< Lioka 20 >

1 Ary tamin’ ny andro anankiray, raha nampianatra ny olona teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nitory ny filazantsara, dia nanatona ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona
I stalo se těch dnů v jeden den, když on učil lid v chrámě, a kázal evangelium, že přišli k tomu přední kněží a zákonníci s staršími.
2 ka niteny taminy hoe: Lazao aminay: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao zavatra izao? ary iza no nanome Anao izany fahefana izany?
I řekli jemu: pověz nám, jakou mocí tyto věci činíš, aneb kdo jest ten, kterýž tobě tuto moc dal?
3 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izaho kosa mba hanontany anareo zavatra iray loha, ka lazao amiko:
I odpověděv, řekl jim: Otížiť se i já vás na jednu věc; protož pověztež mi:
4 Ny batisan’ i Jaona avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ ny olona?
Křest Janův s nebe-li byl, čili z lidí?
5 Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hataony hoe: Nahoana no tsy nino azy ianareo?
Oni pak uvažovali to mezi sebou, řkouce: Jestliže bychom řekli: S nebe, díť: Pročež jste tedy neuvěřili jemu?
6 Fa raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ ny olona, dia hitora-bato antsika ny vahoaka rehetra, satria inoany ho mpaminany Jaona.
Pakli díme: Z lidí, lid všecken ukamenuje nás; nebo cele tak drží, že Jan jest prorok.
7 Dia namaly ireo fa tsy fantany izay nihaviany.
I odpověděli: Že nevědí, odkud byl.
8 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao zavatra izao.
I řekl jim Ježíš: Aniž já vám povím, jakou mocí toto činím.
9 Dia nilaza izao fanoharana izao tamin’ ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy.
I počal lidu praviti podobenství toto: Člověk jeden štípil vinici, a pronajal ji vinařům, a sám odšel přes pole na dlouhé časy.
10 Ary tamin’ ny fotoana dia naniraka mpanompo hankany amin’ ny mpiasa tany izy mba handray amin’ ny vokatry ny tanim-boaloboka; fa ny mpiasa tany nikapoka azy ka nampandeha azy maina.
A v čas slušný poslal k těm vinařům služebníka, aby užitek z vinice dali jemu. Ti pak vinaři zmrskavše jej, pustili prázdného.
11 Dia naniraka mpanompo anankiray koa izy; ary nokapohiny mafy koa iny sady nalany baraka ka nampandehaniny maina.
I poslal druhého služebníka. Oni pak i toho zmrskavše a zohavivše, pustili prázdného.
12 Dia naniraka anankiray koa izy; ary iny koa dia nataony naratra ka noroahiny.
I poslal třetího. Ale oni i toho zranivše, vystrčili ven.
13 Dia hoy ny tompon’ ny tanim-boaloboka: Inona re no hataoko? Haniraka ny zanako malalako aho; angamba hanaja azy izy.
Tedy řekl pán té vinice: Co učiním? Pošli svého milého syna. Snad když toho uzří, ustýdnou se.
14 Fa raha nahita iny ny mpiasa tany, dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ity no mpandova; andeha hovonointsika io, mba ho antsika ny lova.
Ale vinaři uzřevše jej, rozmlouvali mezi sebou, řkouce: Tentoť jest dědic; poďte, zabíme jej, aby naše bylo to dědictví.
15 Dia namoaka azy tany ivelan’ ny tanim-boaloboka izy ka namono azy. Hataon’ ny tompon’ ny tanim-boaloboka ahoana moa izy amin’ izany?
A vystrčivše jej ven z vinice, zamordovali. Což tedy učiní jim pán té vinice?
16 Hankany izy, dia hamono ireo mpiasa tany ireo, ka homeny olon-kafa ny tanim-boaloboka. Ary raha nahare izany ireo, dia hoy izy: Sanatria izany!
Přijde a vyhladí vinaře ty, a dá vinici jiným. To uslyšavše, řekli: Odstup to.
