< Levitikosy 25 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay ka nanao hoe:
OLELO mai la hoi o Iehova ia Mose ma ka mauna Sinai, i mai la,
2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omeko anareo ianareo, aoka hisy fitsaharana ho an’ ny tany, dia sabata ho an’ i Jehovah.
E olelo aku oe i na mamo a Iseraela, a e i aku ia lakou, Aia komo oukou i ka aina a'u e haawi aku nei ia oukou, alaila e malama ka aina i ka Sabati no Iehova.
3 Enin-taona no hamafazanao ny taninao, enin-taona no hanamboaranao ny sahanao sy hanangonanao ny vokatra;
I na makahiki eono e lulu hua ai oe ma kau mahinaai, a i na makahiki eono e paipai ai oe i kou malawaina, a e ohi hoi i kona hua.
4 fa ny taona fahafito kosa ho tena fitsaharana ho an’ ny tany, dia sabata ho an’ i Jehovah; aza mamafy amin’ ny taninao ianao, ary aza mamboatra ny sahanao.
Aka o ka hiku o ka makahiki, e lilo ia i Sabati e hoomaha ai no ka aina, i Sabati no Iehova; mai lulu hua oe ma kau mahinaai, aole hoi oe e paipai i kou malawaina,
5 Aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ ny voa nihintsana tamin’ ny fararano lasa, ary aza mioty ny voaloboka avy tamin’ izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an’ ny tany izany.
O ka mea ulu wale no kau ai, mai okioki oe ia, aole hoi e ohi i na hua waina o kou kumu waina paipai ole ia; he makahiki ia e hoomaha ai no ka aina.
6 Ary izay maniry ho azy amin’ ny sabatan’ ny tany no ho hanina ho anao sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao sy ny mpikarama sy ny vahiny eo aminao
A o ka Sabati o ka aina he ai na oukou, nau, a na kau kauwa, a na kau kaikamahine, a na kau kauwa hoolimalimaia, a na kou malihini e noho pu ana me oe,
7 sy ny biby fiompinao ary ny bibidia izay eo amin’ ny taninao; izay vokatra rehetra eo no hohaniny.
A na kau mau holoholona, me na holoholona ma kou aina, he ai kona hua a pau,
8 Ary manisà sabatan-taona fito ho anao, dia fito taona impito, ka ny hanisanao ny andron’ ireo sabatan-taona fito ireo dia sivy amby efa-polo taona.
A e helu oe i na Sabati makahiki ehiku nou, i ehiku hiku mau makahiki, a o ka wa o na Sabati makahiki ehiku, he kanahakumamaiwa mau makahiki nou.
9 Dia mitsofa anjomara avo feo amin’ ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito; dia amin’ ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran’ ny taninareo.
Alaila e hookani ai oe i ka pu Iubile, i ka la umi o ka malama ahiku, i ka la kalahala, e hookani ai oukou i ka pu ma ko oukou aina a puni.
10 Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin’ ny tany ho an’ ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin’ ny taninareo avy ianareo sy any amin’ ny mpianakavinareo avy.
A e hoano oukou i ke kanalima o ka makahiki, a e hai aku i ke kuu wale ana a puni ka aina, i ka poe a pau e noho ana ilaila; e lilo ia i Iubile ia oukou, a e hoi oukou kela kanaka keia kanaka i kona aina iho, a e hoi oukou kela kanaka keia kanaka i kona ohana iho.
11 Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ ny voa nihintsana tamin’ ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin’ izay tsy namboarinareo;
He Iubile auanei ia makahiki kanalima ia oukou. Mai lulu hua oukou, aole hoi e okioki i ka mea ulu wale ia makahiki, aole hoi e ohi i ko ke kumuwaina paipai ole ia.
12 fa Jobily izany ka ho masìna ho anareo. Izay vokatra alaina any an-tsaha no hohaninareo.
No ka mea, he Iubile ia, e hoano auanei ia ia oukou; mailoko mai o ka mahinaai, e ai ai oukou i kona hua.
