< Lioka 5 >

1 Ary raha nifanizina taminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’ Andriamanitra, dia nijanona teo amoron’ ny Farihin’ i Genesareta Jesosy;
And when the people were pressing on Him to hear the word of God, as He stood by the lake of Gennesareth, seeing two vessels at the edge of the lake,
2 ary nahita sambokely roa nijanona teo an-tsisin’ ny farihy Izy; fa ny mpanarato efa niala taminy ka nanasa ny haratony.
(but the fishermen were gone out of them, and were washing their nets: )
3 Ary niditra teo amin’ ny sambokely anankiray izay an’ i Simona Izy, dia nangataka taminy hihataka kely amin’ ny tany. Dia nipetraka teo an-tsambokely Izy ka nampianatra ny vahoaka.
He went into one of them, which was Simon's, and desired him to put off a little way from the shore: and He sat down and taught the multitudes from the ship.
4 Ary rehefa nitsahatra niteny Jesosy, dia hoy Izy tamin’ i Simona: Mandrosoa ho any amin’ ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.
And when He had done speaking, He said to Simon, Put out into the deep, and let down your nets for a draught.
5 Fa Simona namaly ka nanao hoe: Tompoko, mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona; kanefa noho ny teninao; dia halatsako ihany ny harato.
And Simon answered and said unto Him, Master, we have been toiling all the night, and have caught nothing; however at thy word I will cast the net.
6 Ary rehefa nataony izany, dia nahazo hazandrano be dia be izy, ka efa nisy triatra ny haratony.
And when they had done this, they inclosed a multitude of fishes; and their net was breaking.
7 Ary izy nanatsika ny namany, izay teo amin’ ny sambokely hafa, mba ho avy hanampy azy. Dia avy ireny, ary nofenoiny ny sambokely roa, ka efa saiky nilentika.
And they beckoned to their partners that were in the other ship, to come and help them; and they came, and filled both the ships, so that they were even sinking: and when Simon Peter saw it,
8 Ary rehefa hitan’ i Simona Petera izany, dia niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesosy izy ka nanao hoe: Tompoko, mialà amiko, fa olo-meloka aho.
he fell at the knees of Jesus, saying, Lord, depart from me, for I am a sinful man;
9 Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy noho ny haben’ ny hazandrano izay azony.
for he was astonished, and all that were with him, at the draught of fishes which they had taken;
10 Ary toy izany koa Jakoba sy Jaona, zanak’ i Zebedio, izay niombon-draharaha tamin’ i Simona. Dia hoy Jesosy tamin’ i Simona: Aza matahotra; hatramin’ izao ankehitriny izao dia olona kosa no ho azonao.
as were also James and John, the sons of Zebedee, who were partners with Simon. And Jesus said to Simon, Be not afraid, from henceforth thou shalt be a captor of men.
11 Ary rehefa nampiantsona ny sambokeliny teo an-tanety izy, dia nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka an’ i Jesosy.
And when they had brought their ships to land, they left all and followed Him.
12 Ary raha tao an-tanàna anankiray Jesosy, indro, nisy lehilahy heniky ny habokana: ary nony nahita Azy io, dia niankohoka ka nitaraina taminy hoe: Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.
And when He was in one of the cities of that country, behold a man full of leprosy: who seeing Jesus, fell prostrate to Him, and besought Him, saying, Lord, if thou wilt, thou canst cleanse me.
13 Ary Jesosy naninjitra ny tanany, dia nanendry azy ka nanao hoe: Mety Aho; madiova ianao. Ary ny habokany niala taminy niaraka tamin’ izay.
And Jesus stretched out his hand and touched him, saying, I will; be thou cleansed: and immediately the leprosy departed from him.
14 Ary Jesosy nandrara azy tsy hilaza amin’ olona na dia iray akory aza; fa mandehana, hoy Izy, misehoa amin’ ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao araka ny nandidian’ i Mosesy, ho vavolombelona amin’ ireo.
And He charged him to tell no one: but go, said He, and shew thyself to the priest, and offer for thy cleansing according as Moses commanded, for a testimony unto them.
15 Fa mainka niely bebe kokoa ny lazany, dia niangona ny vahoaka betsaka hihaino Azy sy hositranina tamin’ ny aretiny.
But the fame of Him spread more and more, and great multitudes came together to hear, and to be healed by Him of their infirmities.
16 Ary niala teo Izy, dia nitoetra tany an-efitra ka nivavaka.
But He frequently retired into solitary places, and prayed.
17 Ary tamin’ ny andro anankiray, raha nampianatra Jesosy, dia nipetraka teo ny Fariseo sasany sy ny mpampiana-dalàna, izay efa niala tamin’ ny tanàna rehetra any Galilia sy Jodia ary tany Jerosalema; ary ny herin’ ny Tompo dia tao aminy mba hahasitranany.
And one day, as He was teaching, there were pharisees and doctors of the law sitting by, who were come out of every town of Galilee, and Judea, and from Jerusalem; and the power of the Lord was present to heal the people:
18 Ary, indro, nisy nitondra lehilahy tamin’ ny fandriana, izay mararin’ ny paralysisa, ka nitady izay hampidirany sy hametrahany azy teo anatrehany.
and behold, some men bringing on a couch a man that was paralytic; and they endeavoured to bring him in, and lay him before Him:
19 Ary satria tsy nahita izay hampidirany azy izy noho ny habetsahan’ ny vahoaka, dia niakatra teo an-tampon-trano ka nanesorany ny tafo tanimanga, dia nampidininy ralehilahy mbamin’ ny fandriany ho eo afovoan’ ny olona, dia teo anatrehan’ i Jesosy.
but when they could not find what way to bring him in because of the croud, they went up on the battlements of the house, and let him down from the roof with his couch, into the midst before Jesus,
20 Ary raha hitan’ i Jesosy ny finoan’ ireo, dia hoy Izy: Ralehilahy, voavela ny helokao.
who seeing their faith said unto him, Man, thy sins are forgiven thee.
