< Lioka 4 >

1 Ary Jesosy feno ny Fanahy Masìna dia niverina avy tany Jordana, ary nentin’ ny Fanahy tany an-efitra efa-polo andro Izy
Jézus Szentlélekkel telve visszatért a Jordántól, és a Lélek indítására a pusztában volt
2 ka nalain’ ny devoly fanahy. Ary tsy nihinan-kanina akory Izy tamin’ izany andro izany, ka rehefa tapitra izany, dia noana Izy.
negyven napig, miközben kísértette az ördög. Nem evett semmit azokban a napokban, de amikor azok elmúltak, megéhezett.
3 Ary hoy ny devoly taminy: raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, teneno io vato io mba ho tonga mofo.
És az ördög ezt mondta neki: „Ha Isten Fia vagy, mondd ennek a kőnek, hogy változzék kenyérré.“
4 Fa Jesosy namaly azy ka nanao hoe: Voasoratra hoe: Tsy mofo ihany no hiveloman’ ny olona.
Jézus így válaszolt neki: „Meg van írva, hogy »nemcsak kenyérrel él az ember, hanem Istennek minden igéjével.«“
5 Ary ny devoly nitondra Azy niakatra, dia naneho Azy indray mipi-maso ny fanjakana rehetra amin’ izao tontolo izao.
Majd felvitte őt az ördög egy nagy, magas hegyre, megmutatta neki egy szempillantás alatt a föld minden országát,
6 Dia hoy ny devoly taminy: Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin’ ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy;
és ezt mondta neki: „Neked adom mindezt a hatalmat és ezek dicsőségét, mert nekem adatott, és annak adom, akinek akarom.
7 koa raha hiankohoka eto anatrehako Hianao, dia ho Anao avokoa izany rehetra izany.
Azért, ha engem imádsz, mindez a tied lesz.“
8 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voasoratra hoe: Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.
Jézus így válaszolt neki: „Távozz tőlem, sátán! Meg van írva: »Az Urat, a te Istenedet imádd, és csak neki szolgálj!«“
9 Ary nitondra Azy nankany Jerosalema izy, dia nampitoetra Azy teo an-tampon’ ny tempoly ka nanao taminy hoe: Raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, mivarina any ambany any;
Aztán Jeruzsálembe vitte őt, és a templom párkányára állította, és ezt mondta neki: „Ha Isten Fia vagy, vesd le magad innen,
10 fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro Anao;
mert meg van írva: »Az ő angyalainak megparancsolta, hogy őrizzenek téged,
11 Ary eny an-tànany no hitondran’ ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao.
és tenyerükön hordozzanak, hogy kőbe ne üsd lábadat.«“
12 Fa Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Voalaza hoe: Aza maka fanahy an’ i Jehovah Andriamanitrao.
Jézus így válaszolt neki: „Megmondatott: »Ne kísértsd az Urat, a te Istenedet!«“
13 Ary rehefa nahatapitra izay fakam-panahy rehetra ny devoly, dia nandao Azy izy aloha.
Amikor az ördög minden kísértést elvégzett, eltávozott tőle egy időre.
14 Ary Jesosy niverina tamin’ ny herin’ ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin’ ny tany rehetra manodidina ny lazany.
Jézus visszatért a Lélek erejével Galileába, és híre ment az egész környéken.
15 Ary Izy nampianatra teny amin’ ny synagogan’ ny olona ka nankalazain’ izy rehetra.
Tanított a zsinagógáikban, és mindenki dicsőítette.
16 Dia tonga tao Nazareta, izay nahabe Azy Izy; ary araka ny fanaony dia niditra tao amin’ ny synagoga tamin’ ny andro Sabata Izy ka nitsangana hamaky teny.
Amikor Názáretbe ment, ahol felnevelkedett, szokása szerint szombatnapon a zsinagógába ment, és felállt felolvasni.