17 Ary Jesosy nijery azy ka nanao hoe: Ahoana moa izao voasoratra izao: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro?
Ale on pohleděv na ně, řekl: Co jest pak to, což napsáno jest: Kámen, kterýmž pohrdli stavitelé, ten učiněn jest v hlavu úhelní?
18 Izay rehetra potraka amin’ izany vato izany dia ho torotoro; fa na iza na iza no ianjerany dia ho mongomongo.
Každý, kdož padne na ten kámen, rozrazí se; a na kohož by on upadl, potřeť jej.
19 Ary tamin’ izany ora izany dia nitady hisambotra Azy ny mpanora-dalàna sy ny lohan’ ny mpisorona; nefa natahotra ny olona izy, satria fantany fa izy no nolazainy tamin’ izany fanoharana izany.
I hledali přední kněží a zákonníci, jak by naň vztáhli ruce v tu hodinu, ale báli se lidu. Nebo porozuměli, že by na ně mluvil podobenství to.
20 Ary nizaha taratra an’ i Jesosy izy ka naniraka mpitsikilo, izay nody ho marina, mba hamandrika Azy amin’ ny teniny, hanolorany Azy ho amin’ ny hery sy ny fahefan’ ny governora.
Tedy střehouce ho, poslali špehéře, kteříž by se spravedlivými činili, aby ho polapili v řeči, a potom jej vydali vrchnosti a v moc hejtmanu.
21 Ary ireo nanontany Azy ka nanao hoe: Mpampianatra ô, fantatray fa miteny sy mampianatra marina Hianao ka tsy mizaha tavan’ olona, fa mampianatra marina ny lalan’ Andriamanitra:
I otázali se ho, řkouce: Mistře, víme, že právě mluvíš a učíš, a nepřijímáš osoby, ale v pravdě cestě Boží učíš.
22 Mety va raha mandoa vola hetra ho an’ i Kaisara izahay, sa tsia?
Sluší-li nám daň dávati císaři, čili nic?
23 Fa Jesosy nahafantatra ny fihendreny ka nanao taminy hoe:
Ale porozuměv chytrosti jejich, dí jim: Co mne pokoušíte?
24 Mampisehoa denaria amiko. An’ iza moa io sary sy soratra eo aminy io? Hoy ireo: An’ i Kaisara.
Ukažte mi peníz. Čí má obraz a nápis? I odpověděvše, řekli: Císařův.
25 Dia hoy Jesosy taminy: Aloavy ho an’ i Kaisara ary izay an’ i Kaisara, ary ho an’ Andriamanitra izay an’ Andriamanitra.
On pak řekl jim: Dejtež tedy, co jest císařova, císaři, a co jest Božího, Bohu.
26 Ary tsy sahiny nitanana Azy teo anatrehan’ ny olona izany teny izany sady gaga izy noho ny famaliny ka nangina.
I nemohli ho za slovo popadnouti před lidem, a divíce se odpovědi jeho, umlkli.
27 Ary ny sasany tamin’ ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ ny maty, dia nanatona ka nanontany Azy hoe:
Přistoupivše pak někteří z saduceů, (kteříž odpírají býti vzkříšení, ) otázali se ho,
28 Mpampianatra ô, Mosesy nanoratra ho antsika hoe: Raha misy manan-drahalahy maty momba, ka mbola velona ny vadin’ ny maty, dia aoka ny rahalahiny hampakatra an-dravehivavy ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny.
Řkouce: Mistře, Mojžíš napsal nám: Kdyby bratr něčí umřel, maje manželku, a umřel by bez dětí, aby ji pojal bratr jeho za manželku, a vzbudil símě bratru svému.
29 Koa nisy fito mirahalahy; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty momba.
I bylo sedm bratří, a první pojav ženu, umřel bez dětí.
30 Ary ny faharoa
I pojal druhý tu ženu, a umřel i ten bez dětí.
