhugu nu kumubulaga.
2 Nefa hoy izy: Tsy amin’ ny andro firavoravoana, fandrao hampitabataba ny vahoaka.
Ku nsoko ai aligitya, “Shanga itungo lili nila siku kuu, antu aleke kuza kituma u minyomo.”
3 Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon’ i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin’ ny lohan’ i Jesosy ny menaka.
Matungo uYesu nai ukoli ku Bethania mi ito kung'wa Simioni munyambili, hangi nai wakatula utungile mu meza, musungu ung'wi ai uzile kitalakwe waze ukete i nsupa a manyunkiilo a nardo nziza ikete nsailo nkulu nangaluu, ai umibunangile i nsupa nu kumadubunsha migulya itwe nilakwe.
4 Ary nisy ny sasany tezitra ka nifampilaza hoe: Inona no anton’ izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao?
Kuiti ai akoli ang'wi ao nai atakile. Ai itambuie enso ku enso azeligitya, “Ingi ntuni insoko a ulimilyi uwu?
5 Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo.
Manyunkiilo aya aza azeeguligwa ku dinari magana ataatu ni ikilo, hangi apegwe i aula.” Ni enso ai amupatilye.
6 Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko.
Kuiti uYesu ai uligitilye, “Muleki wing'wene duu. Ku niki mukumunyoma? Witumile ikani iza kitalane.
7 Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao ianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.
Mahiku ihi i aula muakete, hangi itungo lihi ni mukuhung'wa i nsula muhumile kituma ni maza kitalao, kuiti shanga mukutula nu nene itungo lihi.
8 Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy.
Witumile iko nukihumile, u upuguhie u muili nuane i makuta ku nsoko a uikwi.
9 Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin’ izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.
Tai kuimuili, kila i kianza i nkani ninza niuku tanantigwa mu unkumbigulu wihi, iko nukitumile u musugu uyu kikutambulwa ku ukimbukiilyi nuakwe.
10 Ary Jodasy Iskariota, ilay isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, dia nankeo amin’ ny lohan’ ny mpisorona hamadika an’ i Jesosy aminy.
Uugwa uYuda Iskariote, ung'wi nua awo ikumi na abiili, ai ulongoe ku akulu a akuhani iti kina walije kuminkiilya kitalao.
11 Ary rehefa nandre izany izy ireo, dia faly ka nanaiky hanome vola azy. Ary Jodasy dia nitady izay andro hahazoany mamadika Azy.
Matungo i akulu a Akuhani nai igulye ili, ai iloile hangi akalaga kuminkiilya mpia. Ai wandilye kuduma ilyoma nila kuminkiilya kitalao.
12 Ary tamin’ ny voalohan’ ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?
Mu luhiku nula ng'wandyo nula mkate nishanga uikiwe i igai, itungo nai apumilye u ng'waa nkolo nua pasaka, amanyisigwa niakwe ai amutambuie, “Uloilwe kulongole pii kuzipiilye iti ulije kulya u ludya nula pasaka?”
13 Dia naniraka roa lahy tamin’ ny mpianany Izy ka nanao taminy hoe: Mankanesa any an-tanàna, ary hisy lehilahy mitondra siny feno rano hifanena aminareo; dia manaraha azy.
Ai ua lagiiye amanyisigwa akwe abiili nu kuatambuila, “Longoli mu kisali, nu mitunja naiza ukenkile i ntunda ukiona nu nyenye. Mutyati.
14 Ary lazao amin’ ny tompon’ ny trano izay hidirany hoe: Izao no lazain’ ny Mpampianatra: Aiza ny efi-trano hiarahako mihinana ny Paska amin’ ny mpianatro?
Ito nuikingila, mutyati hangi mutambuili u mukola ito nilanso, ' Ung'walimu uligitilye, Kikoli pii i shumba nika aziila kianza ni nikalila i pasaka ni amanyisigwa ane?”
15 Ary izy hanoro anareo efi-trano malalaka ambony rihana izay voaisy fipetrahana sady voavoatra tsara; any no amboary ho antsika.
Ukumulagiila i shumba nika migulya kikulu ni kikete i iseme niize kikoli kikondile. Itumi u uzipiilya ku nsoko itu pang'wanso.”
16 Ary ny mpianatra nandeha, dia tonga tany an-tanàna ka nahita araka izay nolazainy taminy; dia namboatra ny Paska izy.
Amanyisigwa ai ahegile akalongola mu kisali; ai ahangile kila ikintu anga nai watulaa uatambuie, hangi akazipiilya u ludya nula pasaka.
