< Levitikosy 25 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay ka nanao hoe:
Et l’Éternel parla à Moïse, sur la montagne de Sinaï, disant:
2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omeko anareo ianareo, aoka hisy fitsaharana ho an’ ny tany, dia sabata ho an’ i Jehovah.
Parle aux fils d’Israël, et dis-leur: Quand vous serez entrés dans le pays que je vous donne, le pays célébrera un sabbat à l’Éternel.
3 Enin-taona no hamafazanao ny taninao, enin-taona no hanamboaranao ny sahanao sy hanangonanao ny vokatra;
Pendant six ans tu sèmeras ton champ, et pendant six ans tu tailleras ta vigne, et tu en recueilleras le rapport;
4 fa ny taona fahafito kosa ho tena fitsaharana ho an’ ny tany, dia sabata ho an’ i Jehovah; aza mamafy amin’ ny taninao ianao, ary aza mamboatra ny sahanao.
et la septième année, il y aura un sabbat de repos pour le pays, un sabbat [consacré] à l’Éternel: tu ne sèmeras pas ton champ, et tu ne tailleras pas ta vigne.
5 Aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ ny voa nihintsana tamin’ ny fararano lasa, ary aza mioty ny voaloboka avy tamin’ izay tsy namboarinao; fa aoka ho taona fitsaharana ho an’ ny tany izany.
Tu ne moissonneras pas ce qui vient de soi-même de ta moisson [précédente], et tu ne vendangeras pas les grappes de ta vigne non taillée: ce sera une année de repos pour le pays.
6 Ary izay maniry ho azy amin’ ny sabatan’ ny tany no ho hanina ho anao sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao sy ny mpikarama sy ny vahiny eo aminao
Et le sabbat du pays vous servira de nourriture, à toi, et à ton serviteur, et à ta servante, et à ton homme à gages et à ton hôte qui séjournent chez toi,
7 sy ny biby fiompinao ary ny bibidia izay eo amin’ ny taninao; izay vokatra rehetra eo no hohaniny.
et à ton bétail et aux animaux qui seront dans ton pays: tout son rapport servira de nourriture.
8 Ary manisà sabatan-taona fito ho anao, dia fito taona impito, ka ny hanisanao ny andron’ ireo sabatan-taona fito ireo dia sivy amby efa-polo taona.
Et tu compteras sept sabbats d’années, sept fois sept ans; et les jours de ces sept sabbats d’années te feront 49 ans.
9 Dia mitsofa anjomara avo feo amin’ ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito; dia amin’ ny andro fanavotana no hitsofanareo anjomara eran’ ny taninareo.
Et, au septième mois, le dixième [jour] du mois, tu feras passer le son bruyant de la trompette; le jour des propitiations, vous ferez passer la trompette par tout votre pays;
10 Ary hamasino ny taona fahadimam-polo, ka miantsoa fanafahana amin’ ny tany ho an’ ny mponina rehetra ao aminy; Jobily ho anareo izany, ka samia mody any amin’ ny taninareo avy ianareo sy any amin’ ny mpianakavinareo avy.
et vous sanctifierez l’année de l’an cinquantième, et vous publierez la liberté dans le pays à tous ses habitants: ce sera pour vous un jubilé; vous retournerez chacun dans sa possession, et vous retournerez chacun à sa famille.
11 Jobily ho anareo izany taona fahadimam-polo izany; aza mamafy ianareo, ary aza mijinja izay maniry ho azy avy tamin’ ny voa nihintsana tamin’ ny fararano lasa, ary aza mioty ny avy tamin’ izay tsy namboarinareo;
Cette année de l’an cinquantième sera pour vous un jubilé: vous ne sèmerez pas, et vous ne moissonnerez pas ce qui vient de soi-même, et vous ne vendangerez pas la vigne non taillée;
12 fa Jobily izany ka ho masìna ho anareo. Izay vokatra alaina any an-tsaha no hohaninareo.
car c’est le Jubilé: il vous sera saint; vous mangerez en l’y prenant ce que le champ rapportera.
13 Amin’ izany taona Jobily izany dia samy hody amin’ ny taninareo avy ianareo.
En cette année du Jubilé, vous retournerez chacun dans sa possession.
14 Ary raha mivarotra na mividy zavatra amin’ ny namanao ianao, aza misy manao sarotra:
Et si vous vendez quelque chose à votre prochain, ou si vous achetez de la main de votre prochain, que nul ne fasse tort à son frère.
