< Malakia 1 >
1 Teny faminaniana avy tamin’ i Jehovah nampitondrainy an’ i Malakia ho amin’ ny Isiraely.
Uthenga: Mawu a Yehova kwa Israeli kudzera mwa Malaki.
2 Efa tia anareo Aho, hoy Jehovah; nefa hoy ianareo: Inona no nentinao nitia anay? Tsy rahalahin’ i Jakoba va Esao? hoy Jehovah; nefa Jakoba no tiako,
Yehova akuti, “Ine ndakukondani. Koma inu mukufunsa kuti, ‘Kodi mwatikonda motani?’” Yehova akuti, “Kodi Esau sanali mʼbale wake wa Yakobo? Komatu Ine ndinakonda Yakobo,
3 fa Esao no halako, ka nataoko tany lao ny tendrombohiny, ary ny lovany natolotro ho an’ ny amboadia any an-efitra.
koma ndinamuda Esau, ndipo dziko lake lamapiri ndalisandutsa chipululu ndipo cholowa chake ndasiyira ankhandwe a mʼchipululu.”
4 Na dia hoy aza Edoma: Torotoro izahay, nefa mbola hamboarinay indray ny efa rava dia izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ireo dia hanamboatra, fa Izaho kosa handrava; ary dia hatao hoe tanin’ ny faharatsiana, dia firenena tezeran’ i Jehovah mandrakizay, ireo.
Mwina Edomu nʼkunena kuti, “Ngakhale taphwanyidwa, tidzamanganso mʼmabwinja.” Koma Yehova Wamphamvuzonse akuti, “Iwo angathe kumanganso, koma Ine ndidzazigwetsanso. Iwo adzatchedwa dziko loyipa, la anthu amene Yehova wayipidwa nawo mpaka muyaya.
5 Ary ny masonareo no hahita, ka dia hiteny ianareo hanao hoe: Jehovah dia lehibe any an-koatry ny tanin’ ny Isiraely.
Inu mudzaziona zimenezi ndi maso anu ndipo mudzati, ‘Yehova ndi Wamkulu, ukulu wake umafika ngakhale kunja kwa malire a Israeli!’
6 Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako, nefa manao hoe: Amin’ inona no anamavoanay ny anaranao?
“Mwana amalemekeza abambo ake, ndipo wantchito amaopa abwana ake. Ngati Ine ndine abambo anu, ulemu wanga uli kuti? Ngati ndine mbuye wanu, nanga kundiopa kuli kuti?” Akutero Yehova Wamphamvuzonse. “Ndinu, inu ansembe, amene mumanyoza dzina langa. “Komatu mukufunsa kuti, ‘Kodi timanyoza dzina lanu bwanji?’
7 Amin’ ny fitondrana hanina voaloto ho eo amin’ ny alitarako. Nefa ianareo manao hoe: Amin’ inona no andotoanay Anao? Amin’ ny fanaovanareo hoe: Ny latabatr’ i Jehovah dia fanazimbazimba.
“Inu mwanyoza dzina langa popereka chakudya chodetsedwa pa guwa langa lansembe. “Komatu mukufunsa kuti, ‘Kodi ife takunyozani bwanji?’ “Mwandinyoza ponena kuti tebulo la Yehova ndi lonyozeka.
8 Ary raha jamba no entinareo hovonoina hatao fanatitra, tsy ratsy hoe izany! Ary raha mandringa sy marary no entinareo, tsy ratsy hoe izany! Atero ho an’ ny governora manapaka anao ange izany, moa hahazo sitraka na fitia aminy va ianao? hoy Jehovah Tompon’ ny maro.
Mukamapereka nsembe nyama zosaona, kodi sicholakwa? Mukamapereka nsembe nyama zachilema kapena zodwala, kodi sicholakwa? Kayeseni kuzipereka kwa bwanamkubwa wanu! Kodi akasangalatsidwa nanu? Kodi akazilandira? Akutero Yehova Wamphamvuzonse.
9 Koa masìna ianareo, andeha mifona amin’ Andriamanitra hamindrany fo amintsika fa ny tananareo no nahatonga izany, moa hankasitraka va Izy noho ny aminareo? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
“Tsopano tayesani kupempha Mulungu kuti akuchitireni chifundo. Kodi ndi zopereka zotere mʼmanja mwanu, Iye angakulandireni?” Akutero Yehova Wamphamvuzonse.
10 Enga anie ka hisy aminareo handrindrina ny varavarana ka tsy handrehitra afo foana eo ambonin’ ny alitarako! Tsy hankasitraka anareo Aho, na ta-handray fanatitra amin’ ny tananareo, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
“Ndikulakalaka mmodzi wa inu akanatseka zitseko za Nyumba ya Mulungu, kuti musayatsemo moto pachabe pa guwa langa lansembe! Ine sindikukondwera nanu,” akutero Yehova Wamphamvuzonse, “ndipo Ine sindidzalandira zopereka za mʼmanja mwanu.
11 Fa hatramin’ ny fiposahan’ ny masoandro ka hatramin’ ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ ny jentilisa, ary any amin’ ny tany rehetra no handoroana ditin-kazo manitra sy hanaterana fanatitra madio ho an’ ny anarako; fa lehibe any amin’ ny jentilisa ny anarako, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Dzina langa lidzalemekezedwa pakati pa mitundu ya anthu, kuchokera kummawa mpaka kumadzulo. Mʼmalo monse adzapereka nsembe zofukiza ndi zopereka zangwiro mʼdzina langa, chifukwa dzina langa lidzakhala lalikulu pakati pa mitundu ya anthu,” akutero Yehova Wamphamvuzonse.
12 Fa ianareo kosa manamavo izany amin’ ny fanaovanareo hoe: Voaloto ny latabatr’ i Jehovah, ary ny haniny aterina eo dia tsinontsinona.
“Koma inu mumalinyoza ponena kuti tebulo la Ambuye, ‘ndi lodetsedwa,’ ndipo chakudya chake, ‘nʼchonyozeka!’
13 Hoy koa ianareo: Tsy mba hasasarana lahy! ary ikifonanareo izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro; entinareo ny nalaina an-keriny sy ny mandringa sy ny marary, ka dia aterinareo ho fanatitra; moa ta-handray izany amin’ ny tenanareo va Aho? hoy Jehovah.
Ndipo inu mumati, ‘Ndi zotopetsa zimenezi!’ Ndipo mumandinyogodola Ine,” akutero Yehova Wamphamvuzonse. “Pamene inu mubweretsa nyama zakuba, zolumala kapena zodwala ndi kupereka nsembe, kodi Ine ndizilandire kuchokera mʼmanja mwanu?” Akutero Yehova.
14 Fa voaozona ny mpamitaka, izay manana ondrilahy ao amin’ ny ondriny, ary mivoady, nefa mamono zavatra misy kilema hatao fanatitra ho an’ ny Tompo. Fa Mpanjaka lehibe Aho, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, ary ny anarako dia mahatahotra any amin’ ny jentilisa.
“Atembereredwe munthu wachinyengo amene ali ndi nyama yayimuna yabwino mʼgulu la ziweto zake ndipo analumbira kuyipereka, koma mʼmalo mwake nʼkupereka nsembe kwa Ambuye nyama yosayenera. Yehova Wamphamvuzonse akuti, ‘Pakuti ndine mfumu yayikulu, dzina langa liyenera kuopedwa pakati pa anthu a mitundu yonse.’”