21 Fa ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo niara-nisaina hoe: Iza moa Ity miteny ratsy Ity? Iza no mahavela heloka, afa-tsy Andriamanitra ihany?
And the scribes and pharisees began to cavil, saying, Who is this that talketh blasphemies? Who can forgive sins but God?
22 Fa Jesosy nahafantatra ny eritreriny, dia namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana ianareo no mieritreritra ao am-ponareo?
but Jesus knowing their thoughts, answered and said unto them, What are ye disputing in your hearts?
23 Iza moa no moramora kokoa, ny manao hoe va: Voavela ny helokao, sa ny manao hoe: Mitsangàna, ka mandehana?
Which is easier, to say, Thy sins are forgiven thee, or to say, Rise up and walk?
24 Fa mba ho fantatrareo fa ny Zanak’ olona manana fahefana etỳ ambonin’ ny tany hamela heloka ― dia hoy Izy tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa: Izaho milaza aminao hoe: Mitsangàna, dia betao ny fandrianao, ary modia any an-tranonao.
but that ye may know, that the Son of man hath power even on earth to forgive sins, (He spake to the paralytic) I say unto thee, Arise, and take up thy couch, and go to thine house.
25 Ary tamin’ izay dia nitsangana teo anatrehan’ ny olona izy ka nambeta ny fandriany, dia lasa nody sady nankalaza an’ Andriamanitra.
And immediately he rose up before them, took up the bed on which he lay, and went away to his house, glorifying God.
26 Ary talanjona avokoa ny olona rehetra, dia nankalaza an’ Andriamanitra sady raiki-tahotra indrindra ka nanao hoe: Efa nahita zavatra mahagaga isika androany.
And they were all amazed and glorified God, and were filled with awe, saying, we have seen wonderful things to-day.
27 Ary rehefa afaka izany, dia nandeha Jesosy ka nahita mpamory hetra atao hoe Levy, nipetraka teo am-pamorian-ketra; dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
After these things He went out and saw a publican named Levi, sitting at the custom-house, and said to him, Follow me:
28 Ary nahafoy ny zavatra rehetra izy ka nitsangana, dia nanaraka Azy.
and he left all, rose up, and followed Him.
29 Ary Levy nanao fanasana lehibe tao an-tranony ho an’ i Jesosy; ary nisy mpamory hetra maro sy olon-kafa koa, izay niara-nipetraka nihinana teo aminy.
And Levi made Him a great feast in his own house: and there was a great number of publicans, and others at table with them.
30 Fa ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna izay teo aminy dia nimonomonona tamin’ ny mpianatr’ i Jesosy ka nanao hoe: Nahoana ianareo no miara-mihinana sy misotro amin’ ny mpamory hetra sy ny mpanota?
And their scribes and pharisees murmured at his disciples, saying, Why do ye eat and drink with publicans and sinners?
31 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary;
And Jesus answered and said unto them, They that are in health have no need of a physician, but they that are sick: I am not come to call the righteous,
32 tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.
but sinners to repentance.
33 Ary hoy izy ireo taminy: Ny mpianatr’ i Jaona mifady hanina matetika sy mivavaka, ary ny an’ ny Fariseo koa mba tahaka izany ihany, fa ny Anao kosa mihinana sy misotro ihany.
And they said unto Him, Why do the disciples of John frequently fast and pray, and likewise those of the pharisees; but thine eat and drink?
34 Ary hoy Jesosy taminy: Mahay mampifady ny havan’ ny mpampakatra va ianareo, raha mbola ao aminy ihany ny mpampakatra?
And He said unto them, Can ye make those of the bride-chamber fast, while the bridegroom is with them?
35 Fa ho avy ny andro; ary rehefa voaisotra ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’ izany andro izany vao hifady izy.
but the days will come, when the bridegroom shall be taken from them, then they will fast.
36 Ary Izy nanao fanoharana taminy koa nanao hoe: Tsy misy olona mandriatra lamba vaovao hanalany tapa-damba hatampina ny lamba tonta; fa raha izany, dia mahatriatra ny vaovao izy, ary ilay tapa-damba nalaina tamin’ ny vaovao dia tsy hifanaraka amin’ ny tonta.
Then He spake a parable to them, That no one putteth a piece of new cloth upon an old garment: otherwise, the new maketh a rent, and doth not match the old:
37 Ary tsy misy olona manisy divay vaovao no anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, ny divay vaovao mahatriatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay, sady ho simba foana ny siny hoditra;
nor doth any one put new wine in to old vessels; otherwise, the new wine will burst the casks, and be spilled, and the vessels will be destroyed:
38 Fa ny divay vaovao dia tsy maintsy hatao ao anaty siny hoditra vaovao.
but new wine must be put into new vessels, and then both are saved.
39 Tsy misy olona, rehefa nisotro ny divay ela, no maniry ny vaovao; fa hoy izy: Ny ela no tsara.
And no one that has been drinking old wine, immediately desireth new; for he saith, the old is better.

< Lioka 5 >