13 Amin’ izany taona Jobily izany dia samy hody amin’ ny taninareo avy ianareo.
I ka makahiki o ua Iubile nei, e hoi ai oukou kela kanaka keia kanaka i kona aina iho.
14 Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin’ ny namanao ianao, aza misy manao sarotra:
Ina e kuai lilo aku oe i kekahi mea i kou hoalauna, a ina kuai lilo mai oe i kekahi mea mai ka lima mai o kou hoalauna, mai noho oukou a hooluhi hewa kekahi i kekahi.
15 araka ny isan’ ny taona aorian’ ny Jobily no hividiananao amin’ ny namanao; ary araka ny isan’ ny fararano no hivarotany aminao.
E like me ka helu o na makahiki mahope ae o ka Iubile, e kuai lilo mai me kou hoalauna, a e like me ka helu o na makahiki o na hua, a kuai lilo aku oia ia oe.
16 Araka ny hamaron’ ny taona no hampitomboanao ny vidiny, ary araka ny havitsin’ ny taona sisa no hampihenanao ny vidiny; fa araka ny isan’ ny fararano no hivarotany aminao.
Mamuli o ka nui o na makahiki e hoonui ai oe i ke kumu kuai o ia mea; a mamuli o ka uuku o na makahiki, e houuku ai i kona kumu kuai; no ka mea, ma ka helu o na makahiki hua, e kuai lilo aku ai oia ia oe.
17 Ary aza misy manao sarotra ianareo, fa matahora an’ Andriamanitrao; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Nolaila, mai hooluhihewa kekahi i kekahi, aka e weliweli oe i kou Akua: owau no Iehova ko oukou Akua.
18 Ary araho ny didiko, ary tandremo ny fitsipiko, ka araho izy; dia handry fahizay amin’ ny tany ianareo.
No ka mea, e hana oukou ma ka'u kauoha, a e malama hoi i ko'u mau kanawai, a e hana ma ia mau mea; a e noho no oukou ma ka aina me ka maluhia.
19 Ary ny tany hahavoka-javatra dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry fahizay.
A e hoohua mai ka aina i kona mau hua, a e ai oukou a maona, a e noho maluhia oukou ilaila.
20 Ary andrao ianareo manao hoe: Inona no hohaninay amin’ ny taona fahafito? fa, indro, tsy mamafy izahay, na manangona ny vokatray;
A ina olelo oukou, He aha la ka kakou mea e ai ai, i ka hiku o ka makahiki? aia hoi, aole kakou e luluhua, aole hoi e houluulu i ko kakou mau hua;
21 dia hataoko aminareo ny fitahiako amin’ ny taona fahenina, ka hisy vokatra ampy ho anareo amin’ ny telo taona.
Alaila e kauoha ai au i ka'u hoomaikai ana mai una o oukou i ke ono o ka makahiki, a e hoohua mai ia i ka hua no na makahiki ekolu;
22 Ary hamafy amin’ ny taona fahavalo ianareo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatongan’ ny taona fahasivy; mandra-pahatongan’ ny vao no hihinananareo ny tranainy.
A i ka walu o ka makahiki e lulu hua ai oukou, a e ai no i ka hua kahiko, a hiki i ka iwa o ka makahiki; a komo mai na hua ona, e ai no oukou i ka mea kahiko.
23 Ary ny tany tsy hatao varo-maty, satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko ianareo.
Aole e kuai lilo mau ia aku ka aina; no ka mea, no'u no ka aina, no ka mea hoi, he poe malihini oukou, e noho malihini ana me au nei.
24 Ary havelanareo ho azo avotana ny tany eo amin’ ny tany rehetra izay lovanareo.
A ma ka aina a pau o oukou, e haawi aku oukou e kuai hou ia ka aina.
25 Raha tàhiny mihamalahelo ny rahalahinao, ka nivarotany ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin’ ny rahalahiny.
Ina i ilihune ae kou hoahanau, a ua kuai lilo aku i kauwahi o kona aina, a hele mai kekahi o kona poe hoahanau, e kuai hou, alaila e kuai lilo mai oia i ka mea a kona hoahanau i kuai lilo aku.