15 araka ny isan’ ny taona aorian’ ny Jobily no hividiananao amin’ ny namanao; ary araka ny isan’ ny fararano no hivarotany aminao.
Tu achèteras de ton prochain d’après le nombre des années depuis le Jubilé; il te vendra d’après le nombre des années de rapport.
16 Araka ny hamaron’ ny taona no hampitomboanao ny vidiny, ary araka ny havitsin’ ny taona sisa no hampihenanao ny vidiny; fa araka ny isan’ ny fararano no hivarotany aminao.
À proportion que le nombre des années sera grand, tu augmenteras le prix; et à proportion que le nombre des années sera petit, tu diminueras le prix, car c’est le nombre des récoltes qu’il te vend.
17 Ary aza misy manao sarotra ianareo, fa matahora an’ Andriamanitrao; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Et nul de vous ne fera tort à son prochain, et tu craindras ton Dieu, car moi, je suis l’Éternel, votre Dieu.
18 Ary araho ny didiko, ary tandremo ny fitsipiko, ka araho izy; dia handry fahizay amin’ ny tany ianareo.
Et vous pratiquerez mes statuts, et vous garderez mes ordonnances, et vous les pratiquerez, et ainsi vous habiterez dans le pays en sécurité;
19 Ary ny tany hahavoka-javatra dia hihinana ianareo ka ho voky, ary handry fahizay.
et le pays vous donnera son fruit, et vous mangerez à rassasiement, et vous l’habiterez en sécurité.
20 Ary andrao ianareo manao hoe: Inona no hohaninay amin’ ny taona fahafito? fa, indro, tsy mamafy izahay, na manangona ny vokatray;
Et si vous dites: Que mangerons-nous la septième année; voici, nous ne semons pas, et nous ne recueillons pas nos produits?
21 dia hataoko aminareo ny fitahiako amin’ ny taona fahenina, ka hisy vokatra ampy ho anareo amin’ ny telo taona.
je commanderai que ma bénédiction soit sur vous en la sixième année, et elle donnera le produit de trois ans.
22 Ary hamafy amin’ ny taona fahavalo ianareo ka hihinana ny tranainy mandra-pahatongan’ ny taona fahasivy; mandra-pahatongan’ ny vao no hihinananareo ny tranainy.
Et vous sèmerez la huitième année et vous mangerez du vieux produit, jusqu’à la neuvième année; jusqu’à ce que son produit soit venu, vous mangerez le vieux.
23 Ary ny tany tsy hatao varo-maty, satria Ahy ny tany; fa vahiny sy mpivahiny amiko ianareo.
Et le pays ne se vendra pas à perpétuité, car le pays est à moi; car vous, vous êtes chez moi comme des étrangers et comme des hôtes.
24 Ary havelanareo ho azo avotana ny tany eo amin’ ny tany rehetra izay lovanareo.
Et dans tout le pays de votre possession, vous donnerez le droit de rachat pour la terre.
25 Raha tàhiny mihamalahelo ny rahalahinao, ka nivarotany ny taniny, dia ho avy ny havany akaiky ka hanavotra izay namidin’ ny rahalahiny.
Si ton frère est devenu pauvre, et vend une partie de sa possession, alors que celui qui a le droit de rachat, son plus proche parent, vienne et rachète la chose vendue par son frère.
26 Ary raha tsy manan-kavana hanavotra ralehilahy, nefa nambinina izy ka nahazo izay ampy ho enti-manavotra azy,
Mais si un homme n’a personne qui ait le droit de rachat, et que sa main ait acquis et trouvé suffisamment de quoi faire son rachat,
27 dia aoka hanisa ny taona hatramin’ ny nivarotany azy izy ka handoa ny hevitry ny taona sisa ho an’ ny lehilahy izay nivarotany azy; ka dia hody amin’ ny taniny izy.
il comptera les années depuis sa vente, et restituera le surplus à celui à qui il avait vendu, et il retournera dans sa possession.
28 Fa raha tsy nahazo izay ampy handoavana izany izy, izay namidiny dia mbola hitoetra eo an-tànan’ ilay nividy azy ihany mandra-pahatongan’ ny taona Jobily; ary ho afaka izany amin’ ny Jobily, ka hody amin’ ny taniny ralehilahy.
Et si sa main n’a pas trouvé suffisamment de quoi lui rendre, la chose vendue restera en la main de celui qui l’aura achetée, jusqu’à l’année du Jubilé: la chose vendue sera libérée au Jubilé, et [le vendeur] rentrera dans sa possession.
