< Lioka 20 >
1 Ary tamin’ ny andro anankiray, raha nampianatra ny olona teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nitory ny filazantsara, dia nanatona ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
Siku moja, Yesu alipokuwa akiwafundisha watu Hekaluni na kuwahubiria juu ya Habari Njema, makuhani wakuu na walimu wa Sheria pamoja na wazee walifika,
2 ka niteny taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary iza no nanome Anao izany fahefana izany?
wakasema, “Tuambie! Unafanya mambo haya kwa mamlaka gani?”
3 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko:
Yesu akawaambia, “Na mimi nitawaulizeni swali:
4 Ny batisan’ i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona?
mamlaka ya Yohane ya kubatiza yalitoka kwa Mungu au kwa watu?”
5 Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?
Lakini wao wakajadiliana hivi: “Tukisema yalitoka mbinguni, yeye atatuuliza: Mbona hamkumsadiki?
6 Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona.
Na tukisema yalitoka kwa binadamu, watu wote hapa watatupiga mawe, maana wote wanaamini kwamba Yohane alikuwa nabii.”
7 Dia namaly ireo fa tsy fantany izay nihaviany.
Basi, wakamwambia, “Hatujui mamlaka hayo yalitoka wapi.”
8 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
Yesu akawaambia, “Hata mimi sitawaambia ninafanya mambo haya kwa mamlaka gani.”
9 Dia nilaza izao fanoharana izao tamin’ ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy.
Yesu akaendelea kuwaambia watu mfano huu: “Mtu mmoja alilima shamba la mizabibu, akalikodisha kwa wakulima; kisha akasafiri hadi nchi ya mbali, akakaa huko kwa muda mrefu.
10 Ary tamin’ ny fotoana dia naniraka mpanompo hankany amin’ ny mpiasa tany izy mba handray amin’ ny vokatry ny tanim-boaloboka; fa ny mpiasa tany nikapoka azy ka nampandeha azy maina.
Wakati wa mavuno, mtu huyo alimtuma mtumishi wake kwa wale wakulima, akachukue sehemu ya matunda ya shamba la mizabibu. Lakini wale wakulima wakampiga mtumishi huyo wakamrudisha mikono mitupu.
11 Dia naniraka mpanompo anankiray koa izy; ary nokapohiny mafy koa iny sady nalany baraka ka nampandehaniny maina.
Yule bwana akamtuma tena mtumishi mwingine; lakini wao wakampiga huyo vilevile na kumtendea vibaya, wakamrudisha mikono mitupu.
12 Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny.
Akamtuma tena wa tatu; huyu naye, baada ya kumwumiza, wakamfukuza.
13 Dia hoy ny tompon’ ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy.
Yule mwenye shamba akafikiri: Nitafanya nini? Nitamtuma mwanangu mpenzi; labda watamjali yeye.
14 Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova.
Wale wakulima walipomwona tu, wakasemezana: Huyu ndiye mrithi. Basi, tumwue ili urithi wake uwe wetu.
15 Dia namoaka azy tany ivelan’ ny tanim-boaloboka izy ka namono azy. Hataon’ ny tompon’ ny tanim-boaloboka ahoana moa izy amin’ izany?
Basi, wakamtoa nje ya lile shamba la mizabibu, wakamwua.” Yesu akauliza, “Yule mwenye shamba atawafanya nini hao wakulima?
16 Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany!
Atakuja kuwaangamiza wakulima hao, na atawapa wakulima wengine hilo shamba la mizabibu.” Watu waliposikia maneno hayo, walisema: “Hasha! Yasitukie hata kidogo!”
17 Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro?
Lakini Yesu akawatazama, akawaambia, “Maandiko haya Matakatifu yana maana gani basi? Jiwe walilokataa waashi, sasa limekuwa jiwe kuu la msingi!
18 Izay rehetra potraka amin’ izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza na iza no ianjerany dia ho mongomongo.
Mtu yeyote akianguka juu ya jiwe hilo, atavunjika vipandevipande; na likimwangukia mtu yeyote, litamsaga kabisa.”
19 Ary tamin’ izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan’ ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin’ izany fanoharana izany.
Walimu wa Sheria na makuhani wakuu walifahamu kwamba mfano huo ulikuwa unawahusu, na hivyo walitaka kumkamata palepale, ila tu waliogopa watu.
20 Ary nizaha taratra an’ i Jesosy izy ka naniraka mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy amin’ ny teniny, hanolorany Azy ho amin’ ny hery sy ny fahefan’ ny governora.
Basi, wakawa wanatafuta wakati wa kufaa. Wakawahonga watu fulani wajisingizie kuwa wema, wakawatuma wamnase Yesu kwa maswali, na hivyo waweze kumtia nguvuni na kumpeleka kwa wakuu wa serikali.
21 Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan’ olona, fa mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra:
Hao wapelelezi wakamwambia, “Mwalimu, tunajua kwamba unasema na kufundisha mambo ya kweli; tunajua kwamba wewe huna ubaguzi; wewe wafundisha ukweli juu ya njia ya Mungu.
