< Levitikosy 8 >
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
上主訓示梅瑟說:「
2 Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira.
你領亞郎和他的兒子一同前來,帶著祭衣、聖油、作贖罪祭的公牛贖,兩隻公綿羊和一筐無酵餅;
3 Ary vorio ny fiangonana rehetra ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
並召集全體會眾到會幕門口。」
4 Ary Mosesy nanao araka izay nandidian’ i Jehovah azy; dia vory teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ny fiangonana.
梅瑟便依照上主所吩附的做了。當會眾集合在會幕門口後,
5 Ary hoy Mosesy tamin’ ny fiangonana: Izao atao izao no raharaha izay nandidian’ i Jehovah.
梅瑟就對會眾說:「這是上主吩附應做的事。」
6 Ary Arona sy ny zanany dia nentin’ i Mosesy nanatona ka nampandroiny tamin’ ny rano.
梅瑟遂叫亞郎和他的兒子前來,用水洗了他們;
7 Dia nampiakanjoiny ny akanjo lava izy ary nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny ny akanjo ivelany izy, ary ny efoda dia nataony taminy, dia nasiany ny fehin-kibo momba ny efoda izy, ka nataony fehin’ ny efoda taminy izany.
然後給亞郎穿上長衣,束上帶子,穿上無袖長袍,套上「厄佛得」,束上「厄佛得」帶子,將「厄佛得」繫緊。
8 Ary ny saron-tratra dia nataony taminy, ka nataony tao ny Orima sy ny Tomima.
再給他安上胸牌,在胸牌內放上「烏陵」和「突明」。
9 Ary ny hamama dia nataony teo an-dohany; ary ny takela-bolamena, ilay diadema masìna, dia nataony teo anoloana amin’ ny hamama, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
以後將禮冠戴在他頭上,在禮冠前面安上金牌,即聖牌。全照上主所吩附的。
10 Ary nalain’ i Mosesy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny tabernakely sy izay rehetra tao ka nohamasininy.
以後梅瑟拿了聖油,傅了會幕和其中所有的一切,祝聖了這一切;
11 Dia namafazany impito teo ambonin’ ny alitara ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny alitara mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina azy.
又將一些油七次灑在祭壇上,又傅了祭壇和祭壇的一切用具,盆和盆座,祝聖了這一切;
12 Ary nanidinany teo amin’ ny lohan’ i Arona ny diloilo fanosorana, ka nanosotra azy izy hahamasina azy.
然後把聖油倒在亞郎頭上,傅了他,祝聖了他。
13 Ary dia nentin’ i Mosesy nanatona koa ny zanak’ i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, ary nasiany fehin-kibo, dia nampisatrohiny, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
此後梅瑟叫亞郎的兒子前來,給他們穿上長衣,束上帶子,給他們纏上頭巾:全照上主對梅瑟所吩附。
14 Ary nentiny nanatona koa ny vantotr’ ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota.
隨後梅瑟把作贖罪祭的公牛贖牽來,亞郎和他的兒子按手在贖罪祭公牛贖頭上,
15 Dia novonoiny ny, ary nalain’ i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin’ ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin’ ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny teo am-bodin’ ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy.
把牛宰了,梅瑟取了血,用手指抹在祭壇四週的角上,潔淨了祭壇;將剩下的血倒在祭壇腳旁:賬這樣就祝聖了祭壇,為祭壇行了潔淨禮。
16 Dia nalainy ny saboran-tsinainy rehetra sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany mbamin’ ny fonom-boany, ka nodoran’ i Mosesy ho fofona teo ambonin’ ny alitara ireo.
此後梅瑟將貼在內臟上所有的脂肪、肝葉、兩腎和兩腎上的脂肪,放在祭壇上焚燒;
17 Fa ny hoditry ny vantotr’ ombilahy sy ny henany ary ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin’ ny afo teny ivelan’ ny toby, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
牛贖的皮、肉和糞,都在營外用火燒了:全照上主對梅瑟所吩附的。
18 Ary nentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin’ ny lohan’ ny ondrilahy.
後,梅瑟把作全燔祭的公綿羊牽來,亞郎和他的兒子按手在羊頭上,
19 Dia novonoina iny; ary Mosesy nanipy ny rà manodidina tamin’ ny lafin’ ny alitara.
把羊宰了,梅瑟把血灑在祭壇週;
20 Ary norasainy tsara ny ondrilahy; dia nodoran’ i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo voarasa ireo ary ny saborany.
