< Levitikosy 27 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Yehova anawuza Mose kuti,
2 Mltenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy olona hanala voady, dia ho an’ i Jehovah izy araka izay hataonao tombany.
“Yankhula ndi Aisraeli ndipo uwawuze kuti, ‘Ngati munthu anachita lumbiro lapadera loti adzapereka munthu mnzake kwa Yehova ndipo akufuna kuti amuwombole,
3 Ary ny hataonao tomban’ ny lehilahy hatramin’ ny roa-polo taona ka hatramin’ ny enim-polo taona dia sekely volafotsy dimam-polo araka ny sekely masìna;
mtengo wake ukhale masekeli a siliva makumi asanu, molingana ndi kawerengedwe ka ku Nyumba ya Mulungu, ngati munthuyo ndi wamwamuna wa zaka zapakati pa 20 ndi 60.
4 fa raha vehivavy, dia sekely telo-polo kosa no hataonao tombany.
Ndipo ngati ndi wamkazi, mtengo wake ukhale masekeli makumi atatu.
5 Ary raha hatramin’ ny dimy taona ka hatramin’ ny roa-polo taona izy, dia sekely roa-polo no hataonao tomban’ ny lehilahy; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa.
Mtengo wa munthu wamwamuna wa zaka zapakati pa zisanu ndi makumi awiri ukhale masekeli makumi awiri ndipo munthu wamkazi ukhale masekeli khumi.
6 Ary raha hatramin’ ny iray volana ka hatramin’ ny dimy taona, dia sekely volafotsy dimy no hataonao tomban’ ny zazalahy; ary sekely volafotsy telo kosa no hataonao tomban’ ny zazavavy.
Ngati ndi munthu wamwamuna wa pakati pa mwezi umodzi ndi zaka zisanu, mtengo wa munthu wamwamuna ukhale masekeli asanu a siliva ndipo ngati ndi wamkazi, ukhale masekeli atatu a siliva.
7 Ary raha hatramin’ ny enim-polo taona no ho miakatra izy, raha lehilahy, dia ho sekely dimy ambin’ ny folo no hataonao tombany; ary raha vehivavy, dia sekely folo kosa.
Ngati ndi munthu wa zaka makumi asanu ndi limodzi kapena kuposerapo, mtengo wa wamwamuna ukhale masekeli khumi ndi asanu, ndipo wamkazi ukhale masekeli khumi.
8 Ary raha malahelo kosa izy ka tsy mahaloa izay hataonao ho tombany, dia ho entina eo anatrehan’ ny mpisorona izy, ary ny mpisorona hanombana azy; araka izay takatry ny ananan’ ilay nivoady no hanombanan’ ny mpisorona azy.
Ngati munthu amene anachita lumbiro ndi wosauka kwambiri kuti sangathe kulipira ndalama zimenezo, abwere ndi munthu woperekedwa uja kwa wansembe, ndipo wansembeyo ayike mtengo woti munthu wolumbirayo angathe kulipira.
9 Ary raha biby fiompy izay fanao fanatitra ho an’ i Jehovah, dia ho masìna ho an’ i Jehovah izay rehetra omena amin’ izany.
“‘Ngati chimene anachitira lumbiro kuti apereke ndi nyama imene amapereka kukhala nsembe kwa Yehova, zonse zimene amapereka kwa Yehova nʼzopatulika.
10 Tsy hanova na hanakalo izany izy, na ny tsara ho solon’ ny ratsy, na ny ratsy ho solon’ ny tsara; ary raha biby no atakalony biby, dia samy ho masìna Izy sy ny takalony.
Munthu asasinthanitse ndi ina kapena kupereka ina yabwino mʼmalo mwa yoyipa, kapena yoyipa mʼmalo mwa yabwino. Ngati asinthitsa nyama ina mʼmalo mwa ina, nyamayo pamodzi ndi inzake wasinthitsayo zikhala zopatulika.
11 Fa raha biby maloto izay tsy fanao fanatitra ho an’ i Jehovah kosa izany, dia ho entina eo anatrehan’ ny mpisorona izy;
Ngati chimene anachitira lumbiro ndi nyama yodetsedwa, nyama imene siloledwa kuyipereka kukhala nsembe kwa Yehova, nyamayo abwere nayo kwa wansembe,
12 ary ny mpisorona hanombana azy, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataonao mpisorona tombany no izy.
ndipo wansembeyo atchule mtengo wake poona ngati ndi yabwino kapena ndi yoyipa. Mtengo umene wansembe atchule ndiwo udzakhale mtengo wake.