29 Ary raha misy olona mivarotra trano itoerana ao amin’ ny tanàna mimanda, dia hahazo manavotra azy izy mandra-pahatapitry ny herintaona nivarotany azy; fa ao anatin’ izany no hahazoany manavotra azy.
Et si quelqu’un a vendu une maison d’habitation dans une ville murée, il aura son droit de rachat jusqu’à la fin de l’année de sa vente: son droit de rachat subsistera une année entière;
30 Fa raha tsy voavotra mandra-pahatapitry ny herintaona kosa ilay trano ao amin’ ny tanàna mimanda, dia tapaka ho varo-maty ho an’ izay nividy azy sy ho an’ ny taranany izany; tsy ho afaka izany na dia amin’ ny Jobily aza.
mais si elle n’est pas rachetée avant que l’année entière soit accomplie, la maison qui est dans la ville murée restera définitivement à l’acheteur, en ses générations; elle ne sera pas libérée au Jubilé.
31 Fa ny trano ao amin’ ny vohitra izay tsy misy manda manodidina kosa dia hatao taha, ka ny tany ihany; ho azo avotana ihany izany, na ho afaka amin’ ny Jobily.
Mais les maisons des villages qui n’ont pas de murs tout autour, seront considérées comme des champs du pays; il y aura droit de rachat pour elles, et elles seront libérées au Jubilé.
32 Kanefa ny amin’ ny tanànan’ ny Levita, ny trano ao amin’ ny tanàna izay ho anjarany dia ho azon’ ny Levita avotana ihany na oviana na oviana.
Et quant aux villes des Lévites et aux maisons des villes de leur possession, les Lévites auront un droit perpétuel de rachat.
33 Ary raha misy Levita manavotra azy, dia ho afaka amin’ ny Jobily ny trano izay namidy sy ny tanàna izay anjarany; fa ny trano ao an-tanànan’ ny Levita dia lovany ao amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Et si quelqu’un a racheté d’un des Lévites, la maison vendue dans la ville de sa possession sera libérée au Jubilé; car les maisons des villes des Lévites sont leur possession au milieu des fils d’Israël.
34 Fa ny tany manodidina ny tanànany kosa dia tsy azo hamidy; fa ho lovany mandrakizay izany.
Et les champs des banlieues de leurs villes ne seront pas vendus, car c’est leur possession à perpétuité.
35 Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka, dia vonjeo izy, ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy ny mpivahiny izy.
Et si ton frère est devenu pauvre, et que sa main devienne tremblante à côté de toi, tu le soutiendras, étranger ou hôte, afin qu’il vive à côté de toi.
36 Aza maka zana-bola na tombony aminy; fa matahora an’ Andriamanitrao, mba ho velona eo aminao ny rahalahinao.
Tu ne prendras de lui ni intérêt ni usure; et tu craindras ton Dieu, afin que ton frère vive à côté de toi.
37 Aza mampanàna vola aminy, ary aza mampisambotra hanina hahazoana tombony:
Tu ne lui donneras pas ton argent à intérêt, et tu ne lui donneras pas tes vivres à usure.
38 Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, hanome anareo ny tany Kanana, mba ho Andriamanitrareo.
Moi, je suis l’Éternel, votre Dieu, qui vous ai fait sortir du pays d’Égypte pour vous donner le pays de Canaan, pour être votre Dieu.
39 Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao ka mivaro-tena aminao, aza ampanompoinao toy ny andevo izy;
Et si ton frère est devenu pauvre à côté de toi, et qu’il se vende à toi, tu ne lui feras pas faire un service d’esclave;
40 fà aoka hitoetra eo aminao tahaka ny mpikarama sy tahaka ny vahiny izy; mandra-pahatongan’ ny taona Jobily no hanompoany anao.
il sera avec toi comme un homme à gages et un hôte; il te servira jusqu’à l’année du Jubilé:
41 Dia ho afaka izy sy ny zanany ka hody amin’ ny mpianakaviny sy amin’ ny tanin-drazany koa.
alors il sortira de chez toi, lui et ses fils avec lui, et il retournera à sa famille, et retournera dans la possession de ses pères.
42 Fa mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta izy ka tsy hamidy tahaka ny andevo.
Car ils sont mes serviteurs, que j’ai fait sortir du pays d’Égypte; ils ne seront pas vendus comme on vend les esclaves.
43 Aza mampanompo azy fatratra, fa matahora an’ Andriamanitrao.
Tu ne domineras pas sur lui avec dureté, et tu craindras ton Dieu.
