< Levitikosy 9 >

1 Ary tamin’ ny andro fahavalo Mosesy dia nampaka an’ i Arona sy ny zanany ary ny loholon’ ny Isiraely.
On the eighth day, Moses called Aaron and his sons, and the elders of Israel;
2 Dia hoy izy tamin’ i Arona: Makà ombilahy kely ho anao hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy ho fanatitra dorana, izay samy tsy misy kilema, ka atero eo anatrehan’ i Jehovah.
and he said to Aaron, “Take a calf from the herd for a sin offering, and a ram for a burnt offering, without defect, and offer them before the LORD.
3 Ary ny Zanak’ Isiraely dia ilazao hoe: Makà osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy ombilahy kely ary zanak’ ondry, izay samy iray taona sady samy tsy misy kilema, hatao fanatitra dorana,
You shall speak to the children of Israel, saying, ‘Take a male goat for a sin offering; and a calf and a lamb, both a year old, without defect, for a burnt offering;
4 ary omby sy ondrilahy hatao fanati-pihavanana, hovonoina ho fanatitra eo anatrehan’ i Jehovah, ary fanatitra hohanina voaharo diloilo; fa anio no hisehoan’ i Jehovah aminareo.
and a bull and a ram for peace offerings, to sacrifice before the LORD; and a meal offering mixed with oil: for today the LORD appears to you.’”
5 Dia nitondra izay nandidian’ i Mosesy azy ho eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana izy; ary ny fiangonana rehetra nanatona ka nijanona teo anatrehan’ i Jehovah.
They brought what Moses commanded before the Tent of Meeting. All the congregation came near and stood before the LORD.
6 Ary hoy Mosesy: Izao no zavatra izay nandidian’ i Jehovah, koa ataovinareo, dia hiseho aminareo ny voninahitr’ i Jehovah.
Moses said, “This is the thing which the LORD commanded that you should do; and the LORD’s glory shall appear to you.”
7 Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Manatona ny alitara, dia manatera ny fanatitrao noho ny ota sy ny fanatitra odoranao ka manaova fanavotana ho an’ ny tenanao sy ho an’ ny olona; dia manatera ny fanatitry ny olona ka manaova fanavotana ho azy, araka izay nandidian’ i Jehovah.
Moses said to Aaron, “Draw near to the altar, and offer your sin offering, and your burnt offering, and make atonement for yourself, and for the people; and offer the offering of the people, and make atonement for them, as the LORD commanded.”
8 Dia nanatona ny alitara Arona ka namono ny ombilahy kely hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an’ ny tenany.
So Aaron came near to the altar, and killed the calf of the sin offering, which was for himself.
9 Ary nentin’ ny zanak’ i Arona ho eo aminy ny rà, dia nanoboka ny fanondrony tamin’ ny rà Arona, ka notentenany ny tandroky ny alitara ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin’ ny alitara;
The sons of Aaron presented the blood to him; and he dipped his finger in the blood, and put it on the horns of the altar, and poured out the blood at the base of the altar;
10 fa ny saborany sy ny voany roa ary ny ila-atiny lehibe avy tamin’ ny fanatitra noho ny ota dia nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara, araka izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy;
but the fat, and the kidneys, and the cover from the liver of the sin offering, he burnt upon the altar, as the LORD commanded Moses.
11 ary ny hena sy ny hoditra dia nodorany tamin’ ny afo teny ivelan’ ny toby.
The meat and the skin he burnt with fire outside the camp.
12 Dia namono ny fanatitra dorana Arona; ary ny zanany nanolotra azy ny rà dia nanopy izany manodidina tamin’ ny lafin’ ny alitara izy.
He killed the burnt offering; and Aaron’s sons delivered the blood to him, and he sprinkled it around on the altar.
13 Ary ny fanatitra dorana mbamin’ ny lohany dia natolotr’ ireo azy tsirairay araka ny nandrasàna azy ka nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara.
They delivered the burnt offering to him, piece by piece, and the head. He burnt them upon the altar.
14 Ary nanasa ny taovany sy ny tongony izy, dia nandoro ireo ho fofona niaraka tamin’ ny fanatitra dorana teo ambonin’ ny alitara.
He washed the innards and the legs, and burnt them on the burnt offering on the altar.
15 Dia nentiny nanatona ny fanatitry ny olona, ka nalainy ny osilahy hatao fanatitra noho ny ota, izay ho an’ ny olona, dia namono azy izy ka nanatitra azy ho fanatitra noho ny ota, tahaka ilay anankiray teo.
He presented the people’s offering, and took the goat of the sin offering which was for the people, and killed it, and offered it for sin, like the first.
16 Dia nanatitra ny fanatitra dorana izy ka nanao azy araka ny fanao.
He presented the burnt offering, and offered it according to the ordinance.
17 Dia nentiny nanatona koa ny fanatitra hohanina ka nangalany eran-tànan-ila, dia nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara izany, ho fanampin’ ny fanatitra dorana maraina.
He presented the meal offering, and filled his hand from there, and burnt it upon the altar, in addition to the burnt offering of the morning.
18 Dia namono ny omby sy ny ondrilahy koa izy hatao fanati-pihavanana, izay haterina noho ny olona; ary ny zanak’ i Arona nanolotra azy ny rà, dia nanopy izany manodidina tamin’ ny lafin’ ny alitara izy.
He also killed the bull and the ram, the sacrifice of peace offerings, which was for the people. Aaron’s sons delivered to him the blood, which he sprinkled around on the altar;
19 Ary natolony azy koa ny saboran’ ny omby sy ny hofaky ny ondrilahy mbamin’ ny safodrorohany ary ny voany roa sy ny ila-atiny lehibe,
and the fat of the bull and of the ram, the fat tail, and that which covers the innards, and the kidneys, and the cover of the liver;
20 dia napetrany teo ambonin’ ny tratran’ ireo ny saborany, ary nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara izany;
and they put the fat upon the breasts, and he burnt the fat on the altar.
21 fa ny tratrany sy ny sorony ankavanana kosa dia nahevahevan’ i Arona ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah, araka izay nandidian’ i Mosesy.
Aaron waved the breasts and the right thigh for a wave offering before the LORD, as Moses commanded.
22 Ary Arona nanandratra ny tànany manandrify ny olona ka nitso-drano azy; dia nidina izy, rehefa avy nanatitra ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana ary ny fanati-pihavanana.
Aaron lifted up his hands towards the people, and blessed them; and he came down from offering the sin offering, and the burnt offering, and the peace offerings.
23 Ary Mosesy sy Arona niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana, dia nivoaka ka nitso-drano ny olona; ary ny voninahitr’ i Jehovah niseho tamin’ ny olona rehetra.
Moses and Aaron went into the Tent of Meeting, and came out, and blessed the people; and the LORD’s glory appeared to all the people.
24 Ary nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny saborany teo ambonin’ ny alitara; ary nony hitan’ ny olona rehetra izany, dia nihoby izy sady niankohoka.
Fire came out from before the LORD, and consumed the burnt offering and the fat upon the altar. When all the people saw it, they shouted, and fell on their faces.

< Levitikosy 9 >