< Lioka 9 >

1 Ary Jesosy niantso ny roa ambin’ ny folo lahy hankeo aminy ka nanome azy hery sy fahefana hamoaka ny demonia rehetra sy hahasitrana aretina.
יום אחד קרא אליו ישוע את שנים־עשר תלמידיו, והעניק להם סמכות וכוח לגרש שדים ולרפא מחלות.
2 Ary Izy naniraka ireo handeha hitory ny fanjakan’ Andriamanitra sy hahasitrana ny marary.
לאחר מכן שלח אותם לספר לכולם על בוא מלכות האלוהים ולרפא את החולים.
3 Ary hoy izy taminy: Aza mitondra zavatra ho amin’ ny alehanareo, na tehina, na kitapom-batsy, na mofo, na vola, ary aza misy mitondra akanjo roa.
”אל תיקחו אתכם דבר“, הורה להם ישוע.”אל תיקחו אתכם מקל הליכה, תרמיל, מזון, כסף ואף לא בגדים להחלפה.
4 Ary izay trano hidiranareo, dia ao no itoero, ary avy ao indray no ialao.
בכל עיר או כפר התארחו בבית אחד בלבד.
5 Ary izay tsy mampandroso, anareo, raha miala amin’ izany tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka ho afaka amin’ ny tongotrareo ho vavolombelona miampanga azy.
”אם התושבים לא יקשיבו לדבריכם, צאו מאותה עיר ונערו את העפר מעל רגליכם, כסימן לכך שעשיתם את המוטל עליכם והזהרתם אותם.“
6 Dia lasa nandeha izy ireo ka nitety vohitra nitory ny filazantsara sy nahasitrana teny tontolo eny.
התלמידים יצאו לדרך, ובעברם מעיר לעיר ומכפר לכפר בישרו את דבר אלוהים וריפאו את החולים.
7 Ary Heroda mpanapaka nandre izay rehetra natao; dia very hevitra izy noho ny filazan’ ny olona; fa hoy ny sasany: Jaona no efa nitsangana tamin’ ny maty;
כשהגיעו השמועות על כוחו ונפלאותיו של ישוע לאוזני המושל הורדוס, הוא נמלא מבוכה ודאגה, כי היו אנשים שאמרו:”זהו יוחנן המטביל שקם לתחייה!“
8 ary hoy ny sasany: Elia no efa niseho; fa hoy kosa ny sasany: Ny anankiray amin’ ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
או:”האיש הזה הוא אליהו הנביא!“היו שאמרו:”זהו אחד הנביאים שקם לתחייה!“
9 Fa hoy Heroda: Raha Jaona, dia izaho no efa nanapaka ny lohany; fa iza indray moa Izao, izay reko fa manao izany zavatra izany? Ary izy nitady hahita Azy.
”יוחנן?“תמה הורדוס.”הרי כרתי את ראשו, אז מיהו האיש שעליו אני שומע ניסים ונפלאות?“והורדוס חיפש דרך לפגוש את ישוע.
10 Ary rehefa niverina ny Apostoly, dia nanambara tamin’ i Jesosy izay efa nataony. Ary Izy nitondra azy ka nandeha nitokana nankany amin’ ny tanàna atao hoe Betsaida.
לאחר שחזרו השליחים ודיווחו לישוע על כל מעשיהם, הוא עזב את הקהל איתם והם הלכו יחד לבית־צידה כדי להיות לבדם.
11 Ary ny vahoaka, nony nahalala, dia nanaraka Azy; ary Izy nandray azy tsara ka nilaza taminy ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra; ary izay marary dia nositraniny.
אבל ההמונים גילו לאן ישוע הלך והלכו בעקבותיו. ישוע קיבל אותם בחמימות ולימד אותם על מלכות האלוהים. הוא גם ריפא את החולים שביניהם.
12 Ary nony efa ho hariva ny andro, dia nanatona ny roa ambin’ ny folo lahy ka nanao taminy hoe: Ravao ny vahoaka mba hankanesany eny amin’ ny vohitra manodidina sy any an-tsaha handry sy hitady hanina; fa atỳ an-tany foana isika.
