< Lioka 11 >
1 Ary Jesosy nivavaka tao amin’ ny fitoerana iray, ka rehefa nitsahatra Izy, dia hoy ny mpianany anankiray taminy: Tompoko, mampianara anay hivavaka, tahaka ny nampianaran’ i Jaona ny mpianany.
2 Ary hoy Izy taminy: Raha mivavaka ianareo, dia ataovy hoe: Ray ô hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao.
3 Omeo anay isan’ andro izay hanina sahaza ho anay.
4 Ary mamelà ny helokay; fa izahay koa mamela izay rehetra meloka aminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy.
5 Ary hoy Jesosy taminy: Iza moa aminareo no manana sakaiza, izay hankeo aminy mamatonalina ka hanao aminy hoe: Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho;
6 fa ny sakaizako nandeha tamin’ ny nalehany, dia tonga atsy amiko, ka tsy misy izay hafahako azy;
7 ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: Aza manahirana ahy; fa efa mihidy ny varavarana izao, ary ny zanako mandry eto am-pandriana eto amiko; tsy afaka hifoha hanome anao aho?
8 Hoy Izaho aminareo: Na dia tsy hiainga hanome azy noho ny fisakaizana aza izy, dia hifoha ihany izy noho ny fitarainany fatratra ka hanome azy izay ilainy.
9 Ary hoy izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo.
10 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana.
11 Fa iza moa aminareo izay ray, raha angatahan’ ny zanany mofo, no hanome azy vato? ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana ho solon’ ny hazandrano?
12 ary raha angatahany atody, no hanome azy maingoka?
13 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masìna ho an’ izay mangataka aminy?
14 Ary Jesosy namoaka demonia moana. Ary rehefa nivoaka ny demonia, dia niteny ilay moana; ka dia gaga ny vahoaka.
15 Fa hoy ny sasany; Belzeboba, lohan’ ny demonia, no amoahany ny demonia.
16 Fa ny sasany kosa naka fanahy Azy ka nangataka famantarana taminy avy any an-danitra.
17 Fa Izy nahalala ny heviny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano.
18 Ary raha Satana koa aza no miady an-trano, ahoana no haharetan’ ny fanjakany? Fa hoy ianareo: Belzeboba no amoahako ny demonia.
19 Fa raha Izaho mamoaka demonia amin’ ny herin’ i Belzeboba, dia amin’ ny herin’ iza kosa no amoahan’ ny zanakareo azy? koa amin’ izany dia ho mpitsara anareo ireo.
20 Fa raha ny rantsan-tànan’ Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan’ Andriamanitra.
21 Raha ny mahery mivonona amin’ ny fiadiany no miaro ny tranony, dia tsy haninona ny fananany.
22 Fa raha avy kosa izay mahery noho izy ka mandresy azy, dia alainy ny fiadiany rehetra izay nitokiany, ary izay azony ho babo dia zarainy.
23 Izay tsy momba Ahy dia manohitra Ahy; ary izay tsy miara-mamory amiko dia manahaka.
24 Raha mivoaka amin’ ny olona ny fanahy maloto, dia mandeha mitety ny tany tsy misy rano izy, mitady fitsaharana; ary rehefa tsy mahita, dia hoy izy: Hody any an-tranoko izay nivoahako aho.
25 Ary nony tonga izy, dia hitany fa voafafa sy voavoatra ny trano.
26 Ary dia mandeha izy ka mitondra fanahy fito hafa koa ratsy noho izy; dia miditra ireo ka mitoetra ao; ary ny faran’ izany olona izany dia ratsy noho ny voalohany.
27 Ary raha nilaza izany Jesosy, dia nisy vehivavy anankiray teo amin’ ny vahoaka niantso ka nanao taminy hoe: Sambatra ny kibo izay nitondra Anao sy ny nono izay ninonoanao.
28 Fa Izy nanao hoe: Eny tokoa, kanefa mainka sambatra aza ny mihaino ny tenin’ Andriamanitra ka mitandrina izany.
29 Ary raha mbola niangona ny vahoaka betsaka, dia nilaza hoe Izy: Ity taranaka ity dia taranaka ratsy. Mitady famantarana izy; nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’ i Jona;
30 Fa tahaka an’ i Jona izay famantarana tamin’ ny Ninivita, dia ho toy izany koa ny Zanak’ olona amin’ ity taranaka ity.
