< Levitikosy 14 >
1 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Ubangiji ya ce wa Musa,
2 Izao no lalàna ny amin’ ny boka amin’ ny andro fanavotana azy: ho entina any amin’ ny mpisorona izy;
“Waɗannan su ne ƙa’idodi domin mutumin da yake da cuta a lokacin tsabtaccewarsa, sa’ad da aka kawo shi ga firist.
3 dia hivoaka eny ivelan’ ny toby ny mpisorona ka hizaha azy; Ary raha hitany fa sitrana amin’ ny habokany ny boka,
Firist zai fita waje da sansani ya bincike shi. In mutumin ya warke daga cutar fatar jiki mai yaɗuwa,
4 dia vorona roa velona sady madio sy hazo sedera sy jaky ary hysopa no hasain’ ny mpisorona ho an’ ilay hodiovina;
firist zai umarta a kawo tsuntsaye biyu masu rai, masu tsabta da itacen al’ul, jan ƙyalle da kuma hizzob saboda mutumin da za a tsabtacce.
5 Ary hasainy hovonoina ny vorona anankiray eo ambonin’ ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin’ ny rano mandeha;
Sa’an nan firist zai umarta a kashe ɗaya daga cikin tsuntsayen a bisa ruwa mai kyau a tukunyar laka.
6 Ary halainy ny vorona velona sy ny hazo sedera sy ny jaky ary ny hysopa, dia hatsobony ireo mbamin’ ny vorona velona eo amin’ ny ran’ ny vorona izay novonoina teo ambonin’ ny rano nalaina tamin’ ny rano mandeha.
Zai ɗauki tsuntsu mai rai ya tsoma shi tare da itacen al’ul, jan ƙyalle da kuma hizzob cikin jinin tsuntsun da aka yanka a bisa ruwa mai kyau.
7 Dia hofafazany impito ilay hodiovina ho afaka amin’ ny habokany ka hataony hoe madio, ary halefany ny vorona velona.
Sau bakwai zai yayyafa wa mutumin da za a tsabtacce daga cutar mai yaɗuwa ya kuma furta shi tsarkakakke. Sa’an nan ya saki tsuntsu mai rai ɗin ya tafi.
8 Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin’ ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan’ ny lainy hafitoana.
“Dole mutumin da aka tsabtaccen ya wanke rigunansa, ya aske dukan gashinsa ya kuma yi wanka; sa’an nan zai tsabtacce. Bayan wannan zai iya zo cikin sansani, amma dole yă tsaya waje da tentinsa kwana bakwai.
9 Ary amin’ ny andro fahafito dia hanaratra ny volony rehetra izy, na ny volon-dohany, na ny somony, na ny manja-masony; ny volony rehetra hoharatany avokoa ary hanasa ny fitafiany izy sady handro amin’ ny rano, dia hadio izy.
A rana ta bakwai ɗin dole yă aske dukan gashinsa; dole yă aske kansa, gemunsa, gashin girarsa da sauran gashinsa. Dole yă wanke rigunansa ya kuma yi wanka, zai kuwa tsabtacce.
10 Ary amin’ ny andro fahavalo dia haka zanak’ ondrilahy roa tsy misy kilema izy ary zanak’ ondrivavy iray tsy misy kilema izay iray taona ary koba tsara toto telo ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo ho fanatitra hohanina ary diloilo iray loga.
“A rana ta takwas dole yă kawo ɗan rago da’yar tunkiya bana ɗaya, kowane marar lahani, tare da rabin garwan gari mai laushi haɗe da mai domin hadaya ta gari, da kuma moɗa ɗaya na mai.
11 Ary ny mpiosorona izay manadio ilay lehilahy hodiovina dia hametraka azy sy ireo zavatra ireo eo anatrehan’ i Jehovah, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;
Firist da ya furta shi tsarkakakke zai miƙa da wanda za a tsabtaccen da kuma hadayunsa a gaban Ubangiji a ƙofar Tentin Sujada.
12 dia haka ny zanak’ ondrilahy iray ny mpisorona ka hanatitra azy ho fanati-panonerana mbamin’ ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
“Sa’ad da firist zai ɗauki ɗaya daga cikin ragunan ya kuma miƙa shi kamar hadaya don laifi, tare da moɗan mai; zai kaɗa su a gaban Ubangiji kamar hadaya kaɗawa.
13 Ary hamono ny zanak’ ondrilahy eo amin’ ny famonoana ny fanatitra noho ny ota sy ny fanatitra dorana izy, dia eo amin’ ny fitoerana masìna; fa ho an’ ny mpisorona ny fanatitra noho ny ota, toy ny fanati-panonerana, ho masìna dia masìna izany.
