< Levitikosy 16 >
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy, rehefa maty izy roa lahy zanak’ i Arona, tamin’ izy nanatona teo anatrehan’ i Jehovah ka maty;
Yahwe alizungumza na Musa - hii ni baada vifo vya wana wawili wa Haruni, walipomkaribia Yahwe na ndipo wakafa.
2 dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona rahalahinao mba tsy hiditra mandrakariva ao amin’ ny fitoerana masìna izy; dia ao anatin’ ny efitra lamba, eo anoloan’ ny rakotra fanaovam-panavotana, izay eo ambonin’ ny fiara, mba tsy hahafaty azy; fa hiseho eo amin’ ny rahona eo ambonin’ ny rakotra fanaovam-panatovana Aho.
Yahwe alimwambia Musa, “Ongea na Haruni kaka yako na umwambie hapana kuja tu wakati wowote katika patakatifu pa patakatifu ndani ya pazia, mbele ya kifuniko cha upatanisho kilicho juu ya sanduku. Akifanya hivyo, anakufa, kwasababu naonekana katika wingu juu ya kifuniko cha upatanisho.
3 Ary izao no ho entin’ i Arona, raha miditra ao amin’ ny fitoerana masìna izy: vantotr’ ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy iray hatao fanatitra dorana.
Hivi ndivyo jinsi Haruni lazima aje katika patakatifu pa patakatifu. Yeye lazima aingie pamoja na ndama kama sadaka ya dhambi, na kondoo dume kama sadaka ya dhambi.
4 Akanjo lava masìna rongony fotsy no hiakanjoany, ary kalisaona rongony fotsy no hataony manolo-koditra, ary fehin-kibo rongony fotsy no hifehezany, ary hamama rongony fotsy no hisatrohany: fitafiana masìna ireo, ka handro amin’ ny rano izy vao hiakanjo azy.
Ni lazima avae kanzu ya kitatani, na lazima avae ndani yake nguo ya kitani, na lazima avae mshipi wa kitani na kilemba cha kitani. Haya ni mavazi matakatifu. Lazima aoge mwili wake katika maji na avae mavazi haya.
5 Ary ny fiangonan’ ny Zanak’ Isiraely, dia handraisany osilahy roa hatao fanatitra noho ny ota sy ondrilahy izay hatao fanatitra dorana.
Lazima achukue kwenye umati wa watu wa Israeli mbuzi wawili waume kama sadaka ya dhambi na kondoo dume moja ikiwa ni sadaka ya kuteketezwa.
6 Dia hampanatonin’ i Arona ny vantotr’ ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho an’ ny tenany sy ny ankohonany izy.
Ndipo Haruni lazima alete ng'ombe kama sadaka ya dhambi, ambayo itakuwa kwaajili yake mwenyewe, kufanya upatanisho kwaajili yake mwenyewe na familia yake.
7 Ary dia halainy koa ny osilahy roa ka hapetrany eo anatrehan’ i Jehovah, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
Ndipo lazima achukue mbuzi wawili na kuwaweka mbele ya Yahwe katika mlango wa kuingilia kwenye hema ya mkutano.
8 Dia hanaovan’ i Arona filokana ny osilahy roa: ny loka anankiray ho an’ i Jehovah, ary ny loka anankiray ho an’ i Azazela.
Ndipo Haruni lazima apige kura kwaajili ya mbuzi hao wawili, kura moja kwaajili ya Yahwe, na kura nyingine kwaajili ya msingiziwa.
9 Ary hampanatonin’ i Arona ny osilahy izay niharan’ ny filokana ho an’ i Jehovah ka hataony fanatitra noho ny ota.
Ndipo Haruni lazima awasilishe mbuzi ambaye kura imeangukia kwa Yahwe, na kumtoa mbuzi huyo kama sadaka ya dhambi.
10 Fa ny osilahy izay niharan’ ny filokana ho an’ i Azazela kosa dia hapetraka velona eo anatrehan’ i Jehovah hanaovana fanavotana ho azy, mba handefasana azy hankany an-efitra ho an’ i Azazela.