31 Ny mpanjakavavy avy tany atsimo dia hiara-mitsangana amin’ ny lehilahy amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy; fa avy tany amin’ ny faran’ ny tany izy hihaino ny fahendren’ i Solomona; nefa, indro, misy lehibe noho Solomona eto.
32 Ny olona tany Ninive hiara-mitsangana amin’ ity taranaka ity amin’ ny andro fitsarana ka hanameloka azy, fa izy nibebaka tamin’ ny nitorian’ i Jona teny; nefa, indro, misy lehibe noho Jona eto.
33 Tsy misy olona mandrehitra jiro ka mametraka azy ao an-davaka, na ao ambanin’ ny vata famarana, fa apetrany eo amin’ ny fanaovan-jiro izy, mba ho hitan’ izay miditra ny mazava.
34 Ny masonao no jiron’ ny tena; koa raha tsara ny masonao, dia mazava ny tenanao rehetra; fa raha ratsy izy, dia maizina koa ny tenanao.
35 Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao.
36 Ary amin’ izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao.
37 Ary raha mbola niteny Jesosy, dia nisy Fariseo nampiantrano Azy hisakafo ao aminy; dia niditra Izy ka nipetraka nihinana.
38 Fa gaga ilay Fariseo, raha nahita fa tsy nisasa Izy vao nihinana.
39 Fa hoy ny Tompo taminy: Ankehitriny ianareo Fariseo dia manadio ny vohon’ ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatinareo kosa dia feno rombaka sy faharatsiana.
40 Ry adala! Tsy izay nanao ny vohony va no nanao ny atiny koa?
41 Fa ny zavatra eo anatiny no aoka homenareo ho fiantrana, dia, indro, madio ho anareo ny zavatra rehetra.
42 Fa lozanareo, Fariseo! fa mandoa ny fahafolon’ ny solila sy ny rota ary izay anana famboly rehetra ianareo, nefa lalovanareo ny fitsarana sy ny fitiavana an’ Andriamanitra; ireto tokony ho nataonareo, nefa tsy tokony havelanareo ireroana.
43 Lozanareo, Fariseo! fa tia ny fipetrahana aloha ao amin’ ny synagoga sy ny fiarahabana any an-tsena ianareo.
44 Lozanareo, fa ianareo dia tahaka ny fasana tsy hita, ka tsy fantatry ny olona izay manitsaka azy.
45 Ary ny anankiray tamin’ ny mpahay lalàna namaly ka nanao taminy hoe: Mpampianatra ô, raha miteny izany Hianao, dia manala baraka anay koa.
46 Fa hoy Jesosy: Lozanareo, mpahay lalàna koa! fa mampitondra ny olona entana sarotra entina ianareo, nefa tsy manendry izany entana izany akory ianareo, na dia amin’ ny rantsan-tananareo iray aza.
47 Lozanareo! fa manao ny rarivatom-pasan’ ny mpaminany ianareo, nefa ny razanareo ihany no namono azy.
48 Dia vavolombelona ianareo ka manaiky ny asan’ ny razanareo; fa izy no namono azy, ary ianareo kosa manao ny rarivatom-pasany.
49 Koa izany no nanambaran’ ny fahendren’ Andriamanitra hoe: Haniraka mpaminany sy apostoly ho any aminy Aho, ka ny sasany hovonoiny, ary ny sasany henjehiny,
50 mba hadinina amin’ ity taranaka ity ny ran’ ny mpaminany rehetra izay nalatsaka hatramin’ ny nanorenana izao tontolo izao,
51 dia hatramin’ ny ran’ i Abela ka hatramin’ ny ran’ i Zakaria, izay novonoina teo anelanelan’ ny alitara sy ny tempoly. Eny, lazaiko aminareo marina tokoa fa hadinina amin’ ity taranaka ity izany.
52 Lozanareo, mpahay lalàna! satria nalainareo ny fanalahidin’ ny fahalalana; ianareo tsy niditra, ary izay te-hiditra dia nosakananareo.
53 Ary raha niala teo Izy, dia noteren’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo fatratra sady nadinadininy zavatra maro.
54 Dia nihendry Azy izy ireo hamandrihany Azy tamin’ ny teny naloaky ny vavany.