< Levitikosy 6 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
I korero ano a Ihowa ki a Mohi, i mea,
2 Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin’ i Jehovah, fa mandainga amin’ ny namany ny amin’ izay nampitehirizina azy, na amin’ ny zavatra notanany ho tsatòka, na amin’ izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany,
Ki te hara tetahi, a ka he tana ki a Ihowa, a ka teka hoki ki tona hoa, he mea i tukua ki a ia kia tiakina, he whakaaetanga ranei, he mea ranei i pahuatia, he whakahaere he ranei ki tona hoa;
3 na nahita izay zavatra very ka mandainga amin’ izany sady mianian-tsy tò ny amin’ izay mety ho fahotan’ ny olona,
I kitea ranei e ia te mea i ngaro, a ka korero teka ki taua mea, ka oati teka; i tetahi ranei o enei tini mea e mea ai te tangata, e whai hara ai:
4 satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny, na izay tamin’ ny fampahoriana, na izay nampitehirizina azy, na izay zavatra very hitany,
Na, kua hara nei ia, kua he, me whakahoki e ia te mea i pahuatia, te mea ranei i murua e ia, te mea ranei i waiho ki a ia kia tiakina, te mea ngaro ranei i kitea e ia,
5 na izay rehetra nianianany tsy tò; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin’ ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany.
Nga mea katoa ranei i oati teka ai ia; me utu e ia taua mea kia tino rite, ka tapiri ano ki te wahi whakarima: me homai e ia ki te tangata nona, i te ra e kitea ai kua hara ia.
6 Ary ny fanati-panonerana ho entiny ho an’ i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin’ ny mpisorona.
A me kawe e ia tana whakahere mo te he ki a Ihowa, he hipi toa, he kohakore no te kahui, kei tau te utu, hei whakahere mo te he, ki te tohunga:
7 Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony.
A ma te tohunga e whakamarie mona ki te aroaro o Ihowa: a ka murua te he o tana i nga mea katoa i mea ai ia, i hara ai.
8 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
I korero ano a Ihowa ki a Mohi, i mea,
9 Mandidia an’ i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin’ ny fanatitra dorana: Ny fanatitra dorana dia ho eo amin’ ny fatana eo an-tampon’ ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ary ny afon’ ny alitara hirehitra eo.
Whakahaua a Arona ratou ko ana tama, mea atu, Ko te ture tenei mo te tahunga tinana: me uta te tahunga tinana ki runga ki te takuahi o te aata a pau noa te po, taea noatia te ata; kia ka tonu hoki te ahi o te aata ki runga ki a ia.
10 Any hiakanjoan’ ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin’ ny fanatitra dorana izay nolevonin’ ny afo teo ambonin’ ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan’ ny alitara.
A me kakahu e te tohunga tona kakahu rinena, me mau ano ona tarau rinena ki tona kiri, ka kohi ai i nga pungarehu i pau tahi me te tahunga tinana i te ahi i runga i te aata, a ka waiho i te tahi o te aata.
11 Ary hanala ny fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny ivelan’ ny toby amin’ izay fitoerana madio.
Na ka whakarere atu ia i ona kakahu, ka kakahu i etahi atu kakahu, a ka mau i nga pungarehu ki waho i te puni, ki te wahi pokekore.
12 Ary ny afo eo ambonin’ ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan’ ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin’ ny saboran’ ny fanati-pihavanana.
Kia ka tonu ano te ahi o te aata, kei pirau: me whakau ano e te tohunga nga wahie ki runga, i tenei ata, i tenei ata; me ata whakatakoto ano e ia te tahunga tinana ki runga, a me tahu e ia te ngako o nga whakahere mo te pai ki runga.
13 Dia hisy afo mirehitra mandrakariva eo ambonin’ ny alitara ka tsy havela ho faty.
Kia ka tonu te ahi i runga i te aata; kei pirau.
14 Ary izao no lalàna ny amin’ ny fanatitra hohanina: Ireo zanak’ i Arona no hanatitra azy eo anatrehan’ i Jehovah eo anoloan’ ny alitara.
Na ko te ture tenei mo te whakahere totokore: ma nga tama a Arona e tapae ki te aroaro o Ihowa, ki mua i te aata.
15 Ary hangalany eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin’ ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin’ ny ditin-kazo manipofona rehetra izay eo ambonin’ ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Me ao e ia, kia ki tona ringa, i te paraoa pai o te whakahere totokore, i te hinu hoki, me te parakihe katoa ano hoki i runga i te whakahere totokore, ka tahu ai ki runga ki te aata hei kakara reka, hei whakamahara mo taua mea ki a Ihowa.
