< Levitikosy 23 >
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Hoe ty nitsara’Iehovà amy Mosè,
2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny amin’ ny fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah, izay hantsoinareo ho fivoriana masìna, dia izao no izy:
misaontsia amo ana’ Israeleo naho itaroño ty hoe: Ho koihe’ areo o fañoharañe miava’ Iehovào, famantañañe miavake, Inao o andro namotoañakoo.
3 Henemana no hanaovana raharaha; fa ny andro fahafito dia tena andro fitsaharana, dia fivoriana masìna; aza manao raharaha akory ianareo, fa Sabata ho an’ i Jehovah eny amin’ izay fonenanareo rehetra izany.
Eneñ’ andro ty fitoloñan-draha; le Sabotse fitofàñe ty andro fahafito, fitontoñañe miavake. Tsy hitoloña’ areo, fa Sabata am’ Iehovà amo fitobea’ areo iabio.
4 Izao no fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah, dia fivoriana masìna hantsoinareo amin’ ny fotoany avy:
Inao o famantàña’ Iehovào, fañoharañe miavake ho koihe’ areo an-tsa’e tinendre.
5 Ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan’ i Jehovah.
Ami’ty andro faha folo-efats’ ambi’ i volam-baloha’ey, ie miroñe ty andro le engam-pihelañ’ ambone’ Iehovà.
6 Ary ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana izany dia andro firavoravoana ho an’ i Jehovah, fihinanana ny mofo tsy misy masirasira; hafitoana no hihinananareo mofo tsy misy masirasira.
Amy andro faha folo-lime-ambi’ i volañeiy ty sabadidak’ i mofo tsi-aman-dalivay am’ Iehovày; fito andro ty hikama’ areo mofo po-dalivay.
7 Ary amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana masìna ho anareo: aza manao tao-zavatra akory ianareo;
Hanoe’ areo fañoharañe miavake amy andro valoha’ey; le tsy hitolon-draha.
8 fa manatera fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah hafitoana; ary amin’ ny andro fahafito dia hisy fivoriana masìna koa; aza manao tao-zavatra akory ianareo.
Fito andro ty hañenga’ areo soroñe am’ Iehovà. Le Fañòharañe Miavake ty andro faha-fito, tsy itoloñan-draha.
9 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Hoe ty nitsara’ Iehovà amy Mosè:
10 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Rehefa tonga any amin’ ny tany izay omeko anareo ianareo ka hijinja ny vokatra any, dia mitondrà amboara iray amin’ ny voaloham-bokatrareo ho any amin’ ny mpisorona ianareo;
Saontsio amo ana’ Israeleo ty hoe: Ie mizilik’ an-tane hitolorako, vaho manonton-tsabo, le hindesa’ areo mb’ amy mpisoroñey mb’eo ty lengom-bora’ i fanataha’ areoy.
11 ary hanevaheva ny amboara eo anatrehan’ i Jehovah izy, hankasitrahana anareo; amin’ ny ampitson’ ny Sabata no hanevahevan’ ny mpisorona azy.
Le hahelahela’e añatrefa’ Iehovà i lohavoay soa te ho no’e; amy loak’ andro’ i Sabataiy ty añelahelà’ i mpisoroñey aze.
12 Ary amin’ izay andro hanevahevanareo ny amboara dia manatera zanak’ ondrilahy tsy misy kilema izay iray taona ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah.
Le hengae’o amy andro añelahelà’o i bora’eiy ty vik’ añondrilahy tsy aman-kandra, ho soroñañe am’ Iehovà.
13 Ary ny fanatitra hohanina momba azy dia koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah; ary ny fanatitra aidina momba azy dia divay ampahefatry ny hina.
Zao ty ho enga-mahakama’e: ty mona fahafolo’ ty efà roe linaro menake, ho soroñañe am’ Iehovà ho hàñim-pañanintsiñe; divay ty ho enga-rano mpindre ama’e, fahèfa’ ty hine.
14 Ary aza mihinana mofo, na lango, na salohim-bary maitso, mandra-pahatongan’ ny andro izay hitondranareo fanatitra ho an’ Andriamanitrareo; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany eny amin’ izay fonenanareo rehetra.
Tsy hikama mofo ndra tsako natono ndra tsako-le nahareo ampara’ i andro zay, ampara’ ty añenga’ areo aman’ Añahare’ areo i engay; ho fañè nainai’e amo tarira’ areoo amo hene fitobea’ areoo.
15 Ary manisà ho anareo hatramin’ ny ampitson’ ny Sabata, dia hatramin’ izay andro itondranareo ny amboara ho fanatitra ahevaheva, dia fito herinandro mipaka.
Mifototse amy loak’andro’ i Sabotsey, i andro nindesa’ areo i loha-voan’ engan-kelahelaiy ty hañiaha’ areo Sabotse fonitse fito.
16 Dia amin’ ny ampitson’ ny Sabata fahafito no hahataperan’ ny andro dimam-polo hisainareo, dia manatera fanatitra hohanina vaovao ho an’ i Jehovah indray.