然後把羊切成碎塊,將頭和碎塊以及板油全焚燒,
21 Ary ny taovany sy ny tongony nosasany tamin’ ny rano; dia nodoran’ i Mosesy ho fofona teo ambonin’ ny alitara ny tenan’ ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
內臟和腿,用水洗淨;梅瑟將整個公綿羊放在祭壇上焚燒:這是全燔祭,是中悅上主的馨香火祭,全照上主對梅瑟所吩附的。
22 Dia nentiny nanatona koa ny ondrilahy anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy ny zanany dia nametraka ny tànany tamin’ ny lohan’ ny ondrilahy.
此後,梅瑟將第二隻公綿羊,即作祝聖祭的公綿羊牽來,亞郎和他的兒子按手在羊頭上。
23 Dia novonoiny iny; ary nangalan’ i Mosesy ny rà ka, natentiny teo amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofin’ i Arona ankavanana sy tamin’ ny ankihiben-tànany ankavanana ary tamin’ ny ankihiben-tongony ankavanana.
把羊宰了,梅瑟取些血抹在亞郎的右耳垂,右手姆指和右腳大趾上。
24 Ary nentiny nanatona koa ny zanak’ i Arona, ka notentenan’ i Mosesy ny rà ny tendron’ ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia natopin’ i Mosesy manodidina tamin’ ny lafin’ ny alitara.
梅瑟又叫亞郎的兒子前來,把血也抹在他們的右耳垂,右手姆指和右腳大趾上;剩下的血,梅瑟都灑在祭壇的四週。
25 Ary nalainy ny hofany sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamim’ ny fonom-boany ary ny sorony ankavanana.
隨後取出脂肪、肥尾、貼在內臟上所有脂肪、肝葉、兩腎和兩腎上的脂肪,以及右後腿;
26 Ary ilay harona nisy ny mofo tsy misy masirasira, izay teo anatrehan’ i Jehovah, dia nangalany iray tamin’ ny mofo tsy misy masirasira sy iray tamin’ ny mofo voaisy diloilo ary iray tamin’ ny mofo manify ka napetrany teo ambonin’ ny saborany sy ny sorok’ ondry ankavanana.
又由上主面前的無酵餅筐內,取出一塊無酵餅,一塊油餅和一塊薄餅,放在脂肪和右後腿上;
27 Dia napetrany teo amin’ ny tànan’ i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
將這一切放在亞郎和他的兒子們的手上,在上主前行奉獻的搖禮。
28 Dia nalain’ i Mosesy tamin’ ny tànany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin’ ny alitara niaraka tamin’ ny fanatitra dorana; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
然後梅瑟由他們手中過來,放在祭壇的全燔祭品上焚燒:這是祝聖祭,是中悅上主的馨香火祭。
29 Dia nalain’ i Mosesy koa ny tratran’ ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; anjaran’ i Mosesy avy amin’ ny ondrilahy fanokanana izany, araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy.
以後,梅瑟拿了犧牲的胸脯,在上主前行了奉獻的搖禮,這是由祝聖祭的公綿羊中,梅瑟應得的一份,有如上主對梅瑟所吩附的。
30 Ary nangalan’ i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny rà izay teo ambonin’ ny alitara ka nafafiny tamin’ i Arona sy tamin’ ny fitafiany ary tamin’ ny zanany sy tamin’ ny fitafian’ ny zanany koa; dia nanamasina an’ i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ ny zanany koa Izy.
以後,梅瑟拿了些聖油和祭壇上的血,灑在亞郎和他的衣服上,他的兒子和他兒子衣服上:這樣就祝聖了亞郎和他的衣服,他的兒子和他兒子的衣服。
31 Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin’ ny mofo izay eo amin’ ny haron’ ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy.
梅瑟又對亞郎說:「你們應在會幕門口煮祭肉,也在那裡吃這肉和筐內放的祝聖祭的餅,有如上主會吩附我的:亞郎和他的兒子應當吃。
32 Ary izay sisa amin’ ny hena sy ny mofo dia hodoranareo amin’ ny afo.
剩下的肉和餅,你們應用火燒了。
33 Ary tsy hiala eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hafitoana ianareo, dia mandra-pahatapitry ny andro fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany anareo.
七天的工夫,你們不可出會幕門口,直到你們的受職禮滿期的那一天,因為你們的受職禮是七天。
34 Tahaka ny efa natao androany no nandidian’ i Jehovah hatao, hanaovana fanavotana ho anareo.
照今天所做的,上主還叫照樣去做,好為你們贖罪。
35 Ary hitoetra eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman’ alina ianareo ka hitandrina izay asain’ i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa izany no nandidiana ahy.
七天七夜,你們應住在會幕門口,遵守上主的禮規,以免死亡因為上主這樣吩附了我。」
36 Dia nataon’ i Arona sy ny zanany izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah ka nampilazainy an’ i Mosesy.
凡上主藉梅瑟所吩附的事,亞郎和他的兒子都做了。