26 Ary raha tsy manan-kavana hanavotra ralehilahy, nefa nambinina izy ka nahazo izay ampy ho enti-manavotra azy,
A ina aole o ke kanaka mea nana e kuai lilo hou mai, a e hiki ia ia iho ke kuai lilo hou mai;
27 dia aoka hanisa ny taona hatramin’ ny nivarotany azy izy ka handoa ny hevitry ny taona sisa ho an’ ny lehilahy izay nivarotany azy; ka dia hody amin’ ny taniny izy.
Alaila e helu oia i na makahiki o kona lilo ana i ke kuaiia, a hoihoi aku i ke koena i ke kanaka ia ia ka aina ana i kuai lilo aku ai; i hoi ai oia i kona aina iho.
28 Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo an-tànan’ ilay nividy azy ihany mandra-pahatongan’ ny taona Jobily; ary ho afaka izany amin’ ny Jobily, ka hody amin’ ny taniny ralehilahy.
Aka ina e hiki ole ia ia ke hoihoi aku ia mea, alaila ka mea i kuai lilo aku e waiho no ia iloko o ka lima o ka mea kuai lilo mai ia mea, a hiki i ka makahiki Iubile; ae hemo ia i ka Iubile, a hoi oia i kona aina iho.
29 Ary raha misy olona mivarotra trano itoerana ao amin’ ny tanàna mimanda, dia hahazo manavotra azy izy mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy; fa ao anatin’ izany no hahazoany manavotra azy.
A ina e kuai lilo aku kekahi kanaka i ka hale noho maloko o ke kulanakauhale paa i ka pa, alaila e hiki ia ia ke kuai lilo hou mai maloko o ia makahiki okoa, mahope iho o ke kuai lilo ana'ku. Ia makahiki a puni e pono ia ia ke kuai lilo hou mai.
30 Fa raha tsy voavotra mandra-pahatapitry ny herintaona kosa ilay trano ao amin’ ny tanàna mimanda, dia tapaka ho varo-maty ho an’ izay nividy azy sy ho an’ ny taranany izany; tsy ho afaka izany na dia amin’ ny Jobily aza.
A ina i ole e kuai lilo mai ia iloko o ka wa e puni ai ka makahiki, alaila ka hale iloko o ke kulanakauhale paa i ka pa, e hoomau loa ia i ka mea nana i kuai lilo mai, i kona mau hanauna; aole ia e hemo i ka labile.
31 Fa ny trano ao amin’ ny vohitra izay tsy misy manda manodidina kosa dia hatao taha, ka ny tany ihany; ho azo avotana ihany izany, na ho afaka amin’ ny Jobily.
Aka o na hale ma na kauhale aole i puni i ka pa, e heluia lakou e like me na mahinaai o ka aina; e hiki no ia lakou ke kuai lilo hou ia mai, a e hemo no i ka lubile.
32 Kanefa ny amin’ ny tanànan’ ny Levita, ny trano ao amin’ ny tanàna izay ho anjarany dia ho azon’ ny Levita avotana ihany na oviana na oviana.
Aka o na kulanakauhale o ka Levi a me na hale o lakou, e hiki no i na pua a Levi ke kuai lilo hou mai i kela manawa keia manawa,
33 Ary raha misy Levita manavotra azy, dia ho afaka amin’ ny Jobily ny trano izay namidy sy ny tanàna izay anjarany; fa ny trano ao an-tanànan’ ny Levita dia lovany ao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Ina e kuai lilo mai kekahi i ko na pua a Levi, alaila ka hale i kuai lilo ia aku, a me ke kulanakauhale ona, e hemo no ia i ka lubile; no ka mea, o na hale o na kulanakauhale o ka poe pua a Levi, o ko lakou waiwai no ia iwaena o na mamo a Iseraela.
