< Levitikosy 20 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
And the Lord spoke to Moses, saying:
2 Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Na iza na iza amin’ ny Zanak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminy, no manolotra ny zanany ho an’ i Moloka, dia hatao maty tokoa: ny vahoaka no hitora-bato azy.
You shall speak these things to the sons of Israel: A man among the sons Israel, or among the newcomers who live in Israel, if he will have given from his seed to the idol Moloch, he shall be put to death: the people of the land shall stone him.
3 Ary ny Tavako hanandrina izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy, satria nisy natolony ho an’ i Moloka ny zanany, handotoany ny fitoerako masìna sy hanamavoany ny anarako masìna.
And I will set my face against him. And I will cut him down from the midst of his people, because he has given from his seed to Moloch, and he has contaminated my Sanctuary, and polluted my holy name.
4 Ary raha mody tsy mahita izany olona izany ny vahoaka mba tsy hahafaty azy, raha anolorany ho an’ i Moloka ny zanany,
But if the people of the land, having been neglectful and holding little regard for my authority, release the man who has given from his seed to Moloch, and they are not willing to kill him,
5 dia hanandrina izany olona izany sy ny ankohonany ny Tavako, ka haringako tsy ho amin’ ny fireneny izy mbamin’ izay rehetra mijangajanga manaraka azy hijangajanga amin’ i Moloka.
I will set my face over that man and over his kindred, and I will cut down both him and all who consented with him to fornicate with Moloch, from the midst of their people.
6 Ary ny olona izay mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana, hijangajanga hanaraka azy, dia hanandrina izany olona izany ny Tavako, ka hofongorako tsy ho amin’ ny fireneny izy.
The soul who will have turned aside to astrologers and soothsayers, and who will have fornicated with them, I will set my face against him, and I will destroy him from the midst of his people.
7 Dia manamasìna ny tenanareo ianareo, ka aoka ho masìna ianareo; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Be sanctified and be holy, for I am the Lord your God.
8 Ary tandremo ny didiko, ka araho izany: Izaho no Jehovah, Izay manamasìna anareo.
Observe my precepts, and do them. I am the Lord, who sanctifies you.
9 Fa na iza na iza no manozona ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa: efa nanozona ny rainy na ny reniny izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
Whoever curses his father or mother shall die a death; he has cursed his father and mother. So let his blood be upon him.
10 Ary ny lehilahy mijangajanga amin’ ny vadin’ olona, dia izay mijangajanga amin’ ny vadin’ ny namany, hatao maty tokoa, na ny mila, na ny ilainy.
If anyone will have committed sexual acts with the wife of another, or will have perpetrated adultery with his neighbor’s spouse, they shall die a death, both the adulterer and the adulteress.
11 Ary ny olona izay mandry amin’ ny vadin-drainy dia efa nandry tamin’ izay nandrian-drainy; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
Whoever will have slept with his stepmother, or will have uncovered the shame of his father, they shall both die a death. So let their blood be upon them.
12 Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny vinantovaviny, dia hatao maty tokoa izy roroa; efa nanao zavatra izay fady indrindra izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
If any man will have slept with his daughter-in-law, both shall die, for they have acted according to wickedness. So let their blood be upon them.
13 Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny lehilahy, tahaka ny fandry amin’ ny vehivavy, dia efa nanao fahavetavetana izy roa lahy; hatao maty tokoa izy; ny ràny dia ho aminy ihany.
If any man has slept with a male in place of sexual intercourse with a female, both have committed a nefarious act, they shall die a death. So let their blood be upon them.
14 Ary raha misy lehilahy nampirafy vehivavy mianaka, dia fahavetavetana izany; hodorana amin’ ny afo izy telo, mba tsy hisy fahavetavetana eo aminareo.
If any man, having taken the daughter as a wife, will have married her mother, he has acted according to wickedness. He shall be burnt alive with them. Neither shall so great a nefarious act persist in your midst.
15 Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny biby, dia hatao maty tokoa izy; ary ilay biby dia hovonoinareo koa.
Whoever will have committed sexual acts with any animal or cattle, he shall die a death. Likewise, you shall slay the beast.