44 Ary ny amin’ izay ho andevolahinao sy andevovavinao, dia amin’ ny jentilisa izay manodidina anareo no hividiananareo azy.
Mais quant à ton serviteur et à ta servante qui seront à toi, … d’entre les nations qui vous environnent, de ceux-là, vous achèterez des serviteurs et des servantes.
45 Ary amin’ ny zanaky ny vahiny eo aminareo sy amin’ ny taranany izay haterany eo amin’ ny taninareo no hividiananareo koa; ary dia ho fanananareo izany.
Et vous en achèterez aussi des fils des étrangers qui séjournent chez vous, et de leurs familles qui sont avec vous, qu’ils engendreront dans votre pays; et ils seront votre possession.
46 Ary hataonareo lovan’ ny zanakareo mandimby anareo izany ho fananana holovany ka hampanompoinareo mandrakizay fa ny Zanak’ Isiraely rahalahinareo dia aza mba ampanompoina fatratra.
Et vous les laisserez en héritage à vos fils après vous, pour qu’ils en aient la possession; vous vous servirez d’eux à toujours; mais quant à vos frères, les fils d’Israël, un homme ne dominera pas avec dureté sur son frère.
47 Ary raha tonga manan-karena ny vahiny izay monina eo aminao na ny mpivahiny, ary ny rahalahinao eo aminy mihamalahelo kosa ka mivaro-tena amin’ ny vahiny eo aminao, na amin’ ny taranaky ny vahiny;
Et si un étranger ou un homme qui séjourne chez toi s’est enrichi, et que ton frère qui est à côté de lui soit devenu pauvre et se soit vendu à l’étranger qui séjourne chez toi, ou à un homme issu de la famille de l’étranger,
48 na dia nivaro-tena aza izy, dia azo avotana indray; ny anankiray amin’ ny rahalahiny no mahazo manavotra azy:
– après qu’il se sera vendu, il y aura pour lui droit de rachat; un de ses frères le rachètera;
49 na ny rahalahin-drainy, na ny zanak’ olo-mirahalahy aminy, na izay havany akaiky azy amin’ ny mpianakaviny no mahazo manavotra azy; kanefa raha tratry ny ananany, dia hanavo-tena izy.
ou son oncle, ou le fils de son oncle le rachètera; ou quelque proche parent de sa famille le rachètera; ou si sa main y peut atteindre, il se rachètera lui-même.
50 Ary dia hisainy amin’ izay nividy azy hatramin’ ny taona nivarotana azy ka hatramin’ ny taona Jobily; ary ny vola nivarotany ny tenany dia hoheverina araka ny isan’ ny taona; dia ara-kevitry ny andron’ ny mpikarama no hiheverana azy.
Et il comptera avec celui qui l’a acheté, depuis l’année où il s’est vendu à lui jusqu’à l’année du Jubilé; et l’argent de son prix sera à raison du nombre des années; il sera chez son maître selon les journées d’un homme à gages.
51 Raha mbola maro ny taona sisa, dia ara-keviny ihany no handoavany ny avony avy amin’ ny vola vidiny teo aloha.
S’il y a encore beaucoup d’années, il restituera le prix de son rachat à raison de celles-ci, sur le prix pour lequel il aura été acheté;
52 Any raha vitsy kosa ny taona sisa mandra-pahatongan’ ny taona Jobily, dia hanisa izany aminy izy, ka ara-kevitry ny taona ihany no handoavany ny vola avony.
et s’il reste peu d’années jusqu’à l’année du Jubilé, il comptera avec lui; à raison du nombre des années, il restituera le prix de son rachat.
53 Tahaka izay karamaina isan-taona no hitoerany eo aminy; fa aoka tsy hampanompoina fatratra eo imasonao izy.
Il sera chez lui comme un homme à gages, d’année en année; le maître ne dominera pas sur lui avec dureté devant tes yeux.
54 Ary raha tsy voavotra amin’ izay izy, dia ho afaka amin’ ny taona Jobily izy sy ny zanany koa.
Et s’il n’est pas racheté par un de ces moyens, il sortira l’année du Jubilé, lui et ses fils avec lui.
55 Fa mpanompoko ny Zanak’ Isiraely, dia mpanompoko izay nentiko nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Car les fils d’Israël me sont serviteurs; ils sont mes serviteurs que j’ai fait sortir du pays d’Égypte. Moi, je suis l’Éternel, votre Dieu.

< Levitikosy 25 >