13 Fa raha ta-hanavotra azy ny tompony, dia hampiany ho tonga avy fahenina izay nataonao tombany.
Ngati mwini wakeyo akufuna kuwombola nyamayo, awonjezere pa mtengo wake wa nyamayo chimodzi mwa zigawo zisanu zamtengowo.
14 Ary raha misy olona manamasìna ny tranony ho an’ i Jehovah, dia hotombanan’ ny mpisorona ny trano, na tsara, na ratsy; koa araka izay hataon’ ny mpisorona tombany no izy.
“‘Ngati munthu apereka nyumba yake kuti ikhale yopatulika kwa Yehova, wansembe atchule mtengo wake poona ngati ndi yabwino kapena ndi yoyipa. Mtengo umene wansembe atchule ndiwo udzakhale mtengo wake.
15 Ary raha tian’ ny tompony havotana ny tranony izay nohamasininy, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany, dia ho azy ny trano.
Ngati munthu amene wapereka nyumbayo afuna kuyiwombola nyumbayo, awonjezere pamtengo wake wa nyumbayo, limodzi mwa magawo asanu amtengowo. Ndipo nyumbayo idzakhalanso yake.
16 Ary raha misy olona manamasìna ho an’ Jehovah ny sasany amin’ ny zara-taniny, dia hotombananao izy araka ny voan-javatra famafy eo; ny voam-bary hordea iray homera hotombananao sekely volafotsy dimam-polo.
“‘Ngati munthu apereka kwa Yehova mbali ina ya malo a makolo ake, mtengo umene awuyike ukhale wolingana ndi mtengo wa mbewu zimene zimadzabzalidwamo. Zikhale mbewu za barele za makilogalamu makumi awiri ndipo mtengo wake ukhale masekeli makumi asanu.
17 Raha misy manamasìna ny taniny, raha vao afaka ny Jobily, dia araka izay hataonao tombany no izy.
Ngati munthu apereka munda wake kuyambira chaka chokondwerera zaka makumi asanu, mtengo wake ukhale umene unakhazikitsidwa.
18 Fa raha misy manamasìna ny taniny ao aorian’ ny Jobily, dia holazain’ ny mpisorona aminy ny vola araka ny taona sisa, dia hatramin’ ny taona Jobily, ary hahena araka izany no hanaovanao ny tombany.
Koma ngati apereka mundawo chaka chokondwerera zaka makumi asanu chitapita, wansembe adzatchula mtengo molingana ndi zaka zomwe zatsala kuti chifike chaka china chokondwerera zaka makumi asanu, ndipo mtengo wake udzakhala wotsikirapo.
19 Ary raha tian’ ilay nanamasina azy havotana ny tany, dia hampiany ho tonga avy fahenina ny vola nataonao tombany, ka dia ho tapaka ho azy.
Ngati munthu amene wapereka munda afuna kuwuwombola, ayenera kuwonjezera pa mtengo wake wa mundawo, limodzi mwa magawo asanu a mtengowo. Ndipo mundawo udzakhalanso wake.
20 Ary raha tsy hanavotra ny tany izy, na efa nivarotra azy tamin’ olon-kafa, dia tsy ho azo avotana intsony izany.
Koma ngati sawuwombola mundawo, kapena ngati waugulitsa kwa munthu wina, mundawo sudzawomboledwanso.
21 Fa raha afaka amin’ ny Jobily ny tany, dia ho masìna ho an’ i Jehovah tahaka ny saha voatokana izany; ny mpisorona no ho tompony.
Mwini mundawo akawusiya mʼchaka chokondwerera zaka makumi asanu ndiye kuti mundawo udzakhala wopatulika monga woperekedwa kwa Yehova: udzakhala munda wa ansembe.
22 Ary raha misy manamasìna ho an’ i Jehovah ny tany novidiny, izay tsy amin’ ny zara-taniny,
“‘Ngati munthu apereka kwa Yehova munda umene anagula, umene si malo a makolo ake,
23 dia holazain’ ny mpisorona aminy ny hevitry ny ataonao tombany, dia hatramin’ ny taona Jobily; ary dia handoa izay nataonao tombany amin’ izany andro izany izy ho zava-masìna ho an’ i Jehovah.
wansembe atchule mtengo wake kufikira pa chaka chokondwerera zaka makumi asanu, ndipo munthuyo apereke ndalama zokwanira mtengo wake pa tsikulo monga ndalama zopatulika kwa Yehova.
