< Lioka 17 >

1 Ary hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan’ izay olona mahatonga izany!
Che Yesu ŵaasalile ŵakulijiganya ŵao kuti, “Ngaikomboleka kuti ikatyochela yakunleŵesya ni kukola sambi nambo ulaje uŵe kwa jwakwikanawo yakuleŵesya.
2 Aleo anantonana vato lehibe fikosoham-bary ny vozony, ka atsipy any an-dranomasina izy, toy izay hahatafintohina na dia ny anankiray amin’ ireo madinika ireo aza.
Ikaliji mbaya jwakwaleŵasya jo ataŵikwe lisyago pa lukosi ni kwaponya mu bahali kupunda kunsiŵilila jumo jwa achanandi ŵa.
3 Mitandrema ianareo; fa raha manota ny rahalahinao, dia teneno mafy izy, ka raha mibebaka izy, dia mamelà ny helony.
Nlilolechesye mwachinsyene! “Mpwenu aleŵaga, munjamuche, iŵaga chaleche sambi, munnechelesye.
4 Ary raha manota aminao impito indray andro izy, ary mivalo aminao impito kosa manao hoe; Mibebaka aho, dia mamelà ny helony.
Atamuno anneŵelaga mala saba pa lyuŵa limo ni kuuja kukwenu mala saba achitiji, ‘Lesile sambi,’ nkusachilwa kunnechelesya.”
5 Ary hoy ny Apostoly tamin’ ny Tompo: Ampitomboy ny finoanay.
Achinduna ŵaasalile Ambuje Che Yesu kuti, “Ntujonjechesye chikulupi.”
6 Fa hoy ny Tompo: Raha manana finoana na dia hoatra ny voan-tsinapy iray aza ianareo, dia azonareo lazaina amin’ io vorihazo io hoe: Miongota, ary aoka hambolena ao anatin’ ny ranomasina, dia hanaiky anareo izy.
Ambuje ŵajanjile, “Nkaakwete chikulupi atamuno chamwana chati mpela lusongolo lwamwana nnope mpela lwa haladali, nkakombwele kuchisalila chitela cha nkuju chi kuti, ‘Ntupuche nkalipandichisye mu bahali,’ nombecho chikajitichisye.
7 Ary iza moa aminareo no manana mpanompo miasa tany, na miandry ondry, ka raha tonga avy tany an-tsaha ilay mpanompo, dia hanao aminy hoe: Avia faingana, ka mipetraha hihinana?
“Nambo jwapi mwa ŵanyamwe jwakwete kapolo jwakulima pane jwakuchinga ngondolo pakuuja kutyochela kungunda, akunsalila katema kakoko peko ‘Njise kwachitema, kundye chakulya’?
8 Fa tsy hilaza aminy kosa hoe va izy: Manamboara izay hisakafoako, ary misikìna, ka manompoa ahy ambara-pihinako sy hisotroako; fa rehefa vita izany, dia vao mahazo mihinana sy misotro ianao?
Ngaŵa chansalile kuti, ‘Mungulumichisye chakulya, mmeje chile kwa kundumichila mpaka pachimalisye kulya ni kung'wa nomweji ni pachinlye ni kung'wa.’
9 Moa misaotra izany mpanompo izany va izy, satria nataony izay nandidiany?
Ana ngati ambuje chantogolele kapolo jo pakuŵa amasile kupanganya iŵalamulikwe yo?
10 Dia tahaka izany koa ianareo, rehefa vitanareo izay rehetra nandidiana anareo, dia ataovy hoe: Mpanompo ny mahasoa izahay; ny tokony ho nataonay ihany no efa nataonay.
Iyoyo peyo ni ŵanyamwe pachimmale kupanganya yose iŵanlamulile yo, nsaleje kuti, ‘Uwe tuli achikapolo, tupanganyisye masengo agala pe gatuŵajilwe nago.’”
11 Ary raha niakatra ho any Jerosalema Jesosy, dia nandeha namaky an’ i Samaria sy Galilia.
Che Yesu paŵajaulaga ku Yelusalemu ŵajesile mumpika wa ku Samalia ni ku Galilaya.
