< Marka 10 >
1 Ary niainga niala teo Jesosy, dia tonga tany amin’ ny sisin-tanin’ i Jodia sy tany an-dafin’ i Jordana; ary nisy vahoaka betsaka indray niangona teo aminy; koa araka ny fanaony dia nampianatra azy indray Izy.
Ježíš opustil Kafarnaum a prošel Zajordáním do Judska. I zde ho obklopilo množství lidí a on je začal učit jako obvykle.
2 Ary nisy Fariseo nanatona Ary, dia naka fanahy Azy ka nanontany hoe: Mahazo misao-bady va ny lehilahy?
Přišli však za ním farizejové a pokoušeli se ho nachytat: zeptali se ho, zda je dovolen rozvod.
3 Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Ahoana no nandidian’ i Mosesy anareo?
Místo odpovědi jim dal otázku: „Co řekl o rozvodu Mojžíš?“
4 Ary hoy izy: Navelan’ i Mosesy hanoratra taratasy fisaoram-bady ny lehilahy ka hisao-bady.
„K tomu, aby manželství bylo zrušeno, podle Mojžíše stačí, když muž napíše ženě rozlukový list.“
5 Fa hoy Jesosy taminy: Ny hamafin’ ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo;
„To byl jen Mojžíšův ústupek tvrdosti lidského srdce, “řekl na to Ježíš. „Bůh si to tak nikdy nepřál.
6 fa hatramin’ ny fony vao nanaovana izao tontolo izao dia lahy sy vavy no nanaovany ny olona.
Hned na počátku stvořil člověka jako nerozlučnou dvojici, muže a ženu.
7 Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny;
Proto muž opustí své rodiče a připojí se ke své manželce;
8 ary ho nofo iray izy roroa; ka dia tsy ho roa intsony izy, fa ho nofo iray ihany.
v tom spojení již nežijí jako dva jedinci, ale stávají se jednou bytostí.
9 Koa izay nakamban’ Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’ olona.
A proto člověk nemá právo rozdělit, co Bůh spojil.“
10 Ary nony mby tao an-trano, dia nanontany ny amin’ izany koa ny mpianatra.
Později se učedníci znovu k té otázce vrátili.
11 Ary hoy izy taminy: Na zovy na zovy no misao-bady ka mampakatra vehivavy hafa, dia mijangajanga ka manala-baraka ny vadiny.
Vyložil jim to: „Kdo se rozvede se svou ženou a ožení se s jinou, hřeší stejně, jako by měl ženy dvě.
12 Ary raha ravehivavy kosa no misaotra ny lahy ka manambady olon-kafa, dia mijangajanga izy.
A právě tak rozvede-li se žena se svým mužem a vdá se za jiného, dopouští se cizoložství.“
13 Ary nisy nitondra zazakely ho eo aminy mba hametrahany tanana; fa ny mpianany niteny mafy ireny.
Lidé nosili k Ježíšovi děti, aby jim žehnal. Učedníci jim domlouvali, aby ho neobtěžovali.
14 Nefa tezitra Jesosy, raha nahita izany, ka hoy Izy taminy: Avelao ny zaza hanatona Ahy, ary aza raràna; fa an’ ny toa azy ny fanjakan’ Andriamanitra.
Když to Ježíš slyšel, zlobil se: „Neodhánějte ty děti a nebraňte jim, když chtějí ke mně. I jim přece patří Boží království.
15 Lazaiko aminareo marina tokoa: Na zovy na zovy no tsy handray ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ny zaza, dia tsy ho tafiditra aminy akory.
A říkám vám, že kdo nepřijde k Bohu s dětskou prostotou, nestane se občanem toho království.“
16 Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tanana taminy ka nitso-drano azy.
Bral děti do náruče, hladil je a žehnal jim.
17 Ary nony vao nivoaka nankeny an-dalana Jesosy, dia nisy olona anankiray nihazakazaka nanatona ka nandohalika teo anatrehany ary nanontany Azy hoe: Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay? (aiōnios )
Když se zase vydali na cestu, dohonil je nějaký muž a padl před Ježíšem na kolena: „Dobrý učiteli, co mám dělat, abych získal věčný život?“ (aiōnios )
18 Ary hoy Jesosy taminy: Nahoana Aho no ataonao hoe tsara? Tsy misy tsara afa-tsy Iray ihany, dia Andriamanitra.
„Proč mi říkáš dobrý? Vždyť dobrý je jen Bůh, “odvětil Ježíš.