24 Amin’ ny taona Jobily no hodian’ ny tany amin’ izay nividianana azy, dia ho an’ izay tompon-dova.
Pa chaka chokondwerera zaka makumi asanu, mundawo udzabwezedwa kwa munthu amene anawugulitsayo, amene malowo anali ake.
25 Ary ny tombany rehetra izay hataonao dia ho araka ny sekely masìna: ho gera roa-polo ny sekely iray.
Potchula mtengo uliwonse wansembe awerengere molingana ndi mtengo wa sekeli wa ku Nyumba ya Mulungu: magera makumi awiri pa sekeli imodzi.
26 Fa ny voalohan-teraky ny biby fiompy, dia izay voalohan-teraka ho an’ i Jehovah, aoka tsy hisy olona hanamasina izany, na omby, na ondry, na osy, fa an’ i Jehovah izany.
“‘Koma pasapezeke munthu wopereka mwana woyamba kubadwa wa nyama, popeza mwana woyamba kubadwa ali kale wa Yehova, kaya ndi ngʼombe kapena nkhosa, zimenezi ndi za Yehova.
27 Fa raha biby maloto kosa, dia havotany araka izay hataonao tombany, ary hampiany ho tonga avy fahenina; fa raha tsy havotana izy, dia hamidy araka izay nataonao tombany.
Ngati ili nyama yodetsedwa, ayiwombole pa mtengo umene wansembe wawuyika, ndi kuwonjezeranso pa mtengo wake wa nyamayo, limodzi mwa magawo asanu amtengowo. Ngati sayiwombola, igulitsidwe pa mtengo umene wansembe awuyike.
28 Kanefa ny zavatra rehetra izay atokan’ ny olona ho an’ i Jehovah amin’ izay ananany, na olona, na biby fiompy, na tany izay fananany, dia tsy hamidy, na havotana; masìna dia masìna ho an’ i Jehovah ny zavatra rehetra izay atokana.
“‘Koma chinthu chilichonse choperekedwa kwa Yehova, kaya ndi munthu, nyama, kaya ndi malo a makolo, chimenechi chisagulitsidwe kapena kuwomboledwa. Choperekedwa kwa Yehova motere nʼchopatulika kwambiri.
29 Ny olona rehetra izay atokana dia tsy havotana, fa hatao maty tokoa.
“‘Munthu amene waperekedwa kotheratu sangawomboledwe. Munthuyo ayenera kuphedwa.
30 Ary ny ampahafolon’ ny vokatra rehetra ao amin’ ny tany, na avy amin’ ny tanimbary, na avy amin’ ny saha, dia an’ i Jehovah; masìna ho an’ i Jehovah izany.
“‘Chakhumi chilichonse chochokera mʼdziko, kaya ndi tirigu wochokera mʼnthaka kapena chipatso cha mʼmitengo ndi za Yehova. Chimenecho ndi chopatulika kwa Yehova.
31 Ary raha misy tian’ ny tompony havotana ny ampahafolon’ ny vokatra, dia hampiany ho tonga avy fahenina izy.
Ngati munthu afuna kuwombola chakhumi chilichonse, awonjezere pamtengo wake chimodzi mwa zigawo zisanu za mtengowo.
32 Ary ny amin’ ny ampahafolon’ ny omby, na ny ondry, na ny osy, dia ny ampahafolon’ izay rehetra mandalo eo ambanin’ ny tehin’ ny mpiandry, ho masìna ho an’ i Jehovah.
Chakhumi cha ngʼombe ndi nkhosa, kapena kuti nyama iliyonse ya khumi imene mʼbusa wayiwerenga idzakhala yopatulikira kwa Yehova.
33 Tsy hizaha ny tsara na ny ratsy izy, ary tsy hanakalo azy; ary raha misy takalozany, dia samy ho masìna avokoa izy sy ny takalony ka tsy havotana.
Palibe amene adzaloledwa kusankha nyama yomwe ili yabwino kapena kusinthitsa. Ngati asinthitsa, nyamayo pamodzi ndi inzakeyo zidzakhala zopatulika ndipo sangaziwombole.’”
34 Ireo no didy izay nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy ho amin’ ny Zanak’ Isiraely teo an-tendrombohitra Sinay.
Amenewa ndi malamulo amene Yehova anamupatsa Mose pa Phiri la Sinai kuti awuze Aisraeli.

< Levitikosy 27 >