17 Ary nony hariva ny andro, dia tonga Izy sy ny roa ambin’ ny folo lahy.
Matungo nai yatula mpindi, ai upembilye ni awo ikumi na abili.
18 Ary raha nipetraka nihinana izy, dia hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny anankiray aminareo, dia izay iray miara-mihinana amiko, no hamadika Ahy.
Hangi nai akatula akumihumbeela i meza nu kulya, uYesu ai uligitilye, Tai kumutambuila, umg'wi kati anyu nukulya palung'wi nu nene ukungumaniilya.”
19 Dia nalahelo izy, ka samy nanontany Azy tsirairay hoe: Izaho va izany?
Ihi akasiga ikulu, hangi ung'wi ze yakilaa u muya ai amutambuie, “Kulu kuulu shanga u nene?”
20 Ary Izy nanao taminy hoe: Izay anankiray amin’ ny roa ambin’ ny folo lahy miara-manatsoboka amiko ao anatin’ ny lovia no izy.
uYesu ai usukiiye nu kuatambuila, “Ingi ung'wi nua ikumi na abiili kati anyu, ung'wi naiza itungili ukuliilya ipuli mi bakuli palung'wi nu nene.
21 Fa ny Zanak’ olona dia mandeha tokoa, araka ny nanoratana Azy, nefa lozan’ izay olona hahazoana ny Zanak’ olona hatolotra! Tsara ho an’ izany olona izany raha tsy ary akory.
Ku soko uNg'ana wang'wa Adamu ukulongola anga uu u ukilisigwa nu uligitilye migulya akwe. Kuiti ukia nuakwe u muntu uyo naiza kukiila nuanso u Ng'wana wang'wa Adamu ukugumaniilgwa! Aza izeetula iziza kunkilinkiila ku ng'wakwe anga ize u muntu nuanso ai uzeeleka kutugwa
22 Ary raha mbola nihinana izy, Jesosy nandray mofo; ka nony efa nisaotra, dia novakiny ka natolony azy ary nataony hoe: Raiso, ity no tenako.
Hangi nai atula akulya, uYesu ai uhoile u mukate, akaukendepa, nu ku uega. Akainkiilya wazeligitya, “Holi. Uwu ingi muili nuane.”
23 Dia nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy; ka dia nisotroan’ izy rehetra izany.
Ai uhoile i kikombe, akalumbiilya, hangi akainkiilya, hangi ihi akaking'wela.
24 Ary hoy Izy taminy: Ity no rako amin’ ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro.
Ai uatambuie, “Iyi ingi sakami ane na wigombya, sakami ni hunuka ku nsoko a idu.
25 Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandre-pihavin’ ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Tai kumutambuila, shanga kung'wa hangi mu nkali iyi na muzabibu kupikiila u luhiku ulo ni nikang'wa nu upya mu utemi nuang'wa Itunda.”
26 Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany an-tendrombohitra Oliva.
Nai akondya kimba u wimbo, ai alongoe kunzi mulugulu nula mizeituni.
27 Ary hoy Jesosy taminy: Ho tafintohina avokoa ianareo rehetra; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry.
uYesu ai uatambuie, “Unyenye mihi mukibagula kuli ku nsoko ane, ku nsoko ikilisigwe, 'Nikamukua u mudimi ni nkolo yukusapatila.'
28 Fa rehefa mitsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
“Kuiti ze yakila ku iuka kitalane, nikamutongeela ntongeela anyu ku Galilaya.”
29 Fa hoy Petera taminy: Na dia ho tafintohina avokoa aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina.
uPetro ai umutambuie, “Anga itye ihi ga akuuleka, unene shanga kuuleka.”
30 Ary hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio, dia amin’ ity alina ity, raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao.
uYesu ai umutambuie, “Tai nakutambuila, u utiku uwu, ze ikili i nsambaligugu ku kunkula nkua ibiili, wikatula wanihita nkua itaatu.”
31 Fa vao mainka niteny mafy dia mafy izy hoe: Na dia hiara-maty aminao aza aho, tsy mba handà Anao tokoa aho. Ary toy izany koa no nolazain’ izy rehetra.
Kuiti uPetro ai uligitilye, “Anga insinje ga nu kusha palung'wi nu ewe, shanga ku uhita.”Ihi ai apumilye ilago lilo liilo.
