< Lioka 23 >

1 Ary ny olona rehetra nitsangana ka nitondra an’ i Jesosy tany amin’ i Pilato,
ⲁ̅ⲁⲩⲱ ⲁⲩⲧⲱⲟⲩⲛ ⲛϭⲓ ⲡⲙⲏⲏⲏϣⲉ ⲧⲏⲣϥ ⲁⲩⲛⲧϥ ⲉⲣⲁⲧϥ ⲙⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ
2 dia niampanga Azy ka nanao hoe: Ilehity hitanay nampiodina ny firenenay sady nandrara tsy handoa hetra ho an’ i Kaisara ka nilaza ny tenany ho Kristy Mpanjaka.
ⲃ̅ⲁⲩⲁⲣⲭⲓ ⲇⲉ ⲛⲕⲁⲧⲏⲅⲟⲣⲓ ⲙⲙⲟϥ ⲉⲩϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲁⲛϩⲉ ⲉⲡⲁⲓ ⲉϥϣⲧⲟⲣⲧⲣ ⲙⲡⲉⲛϩⲉⲑⲛⲟⲥ ⲁⲩⲱ ⲉϥⲕⲱⲗⲩ ⲉϯϣⲱⲙ ⲙⲡⲣⲣⲟ ⲉϥϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲁⲛⲅ ⲡⲣⲣⲟ ⲡⲉⲭⲥ
3 Ary Pilato nanontany Azy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy? Ary Izy namaly azy ka nanao hoe: Voalazanao.
ⲅ̅ⲁⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ ⲇⲉ ϫⲛⲟⲩϥ ⲉϥϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲛⲧⲟⲕ ⲡⲉ ⲡⲣⲣⲟ ⲛⲓⲟⲩⲇⲁⲓ ⲛⲧⲟϥ ⲇⲉ ⲁϥⲟⲩⲱϣⲃ ⲉϥϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲛⲧⲟⲕ ⲡⲉⲧϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ
4 Dia hoy Pilato tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny vahoaka: Tsy hitako izay helok’ ity Lehilahy ity.
ⲇ̅ⲡⲉϫⲉ ⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ ⲙⲡⲙⲏⲏϣⲉ ϫⲉ ⲛϯϭⲛ ⲗⲁⲁⲩ ⲁⲛ ⲛⲛⲟⲃⲉ ϩⲙ ⲡⲉⲓⲣⲱⲙⲉ
5 Fa vao mainka nandentika ireo ka nanao hoe: Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra eran’ i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatraty.
ⲉ̅ⲛⲧⲟⲟⲩ ⲇⲉ ⲁⲩⲧⲱⲕ ⲉϩⲟⲩⲛ ⲉⲩϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ϥϣⲧⲟⲣⲧⲣ ⲙⲡⲗⲁⲟⲥ ⲉϥϯ ⲥⲃⲱ ϩⲛ ϯⲟⲩⲇⲁⲓⲁ ⲧⲏⲣⲥ ⲉⲁϥⲁⲣⲭⲓ ϫⲓⲛ ⲧⲅⲁⲗⲓⲗⲁⲓⲁ ϣⲁ ϩⲣⲁⲓ ⲉⲡⲉⲓⲙⲁ
6 Raha nandre izany Pilato, dia nanontany raha olona avy any Galilia Jesosy.
ⲋ̅ⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ ⲇⲉ ⲛⲧⲉⲣⲉϥⲥⲱⲧⲙ ϫⲉ ⲧⲅⲁⲗⲓⲗⲁⲓⲁ ⲁϥϣⲓⲛⲉ ϫⲉ ⲟⲩⲅⲁⲗⲓⲗⲁⲓⲟⲥ ⲡⲉ ⲡⲣⲱⲙⲉ
7 Ary rehefa fantany fa avy tamin’ ny tany tapahin’ i Heroda Izy, dia nampanatitra Azy tany amin’ i Heroda izy, fa tany Jerosalema koa Heroda tamin’ izany andro izany.
ⲍ̅ⲁⲩⲱ ⲛⲧⲉⲣⲉϥⲓⲙⲉ ϫⲉ ⲟⲩⲉⲃⲟⲗ ϩⲛ ⲧⲉⲝⲟⲩⲥⲓⲁ ⲛϩⲏⲣⲱⲇⲏⲥ ⲡⲉ ⲁϥϫⲟⲟⲩϥ ϣⲁ ϩⲏⲣⲱⲇⲏⲥ ⲉϥϩⲛ ⲑⲓⲉⲣⲟⲥⲟⲗⲩⲙⲁ ϩⲱⲱϥ ϩⲛ ⲛⲉⲓϩⲟⲟⲩ
8 Ary faly dia faly Heroda, raha nahita an’ i Jesosy; fa efa naniry ela hahita Azy izy, satria efa nandre ny aminy ary nanantena hahita famantarana hataony.