Añiaho andro limampolo pak’amy loak’andro’ i Sabata fahafitoy; le añengao lengom-boa am’ Iehovà.
17 Ary mitondrà mofo roa avy amin’ ny fonenanareo ho fanatitra ahevaheva; hatao amin’ ny koba tsara toto roa ampahafolon’ ny efaha izy ka hasiana masirasira raha hendasina; voaloham-bokatra ho an’ i Jehovah izany.
Hendeseñe boak’ añ’ akiba’ areo ao ty mofon-kelahela roe songa nanoeñe ami’ty mona fahafolo’ ty efà roe; natoñak’ an-dalivay ho engam-boa am’ Iehovà.
18 Ary manatera miaraka amin’ ny mofo zanak’ ondrilahy fito tsy misy kilema, izay iray taona, sy vantotr’ ombilahy iray ary ondrilahy roa hatao fanatitra dorana ho an’ i Jehovah ireo mbamin’ ny fanatitra hohanina momba azy sy ny fanatitra aidina momba azy, dia hanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Le tovo’ i mofoy añengao vik’ añondry fito tsy aman-kandra, ty bania, naho ty añondrilahy roe, ho enga soroñeñe am’ Iehovà rekets’ o enga-mahakama’ iareoo naho o enga rano’ iareoo, hisoroñañe ho hàñim-pañanintsiñe am’ Iehovà.
19 Dia manatera osilahy iray ho fanatitra noho ny ota sy zanak’ ondrilahy roa izay iray taona ho fanati-pihavanana.
Le hengae’ areo ty vik’ oselahy ho engan-kakeo naho ty vik’ añondry roe hisoroñañe ho engam-pañanintsiñe.
20 Ary ny mpisorona hahevaheva ireo mbamin’ ny mofon’ ny voaloham-bokatra ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah mbamin’ ny zanak’ ondrilahy roa koa; ireo dia ho masìna ho an’ i Jehovah ho anjaran’ ny mpisorona.
Hahelahela’ i mpisoroñey, ie naho i mofo lengom-boay ho engan-kelahela añatrefa’ Iehovà, vaho i vik’ añondry roe rey; hene avahe’ Iehovà ho a i mpisoroñey.
21 Ary miantsoa izany andro izany ho fivoriana masìna ho anareo, ka aza manao tao-zavatra akory; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany eny amin’ izay fonenanareo rehetra.
Le ho koihe’areo amy andro izay ty fifanontoñañe miavake, tsy itoloñan-draha. Ho fañè nainai’e amo fitobea’ areo iabio izay amo hene tarira’ areoo.
22 Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny, ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ ny vokatrao, fa avelao ho an’ ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Aa ie manonton-tsabo an-tane’ areo ao, ko mitatake pak’ añ’ olo-teteke ey, le ko manontoñe ze nipopok’ amy fitatahañey; apoho ho a o rarakeo naho o ambahinio; Izaho Iehovà Andrianañahare’ areo.
23 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Le hoe ty nitsara’ Iehovà amy Mosè:
24 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ny andro voalohany amin’ ny volana fahafito dia ho andro fitsaharana ho anareo, dia fahatsiarovana amin’ ny fitsofana trompetra, ho fivoriana masìna.
Saontsio ty hoe amo ana’Israeleo: I volam-pahafitoy, i androm-baloha’ i volañeiy, le ho Fitofàm-bey ho anahareo, fampitiahiañe am-pitiofan-kankàñe naho fifanontoñañe miavake.
25 Aza manao tao-zavatra akory ianareo; fa manatera fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
Tsy hitolon-draha ama’e nahareo; fe hañenga soroñe am’ Iehovà.
26 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Hoe ty nitsara’ Iehovà amy Mosè:
27 Ary amin’ ny andro fahafolo amin’ izany volana fahafito izany (dia ny andro fanavotana) hisy fivoriana masìna ho anareo; ary hampahory ny tenanareo ianareo ka hanatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
Ho tondrok’ amy andro fahafolo’ i volam-paha-fitoy ty androm-pijebañañe, fifanontoñañe miavake ho anahareo: miliera vatañe vaho mañengà soroñe am’ Iehovà.
28 Ary aza manao raharaha akory amin’ izany andro izany; fa andro fanavotana izany, hanaovana fanavotana ho anareo eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo.
Ko mitoloñe amy andro zay, amy te androm-pijebañañe, hijebañe anahareo añatrefa’ Iehovà Andrianañahare’ areo.
29 Fa ny olona rehetra izay tsy mety miory amin’ izany andro izany dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
Haitoañe am’ondati’eo ze tsy milie-batañe amy andro zay.
30 Ary ny olona rehetra izay manao raharaha akory amin’ izany andro izany dia hofongorako tsy ho amin’ ny fireneny.
Aa ndra iaia t’indaty mitoloñe ndra inoñ’ino amy andro zay le Izaho ty handrotsake indatiy am’ ondati’eo.
31 Aza manao raharaha akory; ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany eny amin’ izay rehetra honenanareo.
Toe tsy hanao ndra inoñe atao fitoloñañe amy andro zay nahareo, ie fañè tsy ho modo amo tarira’ areoo, amo hene fitobea’ areoo.