32 Ary tonga tany amin’ ny saha izay atao hoe Getsemane izy; dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Mipetraha eto ianareo mandra-pivavako.
Ai apembilye mu nkika nai itangwaa Gethsemane, nu Yesu ai uatambuie i amanyisigwa akwe, “Ikii papa itungo ni kikumbika.”
33 Ary nitondra an’ i Petera sy Jakoba sy Jaona Izy, dia talanjona sady ory indrindra.
Ai uahoile u Petro, Yakobo nu Yohana palung'wi nu ng'wenso, akandya kuhung'wa kinya uwai nu kaga nangaluu.
34 Ary hoy Izy taminy: Fadiranovana loatra ny fanahiko toy ny efa ho faty; mitoera eto, ka miareta tory.
Ai uatambuie ung'yenyi nuane ukete kinya uwai nangaluu, ga insha. Sagi papa nu kelya.”
35 Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka tamin’ ny tany ka nivavaka mba hialan’ izany ora izany aminy, raha azo atao.
uYesu ai ulongoe ntongeela iniino, akagwa pihi, akalompa, anga ize ihumikile, kina isaa iyi aza ize muhuga.
36 Ary hoy Izy: Aba, Raiko ô, ny zavatra rehetra hainao; esory amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.
Ai uligitilye, “Aba, Tata, Makani ihi kitalako ahumikile. Nihegelye i kikombe iki. Kuiti shanga ku ulowa nuane, ila ulowa nuako.”
37 Ary avy Izy ka nahita azy ireo matory, dia hoy Izy tamin’ i Petera: Ry Simona, matory va ianao? Tsy nahazaka niari-tory na dia ora iray ihany aza va ianao?
Ai ugomokile nu kua hanga alala, hangi aka mutambuila uPetro, “Simioni, itii walalane? Shanga wahuma kelya ga i saa ing'wi?
38 Miareta tory ianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.
Huguki hangi mulompe muleke kingila mu mageng'wa. Kulu kuulu i nkolo ikoli iziza, kuiti u muili ingi unementaalu.”
39 Dia lasa indray Izy ka nivavaka nanao ilay teny teo ihany.
Ai ulongoe hangi nu kulompa, hangi ai utumie makani yayo yaayo.
40 Ary nony niverina indray Izy, dia nahita azy matory, fa efa nilondolondo ny masony, ka tsy hitany izay havaliny Azy.
Ai upembilye hangi waka ahanga alala, kunsoko miho ao ai atulaa malito hangi shanga ai alingile ntuni nika kumutambuila.
41 Ary avy fanintelony Izy, dia nanao taminy hoe: Matoria ary ankehitriny, ka mialà sasatra ianareo. Aoka izay; efa tonga ny ora; indro, ny Zanak’ olona hatolotra ao an-tànan’ ny mpanota.
Ai uzile nkua aka taatu nu kuatambuila, Mukili mulae nu kusupyaa? Yakonda! isaa apikaa. Goza! uNg'wana wang'wa Adamu ukugumaniiligwa mu mikono a anya milandu.
42 Mitsangàna, andeha isika; indro fa efa akaiky ilay mamadika Ahy.
Uki, kwini. Goza, uyo nuendaa ngumaniilya ukoli pakupi.”
43 Ary niaraka tamin’ izay, raha mbola niteny Izy, dia avy Jodasy, isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy, sady nisy vahoaka niaraka taminy, nitondra sabatra sy langilangy, nirahin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona.
Itungo udu nai watula wakili ukuligitya, uYuda, ung'wi nua awo ni ikumi na abiili, ai upikile, ni idale ikulu kupuma kuakulu a akuhani, amanyi ni anyampala akete i mpanga ni idunkuli.
44 Ary ilay hamadika Azy efa nanome famantarana ireo ka nanao hoe: Izay horohako no Izy; sambory Izy ka ento, fa aza avela ho afaka.
Itungo nilanso u mugumaniilyi nuakwe ai watulaa uinkiiye kilingasiilyo, wazeligitya. Uyo ni nikamulungila, ng'wenso. Muambi nu kumutwala pihi a usunji.”
45 Ary rehefa tonga izy, dia nanatona an’ i Jesosy niaraka tamin’ izay ka nanao hoe: Raby ô! dia nanoroka Azy izy.
Itungo u Yuda nai upikile, kang'wi duu ai ulongoe kung'wa Yesu nu kuligitya, “Ng'walimu!” Hangi akamulungila.
