< Levitikosy 22 >
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy, ka nanao hoe:
And the LORD spake unto Moses, saying,
2 Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany mba hitandremany ny amin’ ny tsy hanakekeny ny zava-masìna izay hamasinin’ ny Zanak’ Isiraely ho Ahy tsy hanamavoany ny anarako masìna: Izaho no Jehovah.
Speak unto Aaron and to his sons, that they separate themselves from the holy things of the children of Israel, which they hallow unto me, and that they profane not my holy name: I am the LORD.
3 Lazao aminy hoe: Izay rehetra maloto amin’ ny zanakareo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, nefa manakaiky ny zava-masìna izay hamasinin’ ny Zanak’ Isiraely ho an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho eo anatrehako: Izaho no Jehovah.
Say unto them, Whosoever he be of all your seed throughout your generations, that approacheth unto the holy things, which the children of Israel hallow unto the LORD, having his uncleanness upon him, that soul shall be cut off from before me: I am the LORD.
4 Na iza na iza amin’ ny taranak’ i Arona no boka na marary mitsika dia tsy hihinana ny zava-masìna mandra-pahadiony. Ary izay rehetra mikasika izay maloto amim-paty, na izay lehilahy nialan’ ny azy,
What man soever of the seed of Aaron is a leper, or hath an issue; he shall not eat of the holy things, until he be clean. And whoso toucheth any thing that is unclean by the dead, or a man whose seed goeth from him;
5 na izay mikasika biby mandady na mikisaka izay mahaloto, na lehilahy izay mahaloto, na inona na inona no fahalotoany,
or whosoever toucheth any creeping thing, whereby he may be made unclean, or a man of whom he may take uncleanness, whatsoever uncleanness he hath;
6 ny olona izay mikasika izany dia haloto mandra-paharivan’ ny andro ka tsy hihinana amin’ ny zava-masìna, raha tsy mandro amin’ ny rano.
the soul which toucheth any such shall be unclean until the even, and shall not eat of the holy things, unless he bathe his flesh in water.
7 Ary rehefa milentika ny masoandro, dia hadio izy, ka vao izay no mahazo mihinana amin’ ny zava-masìna, satria fihinany izany.
And when the sun is down, he shall be clean; and afterward he shall eat of the holy things, because it is his bread.
8 Izay maty ho azy, na izay noviravirain-biby, dia tsy hohaniny, mba tsy hahaloto azy: Izaho no Jehovah.
That which dieth of itself, or is torn of beasts, he shall not eat to defile himself therewith: I am the LORD.
9 Ary aoka hitandrina izay nasaiko tandremana izy, fandrao ho meloka noho izany izy ka ho fatin’ ny nanamavoany azy: Izaho Jehovah no manamasìna azy.
They shall therefore keep my charge, lest they bear sin for it, and die therein, if they profane it: I am the LORD which sanctify them.
10 Ary aza avela hisy olon-kafa hihinana zava-masìna; na izay mivahiny ao amin’ ny mpisorona, na izay mpikarama, dia samy tsy mahazo mihinana zava-masìna.
There shall no stranger eat of the holy thing: a sojourner of the priest’s, or an hired servant, shall not eat of the holy thing.
11 Fa raha misy olona novidin’ ny mpisorona, dia hahazo mihinana amin’ izany ihany izy; ary ny ompikeliny hahazo mihinana amin’ ny fihinan’ ny mpisorona koa.
But if a priest buy any soul, the purchase of his money, he shall eat of it; and such as are born in his house, they shall eat of his bread.
12 Ary raha misy zanakavavin’ ny mpisorona manambady olon-kafa, dia tsy hihinana amin’ ny fanatitra avy amin’ ny zava-masìna izy.
And if a priest’s daughter be married unto a stranger, she shall not eat of the heave offering of the holy things.
13 Fa raha misy zanakavavin’ ny mpisorona maty vady, na efa nisaorana, ka tsy manan-janaka, ary mody any an-tranon-drainy izy toy ny fony izy mbola kely, dia mahazo mihinana ny fihinan-drainy ihany izy; fa aoka tsy hisy olon-kafa hihinana izany.
But if a priest’s daughter be a widow, or divorced, and have no child, and is returned unto her father’s house, as in her youth, she shall eat of her father’s bread: but there shall no stranger eat thereof.
14 Ary raha misy olona mihinana tsy nahy amin’ ny zava-masìna, dia honerany ny zava-masìna ka homeny ny mpisorona sady hampiany ho tonga avy fahenina:
And if a man eat of the holy thing unwittingly, then he shall put the fifth part thereof unto it, and shall give unto the priest the holy thing.
15 Ary aoka tsy hisy hametaveta ny zava-masin’ ny Zanak’ Isiraely, izay ateriny ho an’ i Jehovah,
And they shall not profane the holy things of the children of Israel, which they offer unto the LORD;
16 na hahatonga ota aman-keloka noho ny nihinanany ny zava-masiny; fa Izaho Jehovah no manamasìna azy.
and [so] cause them to bear the iniquity that bringeth guilt, when they eat their holy things: for I am the LORD which sanctify them.