17 Dia natolotra Azy ny bokin’ Isaia mpaminany; ary nony namelatra ny boky Izy, dia nahita ny teny voasoratra hoe:
Ézsaiás próféta könyvét adták neki, és amikor kinyitotta a könyvet, felkereste azt a helyet, ahol ez volt megírva:
18 Ny Fanahin’ i Jehovah no ato amiko, Satria nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ ny malahelo Izy; Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ ny mpifatotra Izy, Sy fampahiratana amin’ ny jamba, Hanafaka izay nampahorina,
„Az Úr Lelke van rajtam, mert felkent engem, hogy a szegényeknek az evangéliumot hirdessem, elküldött, hogy a megtört szívűeket meggyógyítsam, hogy a foglyoknak szabadulást hirdessek, és a vakoknak szemük megnyílását, hogy szabadon bocsássam az elnyomottakat,
19 Hitory ny taona ankasitrahan’ i Jehovah.
hogy hirdessem az Úr kedves esztendejét!“
20 Ary rehefa nahorony ny boky ka naveriny tamin’ ny mpanao raharaha, dia nipetraka Izy. Ary nandinika Azy ny mason’ izay rehetra teo amin’ ny synagoga.
És behajtva a könyvet, visszaadta a szolgának, és leült. A zsinagógában mindenkinek a szeme rajta függött.
21 Ary Jesosy niteny taminy hoe: Androany no efa tanteraka eto anatrehanareo izany soratra izany.
Ő pedig így szólt hozzájuk: „Ma teljesedett be ez az Írás fületek hallatára!“
22 Ary izy rehetra nankalaza Azy sady talanjona noho ny tenin’ ny fahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy: Tsy Zanak’ i Josefa va Ity?
És mindnyájan bizonyságot tettek róla, és álmélkodtak a kegyelem igéin, amelyek ajkáról fakadtak, és ezt mondták: „Nem József fia ez?“
23 Ary hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe: Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao: izay renay fa nataonao tao Kapernaomy dia mba ataovy eto amin’ ny taninao koa.
Ő ezt mondta nekik: „Bizonyára azt a közmondást mondjátok nekem: Orvos, gyógyítsd meg magad! Amit hallottunk, hogy Kapernaumban történt, itt a te házadban is cselekedd meg!“
24 Ary hoy koa Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy mpaminany izay ankasitrahana ao amin’ ny taniny.
Majd így folytatta: „Bizony mondom nektek, hogy egy próféta sem elfogadott a maga hazájában.
25 Fa lazaiko aminareo marina tokoa: Maro no mpitondratena teo amin’ ny Isiraely tamin’ ny andron’ i Elia, raha nihantona ny andro telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mafy tamin’ ny tany rehetra;
Igazán mondom nektek: Illés idejében sok özvegyasszony volt Izraelben, amikor az ég három esztendeig és hat hónapig be volt zárva, úgyhogy az egész tartományban nagy éhség volt,
26 nefa tsy mba nirahina ho any amin’ ny anankiray tamin’ ireo Elia, fa ho any Zarefata any amin’ ny tany Sidona ihany, dia ho any amin’ izay vehivavy mpitondratena.
és közülük senkihez sem küldetett Illés, csak a szidóni Sareptába az özvegyasszonyhoz.
27 Ary maro no boka teo amin’ ny Isiraely tamin’ ny andron’ i Elisa mpaminany, nefa tsy mba nisy nodiovina na dia iray akory aza fa Namàna Syriana ihany.
Elizeus próféta idejében sok bélpoklos volt Izraelben, de azok közül egy sem tisztult meg, csak a szír Naamán.“
28 Dia tezitra loatra izay rehetra teo amin’ ny synagoga, raha nandre izany,
Ennek hallatán harag töltött el mindenkit a zsinagógában.
29 ka nitsangana izy, dia nandroaka Azy hiala ao an-tanàna ary nitondra Azy ho any an-tampon’ ny havoana niorenan’ ny tanàna, mba hazerany amin’ ny hantsana.
