< Levitikosy 17 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Yehova anawuza Mose kuti,
2 Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany ary ny Zanak’ Isiraely rehetra hoe: Izao no nandidian’ i Jehovah:
“Uza Aaroni ndi ana ake, pamodzi ndi Aisraeli onse kuti, ‘Chimene Yehova walamula ndi ichi:
3 Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely no mamono omby, na zanak’ ondry, na osy, na eo an-toby, na any ivelan’ ny toby,
Mwisraeli aliyense amene apha ngʼombe, mwana wankhosa kapena mbuzi mu msasa kapena kunja kwa msasa,
4 ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’ i Jehovah eo anoloan’ ny tabernakelin’ i Jehovah, dia ho meloka noho ny rà nalatsany izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy,
mʼmalo mobwera nayo pa khomo la tenti ya msonkhano pamaso pa Yehova ndi kuyipereka kuti ikhale nsembe ya Yehova, ameneyo wapalamula mlandu wa magazi, wakhetsa magazi ndipo ayenera kuchotsedwa pakati pa anthu anzake.
5 mba ho entin’ ny Zanak’ isiraely ho an’ i Jehovah eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ho amin’ ny mpisorona, ny zavatra vonoiny ho fanatitra, izay famonony tany an-tsaha; ary dia hateriny ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah izany.
Izi zili choncho kuti Aisraeli azibwera ndi nyama zawo za nsembe zimene akanaphera ku malo kwina kulikonse. Aisraeli azibwera nazo nyamazo kwa Yehova, kwa wansembe wokhala pa khomo la tenti ya msonkhano ndipo aziphere pomwepo kuti zikhale nsembe za chiyanjano.
6 Ary ny mpisorona hanopy ny rà amin’ ny alitaran’ i Jehovah eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ka handoro ny saborany ho fofona ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
Wansembe awaze magazi ake pa guwa la Yehova limene lili pa khomo la tenti ya msonkhano ndipo atenthe mafuta ake kuti atulutse fungo lokomera Yehova.
7 Ary tsy hateriny intsony ny fanatiny ho an’ ny Seïrima izay nijangajangany. Ho lalàna mandrakizay hatramin’ ny taranany fara mandimby izany.
Motero asadzapherenso nsembe fano la mbuzi limene amachita nalo zadama. Limeneli ndi lamulo la muyaya kwa iwo ndi mibado ya mʼtsogolo.’”
8 Ary lazao aminy hoe: Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminareo, no manatitra fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà,
“Uwawuze kuti, ‘Mwisraeli aliyense kapena mlendo amene amakhala pakati pawo akapereka nsembe yopsereza kapena nsembe ina iliyonse
9 ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hanatitra azy ho an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
popanda kubwera nayo pa khomo la tenti ya msonkhano kudzayipereka pamaso pa Yehova, munthu ameneyo achotsedwe pakati pa anthu anzake.’”
10 Ary na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminareo, no mihinan-drà, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-drà, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy.
“Mwisraeli aliyense kapena mlendo aliyense wokhala pakati panu amene adya magazi, ndidzamufulatira ndipo ndidzamuchotsa pakati pa anthu anzake.
11 Fa ny ain’ ny nofo dia amin’ ny rà; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ ny alitara hanao fanavotana ho an’ ny ainareo, fa ny rà no manao fanavotana, satria aina izany.
Pakuti moyo wa cholengedwa chilichonse uli mʼmagazi, ndipo ndawupereka kwa inu kuti muzichitira mwambo wopepesera machimo a moyo wanu pa guwa. Pajatu magazi ndiwo amachotsa machimo chifukwa moyo uli mʼmenemo.
12 Koa izany no nilazako tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Aza misy mihinan-drà, na ianareo, na ny vahiny eo aminareo.
Choncho ndikuwawuza Aisraeli kuti, ‘Pasapezeke aliyense wa inu wodya magazi, ngakhale mlendo wokhala pakati panu.’”
13 Na iza na iza amin’ ny Zanak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminy, no mihaza ka mahazo biby na vorona izay fihinana, dia haidiny amin’ ny tany ny ràny ka hototofany;
“Mwisraeli aliyense kapena mlendo aliyense wokhala pakati panu amene amasaka ndi kupha nyama zakuthengo kapena mbalame zimene amadya, ataye magazi ake pansi ndi kuwakwirira ndi dothi,
14 fa ny amin’ ny amin’ ny nofo rehetra, dia ny ràny no ainy; koa izany no nilazako tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Aza mihinana ny ran’ ny nofo; fa ny ràny no ain’ ny nofo rehetra, ka izay rehetra mihinana azy dia haringana.
chifukwa moyo wa cholengedwa chilichonse uli mʼmagazi ake. Nʼchifukwa chake ndinawawuza Aisraeli kuti, ‘Musamadye magazi a cholengedwa chilichonse, chifukwa moyo wa cholengedwa chilichonse uli mʼmagazi. Aliyense wodya magaziwo ayenera kuchotsedwa pakati pa anthu anzake.
15 Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro izy, vao hadio.
“‘Munthu aliyense, kaya ndi mbadwa kapena mlendo, amene amadya chilichonse chofa chokha, kapena chojiwa ndi zirombo, achape zovala zake ndi kusamba, komabe adzakhala wodetsedwa mpaka madzulo. Kenaka adzakhala woyeretsedwa.
16 Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia ho meloka.
Koma ngati sachapa zovala zake ndi kusamba, adzasenzabe machimo ake.’”

< Levitikosy 17 >