לפנות ערב ניגשו שנים־עשר התלמידים אל ישוע והאיצו בו לשלוח את הקהל אל הכפרים והמשקים שבסביבה כדי לקנות אוכל ולחפש מקום לינה, כי האזור שבו היו היה שומם לגמרי.
13 Fa hoy Izy taminy: Omeonareo hanina izy. Ary hoy ireo: Tsy manana mihoatra noho ny mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy handeha hividy hanina ho an’ ireo olona rehetra ireo.
”אתם תאכילו אותם!“אמר ישוע לתלמידיו. אך התלמידים אמרו:”יש לנו רק חמש ככרות לחם ושני דגים. האם אתה רוצה שנלך לקנות אוכל לכל ההמון הזה?“
14 Fa tokony ho dimy arivo lahy izy. Ary hoy Izy tamin’ ny mpianany: Asaovy mipetraka an-tokony izy ka tokony ho dimam-polo avy.
כחמשת־אלפים גברים היו שם (לא כולל נשים וילדים).”אמרו להם לשבת בשורות של חמישים איש“, הורה ישוע לתלמידיו.
15 Dia nataony izany, ka nampipetraka azy rehetra izy.
התלמידים עשו כדבריו והושיבו את הקהל.
16 Ary rehefa noraisin’ i Jesosy ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy, ka nanaovany fisaorana ireo, dia novakiny ka natolony ny mpianany harosony eny anoloan’ ny vahoaka.
ישוע לקח את חמש ככרות הלחם ואת שני הדגים, הביט לשמים, וביקש מאלוהים שיברך את האוכל. לאחר מכן פרס את הלחם, חתך את הדגים והגיש לתלמידיו שיחלקו לעם.
17 Dia nihinana izy rehetra ka voky; ary nangonina izay sombintsombiny sisa tsy lany, ka nisy roa ambin’ ny folo harona.
כולם אכלו עד ששבעו, וכאשר אספו את הפירורים שנשארו מילאו שנים־עשר סלים.
18 Ary raha nivavaka tao amin’ ny mangingina Jesosy, sady teo aminy ny mpianany, dia nanontany azy Izy ka nanao hoe: Ataon’ ny olona ho iza moa Aho?
יום אחד כשהתפלל ישוע לבדו ורק תלמידיו היו בחברתו, הוא שאל אותם:”למי חושבים אותי האנשים?“
19 Dia namaly ireo ka nanao hoe: Jaona Mpanao-batisa; nefa ny sasany kosa manao Anao ho Elia, ary ny sasany indray manao hoe: Ny anankiray amin’ ny mpaminany fahiny no efa nitsangana.
”ליוחנן המטביל“, השיבו התלמידים.”אבל יש החושבים שאתה אליהו הנביא, ואחרים חושבים שאתה אחד מאבותינו הנביאים שקם לתחייה.“
20 Fa hoy Izy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly Petera ka nanao hoe: Ny Kristin’ Andriamanitra.
”למי אתם חושבים אותי?“המשיך ישוע לשאול.”אתה משיח אלוהים!“ענה פטרוס.
21 Ary Izy niteny mafy azy sady nandrara azy mba tsy hilazalaza izany amin’ olona
ישוע ציווה עליהם לא לספר זאת לאיש.
22 ka nanao hoe: Ny Zanak’ olona tsy maintsy hijaly mafy ka holavin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna sady hovonoiny; ary amin’ ny andro fahatelo dia hatsangana.
”על בן־האדם לסבול הרבה“, הוסיף ישוע.”זקני היהודים, ראשי הכוהנים והסופרים ידחו אותו ואף יהרגו אותו, אולם כעבור שלושה ימים יקום לתחייה!“
23 Ary hoy koa Jesosy tamin’ izy rehetra: Raha misy ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, dia hitondra ny hazo fijaliany isan’ andro ka hanaraka Ahy.
לאחר מכן אמר ישוע לכולם:”מי שרוצה ללכת בעקבותיי חייב להתכחש לעצמו, לוותר על נוחיותו ושאיפותיו, לשאת עמו את צלבו יום־יום ולבוא אחרי.