12 Ary raha niditra tao amin’ ny vohitra anankiray Izy, dia nisy boka folo lahy nifanena taminy, izay nijanona teny lavitra eny.
Paŵajinjilaga mu nsinda umo, ŵandu likumi ŵa matana ŵaichile Che Yesu ni kwima kwakutalichila.
13 Ary izy ireo niantso mafy nanao hoe: Ry Jesosy Tompo ô, mamindrà fo aminay.
Ŵanyanyisye achitiji, “Che Yesu Ambuje, ntukolele chanasa!”
14 Ary raha hitany ireo, dia hoy Izy taminy: Mandehana, misehoa amin’ ny mpisorona. Ary rehefa lasa izy ireo, dia nadio teny am-pandehanana.
Che Yesu paŵaweni ŵaasalile, “Njaulangane nkalilosye kwa ŵambopesi.” Nombe ŵanyawo paŵajaulaga kweleko, ŵaswejele.
15 Ary ny anankiray tamin’ ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’ Andriamanitra tamin’ ny feo mahery
Jumo jwa ŵanyawo paŵaliweni kuti amasile kulamwa, ŵausile aninkwakusya Akunnungu achinyanyisyaga.
16 sady niankohoka tamin’ ny tongotr’ i Jesosy ka nisaotra Azy; ary Samaritana iny lehilahy iny.
Ŵagwile manguku pa sajo si Che Yesu achatogolelaga. Mundu jo ŵaliji Msamalia.
17 Dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy? fa aiza ny sivy?
Nambo Che Yesu ŵausisye, “Ana ngati ŵaliji ŵandu likumi ŵaŵaswejeswe? Ali kwapi tisa ŵala?
18 Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’ Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va?
Ana ngapagwa ŵandu ŵane ŵausile kukwatogolela Akunnungu ikaŵe jwakwikape?”
19 Ary hoy Izy taminy: Mitsangàna, mandehana; ny finoanao no efa nahavonjy anao.
Nombe Che Yesu ŵansalile mundu jo kuti, “Njimuche, njaule chikulupi chenu chinnamisye.”
20 Ary Jesosy, nony nanontanian’ ny Fariseo izay andro hihavian’ ny fanjakan’ Andriamanitra, dia namaly azy hoe: Tsy misehoseho no fihavin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Katema kampepe Mafalisayo ŵausisye Che Yesu kuti, “Ana Umwenye wa Akunnungu ukwika chakachi?” Nombewo ŵajanjile, “Umwenye wa Akunnungu ngaukwika kwakulolecheka.
21 Ary ny olona tsy hanao hoe: Indro, etỳ! na erỳ! fa, indro, ny fanjakan’ Andriamanitra dia ao anatinareo.
Atamuno menema ngapagwa juchakombole kusala, ‘Nnole uli akuno,’ pane ‘Uli apala.’ Pakuŵa Umwenye wa Akunnungu uli pasikati jenu.”
22 Ary hoy Izy tamin’ ny mpianatra: Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ ny andron’ ny Zanak’ olona, nefa tsy hahita ianareo.
Sooni, ŵaasalile ŵakulijiganya ŵao kuti, “Gakwika moŵa pachinnajile kulola lyuŵa limo mwa moŵa ga Mwana jwa Mundu, nambo nganliona.
23 Ary ny olona hilaza aminareo hoe: Indro, erỳ! na: Indro, etỳ! nefa aza mandeha ianareo, na manaraka azy.
Ni ŵandu chachinsalila kuti, ‘Nnole, ali ako!’ Pane, ‘Nnole, ali akuno!’ Nambo ŵanyamwe nkatyoka atamuno kwakuya.
24 Fa tahaka ny helatra manelatra hatramin’ ny faravodilanitra ka mahazava hatramin’ ny farany koa, dia ho toy izany ny Zanak’ olona amin’ ny androny,
Pakuŵa chiiŵe mpela njasi pajikumesya ni kuloleka kwiunde kose, iyoyo peyo ni ichichiŵa pa lyuŵa lya kwika kwakwe Mwana jwa Mundu.