16 Ary izay sisa amin’ ireny dia hohanin’ i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin’ izay fitoerana masìna anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin’ ny kianjan’ ny trano-lay fihaonana.
A ma Arona ratou ko ana tama e kai te toenga o taua mea: me kai kore rewena ki te wahi tapu; hei te marae o te tapenakara o te whakaminenga ratou kai ai.
17 Tsy hasiana masirasira izany raha hendasina; fa efa nomeko ho anjarany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho Ahy izany; masìna dia masìna izany tahaka ny fanatitra noho ny ota sy tahaka ny fanati-panonerana.
E kore e tunua rewenatia. Kua hoatu e ahau taua mea hei wahi ma ratou i roto i aku whakahere ahi. He tino tapu tena, rite tonu ano ki te whakahere hara, ki te whakahere mo te he.
18 Ny lehilahy rehetra amin’ ny zanak’ i Arona no mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay ho an’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany; ho masìna izay rehetra manendry izany.
Hei kai tena ma nga tane katoa o nga tama a Arona, hei wahi pumau ma ratou puta noa i o koutou whakatupuranga o nga whakahere ahi a Ihowa: ka tapu nga tangata katoa e pa ana ki ena.
19 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
I korero ano a Ihowa ki a Mohi, i mea,
20 Izao no fanatitr’ i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an’ i Jehovah amin’ izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan’ andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva.
Ko te whakahere tenei ma Arona ratou ko ana tama, ko ta ratou e whakahere ai ki a Ihowa i te ra e whakawahia ai ia; ko te whakatekau epa paraoa hei whakahere totokore, hei mea mau tonu, ko tetahi wahi ona i te ata, ko tetahi wahi i te ahiahi.
21 Amin’ ny lapoely no hanaovana azy ka hasiana diloilo; ary rehefa voaendy izy, dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra hohanina no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Me hanga ki te hinu ki runga i te paraharaha; a ka oti te tunu, ka kawe ki roto; a ka whakahere i nga wahi i tunua o te whakahere totokore, hei kakara reka ki a Ihowa.
22 Ary ilay mpisorona avy amin’ ny zanany, izay voahosotra handimby azy, no hanao izany; anjara mandrakizay ho an’ i Jehovah izany ka hodorana ho fofona avokoa;
Ma te tohunga i whakawahia i roto i ana tama hei whakakapi mona e mahi: he tikanga pumau, me tahu katoa ki a Ihowa.
23 fa ny fanatitra hohanina rehetra izay aterin’ ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina.
Me tahu katoa nga whakahere totokore katoa a te tohunga: kaua hei kainga.
24 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
I korero ano a Ihowa ki a Mohi, i mea,
25 Mitenena amin’ i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no Lalàna ny amin’ ny fanatitra noho ny ota: Eo amin’ ny famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny ota eo anatrehan’ i Jehovah; ho masìna dia masìna izany.
Korero ki a Arona ratou ko ana tama, mea atu, Ko te ture tenei mo te whakahere hara: Ko te wahi e patua ai te tahunga tinana, ko reira patu ai i te whakahere hara, ki te aroaro o Ihowa: he tino tapu tena.
26 ilay mpisorona manatitra azy noho ny ota no hihinana azy; eo amin’ izay fitoerana masìna no hihinanany azy, dia eo amin’ ny kianjan’ ny trano-lay fihaonana.
Ko te tohunga nana i whakahere taua mea mo te hara, mana e kai: me kai ki te wahi tapu, ki te marae o te tapenakara o te whakaminenga.
27 Ho masìna izay rehetra manendry ny henany; ary raha misy fitafiana ipitihan’ ny ràny, dia hosasanao eo amin’ izay fitoerana masìna izay ipitihany.
Ki te pa tetahi mea ki tona kikokiko, ka tapu: a ki te maringi tetahi wahi o ona toto ki tetahi kakahu, me horoi ki te wahi tapu te mea i maringi nei taua toto ki runga.
28 Ary ny vilany tany izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasan-drano izany.
Ko te oko oneone ia i kohuatia ai me wahi: a ki te mea i kohuatia ki te oko parahi, na me mukumuku, ka horoi ai ki te wai.
29 Ny lehilahy rehetra amin’ ny mpisorona no mahazo mihinana azy; masìna dia masìna izany.
Ma nga tane katoa i roto i nga tohunga e kai; he mea tino tapu.
30 Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-drà ho entina ao amin’ ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin’ ny fitoerana masìna, dia tsy hohanina; hodorana amin’ ny afo izany.
Kaua hei kainga te whakahere hara, e kawea nei tetahi wahi o ona toto ki roto ki te tapenakara o te whakaminenga hei whakamarie ki te wahi tapu: me tahu ki te ahi.

< Levitikosy 6 >