< Malakia 4 >
1 Fa, indro, avy ny andro, mandoro toy na fatana fandoroana izy; ary ny mpirehareha rehetra sy ny mpanao ratsy rehetra dia ho vodivary; ka dia handoro azy ny andro izay ho avy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ka tsy hasiany miangana, na ny fakany na ny sampany.
“Tabbatacce rana tana zuwa; za tă yi ƙuna kamar wutar maƙera. Dukan masu girman kai da kowane mai aikata mugunta zai zama ciyawa, wannan rana mai zuwa za tă ƙone su. Babu saiwa ko reshen da za a bar musu,” in ji Ubangiji Maɗaukaki.
2 Ary hiposaka aminareo, izay matahotra ny anarako, ny Masoandron’ ny fahamarinana, manana fanasitranana ao amin’ ny tanany; ary hivoaka ianareo ka hifalihavanja toy ny zanak’ omby mifahy;
Amma ku da kuke girmama sunana, ranar adalci za tă fito tare da warkarwa a fikafikanta. Za ku kuwa fita kuna tsalle kamar’yan maruƙan da aka sake daga garke.
3 ary hohitsahinareo ny ratsy fanahy; fa ho lavenona eo ambanin’ ny faladianareo izay amin’ ny andro izay hotendreko, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Sa’an nan za ku tattake mugaye; za su zama toka a ƙarƙashin tafin ƙafafunku a ranar da zan aikata waɗannan abubuwa, in ji Ubangiji Maɗaukaki.
4 Tsarovinareo ny lelan’ i Mosesy mpanompoko, izay nandidiako azy tao Horeba ny amin’ ny Isiraely rehetra, dia ny didy sy ny fitsipika.
“Ku tuna da dokar bawana Musa, ƙa’idodi da dokokin da na ba shi a Horeb domin dukan Isra’ila.
5 Indro, Izaho haniraka an’ i Elia mpaminany ho aminareo, dieny tsy mbola tonga ny andron’ i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra;
“Ga shi, zan aika muku da annabi Iliya kafin babbar ranan nan mai banrazana ta Ubangiji tă zo.
6 ary izay hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ ny rainy, fandrao ho avy Aho hamely ny tany amin’ ny fandringanana.
Zai juye zukatan iyaye ga’ya’yansu, zukatan’ya’ya kuma ga iyayensu; in ba haka ba zan bugi ƙasar da hallaka gaba ɗaya.”