ⲏ̅ⲛⲧⲉⲣⲉ ϩⲏⲣⲱⲇⲏⲥ ⲇⲉ ⲛⲁⲩ ⲉⲓⲏⲥ ⲁϥⲣⲁϣⲉ ⲉⲙⲁⲧⲉ ⲛⲉϥⲟⲩⲉϣ ⲛⲁⲩ ⲅⲁⲣ ⲉⲣⲟϥ ⲡⲉ ϩⲓⲧⲛ ϩⲉⲛⲛⲟϭ ⲛⲟⲩⲟⲓϣ ϫⲉ ⲛⲉϥⲥⲱⲧⲙ ⲉⲧⲃⲏⲏⲧϥ ⲁⲩⲱ ⲛⲉϥϩⲉⲗⲡⲓⲍⲉ ⲉⲛⲁⲩ ⲉⲩⲙⲁⲉⲓⲛ ⲉϥⲓⲣⲉ ⲙⲙⲟϥ
9 Ary izy nanontany Azy teny maro; fa tsy namaly teny azy akory Jesosy.
ⲑ̅ⲁϥϫⲛⲟⲩϥ ⲇⲉ ϩⲛ ϩⲉⲛⲙⲏⲏϣⲉ ⲛϣⲁϫⲉ ⲛⲧⲟϥ ⲇⲉ ⲙⲡϥⲟⲩⲱϣⲃⲉϥ ⲗⲁⲁⲩ
10 Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna nijanona teo dia nitompo teny fatratra hiampanga Azy.
ⲓ̅ⲛⲉⲩⲁϩⲉ ⲇⲉ ⲉⲣⲁⲧⲟⲩ ⲡⲉ ⲛϭⲓ ⲛⲁⲣⲭⲓⲉⲣⲉⲩⲥ ⲙⲛ ⲛⲉⲅⲣⲁⲙⲙⲁⲧⲉⲩⲥ ⲉⲩⲕⲁⲧⲏⲅⲟⲣⲓ ⲙⲙⲟϥ ⲉⲙⲁⲧⲉ
11 Ary Heroda sy ny miaramilany namingavinga Azy ka nanao Azy ho fihomehezana, dia nampiakanjo Azy akanjo tsara ka namerina Azy tany amin’ i Pilato.
ⲓ̅ⲁ̅ⲁϩⲏⲣⲱⲇⲏⲥ ⲇⲉ ⲥⲟϣϥ ⲙⲛ ⲛⲉϥⲥⲧⲣⲁⲧⲉⲩⲙⲁ ⲁⲩⲱ ⲁⲩⲥⲱⲃⲉ ⲙⲙⲟϥ ⲁⲩϭⲟⲟⲗⲉϥ ⲛⲟⲩϩⲃⲥⲱ ⲉⲥⲟⲩⲟⲃⲉϣ ⲁⲩϫⲟⲟⲩϥ ⲙⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ
12 Ary tonga nisakaiza Heroda sy Pilato tamin’ izany andro izany; kanefa nifandrafy izy roa lahy talohan’ izany.
ⲓ̅ⲃ̅ⲁⲩⲣϣⲃⲏⲣ ⲉⲛⲉⲩⲉⲣⲏⲟⲩ ϩⲙ ⲡⲉϩⲟⲟⲩ ⲉⲧⲙⲙⲁⲩ ⲛϭⲓ ϩⲏⲣⲱⲇⲏⲥ ⲙⲛ ⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ ⲛⲉⲩϣⲟⲟⲡ ⲅⲁⲣ ⲡⲉ ϩⲛ ⲟⲩⲙⲛⲧϫⲁϫⲉ ⲙⲛ ⲛⲉⲩⲉⲣⲏⲩ
13 Ary rehefa nasain’ i Pilato novorina ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka ary ny vahoaka,
ⲓ̅ⲅ̅ⲁⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ ⲇⲉ ⲙⲟⲩⲧⲉ ⲉⲛⲁⲣⲭⲓⲉⲣⲉⲩⲥ ⲛⲙⲛⲛⲁⲣⲭⲱⲛ ⲙⲛ ⲡⲗⲁⲟⲥ
14 dia hoy izy taminy: Entinareo atỳ amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka; ary, indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok’ ity Lehilahy ity amin’ izay iampanganareo Azy.