46 Ary ny olona naninjitra ny tànany taminy ka nisambotra Azy.
Uugwa akamuika pihi a usunji nu kumuamba.
47 Ary ny anankiray tamin’ izay teo anilany nanatsoaka ny sabany, dia nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ka nahafaka ny sofiny.
Kuiti ung'wi kati ao nai wimikile pakupi nu ng'wenso ai uhopoe i mpanga akwe akamukua u munyamilimo wang'wa kuhani nu mukulu nu kumutema u kutwi.
48 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo?
uYesu ai uatambuie, “Mupembilye kumamba ku mapanga ni idunkuli anga muhegelanyi?
49 Teo aminareo isan’ andro Aho an-kianjan’ ny tempoly, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masìna izao.
Matungo kila luhiku ai nkoli nu nyenye hangi nizemanyisa mi itekeelo, shanga ai mumambile. Kuiti ili litumikile iti ukilisigwa ukondaniile.
50 Ary samy nandao Azy izy rehetra ka nandositra.
Hangi awo ihi nai akoli nu Yesu ai amulekile nu kumanka.
51 Ary nisy zatovo anankiray nanaraka Azy, ka lamba hariry madinika fotsiny ihany no nitafiany, ary nosamborin’ ny olona teo izy.
Muhumba ung'wi ai umutyatile, hangi ai watulaa utugae u mugolole udu ai watulaa wikumbile kitaligiilya; ai amuambile kuiti
52 Dia navelany teny aminy ny lambany hariry madinika, ka nandositra nitanjaka izy.
ai uatigie akauleka u mugolole papo akamanka kipwi.
53 Ary nitondra an’ i Jesosy ho any amin’ ny mpisoronabe izy; ary niangona teo aminy ny lohan’ ny mpisorona rehetra sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna.
Nai akamutongeela uYesu kung'wa kuhani nu mukulu. Pang'wanso ai ilundiie palung'wi nu ng'wenso i akuhani ni akulu ihi, anyampala, ni amanyi.
54 Ary Petera efa nanaraka Azy teny lavidavitra eny hatrany amin’ ny kianjan’ ny tranon’ ny mpisoronabe; ary niara-nipetraka teo amin’ ny mpiandry raharaha izy namindro teo anilan’ ny afo.
uPeto nu ng'wenso ai umutyatile uYesu ku kuli, kutunga mi itando nilang'wa kuhani nu mukulu. Ai wikie palung'wi ni asunja, nai atulaa pakupi nu moto akaze ota iti kulija upyu.
55 Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra nitady vavolombelona hiampanga an’ i Jesosy hamonoany Azy, nefa tsy nahita.
Matungo nanso akuhani niakulu ihi ni ianza lihi ai atulaa akuduma ukuiili kung'wa Yesu iti alije kumubulaga. Kuiti shanga ikaulija.
56 Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany.
Ku nsoko antu idu ai aletile ukuiili nua uteele ku ngwaakwe, kuiti ga nu ukuiili nuao shanga ukimpyana
57 Ary nitsangana ny sasany, dia niampanga lainga Azy nanao hoe:
Ang'wi ao ai imikile nu kuleta ukuiili nua uteele ku ng'waakwe; azeligitya,
58 Izahay efa nandre Azy nanao hoe: Izaho handrava ity tempoly nataon-tanana ity, ary amin’ ny hateloana dia hanangana hafa izay tsy nataon-tanana Aho.
“Aza kigulye ukuligitya, 'Nikalibipya itekeelo ili nai lizipigwe ku mikono, nu mukati a mahiku a taatu nikikalizenga ingiiza ni shanga lizipigwe ku mikono.”
59 Fa tsy nifanaraka ny filàzany na dia tamin’ izany aza.
Kuiti ga nu ukuiili nuao shanga ukimpyana.
60 Ary ny mpisoronabe nitsangana nankeo afovoany, dia nanontany an’ i Jesosy ka nanao hoe: Tsy mety mamaly akory va Hianao? Inona no iampangan’ ireto Anao?
Kuhani nu mukulu ai wimikile pakati ao nu kumukolya uYesu, “Itii umugila isosho? Antu awa akukuiila ntuni kitalako?”
61 Fa tsy niteny Jesosy sady tsy namaly akory. Dia nanontany Azy indray ny mpisoronabe ka nanao taminy hoe: Hianao va no Kristy, Zanaky ny Isaorana?
