< Levitikosy 19 >
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
여호와께서 모세에게 일러 가라사대
2 Mitenena amin’ ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, hoe: Aoka ho masìna ianareo, satria masìna Aho, Jehovah Andriamanitrareo.
너는 이스라엘 자손의 온 회중에게 고하여 이르라 너희는 거룩하라! 나 여호와 너희 하나님이 거룩함이니라
3 Samia matahotra ny reninareo sy ny rainareo, ary tandremo ny Sabatako: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
너희 각 사람은 부모를 경외하고 나의 안식일을 지키라! 나는 너희 하나님 여호와니라!
4 Aza mivily hanaraka ny andriamani-tsi-izy, ary aza manao andriamanitra an-idina ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
너희는 헛것을 위하지 말며 너희를 위하여 신상들을 부어 만들지 말라! 나는 너희 하나님 여호와니라!
5 Ary raha mamono zavatra hatao fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah ianareo, dia ataovy amin’ izay hankasitrahana anareo izany.
너희는 화목제 희생을 여호와께 드릴 때에 열납되도록 드리고
6 Amin’ izay andro amonoanareo zavatra hatao fanatitra sy amin’ ny ampitson’ ny no hihinananareo azy; fa raha mbola misy sisa tratry ny andro fahatelo, dia hodorana amin’ ny afo izany.
그 제물은 드리는 날과 이튿날에 먹고 제 삼일까지 남았거든 불사르라
7 Ary raha hanina amin’ ny andro fahatelo izany, dia ho fahavetavetana ka tsy hankasitrahana;
제 삼일에 조금이라도 먹으면 가증한 것이 되어 열납되지 못하고
8 fa izay mihinana izany dia ho meloka, satria nanamavo ny zava-masin’ i Jehovah izy, ka dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izany olona izany.
그것을 먹는 자는 여호와의 성물 더럽힘을 인하여 죄를 당하리니 그가 그 백성 중에서 끊쳐지리라!
9 Ary raha mijinja ny vokatry ny tanimbarinareo ianareo, dia aza jinjana avokoa ny eny an-tsisiny; ary aza tsimponina izay latsaka avy amin’ ny vokatrao.
너희 땅의 곡물을 벨 때에 너는 밭 모퉁이까지 다 거두지 말고 너의 떨어진 이삭도 줍지 말며
10 Ary aza otazana avokoa ny eo amin’ ny sahanao, ary aza tsimponina izay latsaka eo amin’ ny sahanao; fa avelao ho an’ ny malahelo sy ny vahiny izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
너의 포도원의 열매를 다 따지 말며 너의 포도원에 떨어진 열매도 줍지 말고 가난한 사람과 타국인을 위하여 버려 두라 나는 너희 하나님 여호와니라!
11 Aza mangalatra, aza mamitaka, aza mifandainga.
너희는 도적질하지 말며 속이지 말며 서로 거짓말하지 말며
12 Aza mianian-tsy tò amin’ ny anarako, na manamavo ny anaran’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
너희는 내 이름으로 거짓 맹세함으로 네 하나님의 이름을 욕되게 하지 말라! 나는 여호와니라!
13 Aza manao an-keriny amin’ ny zavatry ny namanao na mampahory azy; ny karaman’ izay nokaramainao aoka tsy hitoetra ao aminao miloaka alina.
너는 네 이웃을 압제하지 말며 늑탈하지 말며 품군의 삯을 아침까지 밤새도록 네게 두지 말며
14 Aza miteny ratsy ny marenina na manisy zavatra mahatafintohina eo anoloan’ ny jamba; fa matahora an’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
너는 귀먹은 자를 저주하지 말며 소경 앞에 장애물을 놓지 말고 네 하나님을 경외하라! 나는 여호와니라!
15 Aza manao izay tsy marina amin’ ny fitsarana; aza miandany foana amin’ ny malahelo, na mena-maso ny lehibe; fahamarinana no hitsaranao ny namanao.
너희는 재판할 때에 불의를 행치 말며 가난한 자의 편을 들지 말며 세력있는 자라고 두호하지 말고 공의로 사람을 재판할지며
16 Aza mandehandeha manaratsy eo amin’ ny firenenao; aza mitsangana handatsaka ny ran’ ny namanao: Izaho no Jehovah.
너는 네 백성 중으로 돌아다니며 사람을 논단하지 말며 네 이웃을 대적하여 죽을 지경에 이르게 하지 말라 나는 여호와니라!
17 Aza mankahala ny rahalahinao amin’ ny fonao; mananara dia mananara ny namanao, mba tsy hahazoanao heloka noho ny aminy.
너는 네 형제를 마음으로 미워하지 말며 이웃을 인하여 죄를 당치 않도록 그를 반드시 책선하라
18 Aza mamaly ratsy na manao lolompo amin’ izay iray firenena aminao: fa tiava ny namanao tahaka ny tenanao: Izaho no Jehovah.
원수를 갚지 말며 동포를 원망하지 말며 이웃 사랑하기를 네 몸과 같이 하라! 나는 여호와니라!
19 Tandremo ny didiko: Aza avela hilomy amin’ ny hafa karazana noho izy ny biby fiompinao; aza fafazanao voan-javatra roa karazana mifangaroharo ny taninao; ary aza mitafy lamba natao amin’ ny zavatra roa samy hafa karazana mifamahofaho.