25 Fa tsy maintsy mijaly mafy Izy aloha ka holavin’ ity taranaka ity.
Nambo gakanaŵe gelego, akusachilwa asauche nnope ni kukanikwa ni ŵandu ŵa uŵelesi u.
26 Ary tahaka ny tamin’ ny andron’ i Noa, dia hisy toy izany koa amin’ ny andron’ ny Zanak’ olona:
Mpela iyaliji pa moŵa ga che Nuhu ni iyoyopeyo ni ichichiŵa pa moŵa ga kwika Mwana jwa Mundu.
27 nihinana izy, nisotro izy, nampaka-bady izy, navoaka hampakarina izy, mandra-pihavin’ ny andro izay nidiran’ i Noa tao amin’ ny sambo-fiara, dia tonga ny Safo-drano ka nandringana azy rehetra.
Ŵandu ŵalyaga ni kung'wa, ŵalombelaga ni kulombwa mpaka lyuŵa liŵajinjilaga che Nuhu mu ngalaŵa jekulungwa lila. Nipele jaiche ula jekulungwa nnope ni kwajonanga wose.
28 Ary tahaka ny tamin’ ny andron’ i Lota koa: nihinana izy, nisotro izy, nivarotra izy, namboly izy, nanao trano izy;
Iyoyopeyo ni ichiŵe mpela iyaliji pakutyochela pa moŵa ga che Lutu. Ŵandu ŵalyaga ni kung'wa, ŵasumisyaga ni kusuma, ŵapandaga mbeju ni kutaŵa majuumba.
29 fa tamin’ ny andro izay nivoahan’ i Lota avy tao Sodoma, dia nisy afo sy solifara nilatsaka avy tany an-danitra ka nandringana azy rehetra.
Nambo lyuŵa liŵakopweche che Lutu Msodoma lila, mooto ni chibiliti yatulwiche kutyochela kwinani nti ula ni kwaulaga wose.
30 Dia ho tahaka izany koa amin’ ny andro hisehoan’ ny Zanak’ olona.
Ilaila peila ni ichichiŵa pa lyuŵa lya kwika Mwana jwa Mundu.”
31 Amin’ izany andro izany izay eo an-tampon-trano, ary ny entany ao an-trano, dia aoka tsy hidina haka izany; ary toy izany koa izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina amin’ izay efa nilaozany izy.
Ŵapundile kuŵecheta, “Lyele lyuŵa lyo, jwalijose juchaŵe paasa nyuumba kasajinjila kukujigala chipanje chakwe chachili mu nyuumba. Iyoyopeyo juchaŵe ku ngunda kasauja kukutola yailesile panyuma.
32 Tsarovy ny vadin’ i Lota.
Nkumbuchile iyasimene ŵankwawo che Lutu.
33 Na zovy na zovy mitady hamonjy ny ainy dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no hahavery ny ainy dia hahazo izany.
Mundu jwalijose jwakusaka kuukulupusya umi wakwe, chaujase. Ni mundu jwalijose juchaujase umi wakwe, chaugose.
34 Lazaiko aminareo fa amin’ izany alina izany hisy roa lahy miray fandriana; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
Ngunsalila kuti, chilo cho ŵandu ŵaŵili chagone pachindanda chimo, jumo chajigalikwe ni jwine chachilekwa.
35 Hisy roa vavy miara-mitoto vary; ny anankiray horaisina, ary ny anankiray havela.
Achakongwe ŵaŵili chachiŵa aninkusyaga pampepe, jumo chajigalikwe ni jwine chachilekwa.
Ŵandu ŵaŵili chachiŵa mu ngunda umo, jumo chajigalikwe ni jwine chachilekwa.”
37 Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: Aiza, Tompoko? Ary hoy Izy taminy: Izay itoeran’ ny faty, dia any koa no hiangonan’ ny voromahery.
Ŵakulijiganya ŵausisye kuti, “Ana kwapi Ambuje?” Nombe Che Yesu ŵajanjile, “Kwauli ntembo kweleko ni kuchakasongangane achikapungu.”

< Lioka 17 >