32 Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ary hampahory ny tenanareo ianareo; amin’ ny andro fahasivy amin’ ny volana, rehefa hariva dia hatramin’ ny hariva ka hatramin’ ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo.
Ho Sabata fitofàñe añoñe ama’ areo izay le hilie-batañe ama’e nahareo—ty hariva’ i andro fahasive’ i volañeiy; i harivay pak’ ami’ty hariva ty hañambena’ areo i Fitofà’ areoy.
33 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Le hoe ty nitsarae’ Iehovà amy Mosè:
34 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ izany volana fahafolo izany no hiantombohan’ ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo hafitoana ho an’ i Jehovah.
Saontsio amo ana’ Israeleo ty hoe: Amy andro fahafolo-lime ambi’ i volam-pahafitoiy ty sabadida-kibohotse am’ Iehovà, ho fito andro.
35 Amin’ ny andro voalohany dia hisy fivoriana masìna: aza manao tao-zavatra akory.
Fitontoñañe miavake i andro valoha’ey. Tsy hitoloñe ndra inoñ’ inoñe atao asa nahareo.
36 Hafitoana no hanateranareo fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah; ary amin’ ny andro fahavalo dia hisy fivoriana masìna ho anareo koa, ka hanatitra fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah ianareo; fara-fivoriana izany, koa aza manao tao-zavatra akory.
Fito andro t’ie hañenga soroñe am’ Iehovà. Amy andro fahavaloy ty hanoa’ areo fitontoñañe miavake vaho hañenga soroñe am’ Iehovà. Sabadidake bey izay le tsy hitoloñ’ ama’e nahareo.
37 Ireo no fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah, ka hantsoinareo ho fivoriana masìna, hanaterana fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, dia fanatitra dorana sy fanatitra hohanina sy fanatitra hafa alatsa-drà sy fanatitra aidina, samy amin’ ny fotoany avy izy rehetra,
Famantaña’ Iehovà irezay, ikoiha’ areo ho fitontoñañe miavake, hañengañe soroñe am’ Iehovà: enga oroañe naho enga mahakama, soroñe naho enga rano, songa ami’ty andro’e,
38 afa-tsy izay fanao amin’ ny Sabatan’ i Jehovah sy ny zavatra omenareo sy ny fanatitra rehetra hanalanareo voady ary ny fanati-tsitraponareo rehetra, izay omenareo ho an’ i Jehovah.
ho tovo’ o Sabotse’ Iehovào, naho o fañenga’ areoo, naho ze hene enga’ areo am-panta naho an-tsatrin’ arofo ho banabanae’ areo am’ Iehovà.
39 Ary amin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahafito, raha manangona ny vokatry ny tany ianareo, dia tandremo ny andro firavoravoana hafitoana ho an’ i Jehovah; ny andro voalohany dia andro fitsaharana, ary ny andro fahavalo dia andro fitsaharana koa.
Aa ie amy andro fahafolo-lime ambi’ i volam-pahafitoy, ie fa natonto’ areo ty voka’ i taney, le hambena’areo i sabadidak’ Iehovày fito andro; fitofàñe ty andro valoha’e vaho fitofàñe ty andro faha-valo.
40 Ary amin’ ny andro voalohany dia makà voan’ ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan’ ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron’ ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
Ie amy andro valoha’ey ro hitoha ran-katae reke-boa’e amo hatae fanjakao naho ran-tsatrañe naho iratse mandrevake naho ran-tsohihy añ’ olon-drano ey; vaho hirebeke añatrefa’ Iehovà Andrianañahare’ areo fito andro.
41 Ary tandremo izany ho andro firavoravoana ho an’ i Jehovah hafitoana isan-taona. Ho lalàna mandrakizay amin’ ny taranakareo hatramin’ ny fara mandimby izany; amin’ ny volana fahafito no hitandremanareo azy.
Hambena’ areo i Sabadidake am’ Iehovày fito andro boa-taoñe, ho fañè nainai’e amo tarira’ areoo, hitsinjaha’ areo amy volam-pahafitoy.
42 Ao amin’ ny trano rantsan-kazo no hitoeranareo hafitoana; ny tompon-tany rehetra amin’ ny Zanak’ Isiraely dia samy hitoetra ao amin’ ny trano rantsan-kazo avokoa,
Hitobe an-kibohotse fito andro nahareo; ze nisamaheñe e Israele ao iaby ty hañialo an-tsokemitrahañ’ ao,
43 mba ho fantatry ny taranakareo fa nampilasy ny Zanak’ Isiraely tao amin’ ny trano rantsan-kazo Aho, raha nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
hahafohina’ o tarira’ areoo te nampitobèko an-kibohotse ao o ana’ Israeleo ie nampiavoteko an-tane Mitsraime añe: Izaho Iehovà Andrianañahare’ areo.
44 Ary Mosesy dia nilaza tamin’ ny Zanak’ Isiraely ny fotoam-pivavahana voatendrin’ i Jehovah.
Aa le tinaro’ i Mosè amo ana’ Israeleo o famantaña’ Iehovào.