Kuiti ai wikie ihi twii hangi shanga ai usukiiye kihi. Itungo u kuhani nu mukulu ai umukoiye hangi, “Itii u ewe ingi wi Kristo, ng'wana wang'wa Mukendepwa?”
62 Ary hoy Jesosy: Izaho no Izy; ary ho hitanareo ny Zanak’ olona mipetraka eo ankavanan’ ny Hery sady avy eo amin’ ny rahon’ ny lanitra.
uYesu ai uligitilye, “Unene ng'wenso. Hangi wikumihenga uNg'wana wang'wa Adamu wikie mukono nua kigoha nua ngulu upembilye ni malunde a kilunde.”
63 Ary ny mpisoronabe nandriatra ny fitafiany ka nanao hoe: Ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray?
uKuhani nu mukulu ai utamue i ang'wenda akwe nu kuligitya, “Itii, kukili kuloilwe akuiili?
64 Efa renareo ny fitenenany ratsy; ahoana no hevitrareo? Dia nataon’ izy rehetra fa miendrika ho faty Izy.
Migulye i kimeli. Ulamuli nuanyu nu uli?” Hangi ihi ai amulamue anga ung'wi nai utakiwe insha.
65 Ary ny sasany nandrora Azy, dia nanarona ny tavany sady namely tahamaina Azy ka nanao hoe: Maminania; ary ny mpiandry raharaha namely tahamaina Azy koa.
Ang'wi akandya kumutyila i mati nu kumukunikila u usu nu kumukua nu kumutambuila, “Lota!” A ofisa ai amuhoile nu kumukua.
66 Ary raha nitoetra teo ambany teo an-kianja Petera, dia avy ny anankiray tamin’ ny ankizivavin’ ny mpisoronabe;
Hangi uPetro nai wakatula wakili ukoli pihi mitando, munyamulimo ung'wi nua kisungu nuang'wa kuhani nu mukulu akapembya kitalakwe.
67 ary nony nahita an’ i Petera namindro izy, dia nijery azy ka nanao hoe: Hianao koa nomba an’ i Jesosy avy any Nazareta.
Ai umihengile uPetro nai wimikile ukota u moto, hangi ai umugozile ku kumuhumbeela. Uugwa ai uligitilye, “Nu ewe ga aza ukoli nu Munazareti, uYesu.”
68 Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsy fantatro sy tsy azoko ny teninao. Dia niala ho eo am-bavahady izy, ary nisy akoho naneno.
Kuiti ai uhitile, wazeligitya, “Shanga ningile hangi shanga manyile kutula iko nukuligitya!” Uugwa ai upumile akalongola kunzi itando. (Komaniilya; U lukiili ulu, “Hangi i nsambaligugu ikakunkula” umutili mu mbugulu nia akali).
69 Ary ilay ankizivavy nahita azy indray, dia niteny tamin’ izay teo anilany hoe: Io lehilahy io mba naman’ ireny;
Kuiti munyamulimo nua kisungu pang'wanso, ai umihengile nu kandya kuatambuila hangi awo naza akoli imikile pang'wanso, “uMuntu uyu ingi ung'wi ao!”
70 fa izy nandà indray. Ary nony afaka kelikely, izay teo anilany koa dia nilaza tamin’ i Petera hoe: Naman’ ireo tokoa ianao; fa Galiliana ianao.
Kuiti ai uhitile hangi. Panyambele iniino awo nai atulaa imikile pang'wanso ai atulaa akumumbuila uPetro, “Kulu kuulu u ewe ingi wi ung'wi ao, ku ndogoelyo ga nu ewe ingi wi Mugalilaya.”
71 Dia niozona sy nianiana izy ka nanao hoe: Tsy fantatro izany Lehilahy lazainareo izany.
Kuiti ai wandilye ki ika u mukola pihi a kizumo nu kulapa, “Shanga numulingile u muntu uyu ni muku mutambula.”
72 Ary niaraka tamin’ izay dia nisy akoho naneno fanindroany. Ary Petera nahatsiaro ny teny izay nolazain’ i Jesosy taminy hoe: Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handà Ahy intelo ianao. Ary nony nieritreritra izany izy, dia nitomany.
Uugwa i nsambaligugu ikakunkula kabiili. Uugwa uPetro ai ukimbukiiye i makani naiza uYesu ai watulaa umutambuie; “Ze ikili i nsambaligugu ku kunkula nkua ibiili, ukunihita nkua itaatu.” Hangi ai ugwie pihi nu kulila.