34 Fa ny tany manodidina ny tanànany kosa dia tsy azo hamidy; fa ho lovany mandrakizay izany.
Aka o ka mahinaai e pili ana i ko lakou kulanakauhale, aole ia i kuai lilo ia'ku: no ka mea, o ko lakou waiwai mau no ia.
35 Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka, dia vonjeo izy, ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy ny mpivahiny izy.
A ina na lilo kou hoahanau i ilihune, a ua nawaliwali ae la kona lima, alaila e kokua oe ia ia; ina hoi he malihini, a he mea noho malihini, i ola pu ia me oe.
36 Aza maka zana-bola na tombony aminy; fa matahora an’ Andriamanitrao, mba ho velona eo aminao ny rahalahinao.
Mai lawe oe i ka uku kuala ona, aole hoi i ka mahuahua ana: aka e weliweli oe i kou Akua, i hiki i kou hoahanau ke ola pu me oe.
37 Aza mampanàna vola aminy, ary aza mampisambotra hanina hahazoana tombony:
Aole oe e haawi lilo ole ae i kau moni, no ka uku kuala, aole hoi e haawi i kau ai ia ia no ka hoonui ia.
38 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, hanome anareo ny tany Kanana, mba ho Andriamanitrareo.
Owau no o Iehova o ko oukou Akua, ka mea i lawe mai ia oukou mai ka aina mai o Aigupita, e haawi ia oukou i ka aina o Kanaana, i Akua au no oukou.
39 Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao ka mivaro-tena aminao, aza ampanompoinao toy ny andevo izy;
A ina i ilihune ae kou hoahanau, e noho kokoke ana me oe, a kuai lilo ia'ku ia nou, aole oe e hoohana ia ia nou me he kauwa paa la:
40 fà aoka hitoetra eo aminao tahaka ny mpikarama sy tahaka ny vahiny izy; mandra-pahatongan’ ny taona Jobily no hanompoany anao.
Aka me he paaua la, a, me he mea noho malihini la, e noho ai oia me oe, a e hookauwa oia nau a hiki i ka makahiki Iubile.
41 Dia ho afaka izy sy ny zanany ka hody amin’ ny mpianakaviny sy amin’ ny tanin-drazany koa.
Alaila e hele aku oia, mai ou aku la, oia pu me kana mau keiki me ia, a e hoi aku no i kana ohana, a i ka aina o kona mau makua.
42 Fa mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta izy ka tsy hamidy tahaka ny andevo.
No ka mea, he mau kauwa na'u lakou, a'u i lawe mai nei mai ka aina mai o Aignpita; aole lakou e kuai lilo ia aku me he mau kauwa paa la.
43 Aza mampanompo azy fatratra, fa matahora an’ Andriamanitrao.
Aole oe e hoohaku maluna ona me ke oolea, aka e weliweli oe i kou Akua.
44 Ary ny amin’ izay ho andevolahinao sy andevovavinao, dia amin’ ny jentilisa izay manodidina anareo no hividiananareo azy.
O kau mau kauwa kaue paa, a me kau mau kauwa wahine paa, i lilo ia oe, no na lahuikanaka e puni ana ia oe lakou; no lakou mai e kuai oukou i mau kauwakane paa, a i mau kauwawahine paa.
45 Ary amin’ ny zanaky ny vahiny eo aminareo sy amin’ ny taranany izay haterany eo amin’ ny taninareo no hividiananareo koa; ary dia ho fanananareo izany.
A no na keiki a na malihini e noho malihini ana iwaena o oukou, no lakou e kuai ai oukou, a no ko lakou mau ohana me oukou, i loaa ia lakou ma ko oukou aina; a e lilo lakou i waiwai nau.
46 Ary hataonareo lovan’ ny zanakareo mandimby anareo izany ho fananana holovany ka hampanompoinareo mandrakizay fa ny Zanak’ Isiraely rahalahinareo dia aza mba ampanompoina fatratra.
A e lawe hoi oukou ia lakou i waiwai na ka oukou mau keiki mahope o oukou, e ili iho i waiwai ua lakou; aet lilo lakou i kauwa mau na oukou; aka, maluna o ko oukou mau hoahanau, na mamo a Iseraela, aole e hoohaku kekahi maluna o kekahi mo ke oolea.
