< Levitikosy 18 >
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Bwana akamwambia Mose,
2 Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo:
“Sema na Waisraeli uwaambie: ‘Mimi ndimi Bwana Mungu wenu.
3 Aza manao araka ny fanaon’ ny tany Egypta, izay nonenanareo; ary aza manao araka ny fanaon’ ny tany Kanana, izay ampidirako anareo, ary aza manaraka ny fombany.
Msifanye kama wafanyavyo huko Misri, mahali mlipokuwa mnaishi, wala msifanye kama wanavyofanya katika nchi ya Kanaani, mahali ninapowapeleka. Msifuate matendo yao.
4 Ny fitsipiko no harahinareo, ary ny didiko no hotandremanareo, hanarahanareo azy: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Ni lazima mzitii sheria zangu, na mwe waangalifu kuzifuata amri zangu. Mimi ndimi Bwana Mungu wenu.
5 Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin’ izany izy: Izaho no Jehovah.
Zishikeni amri zangu na sheria zangu, kwa maana mtu anayezitii ataishi kwa hizo. Mimi ndimi Bwana.
6 Aza misy mila izay havany akaiky handry aminy ianareo: Izaho no Jehovah.
“‘Hakuna mtu awaye yote atakayemsogelea ndugu wa karibu ili kukutana naye kimwili. Mimi ndimi Bwana.
7 Aza mandry amin’ izay nandrian’ ny rainao; fa reninao izy, ka aza mandry aminy.
“‘Usimvunjie heshima baba yako kwa kukutana kimwili na mama yako. Yeye ni mama yako; usiwe na mahusiano kama hayo naye.
8 Aza mandry amin’ ny renikelinao; fa nandrian’ ny rainao izy.
“‘Usikutane kimwili na mke wa baba yako; hiyo itamvunjia heshima baba yako.
9 Aza mandry amin’ ny anabavinao, zanaky ny rainao, na zanaky ny reninao, na teraka tao an-trano, na teraka tany ivelany; aza mandry aminy.
“‘Usikutane kimwili na dada yako, wala binti wa baba yako, au binti wa mama yako, awe amezaliwa katika nyumba hiyo au mahali pengine.
10 Aza mandry amin’ ny zanakavavin’ ny zanakao-lahy, na ny zanakavavin’ ny zanakao-vavy; fa avy aminao no nihavian’ izy roa.
“‘Usikutane kimwili na binti wa mwanao ama binti wa binti yako; utajivunjia heshima.
11 Aza mandry amin’ ny zanakavavin’ ny renikelinao, izay teraky ny rainao; fa anabavinao izy; aza mandry aminy.
“‘Usikutane kimwili na binti wa mke wa baba yako, aliyezaliwa na baba yako; huyo ni dada yako.
12 Aza mandry amin’ ny anabavin-drainao; fa havan-drainao akaiky izy.
“‘Usikutane kimwili na dada wa baba yako; ni ndugu wa karibu wa baba yako.
13 Aza mandry amin’ ny rahavavin-dreninao; fa havan-dreninao akaiky izy.
“‘Usikutane kimwili na dada wa mama yako, kwa sababu ni ndugu wa mama yako wa karibu.
14 Aza mandry amin’ izay nandrian’ ny rahalahin-drainao; aza mila ny vadiny fa vadin’ ny rahalahin-drainao izy.
“‘Usimvunjie heshima ndugu wa baba yako, kwa kukutana kimwili na mke wake; yeye ni shangazi yako.
15 Aza mandry amin’ ny vinantovavinao; fa vadin’ ny zanakao-lahy izy, koa aza mandry aminy.
“‘Usikutane kimwili na mkwe wako, yeye ni mke wa mwanao; usiwe na mahusiano kama hayo naye.
16 Aza mandry amin’ ny vadin-drahalahinao; fa nandrian’ ny rahalahinao izy.
“‘Usikutane kimwili na mke wa kaka yako; utamvunjia heshima kaka yako.
17 Aza mandry amin’ ny vehivavy sy ny zananivavy; aza maka ny zanakavavin’ ny zananilahy, na ny zanakavavin’ ny zananivavy, handry aminy; havany akaiky ireo, ka fahavetavetana izany.