Zai yanka ɗan ragon a tsattsarkan wuri inda ake yanka hadaya don zunubi da hadaya ta ƙonawa. Gama yadda hadaya ta zunubi ta firist ne, haka hadaya domin laifi ma, hadaya ce mafi tsarki.
14 Dia hangalan’ ny mpisorona ny ran’ ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana,
Firist ɗin zai ɗiba jinin hadaya don laifin ya zuba a leɓatun kunnen dama na wanda za a tsabtacce, a babbar yatsar hannunsa na dama a kuma a babbar yatsar ƙafa damansa.
15 ary ny diloilo iray loga dia hangalan’ ny mpisorona ka haidiny eo am-pelatanany ankavia;
Firist ɗin zai ɗiba daga moɗan mai ɗin ya zuba a tafin hannunsa na hagu,
16 dia hatsoboky ny mpisorona ny fanondrony ankavanana eo amin’ ny diloilo izay eo am-pelatanany ankavia ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah.
ya tsoma yatsarsa ta dama cikin man da yake a tafin hannunsa, kuma da yatsar zai yayyafa man a gaban Ubangiji sau bakwai.
17 ary ny diloilo sisa eo am-pelatanany dia hanentenan’ ny mpisorona ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana eo amin’ ilay nasiana ny ran’ ny fanati-panonerana;
Firist zai sa sauran mai da yake cikin tafinsa a leɓatun kunnen dama na wanda za a tsabtacce, a babbar yatsarsa na dama da kuma a babbar yatsar ƙafarsa ta dama, a bisa jinin hadaya don laifin.
18 ary ny diloilo mbola sisa eo ampela-tànan’ ny mpisorona dia hataony amin’ ny lohan’ ilay hodiovina; ary hanao fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah ny mpisorona.
Sauran man a tafin hannunsa firist zai sa a kan wanda za a tsabtaccen ya kuma yi kafara dominsa a gaban Ubangiji.
19 Ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatiny noho ny ota ka hanao fanavotana ho an’ ilay hodiovina hahafahany amin’ ny fahalotoany; ary rehefa afaka izany, dia hamono ny fanatitra dorana izy;
“Sa’an nan firist ɗin zai miƙa hadaya don zunubi ya kuma yi kafara saboda wannan da za a tsabtacce daga rashin tsarkinsa. Bayan haka, firist zai yanka hadaya ta ƙonawa
20 ary ny mpisorona dia hanatitra ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina eo ambonin’ ny alitara ka hanao fanavotana ho an’ ilay olona hodiovina, dia hadio izy.
ya miƙa ta a bagade, tare da hadaya ta gari, ya kuma yi kafara dominsa, zai kuwa tsabtacce.
21 Fa raha malahelo kosa izy, ka tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra zanak’ ondry iray hatao fanati-panonerana havehaveva izy, hanaovana fanavotana ho azy, ary koba tsara toto iray ampahafolon’ ny efaha voaharo diloilo hatao fanatitra hohanina sy diloilo iray loga
“In kuwa mutumin matalauci ne ba zai iya samu waɗannan ba, to, dole yă ɗauki ɗan rago guda kamar hadaya don laifi a kaɗa don a yi kafara dominsa, tare da humushin garwa gari mai laushi haɗe da mai don hadaya ta gari, da moɗa na mai,
22 ary domohina roa, na zana-boromailala roa, araka izay tratry ny ananany, ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray hatao fanatitra dorana.
da kurciyoyi biyu ko tattabarai biyu, wanda zai iya samu, ɗaya domin hadaya don zunubi ɗayan kuma domin hadaya ta ƙonawa.
23 Dia ho eniny any amin’ ny mpisorona ireo amin’ ny andro fahavalon’ ny fanadiovana azy, ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana eo anatrehan’ i Jehovah.
“A rana ta takwas dole yă kawo su domin tsabtaccewarsa ga firist a ƙofar Tentin Sujada, a gaban Ubangiji.
24 Dia horaisin’ ny mpisorona ny zanak’ ondrilahy izay hatao fanati-panonerana sy ny diloilo iray loga ka hahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.
Firist zai ɗauki ɗan rago na hadaya don laifi tare da moɗa na mai, ya kaɗa su a gaban Ubangiji kamar hadaya ta kaɗawa.
25 Dia hovonoina ny zanak’ ondry izay hatao fanati-panonerana, dia hangalan’ ny mpisorona ny ran’ ny fanati-panonerana, ka hotentenany ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana;
Zai yanka ɗan rago domin hadaya don laifi ya kuma ɗibi jinin ya sa a leɓatun kunnen dama na wanda za a tsabtaccen, a babban yatsar hannun damansa da kuma a babban yatsar ƙafarsa na dama.
