< Lioka 1 >
1 Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantara ny amin’ ny zavatra izay efa tanteraka tamintsika tokoa,
2 araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin’ ny voalohany:
3 dia sitrako koa, rehefa nofotorako tsara ny zavatra rehetra hatramin’ ny niandohany, ny hanoratra izany aminao araka ny filaharany, ry Teofilo tsara indrindra,
4 mba hahafantaranao tsara fa mafy orina ny teny izay nampianarina anao.
5 Tamin’ ny andron’ i Heroda, mpanjakan’ i Jodia, nisy mpisorona anankiray atao hoe Zakaria, isan’ ny antokon’ i Abia; ary ny vadiny dia avy tamin’ ny taranak’ i Arona, Elizabeta no anarany.
6 Ary samy marina teo anatrehan’ Andriamanitra izy mivady sady nitondra tena tsy nanan-tsiny araka ny didy sy ny fitsipika rehetra nomen’ ny Tompo.
7 Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.
8 Ary nony nanao raharaham-pisoronana teo anatrehan’ Andriamanitra Zakaria araka ny fifandimbiasan’ ny antokony,
9 araka ny fanao amin’ ny fisoronana, dia anjarany araka ny filokana ny hiditra ao amin’ ny tempolin’ ny Tompo ka handoro ditin-kazo manitra.
10 Ary ny vahoaka rehetra nitoetra teo ivelany nivavaka tamin’ ny ora fandoroana ny ditin-kazo manitra.
11 Ary nisy anjelin’ ny Tompo niseho taminy teo ankavanan’ ny alitara fandoroana ny ditin-kazo manitra.
12 Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.
13 Fa hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.
14 Ary ho faly sy ho ravoravo ianao; ary maro no hifaly amin’ ny hahaterahany.
15 Fa ho lehibe eo anatrehan’ ny Tompo izy ary tsy hisotro divay na toaka sady hofenoina ny Fanahy Masìna hatrany an-kibon-dreniny aza.
16 Ary maro amin’ ny Zanak’ isiraely no hampodiny amin’ i Jehovah Andriamaniny.
17 Ary izy handeha eo alohany amin’ ny fanahy sy ny herin’ i Elia mba hampody ny fon’ ny ray ho amin’ ny zanaka, ary ny tsy manoa ho amin’ ny fahendren’ ny marina, hamboatra firenena voaomana ho an’ ny Tempo.
18 Ary hoy Zakaria tamin’ ilay anjely: Inona no hahafantarako izany? fa izaho efa antitra, ary efa antitra koa ny vadiko.
19 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Izaho no Gabriela, izay mitsangana eo anatrehan’ Andriamanitra; ary nirahina hiteny aminao aho ka hilaza aminao izany teny mahafaly izany.
20 Koa, indro, ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan’ ny andro hisehoan’ izany zavatra izany, ho valin’ ny tsy ninoanao ny teniko, izay ho tanteraka amin’ ny fotoany.
21 Ary ny olona dia niandry an’ i Zakaria ka gaga noho izy naharitra ela tao amin’ ny tempoly.
22 Kanjo rehefa nivoaka izy, dia tsy nahay niteny taminy; ary dia fantatry ny olona fa efa nahita fahitana tao amin’ ny tempoly izy; ary izy nanao baikon’ ny moana taminy, ary dia mbola moana ihany.
23 Ary rehefa tapitra ny andro nanaovany fanompoam-pivavahana, dia lasa nody tany an-tranony izy.
24 Ary taorian’ izany andro izany dia nitoe-jaza Elizabeta vadiny, dia niery dimy volana izy ka nanao hoe:
25 Izao no nataon’ ny Tompo tamiko tamin’ ny andro izay nitsinjovany hahafa-tondromaso ahy amin’ ny olona.
26 Ary tamin’ ny fahenim-bolana dia nirahin’ Andriamanitra ny anjely Gabriela ho any an-tanàna anankiray any Galilia atao hoe Nazareta,
27 ho any amin’ ny virijina anankiray, izay voafofo ho vadin’ ny lehilahy atao hoe Josefa, avy tamin’ ny taranak’ i Davida; ary ny anaran’ ny virijina dia Maria.
28 Ary nony niditra tao aminy ilay anjely, dia nanao hoe: Arahaba, ry ilay nohasoavina, ny Tompo momba anao.
29 Ary taitra loatra izy noho ny teniny ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’ izany fiarahabana izany.
30 Ary hoy ilay anjely taminy: Aza matahotra, ry Maria, fa efa nahita fitia tamin’ Andriamanitra ianao.
31 Ary, indro, hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.
32 Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; ary Jehovah Andriamanitra hanome Azy ny seza fiandrianan’ i Davida rainy;
33 ary hanjaka amin’ ny taranak’ i Jakoba mandrakizay Izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana. (aiōn )
34 Ary hoy Maria tamin’ ilay anjely: Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy mahalala lahy aho?
35 Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masìna ho tonga ao aminao, ary hisy herin’ ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masìna Izay hateraka dia hatao hoe Zanak’ Andriamanitra.
