< Levitikosy 1 >

1 Ary Jehovah niantso an’ i Mosesy ka niteny taminy tao amin’ ny trano-lay fihaonana hoe:
BAWIPA ni Mosi a kaw teh kamkhuengnae lukkareiim dawk hoi a pato.
2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy aminareo manatitra biby fiompy ho fanatitra ho an’ i Jehovah, dia omby na ondry na osy no haterinareo ho fanatitrareo.
Nang ni Isarel miphunnaw koe na dei pouh hane lawk teh, nangmouh thung dawk tami buetbuet touh ni BAWIPA koe hno poe hanelah ngai pawiteh, saring, tu, hmae hoi maito a sin han.
3 Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah izy.
Maito hah hmaisawi thuengnae lah a sak han ngai pawiteh, kacueme a na tongpa na thokhai vaiteh, Cathut lungyouk nahanlah kamkhuengnae lukkareiim takhang koe na poe han.
4 Ary hametraka ny tànany eo amin’ ny lohan’ ny fanatitra dorana izy, dia hahazoany fankasitrahana izany, hanaovana fanavotana ho azy.
Thueng e maito lû dawk amae kut a toung vaiteh, ahnie yontha nahanlah a dâw han.
5 Dia hamono ny zanak’ omby eo anatrehan’ i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara, izay eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;
BAWIPA hmalah hote maito a thei awh hnukkhu, Aron e capanaw ni a thi hah a sin awh vaiteh, kamkhuengnae lukkareiim takhang teng sathei thuengnae khoungroe van petkâtue lah thi a kahei han.
6 ary hohodirany ny fanatitra dorana, dia horasainy tsara.
Thuengnae ka sak e tami ni saring e pho a hlip vaiteh, thoukthouk a tâtueng han.
7 Ary ireo zanak’ i Arona mpisorona dia hanisy afo eo ambonin’ ny alitara ka handahatra kitay eo amin’ ny afo.
Aron e capa vaihmanaw ni sathei thuengnae khoungroe van, thing a paruen hnukkhu hmai a patawi vaiteh,
8 Ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia handahatra ny voarasa mbamin’ ny lohany sy ny saborany eo ambonin’ ny kitay eo amin’ ny afo izay eo ambonin’ ny alitara;
Thing van vah a lû, athaw hoi a takpatinaw na ta han.
9 fa ny taovany, sy ny tongony kosa hosasany amin’ ny rano; dia hodoran’ ny mpisorona ho fofona izy rehetra eo ambonin’ ny alitara; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
A khok hoi a ruenthinnaw hah tui hoi hmaloe na pâsu han. Vaihma ni hote sathei abuemlahoi khoungroe van hmai hoi a sawi han. Hetteh, hmai hoi sathei thuengnae doeh. BAWIPA koe hmuitui hanlah hmai hoi thuengnae lah ao.
10 Ary raha ondry na osy no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema koa no hateriny.
Tu, hmae hah hmaisawi thuengnae lah sak han na ngai pawiteh, kacueme a na tongpa na thokhai vaiteh,
11 Dia hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan’ i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia hanopy ny rà manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara.
BAWIPA hmalah khoungroe atunglah na thei hnukkhu, Aron e capa, vaihmanaw ni a thi hah khoungroe petkâtue lah a kahei han.
12 Dia horasainy tsara izy mbamin’ ny lohany sy ny saborany; ary halahatry ny mpisorona eo ambonin’ ny kitay izy eo amin’ ny afo izay eo ambonin’ ny alitara;
Thuengnae ka sak e tami ni thoukthouk a tâtueng han. A lû hoi a moi hah a pâkhueng vaiteh vaihma ni khoungroe van e thing van a ta han.
13 fa ny taovany sy ny tongony kosa hosasany amin’ ny rano; dia ho entin’ ny mpisorona izy rehetra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara; ho fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
A khok hoi a ruenthinnaw hah tui hoi hmaloe a pâsu han. Vaihma ni abuemlahoi a sin vaiteh khoungroe van hmai a sawi han. Hetteh, BAWIPA koe hmaisawi hmuitui thuengnae lah ao.
14 Ary raha vorona no ateriny ho an’ i Jehovah ho fanatitra dorana, dia domohina na zana-boromailala no hateriny ho fanatiny.
BAWIPA koe tava hoi hmaisawi thuengnae sak hanlah na ngai pawiteh, bakhu thoseh, âbakhu thoseh, na thokhai vaiteh na poe han.
15 Ary haterin’ ny mpisorona ho eo amin’ ny alitara izany, ka hotapahiny amin’ ny hoho ny lohany, dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ary hofiazany eo amin’ ny rindrin’ ny alitara ny ràny;
Vaihma ni khoungroe koe a thokhai hnukkhu, a lahuen a kapen vaiteh khoungroe van hmai a sawi han. A thi teh khoungroe teng a pacâ han.
16 ary hesoriny ny takorobabony sy ny ao anatiny, ka hariany eo atsinanan’ ny alitara, dia eo amin’ ny fitoeran-davenona;
A yoncapo hoi a cuekcaduen dawk e rawcanaw hah na la hnukkhu hraba tanae hmuen, khoungroe hmalah a tâkhawng han.
17 ary hosamahany amin’ ny elany no fameraka azy, fa tsy hohenteriny; ary ny mpisorona handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara, ambonin’ ny kitay izay eo amin’ ny afo; fanatitra dorana izany, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
A rathei khuehoi tava a sei vaiteh vaihma ni khoungroe van e thing van hmai a sawi han. Hetteh, BAWIPA koe hmaisawi hmuitui thuengnae lah ao.

< Levitikosy 1 >