< Levitikosy 8 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
OLELO mai la hoi o Iehova ia Mose, i mai la,
2 Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira.
E lawe oe ia Aarona a me kana mau keiki pu, a me na kapa komo, a me ka aila poni, a me ka bipikane i mohailawehala, a me na hipakane elua, a me ka hinai berena hu ole.
3 Ary vorio ny fiangonana rehetra ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
A e hoakoakoa oe i ke anaina a pau ma ka puka o ka halelewa o ke anaina.
4 Ary Mosesy nanao araka izay nandidian’ i Jehovah azy; dia vory teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ny fiangonana.
Hana iho la o Mose e like me ka Iehova i kanoha mai ai ia ia; a ua hoakoakoaia ka ahakaoaka i ka puka o ka halelewa o ke anaina.
5 Ary hoy Mosesy tamin’ ny fiangonana: Izao atao izao no raharaha izay nandidian’ i Jehovah.
I aku la o Mose i ke anaina, Eia ka mea a Iehova i kauoha mai.
6 Ary Arona sy ny zanany dia nentin’ i Mosesy nanatona ka nampandroiny tamin’ ny rano.
A lawe mai la o Mose ia Aarona a me kana mau keiki, a holoi ae la ia lakou i ka wai.
7 Dia nampiakanjoiny ny akanjo lava izy ary nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny ny akanjo ivelany izy, ary ny efoda dia nataony taminy, dia nasiany ny fehin-kibo momba ny efoda izy, ka nataony fehin’ ny efoda taminy izany.
A hookomo aku la oia i ke kapa komo ia ia, a kaei ae la ia ia i ke Kaei, a hoaahu ia ia i ka aahu, a kau hoi i ka epoda maluna ona, a kaei ae la ia ia i ke kaei onionio o ka epoda, a hoopili aku la ia mea ia ia.
8 Ary ny saron-tratra dia nataony taminy, ka nataony tao ny Orima sy ny Tomima.
A kau iho la hoi oia maluna ona i ka palenmanma; a kau hoi i ka Urima a me ke Tumima ma ka paleumanma.
9 Ary ny hamama dia nataony teo an-dohany; ary ny takela-bolamena, ilay diadema masìna, dia nataony teo anoloana amin’ ny hamama, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
A kau aku la hoi i papale kahuna ma kona poo; a ma ka papale kahuna, ma ke alo pono i kau ai oia i ka papa gula, ka lei hoano, e like me ka mea a Iehova i kanoha mai ai ia Mose.
10 Ary nalain’ i Mosesy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny tabernakely sy izay rehetra tao ka nohamasininy.
Lawe iho la hoi o Mose i ka ai la poni, a poni aku la i ka halelewa, a me na mea a pau oloko, a hoolaa ae la ia mau mea.
11 Dia namafazany impito teo ambonin’ ny alitara ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny alitara mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina azy.
A pipi iho la oia i kanwahi o ia mea ma ke kuahu, ehiku ka pipi ana, a poni hoi ia i ke kuahn a me kana mau ipn a pau, ka ipu holoi a me kona wawae, a hoolaa ae la ia mau mea.
12 Ary nanidinany teo amin’ ny lohan’ i Arona ny diloilo fanosorana, ka nanosotra azy izy hahamasina azy.
Niumi iho la hoi oia i kanwahi o ka aila pom ma ke poo o Aarona, a poni iho la ia ia e hoano ia ia.
13 Ary dia nentin’ i Mosesy nanatona koa ny zanak’ i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, ary nasiany fehin-kibo, dia nampisatrohiny, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
A lawe mai la hoi o Mose i na keiki a Aarona, a hookomo i na kapa komo ia lakou, a kaei ae la hoi ia lakou i na kaei, a kau aku la hoi i na papale maluna o lakou, e like me ke kanoha a Iehova ia Mose,
14 Ary nentiny nanatona koa ny vantotr’ ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota.
Lawe mai la hoi oia i ka bipikane i mohailawehala; a kau aku la o Aarona a me kana mau keiki i ko lakou mau lima maluna o ke poo o ka hipikane i mohaihala.
15 Dia novonoiny ny, ary nalain’ i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin’ ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin’ ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin’ ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy.