ⲓ̅ⲇ̅ⲉϥϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ⲛⲁⲩ ϫⲉ ⲁⲧⲉⲧⲛⲓⲛⲉ ⲛⲁⲓ ⲙⲡⲉⲓⲣⲱⲙⲉ ϩⲱⲥ ⲉϥϣⲧⲟⲣⲧⲣ ⲙⲡⲗⲁⲟⲥ ⲉⲓⲥ ϩⲏⲏⲧⲉ ⲇⲉ ⲁⲓⲕⲣⲓⲛⲉ ⲙⲙⲟϥ ⲙⲡⲉⲧⲛⲙⲧⲟ ⲉⲃⲟⲗ ⲙⲡⲓϩⲉ ⲉⲗⲁⲁⲩ ⲛⲛⲟⲃⲉ ⲛϩⲏⲧϥ ⲛⲁⲓ ⲉⲧⲉⲧⲛⲕⲁⲧⲏⲅⲟⲣⲓ ⲙⲙⲟϥ ⲛϩⲏⲧⲟⲩ
15 Tsia, na dia Heroda koa aza, fa namerina Azy hoy amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy;
ⲓ̅ⲉ̅ⲁⲗⲗⲁ ⲙⲡⲉ ⲡⲕⲉϩⲏⲣⲱⲇⲏⲥ ϩⲉ ⲉⲟⲩⲟⲛ ⲉϩⲟⲩⲛ ⲉⲣⲟϥ ⲁϥⲧⲛⲛⲟⲟⲩϥ ⲅⲁⲣ ⲛⲁⲛ ⲁⲩⲱ ⲉⲓⲥ ϩⲏⲏⲧⲉ ⲙⲡϥⲣ ⲗⲁⲁⲩ ⲉϥⲙⲡϣⲁ ⲙⲡⲙⲟⲩ
16 koa hofaizako Izy, dia halefako.
ⲓ̅ⲋ̅ϯⲛⲁⲡⲁⲓⲇⲉⲩⲉ ϭⲉ ⲙⲙⲟϥ ⲧⲁⲕⲁⲁϥ ⲉⲃⲟⲗ
ⲓ̅ⲍ̅
18 Fa izy rehetra niantso mafy indray miredona nanao hoe: Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho anay!
ⲓ̅ⲏ̅ⲁⲩϫⲓϣⲕⲁⲕ ⲇⲉ ⲉⲃⲟⲗ ⲧⲏⲣⲟⲩ ⲉⲩϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ϥⲓ ⲡⲁⲓ ⲕⲱ ⲛⲁⲛ ⲉⲃⲟⲗ ⲃⲃⲁⲣⲁⲃⲃⲁⲥ
19 Nefa natao tao an-tranomaizina io Barabasy io noho ny fikomiana tao an-tanàna sy ny vonoan-olona.
ⲓ̅ⲑ̅ⲡⲁⲓ ⲉⲛⲧⲁⲩⲛⲟϫϥ ⲉⲡⲉϣⲧⲉⲕⲟ ⲉⲧⲃⲉ ⲟⲩⲥⲧⲁⲥⲓⲥ ⲉⲁⲥϣⲱⲡⲉ ϩⲛ ⲧⲡⲟⲗⲉⲓⲥ ⲛⲙⲟⲩϩⲱⲧⲃ
20 Ary satria tian’ i Pilato halefa Jesosy, dia niteny indray izy.
ⲕ̅ⲁⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ ⲇⲉ ⲟⲛ ϣⲁϫⲉ ⲛⲙⲙⲁⲩ ⲉϥⲟⲩⲱϣ ⲉⲕⲁ ⲓⲏⲥ ⲉⲃⲟⲗ
21 Fa ny olona niantso kosa ka nanao hoe: Homboy, homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy!
ⲕ̅ⲁ̅ⲛⲧⲟⲟⲩ ⲇⲉ ⲁⲩⲁϣⲕⲁⲕ ⲉⲃⲟⲗ ⲉⲣⲟϥ ⲉⲩϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲩ ⲙⲙⲟϥ ⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲩ ⲙⲙⲟϥ
22 Fa hoy izy taminy fanintelony: Ka inona ary no ratsy nataony: tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy koa hofaizako Izy, dia halefako.
ⲕ̅ⲃ̅ⲡⲉϫⲁϥ ⲛⲁⲩ ⲙⲡⲙⲉϩ ϣⲟⲙⲛⲧ ⲛⲥⲟⲡ ϫⲉ ⲟⲩ ⲅⲁⲣ ⲡⲉ ⲡⲡⲉⲑⲟⲟⲩ ⲉⲛⲧⲁ ⲡⲁⲓ ⲁⲁϥ ⲙⲡⲓϩⲉ ⲉⲗⲁⲁⲩ ⲙⲙⲟⲩ ⲉⲣⲟϥ ϯⲛⲁⲡⲁⲓⲇⲉⲩⲉ ϭⲉ ⲙⲙⲟϥ ⲧⲁⲕⲁⲁϥ ⲉⲃⲟⲗ
23 Fa niantso tamin’ ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an’ i Jesosy amin’ ny hazo fijaliana. Ary nahery ny feon’ ny olona.