47 Ary raha tonga manan-karena ny vahiny izay monina eo aminao na ny mpivahiny, ary ny rahalahinao eo aminy mihamalahelo kosa ka mivaro-tena amin’ ny vahiny eo aminao, na amin’ ny taranaky ny vahiny;
A ina e waiwai nui ae ka mea noho, a o ka malihini me oe, a e ilihune ae kou hoahanau e noho kokoke ana me ia, a kuai lilo aku oia ia ia iho i ka malihini, a i ka mea noho ma ou la, a i ka pua paha o ka ohana a ka malihini;
48 na dia nivaro-tena aza izy, dia azo avotana indray; ny anankiray amin’ ny rahalahiny no mahazo manavotra azy:
Mahope o kona kuai lilo ia'ku, e hiki ke kuai lilo hou ia mai. E hiki i kekahi o kona mau hoahanau ke kuai lilo hou mai.
49 na ny rahalahin-drainy, na ny zanak’ olo-mirahalahy aminy, na izay havany akaiky azy amin’ ny mpianakaviny no mahazo manavotra azy; kanefa raha tratry ny ananany, dia hanavo-tena izy.
E pono i ka hoahanau o kona makuakane, a me ke keiki a ka hoahanau o kona makuakane, ke kuai lilo hou mai, a e hiki i kekahi o kona io iho, no kona ohana iho, ke kuai lilo hou mai ia ia; a ina e hiki i kona lima iho, he pono no ke kuai hou mai oia ia ia iho.
50 Ary dia hisainy amin’ izay nividy azy hatramin’ ny taona nivarotana azy ka hatramin’ ny taona Jobily; ary ny vola nivarotany ny tenany dia hoheverina araka ny isan’ ny taona; dia ara-kevitry ny andron’ ny mpikarama no hiheverana azy.
A e kuka pu oia me ka mea nana ia i kuai lilo mai, mai ka makahiki mai i kuai lilo ia'ku ai oia ia ia, a hiki i ka makahiki Iubile, a o ke kumu kuai ona e hoolikeia ia me ka helu o na makahiki, e like me ka wa o ka paaua, pela no ia ia.
51 Raha mbola maro ny taona sisa, dia ara-keviny ihany no handoavany ny avony avy amin’ ny vola vidiny teo aloha.
Ina he nui ua makahiki i koe, e like me ia e haawi ai oia i ke kumu kuai, e kuai lilo hou mai, mailoko mai o ka moni i kuai lilo ia mai ai oia.
52 Any raha vitsy kosa ny taona sisa mandra-pahatongan’ ny taona Jobily, dia hanisa izany aminy izy, ka ara-kevitry ny taona ihany no handoavany ny vola avony.
A ina he uuku na makahiki i koe a hiki i ka makahiki lubile, alaila e helu pu me ia, a e like me na makahiki, e haawi hou ai oia ia ia i ke kumu kuai, e kuai lilo hou ia mai ai oia.
53 Tahaka izay karamaina isan-taona no hitoerany eo aminy; fa aoka tsy hampanompoina fatratra eo imasonao izy.
Me he paaua la i hoolimalimaia ma ka makahiki e noho ai oia me ia; aole nae e hoohaku maluna ona me ko oolea mamua o kou mau maka.
54 Ary raha tsy voavotra amin’ izay izy, dia ho afaka amin’ ny taona Jobily izy sy ny zanany koa.
A ina i ole e kuai lilo hou ia mai, ma ia mau mea, alaila e hele aku no ia i ka makahiki Iubile, oia pu me kana mau keiki me ia.
55 Fa mpanompoko ny Zanak’ Isiraely, dia mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
No ka mea, ia'u nei, he poe kauwa na mamo a Iseraela: o ka'u mau kauwa lakou, a'u i lawe mai nei mai ka aina mai o Aigupita: owau no Iehova ko oukou Akua.

< Levitikosy 25 >