24 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy dia hahavery izany; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia izy no hamonjy izany.
כי מי שחפץ להציל את חייו – יאבד אותם, ואילו מי שיוותר על חייו למעני – יציל אותם.
25 Fa inona no soa azon’ ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy, na matiantoka, izany izy?
מה הרוויח אדם שהשיג את העולם כולו אבל הפסיד חיי־נצח?
26 Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko, dia ho menatra azy kosa ny Zanak’ olona, raha avy amin’ ny voninahiny sy ny an’ ny Rainy ary ny an’ ny anjely masìna.
”דעו לכם, שכל מי שמתבייש בי ובדברי, הוא יהיה לבושה לבן־האדם כאשר יבוא בכבודו ובכבוד של אביו עם המלאכים הקדושים.
27 Fa lazaiko aminareo tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan’ Andriamanitra.
אני אומר לכם את האמת: בין העומדים פה עתה יש כאלה שלא ימותו לפני שיראו את מלכות האלוהים!“
28 Ary rehefa tokony ho havaloana taorian’ izany teny izany, dia nitondra an’ i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.
כעבור שמונה ימים לקח איתו ישוע את פטרוס, יוחנן ויעקב ועלה על אחד ההרים כדי להתפלל.
29 Ary raha mbola nivavaka Izy, dia niova ny toetry ny tarehiny, ary ny fitafiany dia tonga fotsy sady nanelatrelatra.
בזמן שישוע התפלל, פניו השתנו ובגדיו הלבינו והבריקו.
30 Ary, indreo, nisy roa lahy niresaka taminy, dia Mosesy sy Elia,
לפתע הופיעו משה רבנו ואליהו הנביא ודיברו איתו.
31 izay niseho tamin-boninahitra ka nilaza ny fialany, izay efa hefainy any Jerosalema.
הופעתם הייתה מרשימה ומהודרת, והם דיברו עם ישוע על מותו הקרוב בירושלים, שהיה צפוי לפי דבר ה׳.
32 Ary efa navesatry ny tory ny mason’ i Petera sy ny namany; nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’ i Jesosy sy izy roa lahy izay teo aminy.
בינתיים שקעו פטרוס והאחרים בשינה עמוקה, וכשהתעוררו ראו את כבודו והדרו של ישוע ואת השנים שעמדו לידו.
33 Ary tamin’ ny nisarahan’ izy roa lahy taminy dia hoy Petera tamin’ i Jesosy: Tompoko, tsara raha mitoetra eto isika; ary aoka izahay hanao tranolay telo: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’ i Mosesy, ary ny anankiray ho an’ i Elia; nefa tsy fantany izay nolazainy.
כשעמדו אליהו ומשה ללכת קרא פטרוס, בלי לדעת מה הוא אומר:”רבי, כמה טוב שאנחנו כאן! מדוע לא נקים כאן שלוש סוכות לכבוד – לך, למשה ולאליהו?“
34 Ary raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona niseho nanarona azy ireo; ary raha niditra tao anatin’ ny rahona ireo, dia raiki-tahotra ny mpianatra telo lahy.
בעודו מדבר כיסה אותם ענן והם נמלאו פחד.
35 Ary nisy feo avy tao amin’ ny rahona nanao hoe: Ity no Zanako voafidiko; Izy no henoy.
ומן הענן קרא קול:”זהו בני בחירי, שמעו בקולו.“
36 Ary rehefa nitsahatra ny feo, dia Jesosy irery ihany no hita. Ary nangina izy ireo ka tsy nilazalaza tamin’ olona na dia iray akory aza tamin’ izany andro izany ny amin’ izay zavatra efa hitany.
לאחר הקול נראה ישוע עומד לבדו. התלמידים לא סיפרו לאיש את אשר ראו אלא חיכו.
37 Ary nony ampitson’ iny, raha nidina avy teo an-tendrombohitra izy ireo, dia nisy vahoaka betsaka nitsena an’ i Jesosy.