22 Mety va raha mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara izahay, sa tsia?
Basi, twambie kama ni halali, au la, kulipa kodi kwa Kaisari!”
23 Fa Jesosy nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy hoe:
Yesu alitambua mtego wao, akawaambia,
24 Mampisehoa denaria amiko. An’ iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An’ i Kaisara.
“Nionyesheni sarafu. Je, sura na chapa ni vya nani?”
25 Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara ary izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra.
Nao wakamjibu, “Ni vya Kaisari.” Yesu akawaambia, “Basi, mpeni Kaisari vilivyo vyake Kaisari, na Mungu vilivyo vyake Mungu.”
26 Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan’ ny olona izany teny izany sady gaga izy noho ny famaliny ka nangina.
Hawakufaulu kumnasa kwa neno lolote pale mbele ya watu na hivyo wakakaa kimya wakilistaajabia jibu lake.
27 Ary ny sasany tamin’ ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe:
Kisha Masadukayo, ambao husema kwamba wafu hawafufuki, wakamjia Yesu, wakasema:
28 Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin’ ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
“Mwalimu, Mose alituandikia kwamba kama ndugu ya mtu fulani akifa na kumwacha mjane wake bila watoto, ni lazima ndugu yake amchukue huyo mama mjane, amzalie watoto ndugu yake marehemu.
29 Koa nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
Sasa, wakati mmoja kulikuwa na ndugu saba. Yule wa kwanza alioa na baadaye akafa bila kuacha mtoto.
Yule ndugu wa pili akamwoa yule mjane, naye pia, akafa;
31 sy ny fahatelo koa nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon’ izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy.
na ndugu wa tatu vilevile. Mambo yakawa yaleyale kwa wote saba—wote walikufa bila kuacha watoto.
32 Ary farany dia maty koa ravehivavy.
Mwishowe akafa pia yule mwanamke.
33 Koa amin’ ny fitsanganan’ ny maty ho vadin’ iza moa ravehivavy? fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.
Je, siku wafu watakapofufuliwa, mwanamke huyo atakuwa mke wa nani? Alikuwa ameolewa na wote saba.”
34 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak’ izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina; (aiōn )
Yesu akawaambia, “Watu wa nyakati hizi huoa na kuolewa; (aiōn )
35 fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina; (aiōn )
lakini wale ambao Mungu atawawezesha kushiriki ule wakati wa ufufuo, hawataoa wala kuolewa. (aiōn )
36 ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin’ ny anjely sady zanak’ Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin’ ny maty.
Ama hakika, hawawezi kufa tena, kwa sababu watakuwa kama malaika, na ni watoto wa Mungu kwa vile wamefufuliwa katika wafu.
37 Ary Mosesy aza nanambara teo amin’ ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an’ i Jehovah hoe Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba.
Lakini, kwamba kuna kufufuka kutoka wafu, hata Mose alithibitisha jambo hilo katika Maandiko Matakatifu. Katika sehemu ya Maandiko Matakatifu juu ya kile kichaka kilichokuwa kinawaka moto, anamtaja Bwana kama Mungu wa Abrahamu, Isaka na Yakobo.
38 Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ ny velona; fa velona ho an’ Andriamanitra avokoa izy rehetra.
Basi, yeye si Mungu wa wafu, bali ni Mungu wa wale walio hai; maana wale aliowaita kwake, wanaishi naye.”
39 Ary ny mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.
Baadhi ya wale walimu wa Sheria wakasema, “Mwalimu, umejibu vema kabisa.”
40 Fa tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo.
Walisema hivyo kwa sababu hawakuthubutu kumwuliza tena maswali mengine.
41 Ary hoy Jesosy taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak’ i Davida?
Yesu akawauliza, “Yasemekanaje kwamba Kristo ni mwana wa Daudi?
42 Fa Davida ihany no milaza eo amin’ ny bokin’ ny Salamo hoe: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
Maana Daudi mwenyewe anasema katika Zaburi: Bwana alimwambia Bwana wangu: Keti upande wangu wa kulia
43 Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran’ ny tongotrao.
mpaka niwafanye adui zako kama kiti cha kuwekea miguu yako.
44 Davida amin’ izany manao Azy hoe Tompo; koa ahoana no maha-zanany Azy?
Ikiwa Daudi anamwita yeye, Bwana, basi atakuwaje mwanawe?”
45 Ary hoy Jesosy tamin’ ny mpianany teo anatrehan’ ny olona rehetra:
Yesu aliwaambia wanafunzi wake mbele ya watu wote,
46 Mitandrema ny amin’ ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain’ ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin’ ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin’ ny fanasana,
“Jihadharini na walimu wa Sheria ambao hupenda kupitapita wamevalia kanzu. Hupenda kusalimiwa na watu kwa heshima masokoni, huketi mahali pa heshima katika masunagogi na kuchukua nafasi za heshima katika karamu.
47 ary mandany ny tranon’ ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
Huwadhulumu wajane huku wakisingizia kuwa wema kwa kusali sala ndefu. Hao watapata hukumu kali zaidi!”