너희는 내 규례를 지킬지어다! 네 육축을 다른 종류와 교합시키지 말며 네 밭에 두 종자를 섞어 뿌리지 말며 두 재료로 직조한 옷을 입지 말지며
20 Ary raha misy mandry amin’ ny andevovavy izay voafofon’ olona ho vadiny, ka tsy voavotra na voavotsotra ho olom-potsy ravehivavy, dia hofaizana izy roroa, fa tsy hatao maty, satria tsy olompotsy ravehivavy.
무릇 아직 속량도 되지 못하고 해방도 되지 못하고 정혼한 씨종과 사람이 행음하면 두 사람이 형벌은 받으려니와 그들이 죽임을 당치 아니할 것은 그 여인은 아직 해방되지 못하였음이라
21 Ary ho entin-dralehilahy ny fanati-panonerany ho an’ i Jehovah ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, dia ondrilahy iray hatao fanati-panonerana;
그 남자는 그 속건 제물 곧 속건제 수양을 회막 문 여호와께로 끌어올 것이요
22 ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin’ ilay ondrilahy hatao fanati-panonerana, eo anatrehan’ i Jehovah, noho ny fahotana izay nataony; dia havela izany fahotany izany.
제사장은 그의 범한 죄를 위하여 그 속건제의 수양으로 여호와 앞에 속죄할 것이요 그리하면 그의 범한 죄의 사함을 받으리라!
23 Ary raha tonga any amin’ ny tany ianareo ka mamboly hazo fihinam-boa, dia hataonareo ho toy ny tsy voafora ny voany; telo taona no hataonareo ho toy ny tsy voafora izy ka tsy hohanina;
너희가 그 땅에 들어가 각종 과목을 심거든 그 열매는 아직 할례받지 못한 것으로 여기되 곧 삼년 동안 너희는 그것을 할례 받지 못한 것으로 아껴 먹지 말 것이요
24 ary amin’ ny taona fahefatra dia ho masìna ny voany rehetra ka hatao fanatitra hiderana an’ i Jehovah;
제 사년에는 그 모든 과실이 거룩하니 여호와께 드려 찬송할 것이며
25 fa amin’ ny taona fahadimy vao hihinana ny voany ianareo, mba hitomboan’ ny fahavokarany ho anareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
제 오년에는 그 열매를 먹을지니 그리하면 너희에게 그 소산이 풍성하리라 나는 너희 하나님 여호와니라!
26 Aza homana zavatra misy rà; aza manao sikidy na manandro.
너희는 무엇이든지 피 채 먹지 말며 복술을 하지 말며 술수를 행치 말며
27 Aza manety ny sisim-bolon-dohanareo, ary aza manaratra ny vaokanao.
머리 가를 둥글게 깎지 말며 수염 끝을 손상치 말며
28 Ary aza mitetika ny tenanareo noho ny maty, na manao tombo-kavatsa amin’ ny tenanareo: Izaho no Jehovah.
죽은 자를 위하여 너희는 살을 베지 말며 몸에 무늬를 놓지 말라! 나는 여호와니라!
29 Aza mampijangajanga ny zanakao-vavy hampahaloto azy, fandrao hijangajanga ny tany ka ho feno fahavetavetana.
네 딸을 더럽혀 기생이 되게 말라! 음풍이 전국에 퍼져 죄악이 가득할까 하노라
30 Tandremo ny Sabatako, ary hajao ny fitoerako masìna: Izaho no Jehovah.
내 안식일을 지키고 내 성소를 공경하라! 나는 여호와니라!
31 Aza mivily hanaraka izay manao azy ho tsindrian-javatra, na mitady saina amin’ ny mpanao hatsarana, hahaloto anareo aminy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
너희는 신접한 자와 박수를 믿지 말며 그들을 추종하여 스스로 더럽히지 말라! 나는 너희 하나님 여호와니라!
32 Mitsangàna raha eo anatrehan’ ny fotsy volo ianao, ka manajà ny tavan’ ny anti-panahy, ary matahora an’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
너는 센 머리 앞에 일어서고 노인의 얼굴을 공경하며 네 하나님을 경외하라! 나는 여호와니라!
33 Ary raha misy mivahiny aminao eo amin’ ny taninareo, aza manao sarotra aminy.
타국인이 너희 땅에 우거하여 함께 있거든 너희는 그를 학대하지 말고
34 Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanano; fa efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
너희와 함께 있는 타국인을 너희 중에서 낳은 자 같이 여기며 자기같이 사랑하라! 너희도 애굽 땅에서 객이 되었더니라 나는 너희 하나님 여호와니라!
35 Aza manao izay tsy marina amin’ ny fitsarana, na amin’ ny fandrefesana, na amin’ ny fandanjana, na amin’ ny famarana.
너희는 재판에든지 도량형에든지 불의를 행치 말고
36 Mizana marina, vato marina, efaha marina, hina marina, no hotananareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nitondra anareo nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta.
공평한 저울과, 공평한 추와, 공평한 에바와, 공평한 힌을 사용하라! 나는 너희를 인도하여 애굽 땅에서 나오게 한 너희 하나님 여호와니라!
37 Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izany: Izaho no Jehovah.
너희는 나의 모든 규례와 나의 모든 법도를 지켜 행하라! 나는 여호와니라!