36 Ary, indro, Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa mandray enina izy izao, izay natao hoe momba.
37 Fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’ Andriamanitra.
38 Dia hoy Maria: Inty ny ankizivavin’ ny Tompo; aoka anie ho tonga amiko araka ny teninao. Dia nandao azy ilay anjely.
39 Ary Maria niainga tamin’ izany andro izany ka nandeha faingana ho any amin’ ny tany havoana, ho ao an-tanàna anankiray any Joda;
40 ary niditra tao an-tranon’ i Zakaria izy ka niarahaba an’ i Elizabeta.
41 Ary rehefa ren’ i Elizabeta ny fiarahaban’ i Maria, dia nibitaka ny zaza tao an-kibony; ary nofenoina ny Fanahy Masìna Elizabeta,
42 dia niantso tamin’ ny feo mahery hoe izy: Voatahy samy vehivavy ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao.
43 Avy aiza no ahatongavan’ izao amiko, no mba vangian’ ny renin’ ny Tompoko aho?
44 Fa, indro, raha vao ren’ ny sofiko ny feon’ ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana ny zaza ao an-kiboko.
45 Ary sambatra ianao izay nino; fa hefaina izay zavatra nampilazain’ ny Tompo taminao.
46 Ary hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo,
47 Ary ny fanahiko efa ravoravo tamin’ Andriamanitra, Mpamonjy ahy;
48 Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin’ ny ankehitriny dia hataon’ ny taranaka rehetra ho sambatra aho.
49 Fa ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko; Ary masìna ny anarany.
50 Ary ny famindram-pony dia amin’ izay matahotra Azy hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
51 Nanao asa lehibe tamin’ ny sandriny Izy; Nampihahaka ny mpiavonavona tamin’ ny fiheveran’ ny fony Izy.
52 Nampiala ny lehibe tamin’ ny seza fiandrianany Izy, Ary nanandratra ny ambany kosa.
53 Ny noana novokisany soa; Fa ny manan-karena kosa nampialainy maina.
54 Niahy an’ isiraely mpanompony Izy, fa nahatsiaro ny famindram-pony
55 (Araka ny voalazany tamin’ ny razantsika), tamin’ i Abrahama sy ny taranany mandrakizay. (aiōn )
56 Ary Maria nitoetra teo amin’ i Elizabeta tokony ho telo volana vao nody tany an-tranony.
57 Ary tonga ny andro hahaveloman’ i Elizabeta, dia niteraka zazalahy izy.
58 Ary ny niara-monina taminy sy ny havany nandre fa efa nohalehibiazin’ ny Tompo ny famindram-pony taminy; dia niara-nifaly taminy ireo.
59 Ary tamin’ ny andro fahavalo dia tonga hamora ny zaza izy, ka efa saiky hataony hoe Zakaria araka ny anaran-drainy ny anarany.
60 Fa ny reniny namaly ka nanao hoe: Tsy izany, fa hatao hoe Jaona izy.
61 Fa hoy izy ireo taminy: Tsy misy na dia iray akory aza amin’ ny havanao izay manana izany anarana izany.
62 Ary nanao baikon’ ny moana tamin’ ny rainy iry ireo, izay tokony ho tiany hatao anarany.
63 Ary nangataka fàfana izy ka nanoratra hoe: Jaona no anarany. Dia gaga avokoa izy rehetra.
64 Ary dia nisokatra niaraka tamin’ izay ny vavany, ka afaka niteny ny lelany; dia niteny izy ka nidera an’ Andriamanitra.
65 Dia raiki-tahotra izay rehetra niara-monina taminy; ary niely teny amin’ ny tany havoan’ i Jodia rehetra ny lazan’ izany rehetra izany.
66 Ary izay rehetra nandre dia nandatsaka izany tam-pony ka nanao hoe: Ho zaza hanao ahoana re io? Fa ny tanan’ ny Tompo nomba azy.
67 Ary dia feno ny Fanahy Masìna Zakaria rainy ka naminany hoe:
68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,
69 Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin’ ny taranak’ i Davida mpanompony Izy
70 (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masìna hatramin’ ny fahagola), (aiōn )
71 Dia famonjena antsika amin’ ny fahavalontsika, sy amin’ ny tànan’ izay rehetra mankahala antsika;
72 Manefa famindram-po amin’ ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masìna,
73 Dia ny fianianana izay nianianany tamin’ i Abrahama razantsika,
74 Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin’ ny fahavalontsika isika,
75 Amin’ ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin’ ny andro rehetra hiainantsika.
76 Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin’ ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan’ ny Tompo ianao hamboatra ny lalany.
77 Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin’ ny famelana ny helony,
78 Noho ny halehiben’ ny famindram-pon’ Andriamanitsika, izay hiposahan’ ny mazava avy any amin’ ny avo ho antsika.
79 Hamirapiratra amin’ izay mipetraka ao amin’ ny maizina sy ao amin’ ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin’ ny lalam-piadanana.
80 Ary ny zazakely nitombo ka nihahery tam-panahy; ary nitoetra tany an-efitra izy ambara-pahatongan’ ny andro nisehoany tamin’ ny Isiraely.