ⲕ̅ⲅ̅ⲛⲧⲟⲟⲩ ⲇⲉ ⲁⲩⲙⲟⲩⲛ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲛ ϩⲉⲛⲛⲟϭ ⲛⲥⲙⲏ ⲉⲩⲁⲓⲧⲓ ϫⲉ ⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲩ ⲙⲙⲟϥ ⲁⲩⲱ ⲛⲉⲣⲉⲛⲉⲩⲥⲙⲏ ϭⲙϭⲟⲙ
24 Ary Pilato dia nandidy hanao izay nangatahiny.
ⲕ̅ⲇ̅ⲁⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ ⲇⲉ ⲕⲣⲓⲛⲉ ⲉⲉⲓⲣⲉ ⲙⲡⲉⲩⲁⲓⲧⲏⲙⲁ
25 Ary dia nalefany ilay natao tao an-tranomaizina noho ny fikomiana sy ny vonoan-olona, satria io no nangatahiny; fa Jesosy kosa natolony hataony araka ny sitrapony.
ⲕ̅ⲉ̅ⲁϥⲕⲱ ⲉⲃⲟⲗ ⲙⲡⲉⲛⲧⲁⲩⲛⲟϫϥ ⲉⲡⲉϣⲧⲉⲕⲟ ⲉⲧⲃⲉ ⲧⲉⲥⲧⲁⲥⲓⲥ ⲙⲛ ⲫⲱⲧⲃ ⲡⲉⲧⲉ ⲛⲉⲩⲁⲓⲧⲓ ⲙⲙⲟϥ ⲁϥϯ ⲇⲉ ⲛⲓⲏⲥ ⲙⲡⲉⲩⲟⲩⲱϣ
26 Ary raha nitondra an’ i Jesosy izy, dia nitana lehilahy Kyreniana anankiray atao hoe Simona, izay vao avy any an-tsaha, ka nampitondra iny ny hazo fijaliana hanaraka an’ i Jesosy.
ⲕ̅ⲋ̅ⲁⲩⲱ ⲉⲩϫⲓ ⲙⲙⲟϥ ⲉⲃⲟⲗ ⲁⲩⲁⲙⲁϩⲧⲉ ⲛⲟⲩⲕⲩⲣⲏⲛⲁⲓⲟⲥ ϫⲉ ⲥⲓⲙⲱⲛ ⲉϥⲛⲏⲟⲩ ⲉϩⲣⲁⲓ ϩⲛ ⲧⲥⲱϣⲉ ⲁⲩⲧⲁⲗⲉ ⲡⲉϥⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲥ ⲉϫⲱϥ ⲉϥⲓⲧϥ ϩⲓ ⲡⲁϩⲟⲩ ⲛⲓⲏⲥ
27 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ary vehivavy maro izay niteha-tratra sady nitomany Azy.
ⲕ̅ⲍ̅ⲛⲉⲣⲉ ⲟⲩⲙⲏⲏϣⲉ ⲇⲉ ⲙⲡⲗⲁⲟⲥ ⲟⲩⲏϩ ⲛⲥⲱϥ ⲙⲛ ⲛⲉϩⲓⲟⲙⲉ ⲛⲁⲓ ⲉⲛⲉⲩⲛⲉϩⲡⲉ ⲡⲉ ⲁⲩⲱ ⲛⲉⲩⲧⲟⲓⲧ ⲉⲣⲟϥ
28 Fa Jesosy nitodika azy ka nanao hoe: Ry zanakavavin’ i Jerosalema, aza mitomany Ahy, fa mitomania ny tenanareo sy ny zanakareo.
ⲕ̅ⲏ̅ⲁⲓⲏⲥ ⲇⲉ ⲕⲟⲧϥ ⲉⲡⲁϩⲟⲩ ⲡⲉϫⲁϥ ⲛⲁⲩ ϫⲉ ⲛϣⲉⲉⲣⲉ ⲛⲑⲓⲉⲣⲟⲥⲟⲗⲩⲙⲁ ⲙⲡⲣⲣⲓⲙⲉ ⲛⲁⲓ ⲡⲗⲏⲛ ⲣⲓⲙⲉ ⲛⲧⲟϥ ⲛⲏⲧⲛ ⲙⲛ ⲛⲉⲧⲛϣⲏⲣⲉ
29 Fa, indro, ho avy ny andro izay hilazany hoe: Sambatra ny momba sy ny kibo izay tsy niteraka ary ny nono izay tsy ninonoan-jaza.