A pepehi ae la oia, a lawe hoi o Mose i ke koko, a kau aku hoi ma na pepeiaohao o ke knahn puni, me kona manamanalima, a hoomaemae ae la ke kuahu; a ninini iho la i ke koko malalo o ke kuahu, e hana i kalahala malun a ona.
16 Dia nalainy ny saboran-tsinainy rehetra sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany mbamin’ ny fonom-boany, ka nodoran’ i Mosesy ho fofona teo ambonin’ ny alitara ireo.
Lawe iho la oia i ke kaikea a pau maluna o ka nsau, a me ka aa o ke au ma ke akepaa, a me na puupaa elua, a me ko laua mau konahua, a kuni iho la o Mose ma ke kuahn.
17 Fa ny hoditry ny vantotr’ ombilahy sy ny henany ary ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin’ ny afo teny ivelan’ ny toby, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Aka o ka bipikane, a me kona ili, a me kona io, a me kona lepo, oia kana i hoopau ai i ke ahi mawaho o kahi e hooraoana'i, e like me ke kanoha a Iehova ia Mose.
18 Ary nentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin’ ny lohan’ ny ondrilahy.
Lawe mai la hoi oia i ka hipakano i mohaikuni; a kau ae la o Aarona, a me kana mau keiki i ko lakou mau lima maluna o ke poo o ka hipakano.
19 Dia novonoina iny; ary Mosesy nanipy ny rà manodidina tamin’ ny lafin’ ny alitara.
Pepehi iho la oia, a pipi ae la hoi o Mose i ke koko maluna o ke kuahu a puni.
20 Ary norasainy tsara ny ondrilahy; dia nodoran’ i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo voarasa ireo ary ny saborany.
Okioki ae la hoi oia i ka hipakano i mau apana; a puhi ae la hoi o Mose i ko poo, a mo na apana, a mo ko kaikea.
21 Ary ny taovany sy ny tongony nosasany tamin’ ny rano; dia nodoran’ i Mosesy ho fofona teo ambonin’ ny alitara ny tenan’ ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Holoi ae la hoi oia i ka naau a me na wawae i ka wai; a puhi ae la o Mose i ka hipakane okoa ma ke kuahu; he mohaikuni ia, he mea ala ono, he mohai i kaumahaia ma ke ahi ia Iehova, e like me ka Iehova kauoha ia Mose.
22 Dia nentiny nanatona koa ny ondrilahy anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy ny zanany dia nametraka ny tànany tamin’ ny lohan’ ny ondrilahy.
Lawe mai la hoi oia i ka lua o ka hipakane, ka hipakane no ka hoolaa ana; a kau aku la o Aarona a me kana mau keiki i ko lakou mau lima maluna o ke poo o ka hipakane.
23 Dia novonoiny iny; ary nangalan’ i Mosesy ny rà ka, natentiny teo amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofin’ i Arona ankavanana sy tamin’ ny ankihiben-tànany ankavanana ary tamin’ ny ankihiben-tongony ankavanana.
Pepehi ae la hoi oia, a lawe hoi o Mose i kauwahi o kona koko, a kau aku la ma ke kihi o ko Aarona pepeiao akau, a ma ka manamananui o kona lima akau, a ma ka manamananui o kona kapuwakakau.
24 Ary nentiny nanatona koa ny zanak’ i Arona, ka notentenan’ i Mosesy ny rà ny tendron’ ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia natopin’ i Mosesy manodidina tamin’ ny lafin’ ny alitara.
Lawe mai la hoi oia i ka Aarona mau keiki, a kau aku la o Mose i ko koko ma ke kihi o ko lakou pepeiao akau, a ma na manamananui o ko lakou mau lima akau, a ma na manamananui o ko lakou mau kapuwai akau; a pipi ae la o Mose i ke koko ma ke kuahu a puni.
25 Ary nalainy ny hofany sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamim’ ny fonom-boany ary ny sorony ankavanana.
Lawe ae la hoi oia i ke kaikea, a mo ka huelo, a me ka nikiniki ma ka naau, a me ka aa o ke au ma ke akepaa, a me na pnupaa elua, a me ko laua konahua, a me ka uha mua akau.