19 Fantatrao ny didy hoe: Aza mamono olona, Aza mijangajanga, Aza mangalatra, Aza mety ho vavolombelona mandainga, Aza manambaka, Manajà ny rainao sy ny reninao.
„A k tvé otázce – přikázání přece znáš: nebudeš zabíjet, cizoložit, krást, lhát, podvádět, budeš si vážit svých rodičů.“
20 Ary hoy izy taminy Mpampianatra ô, izany rehetra izany efa notandremako hatry ny fony aho mbola kely.
„Mistře, všechno jsem dodržoval od mládí.“
21 Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
Ježíš ho objal pohledem: „A přece ti něco schází. Jdi a prodej všechno, co máš, peníze rozdej chudým a získáš tak poklad v nebi. Potom se vrať a staň se mým následovníkem.“
22 Dia nanjombona terỳ ny tarehiny tamin’ izany teny izany, ka niala tamin’ alahelo izy, satria nanana harena be.
Když to ten člověk vyslechl, zesmutněl a odešel s těžkým srdcem. Byl totiž velmi bohatý.
23 Ary Jesosy nijery manodidina ka nanao tamin’ ny mpianany hoe: Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
Ježíš ho mlčky sledoval očima a pak se otočil k učedníkům: „Jak těžké je pro boháče vejít do Božího království!“
24 Ary ny mpianatra dia gaga tamin’ ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny matoky ny harena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
To je zarazilo. Není snad majetek důkazem Boží přízně? „Přátelé, do Božího království se těžko dostanou ti, pro které jsou peníze a majetek smyslem života.
25 Moramora kokoa ny hidiran’ ny rameva amin’ ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ ny manan-karena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Snáze projde velbloud tou uzoučkou brankou, které říkáte jehelné ucho, než bohatý vejde do Božího království.“
26 Dia talanjona indrindra izy ka nanao taminy hoe: Iza indray no azo hovonjena?
To jim dodalo. „Má vůbec někdo naději, že se tam dostane?“říkali si mezi sebou.
27 Fa Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Raha amin’ ny olona, dia zavatra tsy hainy izany; fa tsy mba tahaka izany amin’ Andriamanitra; fa ny zavatra rehetra dia hain’ Andriamanitra.
Podíval se na ně. „Člověk na to nestačí, ale Bůh je všemocný.“
28 Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao.
Tu promluvil Petr: „Ale my jsme se všeho vzdali a šli za tebou.“
29 Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara,
„Ujišťuji vás, “odpověděl Ježíš, „že každému, kdo se z lásky ke mně a pro šíření evangelia něčeho vzdá – ať už domova, života se sourozenci, rodiči, manželkou a dětmi, nebo majetku,
30 ka tsy handray zato heny amin’ izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin’ ny fanenjehana-ary amin’ ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. (aiōn , aiōnios )
se to vrátí stonásobně už zde na zemi (i když neujde pronásledování) a v budoucnosti ho čeká věčný život. (aiōn , aiōnios )
31 Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.
Mnozí, kteří u lidí něco znamenají, budou poslední, a těm nejpohrdanějším se tam dostane čestných míst.“
32 Ary Jesosy sy ny mpianany dia teny an-dalana niakatra ho any Jerosalema, ary Jesosy nandeha eo alohany; dia gaga ny mpianany, ary izay nanaraka Azy dia natahotra. Ary naka ny roa ambin’ ny folo lahy indray Izy, dia nilaza taminy izay efa hanjo Azy
Když potom byli na cestě do Jeruzaléma, Ježíš šel vpředu a ostatní se drželi za ním. Co jim Ježíš řekl, to je znepokojilo a naplnilo obavami. Zavolal k sobě svých dvanáct učedníků a znovu je připravoval na to, co ho čeká:
33 ka nanao hoe: Indro, miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’ olona hatolotra ho amin’ ireo lohan’ ny mpisorona sy mpanora-dalàna; ary hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ ny jentilisa;
„Musíme do Jeruzaléma a tam Syn člověka padne do rukou velekněží a učitelů zákona a ti ho odsoudí a vydají pohanům.
34 ary hanao Azy ho fihomehezana ireny sy handrora Azy sy hikapoka Azy ary hahafaty Azy; fa rehefa afaka hateloana, dia hitsangana indray Izy.
Budou se mu veřejně vysmívat, plivat na něj, zbičují a zabijí ho. Ale třetí den vstane z mrtvých.“
35 Ary Jakoba sy Jaona, zanak’ i Zebedio, nanatona an’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay angatahinay aminao.