ⲕ̅ⲑ̅ϫⲉ ⲉⲓⲥ ϩⲏⲏⲧⲉ ⲟⲩⲛ ϩⲉⲛϩⲟⲟⲩ ⲛⲏⲟⲩ ⲛⲥⲉϫⲟⲟⲥ ⲛϩⲏⲧⲟⲩ ϫⲉ ⲛⲁⲓⲁⲧⲟⲩ ⲛⲛⲁϭ ⲣⲏⲛ ⲙⲛ ⲛϩⲏ ⲉⲧⲉ ⲙⲡⲟⲩⲙⲓⲥⲉ ⲙⲛ ⲛⲉⲕⲓⲃⲉ ⲉⲧⲉ ⲙⲡⲟⲩⲧⲥⲛⲕⲟ
30 Dia hilaza amin’ ny tendrombohitra hoe izy: Mianjerà aminay; ary amin’ ny havoana hoe: Saròny izahay.
ⲗ̅ⲧⲟⲧⲉ ⲥⲉⲛⲁⲁⲣⲭⲓ ⲛϫⲟⲟⲥ ⲛⲛⲧⲟⲟⲩ ϫⲉ ϩⲉ ⲉϩⲣⲁⲓ ⲉϫⲱⲛ ⲁⲩⲱ ⲛⲥⲓⲃⲉⲧ ϫⲉ ϩⲟⲃⲥⲛ
31 Fa raha ataony amin’ ny hazo maitso izany hatao ahoana amin’ ny maina?
ⲗ̅ⲁ̅ϫⲉ ⲉϣϫⲉ ⲥⲉⲉⲓⲣⲉ ⲛⲛⲁⲓ ϩⲙ ⲡϣⲉ ⲉⲧⲟⲩⲱⲧ ⲉⲉⲓⲉ ⲟⲩ ⲡⲉⲧⲛⲁϣⲱⲡⲉ ϩⲙ ⲡⲉⲧϣⲟⲩⲱⲟⲩ
32 Ary nisy olon-dratsy roa lahy nentina hiaraka hovonoina aminy koa.
ⲗ̅ⲃ̅ⲁⲩⲛ ⲕⲉⲥⲟⲟⲛⲉ ⲇⲉ ⲥⲛⲁⲩ ⲉⲃⲟⲗ ⲉⲙⲟⲟⲩⲧⲟⲩ ⲛⲙⲙⲁϥ
33 Ary rehefa tonga teo amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’ i Jesosy sy ireo olon-dratsy ireo, ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany.
ⲗ̅ⲅ̅ⲁⲩⲱ ⲛⲧⲉⲣⲟⲩⲉⲓ ⲉϫⲙ ⲡⲙⲁ ⲉϣⲁⲩⲙⲟⲩⲧⲉ ⲉⲣⲟϥ ϫⲉ ⲡⲉⲕⲣⲁⲛⲓⲟⲛ ⲁⲩⲥⲧⲁⲩⲣⲟⲩ ⲙⲙⲟϥ ⲛⲙⲙⲁⲩ ⲙⲛ ⲡⲕⲉⲥⲟⲟⲛⲉ ⲥⲛⲁⲩ ⲟⲩⲁ ⲙⲉⲛ ϩⲓ ⲟⲩⲛⲁⲙ ⲙⲙⲟϥ ⲟⲩⲁ ⲇⲉ ϩⲓϩⲃⲟⲩⲣ ⲙⲙⲟϥ
34 Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany.
ⲗ̅ⲇ̅ⲁⲩⲡⲱϣ ⲛⲛⲉϥϩⲟⲓⲧⲉ ⲁⲩⲱ ⲁⲩⲛⲉϫ ⲕⲗⲏⲣⲟⲥ ⲉϫⲱⲟⲩ
35 Ary ny olona nijanona teo ka nijery. Ary ny loholona kosa mba nandatsa ka nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy; aoka hovonjeny ny tenany, raha Izy no Kristin’ Andriamanitra, dia Ilay nofidina.
ⲗ̅ⲉ̅ⲁⲩⲱ ⲛⲉⲣⲉⲡⲗⲁⲟⲥ ⲡⲉ ⲁϩⲉⲣⲁⲧϥ ⲉⲩⲛⲁⲩ ⲡⲉ ⲁⲛⲕⲉⲁⲣⲭⲱⲛ ⲇⲉ ⲕⲱⲙϣ ⲛⲥⲱϥ ⲉⲩϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲁϥⲧⲟⲩϫⲉ ϩⲉⲛⲕⲟⲟⲩⲉ ⲙⲁⲣⲉϥⲧⲟⲩϫⲟϥ ⲉϣϫⲉ ⲡⲁⲓ ⲡⲉ ⲡⲉⲭⲥ ⲡⲥⲱⲧⲡ ⲡϣⲏⲣⲉ ⲙⲡⲛⲟⲩⲧⲉ
36 Ary ny miaramila koa nihomehy Azy, dia nankeo ka nanome Azy vinaingitra,
ⲗ̅ⲋ̅ⲁⲛⲕⲉⲙⲁⲧⲟⲓ ⲇⲉ ⲥⲱⲃⲉ ⲛⲥⲱϥ ⲉⲩϯ ⲙⲡⲉⲩⲟⲩⲟⲓ ⲉⲣⲟϥ ⲙⲛ ⲟⲩϩⲙϫ
37 sady nanao hoe: Raha Hianao no Mpanjakan’ ny Jiosy, vonjeo ny tenanao.
