< Levitikosy 17 >

1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Господ говори още на Моисея, казвайки:
2 Mitenena amin’ i Arona sy ny zanany ary ny Zanak’ Isiraely rehetra hoe: Izao no nandidian’ i Jehovah:
Говори на Аарона и на синовете му и на всичките израилтяни, като им кажеш: Ето какво заповяда Господ, като рече:
3 Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely no mamono omby, na zanak’ ondry, na osy, na eo an-toby, na any ivelan’ ny toby,
Всеки човек от Израилевия дом, който заколи говедо, агне, или коза в стана, или който заколи вън от стана,
4 ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, hanaterana azy ho fanatitra ho an’ i Jehovah eo anoloan’ ny tabernakelin’ i Jehovah, dia ho meloka noho ny rà nalatsany izany olona izany, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy,
без да го е привел до входа на шатъра за срещане, за да го принесе Господу пред Господната скиния, той ще се счете виновен за кръв; кръв е пролял; тоя човек ще се изтреби изсред людете си;
5 mba ho entin’ ny Zanak’ isiraely ho an’ i Jehovah eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ho amin’ ny mpisorona, ny zavatra vonoiny ho fanatitra, izay famonony tany an-tsaha; ary dia hateriny ho fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah izany.
с цел израилтяните да довеждат жертвите, които колят на полето и да ги принасят Господу до входа на шатъра за срещане, при свещеника, та да ги колят за примирителни жертви Господу.
6 Ary ny mpisorona hanopy ny rà amin’ ny alitaran’ i Jehovah eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ka handoro ny saborany ho fofona ho hanitra ankasitrahana ho an’ i Jehovah.
И свещеникът да поръси с кръвта Господния олтар при входа на шатъра за срещане и да изгори тлъстината за благоухание Господу.
7 Ary tsy hateriny intsony ny fanatiny ho an’ ny Seïrima izay nijangajangany. Ho lalàna mandrakizay hatramin’ ny taranany fara mandimby izany.
Да не принасят вече жертвите си на бесовете, след като те блудствуват; това да им бъде вечен закон във всичките им поколения.
8 Ary lazao aminy hoe: Na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminareo, no manatitra fanatitra dorana, na fanatitra hafa alatsa-drà,
Кожи им още: Който човек от Израилевия дом, или от заселените между тях пришелци, принесе всеизгаряне или жертва,
9 ka tsy mitondra azy ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana hanatitra azy ho an’ i Jehovah, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.
без да я приведе до входа на шатъра за срещане, за да я принесе Господу, тоя човек ще се изтреби измежду людете си.
10 Ary na iza na iza amin’ ny taranak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminareo, no mihinan-drà, ny Tavako dia hanandrina ny olona izay mihinan-drà, ka hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy.
Ако някой от Израилевия дом, или от заселените между тях пришелци, яде каква да е кръв, ще насоча лицето Си против оня човек, който яде кръвта, и ще го изтребя изсред людете му.
11 Fa ny ain’ ny nofo dia amin’ ny rà; ary nomeko anareo izany hatao ambonin’ ny alitara hanao fanavotana ho an’ ny ainareo, fa ny rà no manao fanavotana, satria aina izany.
Защото живота на тялото е в кръвта, която Аз ви дадох да правите умилостивение на олтара за душите си; защото кръвта е, която, по силата на живота, който е в нея, прави умилостивение.
12 Koa izany no nilazako tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Aza misy mihinan-drà, na ianareo, na ny vahiny eo aminareo.
За това казах на израилтяните: Ни един човек от вас да не яде кръв, и пришелецът, който е заселен между вас, да не яде кръв.
13 Na iza na iza amin’ ny Zanak’ Isiraely, na amin’ ny vahiny eo aminy, no mihaza ka mahazo biby na vorona izay fihinana, dia haidiny amin’ ny tany ny ràny ka hototofany;
И ако някой от израилтяните, или от заселените между тях пришелци, отиде на лов и улови животно или птица, що бива да се яде, нека излее кръвта й, па да я покрие с пръст.
14 fa ny amin’ ny amin’ ny nofo rehetra, dia ny ràny no ainy; koa izany no nilazako tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Aza mihinana ny ran’ ny nofo; fa ny ràny no ain’ ny nofo rehetra, ka izay rehetra mihinana azy dia haringana.
Защото, колкото за живота на всяка твар, кръвта й - тя е животът й; за това казах на израилтяните: Да не ядете кръвта на никаква твар, защото животът на всяка твар е кръвта й; всеки, който я яде, ще се изтреби.
15 Ary ny olona rehetra, na tompon-tany, na vahiny, izay mihinana izay maty ho azy, na izay noviraviraim-biby, dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano, ary haloto mandra-paharivan’ ny andro izy, vao hadio.
И всеки човек, който яде мърша или разкъсано от звяр, бил той туземец или пришелец, нека изпере дрехите си и да се окъпе във вода, и ще бъде нечист до вечерта: а след това да бъде чист.
16 Fa raha tsy manasa fitafiana sy mandro izy, dia ho meloka.
И ако не ги изпере и не окъпе тялото си, тогава ще носи беззаконието си.

< Levitikosy 17 >