“‘Usikutane kimwili na mwanamke kisha na binti yake. Usikutane kimwili na binti wa mwanawe au binti wa binti yake; hao ni ndugu zake wa karibu. Huo ni uovu.
18 Ary aza mampakatra vehivavy ho rafin’ ny rahavaviny izay mbola velona.
“‘Usimchukue dada wa mke wako kuwa mke mwenza, na kukutana naye kimwili wakati bado mke wako anaishi.
19 Ary aza mila vehivavy mararin’ ny fadim-bolany handry aminy.
“‘Usimsogelee mwanamke ili kukutana naye kimwili wakati wa unajisi wa siku zake za mwezi.
20 Ary aza mandry amin’ ny vadin’ ny namanao, handoto ny tenanao aminy.
“‘Usikutane kimwili na mke wa jirani yako na kujitia naye unajisi.
21 Ary aza misy ampandehaninao hamaky ny afo ho an’ i Moloka ny zanakao; ary aza manamavo ny anaran’ Andriamanitrao: Izaho no Jehovah.
“‘Usimtoe mtoto wako yeyote awe kafara kwa mungu Moleki, kwani hutalinajisi kamwe jina la Mungu wako. Mimi ndimi Bwana.
22 Aza mandry amin’ ny lehilahy tahaka ny fandry amin’ ny vehivavy; fa fahavetavetana izany.
“‘Usikutane kimwili na mwanaume kama mtu akutanaye na mwanamke; hilo ni chukizo.
23 Ary aza mandry amin’ ny biby handoto ny tenanao aminy; ary aoka tsy hisy vehivavy hety handrian’ ny biby; fa zavatra fady indrindra izany.
“‘Usikutane kimwili na mnyama na kujitia unajisi kwake. Mwanamke asijipeleke kwa mnyama ili kukutana naye kimwili; huo ni upotovu.
24 Aza mandoto ny tenanareo amin’ izany zavatra izany akory; fa izany rehetra izany no nandotoan’ ny jentilisa ny tenany, izay efa horoahiko eo anoloanareo.
“‘Msijitie unajisi kwa njia yoyote katika hizi, kwa sababu hivi ndivyo mataifa nitakayoyafukuza mbele yenu yalivyojitia unajisi.
25 Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan’ ny tany ny mponina eo.
Hata nchi ilitiwa unajisi, hivyo nikaiadhibu kwa dhambi zake, nayo nchi ikawatapika wakazi wake.
26 Fa mitandrema ny didiko sy ny fitsipiko ianareo, ka aza misy ataonareo izany fahavetavetana izany, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo
Lakini ni lazima uzitunze amri zangu na sheria zangu. Mzawa na wageni waishio miongoni mwenu kamwe wasifanye mambo yoyote ya machukizo haya,
27 (fa izany fahavetavetana rehetra izany no nataon’ ny tompon-tany izay talohanareo, ka dia naloto ny tany),
kwa kuwa mambo haya yote yalifanywa na watu walioishi katika nchi hii kabla yenu, na nchi ikawa najisi.
28 mba tsy handotoanareo ny tany ka tsy handoavany anareo, tahaka ny nandoavany ny firenena izay talohanareo.
Kama mkiinajisi nchi, itawatapika kama ilivyowatapika mataifa yaliyowatangulia.
29 Fa izay rehetra manao izany fahavetavetana izany na dia iray aza dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
“‘Kila mtu atakayefanya mojawapo ya machukizo haya, watu hao ni lazima wakatiliwe mbali na watu wao.
30 Koa dia tandremo izay asaiko tandremana, mba tsy hisy hataonareo akory izany fanao vetaveta izany, izay nataon’ ny olona talohanareo, ka aza mandoto ny tenanareo amin’ izany: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Shikeni maagizo yangu, wala msifuate desturi za machukizo yoyote yaliyofanywa kabla hamjafika katika nchi hii, na kujitia unajisi kwa hayo. Mimi ndimi Bwana Mungu wako.’”