כשירדו מן ההר למחרת, באו אנשים רבים לקראת ישוע,
38 Ary, indro, nisy lehilahy anankiray avy teo amin’ ny vahoaka nitaraina mafy hoe: Mpampianatra ô, masìna Hianao, mamindrà fo amin’ ny zanako! fa zanako-lahy tokana izy.
ואחד מהם קרא:”רבי, אני מתחנן לפניך שתביט בבני היחיד.
39 Ary, indro, misy fanahy mahazo azy, ka miantsoantso tampoka izy, ary ny fanahy mampifanintontsintona ny tenany sy mampandoa vory azy, ary sarotra ny fialany aminy ka mahatorotorovana azy.
שד אוחז בו, הוא גורם לו לצרוח ללא סיבה, משליך אותו על הרצפה ומתיש את כוחו עד שריר נוזל מפיו. השד הזה מדכא את בני מאוד וכמעט שאינו מניח לו לנפשו.
40 Ary nangataka tamin’ ny mpianatrao aho mba hamoaka izany, fa tsy afany.
התחננתי לפני תלמידיך שיגרשו את השד, אבל הם לא יכלו לעשות זאת.“
41 Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento etỳ ny zanakao.
”מה עיקש וחסר־אמונה הדור הזה!“קרא ישוע.”עד מתי יהיה עלי לסבול אתכם? הביאו אלי את הילד!“
42 Ary raha mbola nanatona izy, dia nampihinjitrinjitra sy nampifanintontsintona azy ny demonia. Ary Jesosy niteny mafy ny fanahy maloto ka nahasitrana ny zazalahy; dia natolony tamin-drainy indray izy.
לפני שהספיק הילד להגיע אל ישוע, השד הפיל אותו ארצה כאשר הוא מפרכס. אולם ישוע גירש ממנו את השד בגערה, ריפא אותו והשיבו לאביו.
43 Dia talanjona izy rehetra noho ny fiandrianan’ Andriamanitra. Ny nilazan’ i Jesosy fanindroany ny hahafatesany sy ny hitsanganany indray. Fa raha talanjona izy rehetra tamin’ izay rehetra nataon’ i Jesosy, dia hoy Izy tamin’ ny mpianany:
כשראו הנוכחים את הגילוי הזה של כוח אלוהים, נפלה עליהם יראה גדולה. בעוד הקהל מתפעל ומחליף רשמים על מעשיו הנפלאים, אמר ישוע לתלמידיו:
44 Ampidironareo ao amin’ ny sofinareo izany teny izany; fa ny Zanak’ olona efa hatolotra eo an-tànan’ ny olona.
”הקשיבו לדברי בתשומת לב: בן־האדם עומד להימסר לידי אנשים.“
45 Nefa tsy azon’ ny mpianatra io teny io sady nafenina azy izany mba tsy ho fantany; ary natahotra hanontany Azy ny amin’ io teny io izy.
אולם התלמידים לא הבינו למה התכוון; דבר־מה מנע מבעדם מלהבין והם חששו לשאול אותו למה התכוון.
46 Dia nisy fisainana niseho tao am-pony ny amin’ izay ho lehibe ao aminy.
בין התלמידים התעורר ויכוח: מיהו החשוב והגדול ביניהם.
47 Ary Jesosy nahalala ny fisainan’ ny fony, dia nandray zaza anankiray ka nametraka azy teo anoloany;
ישוע ידע את מחשבותיהם ולכן קרא לילד קטן, העמידו לידו
48 ary hoy Izy tamin’ ireo: Na zovy na zovy no mandray io zaza io noho ny anarako dia mandray Ahy; ary na zovy na zovy no mandray Ahy dia mandray Izay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra ao aminareo rehetra, dia izy no lehibe.
ואמר לתלמידיו:”מי שמקבל ילד קטן כזה, כאילו מקבל אותי; ומי שמקבל אותי, מקבל למעשה את אבי אשר שלח אותי. הקטן מביניכם – הצנוע והעניו ביותר – הוא הגדול ביניכם!“
49 Ary Jaona namaly ka nanao hoe: Tompoko, izahay nahita anankiray namoaka demonia tamin’ ny anaranao, ka noraranay izy, satria tsy manaraka antsika.