26 Ary ilay harona nisy ny mofo tsy misy masirasira, izay teo anatrehan’ i Jehovah, dia nangalany iray tamin’ ny mofo tsy misy masirasira sy iray tamin’ ny mofo voaisy diloilo ary iray tamin’ ny mofo manify ka napetrany teo ambonin’ ny saborany sy ny sorok’ ondry ankavanana.
A mailoko mai o ka hinai berena hu ole, imua o Iehova, lawe ae la oia i hookahi poponalaoa hu ole a me ka popoberena i hamoia i ka aila, a me ka papaberena hookahi, a kau ae la hoi maluna o ko kaikea a me ka uha mua akau.
27 Dia napetrany teo amin’ ny tànan’ i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
A kau okoa ae la oia ia maluna o ko Aarona mau lima, a ma na lima o kana mau keiki, a hooluli ae ia mau mea i mohaihoali imua o Iehova.
28 Dia nalain’ i Mosesy tamin’ ny tànany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara niaraka tamin’ ny fanatitra dorana; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
Lawe ae la hoi o Mose ia mau mea mai luna ae o ko lakou mau lima, a kuni ae la maluna o ke kuahu maluna o ka mohaikuni; he mau mea hoolaaia i mea ala ono, he mohai i kaumahaia ma ke ahi ia Iehova.
29 Dia nalain’ i Mosesy koa ny tratran’ ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; anjaran’ i Mosesy avy amin’ ny ondrilahy fanokanana izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy.
Lawe ae la hoi o Mose i ka umauma, a hooluli ae i mohaihoali ma ke alo o Iehova; o ko Mose kuleana ia o ka hipakane no ka hoolaa ana, e like me ka Iehova kauoha ia Mose.
30 Ary nangalan’ i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny rà izay teo ambonin’ ny alitara ka nafafiny tamin’ i Arona sy tamin’ ny fitafiany ary tamin’ ny zanany sy tamin’ ny fitafian’ ny zanany koa; dia nanamasina an’ i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ ny zanany koa Izy.
Lawe ae la hoi o Mose i kau wahi o ka aila poni, a o ke koko ka mea maluna o ke kuahu, a pipi ae la maluna o Aarona, a ma kona mau kapa, a me kana mau keiki, a ma na kapa o kana mau keiki pu me ia; a ua hoolaa aku ia Aarona, a me kona mau kapa, a me kana mau keiki a mo na kapa o kana mau keiki me ia.
31 Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin’ ny mofo izay eo amin’ ny haron’ ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy.
I aku la o Mose ia Aarona a i kana mau keiki, E hoolapalapa i ka io ma ka puka o ka halelewa o ke anaina; a malaila hoi e ai ai ia me ka berena oloko o ka hinai o na mea hoolaaia, me au hoi i kauoha ai e olelo ana, E ai o Aarona a me kana mau keiki ia mea.
32 Ary izay sisa amin’ ny hena sy ny mofo dia hodoranareo amin’ ny afo.
A o ke koena o ka io, a me ka berena, oia ka oukou e hoopau ai i ke ahi.
33 Ary tsy hiala eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hafitoana ianareo, dia mandra-pahatapitry ny andro fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany anareo.
Aole oukou e pnka ae ma ka puka o ka halelewa o ke anaina i na la ehiku, a pau na la o ko oukou hoolaa ana; no ka mea, e hoolaa oia ia oukou i na la ehiku.
34 Tahaka ny efa natao androany no nandidian’ i Jehovah hatao, hanaovana fanavotana ho anareo.
Me ia i hana'i i keia la, pela no Iehova i kauoha mai ai o hana, e hana i kalahala no oukou.
35 Ary hitoetra eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman’ alina ianareo ka hitandrina izay asain’ i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa izany no nandidiana ahy.
Nolaila e noho ai oukou ma ka puka o ka halelewa o ke anaina i ke ao, i ka po, i na la ehiku, a e malama ke kauoha a Iehova, i ole ai oukou o make; no ka mea, pela no wau i kauohaia mai ai.
36 Dia nataon’ i Arona sy ny zanany izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah ka nampilazainy an’ i Mosesy.
Pela i hana'i o Aarona a me kana mau keiki i na mea a pau a Iehova i kauoha mai ai ma ka lima o Mose.

< Levitikosy 8 >