< Levitikosy 2 >

1 Ary raha misy manatitra fanatitra hohanina ho an’ i Jehovah, dia koba tsara toto no hataony fanatiny; ary hanidina diloilo aminy izy sy hanisy ditin-kazo mani-pofona eo amboniny.
Si une personne veut présenter une oblation au Seigneur, son offrande doit être de fleur de farine. Elle l’arrosera d’huile et mettra dessus de l’encens;
2 Ary hitondra azy ho amin’ ireo mpisorona, zanak’ i Arona, izy, dia handraofan’ ireo eran-tànan-ila ny kobany sy ny diloilony mbamin’ ny ditin-kazo manipofona rehetra; ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona eo ambonin’ ny alitara izany fanati-pahatsiarovana avy aminy izany; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany.
puis elle l’apportera aux fils d’Aaron, aux pontifes. L’Un d’eux y prendra une pleine poignée de cette farine et de cette huile, indépendamment de tout l’encens; et il fera fumer ce mémorial sur l’autel, combustion d’un parfum agréable au Seigneur.
3 Ary ny sisa amin’ ny fanatitra hohanina dia ho an’ i Arona sy ny zanany; ho masìna dia masìna avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.
Le surplus de l’oblation sera pour Aaron et ses fils: portion éminemment sainte des sacrifices brûlés devant le Seigneur.
4 Ary raha manatitra fanatitra hohanina voaendy amin’ ny fanendasa-mofo ianao, dia aoka ho mofo tsy misy masirasira atao amin’ ny koba tsara toto sady voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo.
Si tu veux offrir, comme oblation, des pièces de four, ce sera de la fleur de farine, en gâteaux azymes pétris avec de l’huile, ou en galettes azymes ointes d’huile.
5 Ary raha fanatitra hohanina voaendy amin’ ny lapoely no fanatitrao, dia aoka ho koba tsara toto voaharo diloilo sady tsy misy masirasira.
Si ton offrande est une oblation préparée sur la poêle, qu’elle soit de fleur de farine pétrie dans l’huile, sans levain.
6 Hovakivakinao izy ary hanidinanao diloilo; dia fanatitra hohanina izany.
Qu’on la divise en morceaux, puis tu y répandras de l’huile: c’est une oblation.
7 Ary raha fanatitra hohanina voahandro amin’ ny vilany no fanatitrao, dia koba tsara toto asian-diloilo no hatao.
Si ton offrande est une oblation faite dans le poêlon, elle doit se faire de fleur de farine avec de l’huile.
8 Ary ho entinao ho an’ i Jehovah ny fanatitra hohanina izay atao amin’ ireo zavatra ireo; ary rehefa voatitra eo amin’ ny mpisorona izany, dia ho entiny eo amin’ ny alitara.
L’Oblation préparée de ces diverses manières, tu l’apporteras au Seigneur: on la présentera au pontife, qui l’approchera de l’autel,
9 Ary ny mpisorona haka ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny fanatitra hohanina ka handoro azy ho fofona eo ambonin’ ny alitara; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah izany.
puis prélèvera de cette oblation le mémorial, qu’il fera fumer sur l’autel: combustion d’odeur agréable au Seigneur;
10 Ary ny sisa amin’ ny fanatitra hohanina dia ho an’ i Arona sy ny zanany; ho masìna dia masìna avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.
et le surplus de l’oblation sera pour Aaron et ses fils, comme éminemment sainte entre les sacrifices du Seigneur.
11 Ny fanatitra hohanina rehetra, izay aterinareo ho an’ i Jehovah, dia aza asiana zava-maharikivy; fa ny masirasira sy ny tantely dia samy tsy hangalanareo hodorana ho fofona ho fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah;
Quelque oblation que vous offriez à l’Éternel, qu’elle ne soit pas fermentée; car nulle espèce de levain ni de miel ne doit fumer, comme combustion, en l’honneur de l’Éternel.
12 fa ho fanatitra voaloham-bokatra ihany no hahazoanareo manatitra ireo ho an’ i Jehovah; kanefa tsy hakarina eo ambonin’ ny alitara ho hanitra ankasitrahana izany.
Comme offrande de prémices, vous en ferez hommage à l’Éternel; mais ils ne viendraient point sur l’autel en agréable odeur.
13 Ary samy asio sira ny fanatitra hohaninao rehetra; ary ny siran’ ny faneken’ Andriamanitrao dia aza atsahatra amin’ ny fanatitra hohaninao; fa manatera sira miaraka amin’ ny fanatitrao rehetra.
Tout ce que tu présenteras comme oblation, tu le garniras de sel, et tu n’omettras point ce sel, signe d’alliance avec ton Dieu, à côté de ton oblation: à toutes tes offrandes tu joindras du sel.
14 Ary raha manatitra fanatitra hohanina ho an’ i Jehovah avy amin’ ny voaloham-bokatra ianao, dia salohim-bary voaendy amin’ ny afo, dia lango avy amin’ ny salohy maitso, no haterinao ho fanatitra hohanina avy amin’ ny voaloham-bokatrao.
Lorsque tu offriras au Seigneur l’oblation des prémices, c’est en épis torréfiés au feu, réduits en gruau pur, que tu offriras l’oblation de tes prémices.
15 Ary hasianao diloilo izy, sady hasianao ditin-kazo mani-pofona eo amboniny; dia fanatitra hohanina izany.
Tu y verseras de l’huile et y mettras de l’encens: c’est une oblation.
16 Ary hodoran’ ny mpisorona ho fofona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ ny langony sy avy amin’ ny diloilony ary ny ditin-kazo mani-pofona rehetra; dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah izany.
Le pontife en fera fumer le mémorial, tiré du gruau et de l’huile, indépendamment de tout l’encens: combustion en l’honneur du Seigneur.

< Levitikosy 2 >