Lakini mbuzi ambaye kura ya usingiziwa imemwangukia lazima aletwe kwa Yahwe akiwa hai, kufanya upatanisho kwa kumwachia aende porini kama, mbuzimsingiziwa.
11 Ary hampanatonin’ i Arona ny vantotr’ ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny tenany, ka dia hanao fanavotana ho azy sy ny ankohonany izy, dia hovonoiny ny vantotr’ ombilahy, izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny tenany.
Pia Haruni lazima alete ng'ombe kwaajili ya sadaka ya dhambi, ambayo itakuwa kwaajili yake mwenyewe, lazima afanye upatanisho kwaajili yake mwenyewe na familia yake, hivyo lazima yeye amuue huyo ng'ombe kama sadaka ya dhambi kwaajili yake mwenyewe.
12 Dia haka vain’ afo eran’ ny fitondran’ afo avy amin’ ny alitara eo anatrehan’ i Jehovah izy, ary ditin-kazo mani-pofona voatorotoro madinika eran-tanan-droa, ka ho entiny miditra ao anatin’ ny efitra lamba.
Haruni lazima achukue chetezo iliyojaa mkaa wa moto kutoka kwenye madhabahu mbele ya Yahwe, na mikono imejaa ubani mzuri, na kuleta vitu hivi ndani ya pazia.
13 Ary hataony eo amin’ ny afo eo anatrehan’ i Jehovah ny ditin-kazo, ka hosaronan’ ny setroky ny ditin-kazo ny rakotra fanaovan-panavotana, izay eo ambonin’ ny Vavolombelona, mba tsy hahafaty azy.
Hapo lazima aweke ubani juu ya moto mbele za Yahwe ili kwamba wingu kutoka kwenye ubani liweze kufunika kifuniko cha agano la imani ya upatanisho. Yeye afanye hivyo ili kwamba asife.
14 Dia hangalany ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ka hafafin’ ny fanondrony amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana eo amin’ ny lafiny atsinanana; ary ny eo anoloan’ ny rakotra fanaovam-panavotana koa dia hofafazany ny rà impito amin’ ny fanondrony.
Ndipo lazima achukue kiasi cha damu ya ng'ombe na kuinyunyiza kwa kidole chake mbele ya kifuniko cha upatanisho. Lazima anyunyize kiasi cha damu kwa kidole chake mara saba mbele ya kifuniko cha upatanisho.
15 Dia hovonoiny ny osilahy izay hatao fanatitra noho ny ota ho an’ ny olona, ka ho entiny miditra ao anatin’ ny efitra lamba ny ràny, dia hataony tahaka ny efa nataony tamin’ ny ran’ ny vantotr’ ombilahy ihany ka hafafiny eo amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana sy eo anoloany.
Ndipo lazima aue mbuzi kwaajili ya sadaka ya dhambi ambayo ni kwaajili ya watu na kuileta damu yake ndani kwenye pazi. Hapo lazima aifanyie damu kama alivyofanya kwenye damu ya fahali: lazima ainyunyize juu ya kifuniko cha upatanisho na mbele ya kifunuko cha upatanisho.
16 Dia hanao fanavotana ho an’ ny fitoerana masìna izy noho ny fahalotoan’ ny Zanak’ Isiraely sy ny fahadisoany, dia ny fahotany rehetra; ary toy izany koa no hataony ho an’ ny trano-lay fihaonana, izay mitoetra eo aminy, eo afovoan’ ny fahalotoany.
Yeye lazima afanye upatanisho kwaajili ya mahali patakatifu kwa sababu ya matendo ya unajisi ya watu wa Israeli, na kwa sababu ya uasi na dhambi zao zote. Yeye pia lazima afanye haya kwaajili ya hema ya mkutano, ambapo Yahwe anaishi kati yao, katika uwepo wa matendo yao ya unajisi.
17 Ary aza avela hisy olona ao amin’ ny trano-lay fihaonana, raha miditra hanao fanavotana ao amin’ ny fitoerana masìna Arona mandra-pivoakany avy nanao fanavotana ho an’ ny tenany sy ny ankohonany ary ho an’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
Hakuna mtu anayetakiwa kuwepo katika hema ya mkutano wakati Haruni anaingia kufanya upatanisho katika mahali patakatifu pa patakatifu, na mpaka atoke nje na amemaliza kufanya upatanisho kwaajili yake mwenyewe na kwaajili ya familia yake, na kwaajili umati wa Israeli.