ⲗ̅ⲍ̅ⲉⲩϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲉϣϫⲉ ⲛⲧⲟⲕ ⲡⲉ ⲡⲣⲣⲟ ⲛⲓⲟⲩⲇⲁⲓ ⲙⲁⲧⲟⲩϫⲟⲕ
38 Ary nisy soratra teo amboniny nanao hoe: ITY NO MPANJAKAN’ NY JIOSY.
ⲗ̅ⲏ̅ⲛⲉⲩⲛⲟⲩⲉⲡⲓⲅⲣⲁⲫⲏ ⲇⲉ ϩⲓϫⲱϥ ϫⲉ ⲡⲁⲓ ⲡⲉ ⲡⲣⲣⲟ ⲛⲓⲟⲩⲇⲁⲓ
39 Ary ny anankiray tamin’ ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay.
ⲗ̅ⲑ̅ⲛⲉⲩⲛ ⲟⲩⲁ ⲇⲉ ⲛⲛⲥⲟⲟⲛⲉ ⲉⲧⲁϣⲉ ϫⲓⲟⲩⲁ ⲉⲣⲟϥ ⲉϥϫⲱ ⲙⲙⲱⲥ ϫⲉ ⲙⲏ ⲛⲧⲟⲕ ⲁⲛ ⲡⲉ ⲡⲉⲭⲥ ⲙⲁⲧⲟⲩϫⲟⲕ ⲛⲙⲙⲁⲛ
40 Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa ianao koa tsy mba matahotra an’ Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza?
ⲙ̅ⲁⲡⲕⲉⲟⲩⲁ ⲇⲉ ⲟⲩⲱϣⲃ ⲉϥⲁⲓⲡⲓⲧⲓⲙⲁ ⲛⲁϥ ⲉϥϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲛⲕⲣ ϩⲟⲧⲉ ⲛⲧⲟⲕ ⲁⲛ ϩⲏⲧϥ ⲙⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ϫⲉ ⲉⲛϣⲟⲟⲡ ⲙⲡⲉⲓⲕⲣⲓⲙⲁ ⲟⲩⲱⲧ
41 Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza.
ⲙ̅ⲁ̅ⲁⲛⲟⲛ ⲅⲁⲣ ⲇⲓⲕⲁⲓⲱⲥ ⲡⲉⲙⲡϣⲁ ⲅⲁⲣ ⲛⲛⲉⲛⲧⲁⲛⲁⲁⲩ ⲡⲉⲧⲛⲛⲁϫⲓ ⲙⲙⲟϥ ⲡⲁⲓ ⲇⲉ ⲙⲡϥⲣ ⲗⲁⲁⲩ ⲛϩⲱⲃ ⲉⲙⲉϣϣⲉ
42 Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ ny fanjakanao Hianao.
ⲙ̅ⲃ̅ⲁⲩⲱ ⲡⲉϫⲁϥ ϫⲉ ⲓⲏⲥ ⲁⲣⲓⲡⲁⲙⲉⲩⲉ ⲡϫⲟⲉⲓⲥ ⲉⲕϣⲁⲛⲉⲓ ϩⲛ ⲧⲉⲕⲙⲛⲧⲣⲣⲟ
43 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.
ⲙ̅ⲅ̅ⲡⲉϫⲁϥ ⲇⲉ ⲛⲁϥ ϫⲉ ϩⲁⲙⲏⲛ ϯϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ⲛⲁⲕ ⲙⲡⲟⲟⲩ ϫⲉ ⲕⲛⲁϣⲱⲡⲉ ⲛⲙⲙⲁⲓ ϩⲙ ⲡⲡⲁⲣⲁⲇⲉⲓⲥⲟⲥ
44 Ary rehefa tokony ho tamin’ ny ora fahenina, dia maizina ny tany rehetra ka naharitra hatramin’ ny ora fahasivy izany,
ⲙ̅ⲇ̅ⲛⲉ ⲡⲛⲁⲩ ⲇⲉ ⲛϫⲡ ⲡⲥⲟ ⲡⲉ ⲁⲩⲕⲁⲕⲉ ϣⲱⲡⲉ ⲉϫⲙ ⲡⲕⲁϩ ⲧⲏⲣϥ ϣⲁ ϫⲡ ⲯⲓⲧⲉ
45 satria nihamaizina ny masoandro, ary triatra misasaka ny efitra lamba teo amin’ ny tempoly.