Felkeltek, kiűzték őt a városon kívül, és annak a hegynek a szélére vitték, amelyen az ő városuk épült, hogy onnan letaszítsák.
30 Nefa Izy namaky teo afovoany, ka dia lasa nandeha.
Ő azonban átment közöttük, és eltávozott.
31 Ary nidina tany Kapernaomy, tanàna any Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olona tamin’ ny Sabata.
Elment Kapernaumba, Galilea városába, és tanította őket szombatnapon.
32 Dia talanjona ny olona tamin’ ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny.
Azok csodálkoztak a tanításán, mert szavának hatalma volt.
33 Ary nisy olona tao amin’ ny synagoga, izay nanana ny fanahin’ ny demonia maloto, dia niantso tamin’ ny feo mahery izy
A zsinagógában pedig volt egy tisztátalan ördögi lélektől megszállt ember, aki fennhangon így kiáltott:
34 ka nanao hoe: Indrisy! moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin’ Andriamanitra Hianao.
„Mi közünk hozzád názáreti Jézus? Azért jöttél, hogy elpusztíts minket. Ismerlek téged, hogy ki vagy: az Isten Szentje!“
35 Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangìna ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan’ ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy.
Jézus rászólt: „Némulj meg, és menj ki belőle!“És az ördög középre vetette, kiment belőle, és nem ártott neki semmit.
36 Ary talanjona avokoa izy rehetra ka niresaka hoe: Manao ahoana izao teny izao! fa amin’ ny fahefana sy ny hery no andidiany ny fanahy maloto, dia mivoaka ireo.
Mindnyájukat félelem szállta meg, és így szóltak egymáshoz: „Milyen beszéd ez, hogy hatalommal és erővel parancsol a tisztátalan lelkeknek, és azok kimennek?“
37 Ary niely teny amin’ ny tany manodidina rehetra ny lazany.
És elterjedt a híre mindenütt a környéken.
38 Ary nony nitsangana niala tao amin’ ny synagoga Jesosy, dia niditra tao an-tranon’ i Simona. Ary azon’ ny tazo mafy ny rafozam-bavin’ i Simona; ary izy ireo nangataka taminy hahasitrana azy.
A zsinagógából eltávozva Simon házába ment. Simon anyósa pedig nagy lázban feküdt, és szóltak neki érdekében.
39 Dia nitsangana teo akaikiny Izy, ka noteneniny mafy ny tazo, dia niala tamin-dravehivavy izany; ary nitsangana niaraka tamin’ izay izy ka nanompo azy ireo.
Jézus mellé állt, ráparancsolt a lázra, és az elhagyta őt. Ő pedig azonnal felkelt, és szolgált nekik.
40 Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin’ ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin’ izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.
Napnyugtakor mindenki hozzá vitte különféle bajban szenvedő betegét, ő pedig mindegyikre rátette kezét, meggyógyította őket.
41 Ary nisy demonia nivoaka tamin’ ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak’ Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy.
Sokakból ördögök is kimentek, és ezt kiáltozták: „Te vagy a Krisztus, az Isten Fia!“De ő rájuk parancsolt, nem engedte őket szólni, mivel tudták, hogy ő a Krisztus.
42 Ary nony maraina ny andro, dia niala Jesosy ka nankany an-tany foana; ary ny vahoaka nitady Azy, dia nankeo aminy ka te-hihazona Azy mba tsy hialany tao aminy.
Napfölkeltekor elindult, és egy puszta helyre ment. De a sokaság megkereste őt, hozzá mentek, marasztalták, hogy ne menjen el tőlük.
43 Fa hoy Izy taminy: Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra any amin’ ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nanirahana Ahy.
Ő pedig ezt mondta nekik: „Más városokban is hirdetnem kell Isten országát, mert ez a küldetésem.“
44 Ary Izy nitori-teny tao amin’ ny synagoga eran’ i Galilia.
És prédikált Galilea zsinagógáiban.

< Lioka 4 >