18 Dia hivoaka ho eo amin’ ny alitara eo anatrehan’ i Jehovah izy ka hanao fanavotana ho an’ ny alitara; dia hangalany ny ran’ ny vantotr’ ombilahy sy ny ran’ ny osilahy ka hatentiny amin’ ny tandroky ny alitara eo amin’ ny zorony efatra.
Yeye lazima aende nje kwenye madhabahu hapo mbele za Yahwe na kufanya upatanisho kwaajili ya hiyo, na lazima achukue kiasi cha damu ya mbuzi na kuiweka juu ya pembe za madhabahu yote kuzunguka.
19 Dia hofafazany ny rà impito amin’ ny fanondrony izy ka hodioviny sy hohamasininy ho afaka amin’ ny fahalotoan’ ny Zanak’ Isiraely.
Anatakiwa anyunyize kiasi cha damu juu yake kwa kidole chake mara saba kuitakasa na kuitenga maalumu kwa Yahwe, mbali kutoka matendo ya unajisi wa watu wa Israeli.
20 Ary rehefa vitany ny fanavotana ho an’ ny fitoerana masìna sy ny trano-lay fihaonana ary ny alitara, dia hampanatoniny ny osilahy velona.
Atakapo maliza kupatanisha kwaajili ya mahali patakatifu sana, hema la mkutano, na madhabahu, lazima amlete mbuzi aliyehai.
21 Dia hapetrak’ i Arona amin’ ny lohan’ ny osilahy velona ny tànany roa, ka hekeny eo amboniny ny heloky ny Zanak’ Isiraely rehetra sy ny fahadisoany rehetra, dia ny fahotany rehetra; dia hametraka izany eo amin’ ny lohan’ ny osilahy izy ka hampandeha azy ho entin’ ny lehilahy voatendry hankany an-efitra.
Haruni lazima aweke mikono yake yote juu ya kichwa cha mbuzi huyu aliyehai na akiri juu yake maovu yote ya watu wa Israeli, uasi wao wote, dhambi zao zote. Ndipo lazima aweke dhambi hizo juu ya kichwa cha mbuzi na amwachie katika uangalizi wa mtu aliyetari kumwongoza mbuzi huyo porini.
22 Ary ho entin’ ny osilahy ho any an-efitra ny helok’ izy rehetra; dia halefany any ny osilahy.
Mbuzi lazima abebe juu yake mwenyewe uovu wote kwenda mahali pakiwa. Kule msituni, huyo mtu amwache mbuzi aende huru.
23 Dia hiditra ao amin’ ny trano-lay fihaonana Arona, ary hanala ny fitafiany rongony fotsy, izay niakanjoany raha niditra ao amin’ ny fitoerana masìna izy, ka hamela azy ao.
Ndipo Haruni anapaswa kwenda tena humo kwenye hema ya mkutano na kuvua mavazi ya kitani ambayo amayavaa kabla hajaenda mahali patakatifu sana, na anatakiwa kuyaacha mavazi hayo pale.
24 Dia handro amin’ ny rano eo amin’ izay fitoerana masìna izy ka hitafy ny fitafiany; dia hivoaka izy ka hanatitra ny fanatitra dorana ho an’ ny tenany sy ny fanatitra dorana ho an’ ny olona ka hanao fanavotana ho an’ ny tenany sy ny olona.
Anapaswa aoshe mwili wake kwa maji mahali patakatifu, na avae nguo zake za kawaida; pia lazima atoke nje kutoa sadaka ya kuteketezwa na sadaka ya kuteketezwa na sadaka ya kuteketezwa kwaajili ya wale watu, na kwa njia hii anafanya upatanisho kwaajili yake mwenyewe na kwaajili ya watu.
25 Ary ny saboran’ ny fanatitra noho ny ota dia hodorany ho fofona eo ambonin’ ny alitara.
Lazima yeye achome mafuta ya sadaka ya dhambi juu ya madhabahu.