17 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
And the LORD spake unto Moses, saying,
18 Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany ary ny zanak’ Isiraely rehetra hoe: Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo amin’ ny Isiraely, no manatitra ny fanatiny ho fanatitra hanalany voady na ho fanati-tsitrapony, izay hateriny ho an’ i Jehovah ho fanatitra dorana,
Speak unto Aaron, and to his sons, and unto all the children of Israel, and say unto them, Whosoever he be of the house of Israel, or of the strangers in Israel, that offereth his oblation, whether it be any of their vows, or any of their freewill offerings, which they offer unto the LORD for a burnt offering;
19 dia lahy tsy misy kilema no hateriny, na omby izany, na zanak’ ondry, na osy, mba hankasitrahana anareo.
that ye may be accepted, [ye shall offer] a male without blemish, of the beeves, of the sheep, or of the goats.
20 Izay rehetra misy kilema dia tsy haterinareo; fa tsy hankasitrahana anareo izany.
But whatsoever hath a blemish, that shall ye not offer: for it shall not be acceptable for you.
21 Ary raha misy manatitra fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah, na ho fanatitra hanalany voady, na ho fanati-tsitrapo, na omby izany, na ondry, na osy, dia ny tsara izay tsy misy kilema na kely akory aza no hateriny mba hankasitrahana azy.
And whosoever offereth a sacrifice of peace offerings unto the LORD to accomplish a vow, or for a freewill offering, of the herd or of the flock, it shall be perfect to be accepted; there shall be no blemish therein.
22 Fa ny jamba na ny misy tapaka, na ny kilemaina, na ny ferena, na ny boka, na ny kongonina, dia izany no tsy haterinareo ho an’ i Jehovah, na hataonareo fanatitra amin’ ny afo eo ambonin’ ny alitara ho an’ i Jehovah.
Blind, or broken, or maimed, or having a wen, or scurvy, or scabbed, ye shall not offer these unto the LORD, nor make an offering by fire of them upon the altar unto the LORD.
23 Na omby, na ondry, na osy, izay misy sampona, dia azonao haterina ho fanati-tsitrapo; fa raha atao fanatitra hanalam-boady, dia tsy hankasitrahana izy.
Either a bullock or a lamb that hath any thing superfluous or lacking in his parts, that mayest thou offer for a freewill offering; but for a vow it shall not be accepted.
24 Izay voaporitra, na voatoro, na voaombotra, na voadidy ho afaka ny vihiny, dia tsy azonareo aterina ho an’ i Jehovah; ary aza manao izany eo amin’ ny taninareo.
That which hath its stones bruised, or crushed, or broken, or cut, ye shall not offer unto the LORD; neither shall ye do [thus] in your land.
25 Ary raha misy entin’ olona hafa firenena aza izany zavatra izany, dia tsy azonareo haterina ho hanin’ Andriamanitrareo, satria efa simba izy ka misy kilema; tsy mba hankasitrahana anareo izany.
Neither from the hand of a foreigner shall ye offer the bread of your God of any of these; because their corruption is in them, there is a blemish in them: they shall not be accepted for you.
26 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
And the LORD spake unto Moses, saying,
27 Raha misy omby, na ondry, na osy, vao teraka, dia hitoetra amin-dreniny hafitoana izy; fa rehefa hatramin’ ny andro fahavalo no ho miakatra, dia hankasitrahana izy, raha atao fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.
When a bullock, or a sheep, or a goat, is brought forth, then it shall be seven days under the dam; and from the eighth day and thenceforth it shall be accepted for the oblation of an offering made by fire unto the LORD.
28 Ary ny ombivavy, na ny ondrivavy, na ny osivavy, dia tsy hovonoinareo indray andro izy sy ny zanany.
And whether it be cow or ewe, ye shall not kill it and her young both in one day.
29 Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pisaorana ho an’ i Jehovah ianareo, dia amin’ izay hankasitrahana anareo no hamonoanareo azy.
And when ye sacrifice a sacrifice of thanksgiving unto the LORD, ye shall sacrifice it that ye may be accepted.
30 Amin’ izany andro izany ihany no hihinanana azy, fa aza amelana ho tra-maraina: Izaho no Jehovah
On the same day it shall be eaten; ye shall leave none of it until the morning: I am the LORD.
31 Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah.
Therefore shall ye keep my commandments, and do them: I am the LORD.
32 Ary aza manamavo ny anarako masìna; fa hohamasinina eo amin’ ny Zanak’ Isiraely Aho: Izaho Jehovah,
And ye shall not profane my holy name; but I will be hallowed among the children of Israel: I am the LORD which hallow you,
33 Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta mba ho Andriamanitrareo, no manamasìna anareo; Izaho no Jehovah.
that brought you out of the land of Egypt, to be your God: I am the LORD.