31 sy ny fahatelo koa nampakatra azy; ary tahaka izany avokoa no nataon’ izy fito mirahalahy; nefa maty momba avokoa izy.
Potom třetí pojal ji, též i všech těch sedm, a nezůstavivše dětí, zemřeli.
32 Ary farany dia maty koa ravehivavy.
Nejposléze po všech umřela i ta žena.
33 Koa amin’ ny fitsanganan’ ny maty ho vadin’ iza moa ravehivavy? fa samy efa nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.
Protož při vzkříšení, kterého z nich bude ta žena, poněvadž sedm jich mělo ji za manželku?
34 Ary Jesosy nanao taminy hoe: Ny zanak’ izao fiainana izao dia mampaka-bady sady avoaka hampakarina; (aiōn g165)
A odpovídaje, řekl jim Ježíš: Synové tohoto věku žení se a vdávají. (aiōn g165)
35 fa izay atao miendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ ny maty kosa dia tsy raha mampaka-bady, na avoaka hampakarina; (aiōn g165)
Ale ti, kteříž hodni jmíni budou dosáhnouti onoho věku a vzkříšení z mrtvých, ani se ženiti nebudou ani vdávati. (aiōn g165)
36 ary tsy mety maty intsony izy, fa mitovy amin’ ny anjely sady zanak’ Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin’ ny maty.
Nebo ani umírati více nebudou moci, andělům zajisté rovni budou. A jsou synové Boží, poněvadž jsou synové vzkříšení.
37 Ary Mosesy aza nanambara teo amin’ ilay teny milaza ny Voaroy fa hatsangana ny maty, raha nilaza an’ i Jehovah hoe Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba.
A že mrtví vstanou z mrtvých, i Mojžíš ukázal při onom kři, když nazývá Pána Bohem Abrahamovým, a Bohem Izákovým, a Bohem Jákobovým.
38 Fa Izy tsy mba Andriamanitry ny maty, fa an’ ny velona; fa velona ho an’ Andriamanitra avokoa izy rehetra.
Bůhť pak není mrtvých, ale živých, nebo všickni jsou jemu živi.
39 Ary ny mpanora-dalàna sasany namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.
Tedy odpověděvše někteří z zákonníků, řekli: Mistře, dobře jsi pověděl.
40 Fa tsy nisy sahy nanontany Azy intsony ireo.
I nesměli se jeho na nic více tázati.
41 Ary hoy Jesosy taminy: Ahoana no lazaina fa Kristy no Zanak’ i Davida?
Řekl pak jim: Kterak praví Krista býti synem Davidovým?
42 Fa Davida ihany no milaza eo amin’ ny bokin’ ny Salamo hoe: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavanana
A sám David praví v knize žalmů: Řekl Pán Pánu mému: Seď na pravici mé,
43 Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran’ ny tongotrao.
Ažť položím nepřátely tvé v podnož noh tvých?
44 Davida amin’ izany manao Azy hoe Tompo; koa ahoana no maha-zanany Azy?
Poněvadž David jej Pánem nazývá, i kterakž syn jeho jest?
45 Ary hoy Jesosy tamin’ ny mpianany teo anatrehan’ ny olona rehetra:
I řekl učedlníkům svým přede vším lidem:
46 Mitandrema ny amin’ ny mpanora-dalàna, izay mazoto mandehandeha miakanjo akanjo lava, ary te-hoharabain’ ny olona eny an-tsena, sady tia ny fipetrehana aloha eo amin’ ny synagoga sy ny fitoerana aloha eo amin’ ny fanasana,
Varujte se zákonníků, kteříž rádi chodí v krásném rouše, a milují pozdravování na trzích a přední stolice v školách, a první místo na večeřích.
47 ary mandany ny tranon’ ny mpitondratena sy manao vavaka lavareny mba ho fiolahana; ireo dia hahazo fahamelohana mafimafy kokoa.
Kteříž zžírají domy vdovské pod zámyslem dlouhé modlitby. Tiť vezmou těžší odsouzení.

< Lioka 20 >