Přihlásili se Zebedeovi synové Jakub a Jan: „Mistře, chtěli bychom tě o něco poprosit.“
36 Ary hoy Izy taminy: Inona moa no tianareo hataoko aminareo?
„Co si ode mne přejete?“vzhlédl Ježíš.
37 Dia hoy izy mirahalahy taminy: Mba ekeo ny hipetrahanay, ny anankiray ho eo amin’ ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ ny an-kavianao, any amin’ ny voninahitrao.
„Až usedneš na trůn, chtěli bychom ti sedět nejblíže se všech, každý z jedné strany vedle tebe.“
38 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin’ ny kapoaka izay sotroiko, na ny hatao batisa amin’ ny batisa izay anaovana Ahy batisa?
„Nevíte, oč prosíte. Můžete pít z kalicha hořkosti, ze kterého musím pít já, a projít křtem utrpení, který mě čeká?“
39 Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany;
„Ale jistě, “přisvědčili. „Dobře, budete pít z mého kalicha a budete pokřtěni stejným křtem.
40 fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana na eo an-tanako ankavia kosa, dia tsy Ahy ny hanome izany, fa izay nanamboarana izany no homena.
Ale není mou věcí určovat vám pořadí v Božím království. To už je stanoveno.“
41 Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon’ i Jakoba sy Jaona izy.
Ostatních deset se zlobilo na Jakuba a Jana.
42 Fa Jesosy niantso azy hanatona Azy ka nanao taminy hoe: Fantatrareo fa izay eken’ ny jentilisa ho mpanapaka dia mampanompo azy, ary ny lehibeny dia mifehy azy.
Ale Ježíš je svolal dohromady a řekl jim: „Víte, že vládcové mají moc nad národy, a kdo vládne, obvykle druhé utlačuje.
43 Fa tsy mba toy izany aminareo; fa na iza na iza no te-ho lehibe eo aminareo, dia ho mpanompo anareo izy.
Ale mezi vámi to tak být nemá. Naopak, kdo z vás chce být velký, ať všem pokorně slouží.
44 Ary na iza na iza no te-ho ambony eo aminareo, dia ho mpanompon’ izy rehetra.
A kdo z vás chce být na předním místě, ať je pomocníkem všech.
45 Fa ny Zanak’ olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.
Vždyť já – Syn člověka – jsem nepřišel na svět proto, aby mi ostatní sloužili, ale abych já sloužil jim a abych položil život pro záchranu mnoha lidí.“
46 Ary tonga tao Jeriko izy; ary raha vao niala tao Jeriko Jesosy mbamin’ ny mpianany sy ny vahoaka betsaka, dia nipetraka teo amoron-dalana Bartimeo jamba mpangataka, zanak’ i Timeo.
Procházeli také Jerichem, kde se k nim přidal velký zástup. U cesty seděl slepý žebrák Bartimeus – Timeův syn.
47 Ary nony reny fa, injay! Jesosy avy any Nazareta, dia niantso izy ka nanao hoe: Ry Jesosy, Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko!
Když uslyšel, že to jde Ježíš Nazaretský, křičel: „Ježíši z rodu krále Davida, slituj se nade mnou!“
48 Ary maro no niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Ry Zanak’ i Davida ô, mamindrà fo amiko.
Lidé mu domlouvali, aby mlčel. Ale on volal tím hlasitěji: „Synu Davidův, slituj se nade mnou!“
49 Ary Jesosy nijanona, dia nanao hoe: Antsoy ilay jamba. Ary ny olona niantso azy ka nanao taminy hoe: Matokia, mitsangàna, miantso anao Izy.
Ježíš ho uslyšel, zastavil se a přikázal, aby slepce zavolali. Vrátili se tedy k Bartimeovi se vzkazem: „Máš štěstí, Ježíš tě volá – vstaň!“
50 Dia nanary ny lambany izy ka niantsambotra nankeo amin’ i Jesosy.
Slepec odhodil svůj starý kabát, vyskočil a klopýtal k Ježíšovi.
51 Ary Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko.
„Co pro tebe mohu udělat?“dotkl se ho Ježíš. „Mistře, chci vidět!“
52 Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin’ izay ny masony, ka nanaraka an’ i Jesosy teny an-dalana izy.
„Staň se, tvá víra tě zachránila.“V té chvíli se slepci vrátil zrak a on se vydal také za Ježíšem.