ⲙ̅ⲉ̅ⲉⲣⲉ ⲡⲣⲏ ⲇⲉ ⲛⲁϩⲱⲧⲡ ⲁⲡⲕⲁⲧⲁⲡⲉⲧⲁⲥⲙⲁ ⲙⲡⲉⲣⲡⲉ ⲡⲱϩ ϩⲓ ⲧⲉϥⲙⲏⲧⲉ
46 Ary niantso tamin’ ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy.
ⲙ̅ⲋ̅ⲁⲓⲏⲥ ϫⲓϣⲕⲁⲕ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲛ ⲟⲩⲛⲟϭ ⲛⲥⲙⲏ ⲡⲉϫⲁϥ ϫⲉ ⲡⲁⲓⲱⲧ ϯϯ ⲙⲡⲁⲡⲛⲁ ⲉⲛⲉⲕϭⲓϫ ⲛⲧⲉⲣⲉϥϫⲉ ⲡⲁⲓ ⲇⲉ ⲁϥⲕⲁ ⲡⲧⲏⲟⲩ
47 Ary ny kapiteny, raha nahita izay zavatra tonga teo, dia nankalaza an’ Andriamanitra ka nanao hoe: Lazaiko tokoa fa marina io Lehilahy io.
ⲙ̅ⲍ̅ⲁⲫⲉⲕⲁⲧⲟⲛⲧⲁⲣⲭⲟⲥ ⲇⲉ ⲛⲁⲩ ⲉⲡⲉⲛⲧⲁϥϣⲱⲡⲉ ⲁϥϯ ⲉⲟⲟⲩ ⲙⲡⲛⲟⲩⲧⲉ ⲉϥϫⲱ ⲙⲙⲟⲥ ϫⲉ ⲟⲛⲧⲱⲥ ⲛⲉ ⲟⲩⲇⲓⲕⲁⲓⲟⲥ ⲡⲉ ⲡⲉⲓⲣⲱⲙⲉ
48 Ary ny vahoaka rehetra izay vory teo mba hijery izany, raha nahita ny zavatra tonga teo, dia niverina miteha-tratra.
ⲙ̅ⲏ̅ⲁⲩⲱ ⲙⲙⲏⲏϣⲉ ⲛⲧⲉⲣⲟⲩⲉⲓ ⲉⲛⲁⲩ ⲛⲧⲉⲣⲟⲩⲛⲁⲩ ⲉⲛⲉⲛⲧⲁⲩϣⲱⲡⲉ ⲁⲩϩⲓⲟⲩⲉ ⲉϩⲟⲩⲛ ⲉⲛⲉⲩⲙⲉⲥⲑⲏⲧ ⲁⲩⲱ ⲁⲩⲕⲟⲧⲟⲩ
49 Fa ny olom-pantany rehetra sy ny vehivavy izay nanaraka Azy avy tany Galilia dia nijanona teny lavidavitra eny nijery izany zavatra izany.
ⲙ̅ⲑ̅ⲛⲉⲣⲉⲛⲉⲧⲥⲟⲟⲩⲛ ⲇⲉ ⲙⲙⲟϥ ⲧⲏⲣⲟⲩ ⲡⲉ ⲁϩⲉⲣⲁⲧⲟⲩ ⲙⲡⲟⲩⲉ ⲙⲛ ⲛⲉϩⲓⲟⲙⲉ ⲉⲛⲉⲩⲟⲩⲏϩ ⲛⲥⲱϥ ϫⲓⲛ ⲧⲅⲁⲗⲓⲗⲁⲓⲁ ⲉⲩⲛⲁⲩ ⲉⲛⲁⲓ
50 Ary, indro, nisy lehilahy atao hoe Josefa, izay isan’ ny Synedriona, dia lehilahy tsara fanahy sady marina.
ⲛ̅ⲉⲓⲥ ⲟⲩⲣⲱⲙⲉ ⲇⲉ ⲉⲡⲉϥⲣⲁⲛ ⲡⲉ ⲓⲱⲥⲏⲫ ⲉⲩⲃⲟⲩⲗⲉⲩⲧⲏⲥ ⲡⲉ ⲣⲣⲱⲙⲉ ⲛⲁⲅⲁⲑⲟⲥ ⲛⲇⲓⲕⲁⲓⲟⲥ
51 Izany lehilahy izany tsy nanaiky ny hevitra sy ny nataon’ ny sasany; avy tany Arimatia, tanànan’ ny Jiosy, izy sady niandry ny fanjakan’ Andriamanitra.
