< Malakia 2 >
1 Ary ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy izao:
And now, this commandment is for you, O ye priests.
2 Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo.
If ye will not hearken, and if ye will not lay it to heart, to give glory unto My name, saith the LORD of hosts, then will I send the curse upon you, and I will curse your blessings; yea, I curse them, because ye do not lay it to heart.
3 Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin’ ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo.
Behold, I will rebuke the seed for your hurt, and will spread dung upon your faces, even the dung of your sacrifices; and ye shall be taken away unto it.
4 Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan’ ny fanekeko amin’ i Levy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Know then that I have sent this commandment unto you, that My covenant might be with Levi, saith the LORD of hosts.
5 Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan’ ny anarako izy.
My covenant was with him of life and peace, and I gave them to him, and of fear, and he feared Me, and was afraid of My name.
6 Ny lalàn’ ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin’ ny molony; tamin’ ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin’ ny heloka.
The law of truth was in his mouth, and unrighteousness was not found in his lips; he walked with Me in peace and uprightness, and did turn many away from iniquity.
7 Fa ny molotry ny mpisorona tokony hitahiry fahalalana, ary ny lalàna hotadiavina eo am-bavany, satria irak’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, izy.
For the priest's lips should keep knowledge, and they should seek the law at his mouth; for he is the messenger of the LORD of hosts.
8 Fa ianareo kosa dia efa nivily lalana sady nampahatafintohina olona maro ny amin’ ny lalàna ary namadika ny fanekena amin’ i Levy, hoy Jehovah; Tompon’ ny maro.
But ye are turned aside out of the way; ye have caused many to stumble in the law; ye have corrupted the covenant of Levi, saith the LORD of hosts.
9 Ary Izaho kosa dia efa nanolotra anareo ho fanazimbazimba sy ho fanao tsinontsinona eo anatrehan’ ny vahoaka rehetra, noho ny tsy nitandremanareo ny lalako sy ny nizahanareo tavan’ olona ny amin’ ny lalàna.
Therefore have I also made you contemptible and base before all the people, according as ye have not kept My ways, but have had respect of persons in the law.
10 Tsy mpiombon-dray va isika rehetra? Tsy Andriamanitra iray ihany va no nahary antsika? Koa nahoana no samy mivadika amin’ ny rahalahintsika avy isika ka mamadika ny fanekena tamin’ ny razantsika?
Have we not all one father? Hath not one God created us? Why do we deal treacherously every man against his brother, profaning the covenant of our fathers?
11 Ny Joda efa namitaka, ary misy fahavetavetana atao ao amin’ ny Isiraely sy ao Jerosalema; fa ny Joda efa nandoto ny fitoera-masin’ i Jehovah, izay tiany, sady efa nanambady ny zanaka-vavin’ ny andriamani-kafa.
Judah hath dealt treacherously, and an abomination is committed in Israel and in Jerusalem; for Judah hath profaned the holiness of the LORD which He loveth, and hath married the daughter of a strange god.
12 Enga anie ka hofongoran’ i Jehovah hiala amin’ ny lain’ i Jakoba ny lehilahy izay manao izany, na iza na iza, sy izay manatitra fanatitra ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro.
May the LORD cut off to the man that doeth this, him that calleth and him that answereth out of the tents of Jacob, and him that offereth an offering unto the LORD of hosts.
13 Ary faharoan’ izany, dia izao koa no ataonareo: Saronanareo ranomaso sy fitomaniana ary fisentoana ny alitaran’ i Jehovah, ka tsy mba jereny intsony ny fanatitra, ary tsy handray fankasitrahana avy amin’ ny tananareo Izy.
And this further ye do: ye cover the altar of the LORD with tears, with weeping, and with sighing, insomuch that He regardeth not the offering any more, neither receiveth it with good will at your hand.
14 Nefa hoy ianareo: Nahoana? Satria Jehovah no vavolombelona ny aminao sy ny vadin’ ny fahatanoranao izay nofitahinao, na dia namanao sady vady efa vita fanekena taminao aza izy.
Yet ye say: 'Wherefore?' Because the LORD hath been witness between thee and the wife of thy youth, against whom thou hast dealt treacherously, though she is thy companion, and the wife of thy covenant.
15 Moa tsy nisy anankiray nanao izany va, nefa mbola nanam-panahy ihany? Fa inona andrefa no notadiavin’ ilay anankiray? Taranaka araka an’ Andriamanitra. Koa dia tandremo ny fanahinareo, ary aoka tsy hisy hamitaka ny vadin’ ny fahatanorany.
And not one hath done so who had exuberance of spirit! For what seeketh the one? a seed given of God. Therefore take heed to your spirit, and let none deal treacherously against the wife of his youth.
16 Fa halako ny fisaoram-bady, hoy Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy ny fanosenana fampahoriana amin’ ny fitafiany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; koa tandremo ny fanahinareo, ary aza mamitaka ianareo.
For I hate putting away, saith the LORD, the God of Israel, and him that covereth his garment with violence, saith the LORD of hosts; therefore take heed to your spirit, that ye deal not treacherously.
17 Efa manasatra an’ i Jehovah amin’ ny teninareo ianareo. Nefa hoy ianareo: Amin’ inona moa no anasaranay Azy? Amin’ ny fanaovanareo hoe: Izay rehetra manao ratsy dia tsara eo imason’ i Jehovah ka ankasitrahany, na amin’ ny hoe: Aiza Andriamanitry ny fitsarana?
Ye have wearied the LORD with your words. Yet ye say: 'Wherein have we wearied Him?' In that ye say: 'Every one that doeth evil is good in the sight of the LORD, and He delighteth in them; or where is the God of justice?'