יוחנן תלמידו פנה אליו ואמר:”רבי, ראינו איש שמגרש שדים בשמך ואמרנו לו לחדול מכך, כי אין הוא שייך לקבוצתנו.“
50 Fa hoy Jesosy taminy: Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.
”לא הייתם צריכים לומר לו זאת, “השיב לו ישוע,”כי מי שאינו נגדכם הוא בעדכם.“
51 Ary rehefa ho tonga ny fotoana hampiakarana an’ i Jesosy, dia niatrika hankany Jerosalema Izy.
בהתקרב המועד שבו יילקח לשמים, התכונן ישוע ללכת לירושלים.
52 Ary nandefa iraka hialoha Azy Izy; dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ ny vohitra anankiray izay an’ ny Samaritana hamboatra ho Azy.
יום אחד הוא שלח לפניו שליחים, כדי שיכינו לו מקום לינה באחד מכפרי השומרונים.
53 Fa tsy nandray Azy ny olona, satria nandroso toa ho any Jerosalema Izy.
אולם השומרונים סרבו לתת להם מקום לינה, משום שפניהם של ישוע ותלמידיו היו מועדות לירושלים (לשומרונים היה ויכוח עם היהודים בנוגע לירושלים).
54 Ary raha hitan’ i Jakoba sy Jaona mpianany izany, dia hoy izy: Tompoko, tianao va raha hiteny izahay mba hisy afo milatsaka avy any an-danitra handevona azy?
כשהגיע הדבר לאוזני ישוע ותלמידיו, שאלו יעקב ויוחנן:”אתה רוצה שנצווה כי תרד אש מהשמים ותשרוף אותם?“
55 Fa Izy nitodika, dia niteny mafy azy.
אולם ישוע גער בהם,
56 Dia nankany amin’ ny vohitra hafa Izy.
והחבורה המשיכה בדרכה אל כפר אחר.
57 Ary nony nandroso teny an-dalana izy, dia nisy anankiray nanao tamin’ i Jesosy hoe: Hanaraka Anao aho na aiza na aiza halehanao.
בדרך אמר מישהו לישוע:”אדוני, לאן שתלך, אני אלך אחריך!“
58 Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo manan-davaka, ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’ olona tsy mba manana izay hipetrahan’ ny lohany.
אולם ישוע השיב לו:”אל תשכח שאין לי מקום להניח את ראשי. השועלים מתגוררים במחילות האדמה ולציפורים יש קנים, אולם לבן־האדם אין מקום להניח בו את ראשו.“
59 Ary hoy Izy tamin’ ny anankiray koa: Manaraha Ahy. Fa hoy kosa izy: Tompoko, aoka aho aloha handeha handevina ny raiko.
בהזדמנות אחרת אמר ישוע לאיש מסוים:”בוא אחרי והיה תלמיד שלי.“האיש הסכים, אולם ביקש לקבור תחילה את אביו.
60 Fa hoy Jesosy taminy: Aoka ny maty handevina ny maty ao aminy; fa ianao kosa mandehana, ka mitoria ny fanjakan’ Andriamanitra.
”הנח למתים (מבחינה רוחנית) לקבור את המתים שלהם“, אמר לו ישוע.”ואילו אתה לך להכריז על מלכות האלוהים.“
61 Ary hoy ny anankiray koa: Tompoko, hanaraka Anao ihany aho; fa aoka aho aloha handeha hanao veloma ny ao an-tranoko.
איש אחר אמר לישוע:”אני אלך אחריך, אדוני, אך הרשה לי תחילה ללכת הביתה ולהיפרד מבני משפחתי.“
62 Fa hoy Jesosy taminy: Tsy misy olona mitana fangady tarihina ary miherika ka miendrika ho ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
אבל ישוע השיב לו:”השם את ידו על המחרשה ומביט אחריו לא יהיה כשיר למלכות האלוהים.“

< Lioka 9 >