ⲛ̅ⲁ̅ⲡⲁⲓ ⲉⲛϥϥⲓ ⲁⲛ ⲙⲛ ⲡⲉⲩϣⲟϫⲛⲉ ⲁⲩⲱ ⲡⲉⲩϩⲱⲃ ⲉⲩⲉⲃⲟⲗ ⲡⲉ ϩⲛ ⲁⲣⲓⲙⲁⲑⲁⲓⲁ ⲧⲡⲟⲗⲓⲥ ⲛⲓⲟⲩⲇⲁⲓ ⲡⲁⲓ ⲉⲛⲉϥϭⲱϣⲧ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲏⲧⲥ ⲛⲧⲙⲛⲧⲣⲣⲟ ⲙⲡⲛⲟⲩⲧⲉ
52 Izany lehilahy izany dia nankao amin’ i Pilato ka nangataka ny fatin’ i Jesosy.
ⲛ̅ⲃ̅ⲡⲁⲓ ϭⲉ ⲁϥϯ ⲡⲉϥⲟⲩⲟⲓ ⲉⲡⲓⲗⲁⲧⲟⲥ ⲁϥⲁⲓⲧⲓ ⲙⲡⲥⲱⲙⲁ ⲛⲓⲏⲥ
53 Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika, dia naleviny tao amin’ ny fasana nolavahana tamin’ ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona.
ⲛ̅ⲅ̅ⲁϥⲛⲧϥ ⲉⲡⲉⲥⲏⲧ ⲁϥⲕⲟⲟⲥϥ ϩⲛ ⲟⲩⲥⲓⲛⲇⲱⲛ ⲁϥⲕⲁⲁϥ ϩⲛ ⲟⲩⲙϩⲁⲟⲩ ⲉⲁⲩⲕⲉϩⲕⲱϩϥ ⲉⲙⲡⲟⲩⲕⲁ ⲗⲁⲁⲩ ⲛϩⲏⲧϥ ⲉⲛⲉϩ ⲁⲩⲱ ⲛⲧⲉⲣⲉϥⲕⲁⲁϥ ⲇⲉ ⲁⲩⲟⲩⲉϩ ⲟⲩⲱⲛⲉ ⲉⲣⲛ ⲧⲧⲁⲡⲣⲟ ⲙⲡⲉⲙϩⲁⲟⲩ ⲡⲁⲓ ⲉⲛⲉ ⲙⲟⲅⲓⲥ ⲉⲛⲉⲣⲉ ϣϫⲟⲩⲱⲧ ⲣⲣⲱⲙⲉ ⲛⲁϣ ⲥⲕⲣⲕⲱⲣϥ
54 Ary andro fiomanana izany andro izany, ka efa antomotra ny Sabata.
ⲛ̅ⲇ̅ⲛⲉ ⲡⲉϩⲟⲟⲩ ⲇⲉ ⲡⲉ ⲛⲧⲡⲁⲣⲁⲥⲕⲉⲩⲏ ⲉϩⲧⲟⲟⲩⲉ ⲙⲡⲥⲁⲃⲃⲁⲧⲟⲛ
55 Ary ny vehivavy izay nomba Azy avy tany Galilia dia nanaraka teo aoriana ka nahita ny fasana sy izay fampandriny ny faty.
ⲛ̅ⲉ̅ⲁⲛⲉϩⲓⲟⲙⲉ ⲇⲉ ⲟⲩⲁϩⲟⲩ ⲛⲥⲱϥ ⲛⲁⲉⲓ ⲉⲛⲧⲁⲩⲉⲓ ⲛⲙⲙⲁϥ ⲉⲃⲟⲗ ϩⲛ ⲧⲅⲁⲗⲓⲗⲁⲓⲁ ⲉⲩⲛⲁⲩ ⲉⲡⲉⲙϩⲁⲟⲩ ⲙⲛ ⲑⲉ ⲉⲛⲧⲁϥⲕⲁ ⲡⲉϥⲥⲱⲙⲁ ⲙⲙⲟⲥ
56 Ary niverina ireo ka namboatra zava-manitra sy menaka manitra. Ary tamin’ ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna.
ⲛ̅ⲋ̅ⲁⲩⲕⲟⲧⲟⲩ ⲇⲉ ⲁⲩⲥⲟⲃⲧⲉ ⲛϩⲉⲛϩⲏⲛⲉ ⲙⲛ ϩⲉⲛⲥⲧⲟ ⲁⲩⲱ ⲁⲩϭⲱ ⲙⲡⲥⲁⲃⲃⲁⲧⲟⲛ ⲕⲁⲧⲁ ⲧⲉⲛⲧⲟⲗⲏ

< Lioka 23 >