16 Ary raha misy vehivavy manatona handry amin’ ny biby, dia, hovonoina izy sy ny biby; hatao maty tokoa izy roroa; ny ràny dia ho aminy ihany.
The woman who will have lain under any animal at all shall be destroyed together with it. So let their blood be upon them.
17 Ary raha misy lehilahy manambady ny anabaviny, na zanakavavin’ ny rainy, na zanakavavin’ ny reniny, ka mahita ny fitanjahany, ary ravehivavy mahita ny fitanjahany kosa, dia zava-dratsy izany, ka hofongorana eo imason’ ny fireneny izy roroa; fa nandry tamin’ ny anabaviny ralehilahy ka meloka.
Whoever will have taken his sister, the daughter of his father or the daughter of his mother, and will have seen her nakedness, and she will have looked upon her brother’s shame, they have committed a nefarious act. They shall be slain in the sight of their people, because they have uncovered one another’s nakedness. And they shall bear their iniquity.
18 Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny vehivavy izay mararin’ ny fadim-bolany, dia nampisokatra ny fandehanan’ ny ràny izy, ary ravehivavy koa nanokatra ny fandehanan’ ny ràny, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy roroa.
Whoever has sexual intercourse with a woman in her menstrual flow, and has uncovered her nakedness, and she has opened the fountain of her blood, both shall be destroyed from the midst of their people.
19 Ary aza mandry amin’ ny rahavavin-dreninao, na amin’ ny anabavin-drainao; fa mandry amin’ ny havany akaiky izay manao izany ka ho meloka.
You shall not expose the nakedness of your maternal or paternal aunt. Whoever does this has laid bare the shame of his own flesh; both shall bear their iniquity.
20 Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny vadin’ ny rahalahin-drainy, dia efa nandry tamin’ izay nandrian’ ny rahalahin-drainy izy ho meloka izy roroa ka ho faty momba.
If any man has had sexual intercourse with the wife of his paternal or maternal uncle, and he has uncovered the shame of his close relative, both shall bear their sin. They shall die without children.
21 Ary raha misy lehilahy maka ny vadin-drahalahiny, dia fahalotoana izany; nandry tamin’ izay nandrian’ ny rahalahiny izy, ka ho momba izy roroa.
Whoever will have married his brother’s wife has done an unlawful thing; he has uncovered his brother’s nakedness. They shall be without children.
22 Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny tany izay itondrako anareo honenana.
Observe my laws as well as my judgments, and act according to them, lest the land, into which you will enter and live, may vomit you out, too.
23 Ary aza manaraka ny fanaon’ ny firenena izay efa horoahiko eo anoloanareo; fa nanao izany rehetra izany izy, ka dia halako.
Do not be willing to walk by the ordinances of the nations, which I will expel before you. For they have done all these things, and so I abominate them.
24 Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Hianareo handova ny taniny, fa Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin’ ny firenena samy hafa.
But I say to you: Possess their land, which I will give to you as an inheritance, a land flowing with milk and honey. I am the Lord your God, who has separated you from the other peoples.
25 Ary avaho ny biby madio sy ny maloto, ary ny vorona maloto sy ny madio; ary aza mametaveta ny fanahinareo amin’ ny biby, na amin’ ny vorona, na amin’ izay rehetra mandady na mikisaka amin’ ny tany, izay navahako ka nolazaiko taminareo fa maloto.
Therefore, you must also separate the clean animals from the unclean, and the clean birds from the unclean. Do not pollute your souls with cattle, or birds, or anything that moves upon the earth, and which I have shown you to be unclean.
26 Ary aoka ho masìna ho Ahy ianareo, satria masìna Aho Jehovah; ary efa navahako tamin’ ny firenena samy hafa ianareo mba ho Ahy.
You shall be holy unto me, because I, the Lord, am holy, and I have separated you from the other peoples, so that you would be mine.
27 Ary na lehilahy na vehivavy izay manao azy ho tsindrian-javatra na izay mpanao hatsarana dia hatao maty tokoa: hitora-bato azy ny olona; ny ràny dia ho aminy ihany.
A man or a woman, in whom there is an oracle-like or a divining spirit, shall be put to death. They shall stone them. So let their blood be upon them.

< Levitikosy 20 >