26 Ary ilay mandefa ny osilahy ho an’ i Azazela dia hanasa fitafiana ka handro amin’ ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
Huyu mtu anayemwacha mbuzi msingiziwa aende huru anafua nguo zake na kuosha mwili wake katika maji; baada ya hayo, anaweza kurudi tena kambini.
27 Ary ny vantotr’ ombilahy natao fanatitra noho ny ota sy ny osilahy natao fanatitra noho ny ota, izay efa nampidirina tao amin’ ny fitoerana masìna ny ràny hatao fanavotana, dia ho entina mivoaka ho eny ivelan’ ny amin’ ny afo ny hodiny sy ny henany ary ny toby; ary hodorana tain-drorohany.
Yule fahali kwaajili ya sadaka ya dhambi na mbuzi kwaajili ya sadaka za dhambi, ambaye damu yake ililetwa kufanya upatanisho katika mahali patakatifu, lazima ipelekwe nje ya kambi. kule lazima wachome, ngozi zao, nyama yao na kinyesi chao.
28 Ary izay mandoro ireo dia hanasa fitafiana sy handro amin’ ny rano, vao mahazo mankeo an-toby.
Huyu anayechoma sehemu hizo lazima afue nguo zake na aoge mwili wake katika maji; baada ya hapo, anaweza kurudi tena kwenye kambi.
29 Ary izao no ho lalàna mandrakizay ho anareo: amin’ ny andro fahafolo amin’ ny volana fahafito dia aoka hampahory ny tenanareo ianareo ary tsy hanao raharaha akory, na ny tompon-tany, na ny vahiny eo aminareo.
Hii itakuwa sharti kwaajili yenu kwamba katika mwezi wa saba, kwenye siku ya kumi ya mwezi, mtanyenyekea wenyewe na msifanye kazi, iwe mwenyeji wa kuzaliwa au mgeni anayeishi kati yenu.
30 Fa amin’ izany andro izany no hanaovana fanavotana ho anareo hanadiovana anareo, ka dia hadio ho afaka amin’ ny fahotanareo rehetra eo anatrehan’ i Jehovah ianareo
Hii ni kwasababu katika siku hii ya upatanisho utafanywa kwaajili yenu, kuwatakasa ninyi kutoka dhambi zenu zote ili mwe safi mbele za Yahwe.
31 Ho tena andro fitsaharana ho anareo izany, ka hampahory ny tenanareo ianareo: ho lalàna mandrakizay izany.
Hii ni maalumu kwa Sabato ya kupumzika kwaajili yenu, na lazima mnyenyekee wenyewe na msifanye kazi. Hili litakuwa sharti kati yenu.
32 Ary ny mpisorona, izay hohosorana sy hatokana ho mpisorona hisolo ny rainy, dia hanao fanavotana; ary hitafy ny fitafiana rongony fotsy izy, dia ny fitafiana masìna.
Kuhani mkuu, ambaye atapakwa mafuta na kuwekwa wakfu kuwa kuhani mkuu katika nafasi ya baba yake, lazima afanye upatanisho huu na kuvaa mavazi ya kitani, hayo ni mavazi matakatifu.
33 Dia hanao fanavotana ho an’ ny fitoerana masìna izy sy ho an’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara sy ny mpisorona ary ny olona rehetra amin’ ny fiangonana.
Lazima afanye upatanisho kwaajili ya mahali patakatifu sana; lazima afanye upatanisho kwaajili ya hema ya mkutano na madhabahu, na lazima afanye upatanisho kwaajili ya makuhani na kwaajili ya kusanyiko la watu.
34 Ary ho lalàna mandrakizay ho anareo izany, hanaovana fanavotana ho an’ ny Zanak’ Isiraely indray mandeha isan-taona hahafahany amin’ ny fahotany rehetra. Dia nataon’ i Arona araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Hii daima itakuwa sharti kwaajili yako, kufanya upatanisho kwaajili ya watu wa Israeli kwasababu ya dhambi zao zote, mara moja kwa kila mwaka.” Na ilikuwa ikifanika kama Yahwe alivyomwamuru Musa.