26 ary hangalan’ ny mpisorona ny diloilo ka haidiny eo ampela-tànany ankavia;
Firist zai zuba man a tafin hannunsa na hagu,
27 dia hangalan’ ny mpisorona amin’ ny fanondrony ankavanana ny diloilo izay eo ampela-tànany ankavia, ka hafafiny impito eo anatrehan’ i Jehovah;
da yatsarsa na dama zai yayyafa man daga tafinsa sau bakwai a gaban Ubangiji.
28 dia hotentenan’ ny mpisorona amin’ ny diloilo izay eo an-tànany ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ilay hodiovina sy ny ankihiben-tànany ankavanana sy ny ankihiben-tongony ankavanana, eo amin’ ilay nasiana ny ran’ ny fanati-panonerana;
Daga cikin man da yake a tafinsa zai zuba a wuri da ya zuba jinin hadaya don laifi, a leɓatun kunnen dama na wanda za a tsabtaccen, a babban yatsar hannun damansa da kuma a babban yatsar ƙafa damansa.
29 ary ny diloilo sisa eo ampela-tànan’ ny mpisorona dia hataony amin’ ny lohan’ ilay hodiovina hanaovana fanavotana ho azy eo anatrehan’ i Jehovah.
Sauran man da yake cikin tafinsa firist ɗin zai zuba a kan wannan da za a tsabtaccen don a yi kafara dominsa a gaban Ubangiji.
30 Dia hateriny koa ny domohina anankiray, na ny zana-boromailala anankiray, araka izay tratry ny ananany,
Sa’an nan zai miƙa kurciyoyi ko tattabarai, waɗanda mutumin zai iya,
31 dia ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana, mbamin’ ny fanatitra hohanina; ary ny mpisorona dia hanao fanavotana ho an’ ilay hodiovina eo anatrehan’ i Jehovah.
ɗaya kamar hadaya don zunubi ɗayan kuma kamar hadaya ta ƙonawa, tare da hadaya ta gari. Ta haka firist zai yi kafara a gaban Ubangiji a madadin wanda za a tsabtacce.”
32 Izany no lalàna ny amin’ ny boka, raha tsy tratry ny ananany izay hanadiovana azy.
Waɗannan su ne ƙa’idodi domin mutumin da yake da cutar fatar jiki wanda kuma ba zai iya samun abubuwan hadaya ta kullum domin tsabtaccewarsa ba.
33 Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe:
Ubangiji ya ce wa Musa da Haruna,
34 Rehefa tonga any amin’ ny tany Kanana izay omeko ho taninareo ianareo, ka misy trano hasiako habokana amin’ ny tany fanananareo,
“Sa’ad da kuka shiga ƙasar Kan’ana, wadda nake ba ku kamar gādonku, na kuma sa yaɗuwa cutar fatar jiki a riga a cikin gida a wannan ƙasa,
35 dia handeha ny tompon-trano ka hilaza amin’ ny mpisorona hoe: Toa misy aretina miseho ao amin’ ny tranoko.
dole maigidan ya tafi ya faɗa wa firist ya ce, ‘Na ga wani abu da ya yi kamar cutar fatar jikin da take a riga a cikin gidana.’
36 Dia hasain’ ny mpisorona hesorina aloha ny entana ao an-trano mandra-pihaviny hizaha ny aretina, mba tsy hahalotoan’ ny zavatra rehetra ao an-trano; ary rehefa vita izany, dia ho avy ny mpisorona hizaha ny trano;
Firist zai umarci a fitar da kome a gidan kafin ya shiga ya bincike cutar fatar jiki da take a rigar, saboda babu abin da yake gidan da za a furta marar tsarki ne. Bayan haka firist zai shiga ya dudduba gidan.
37 ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa mihady eo amin’ ny rindrin’ ny trano izy ka maitsomaitso na menamena, ary milentika eo amin’ ny rindrin-trano no fijeriny azy,
Zai bincike cutar fatar jiki da take a riga a bangaye, in kuma yana da tabon kore-kore ko ja-ja da suka bayyana da suka yi zurfi fiye da saman bangon,
38 dia hivoaka ho eo am-baravarana ny mpisorona ka hanidy ny trano tsy hivoha hafitoana.
firist ɗin zai fita a bakin ƙofar gidan ya rufe ta na kwana bakwai.
39 Ary hiverina ny mpisorona amin’ ny andro fahafito, ary raha zahany ny aretina, ka hitany fa nanitatra teo amin’ ny rindrin’ ny trano izy,
A rana ta bakwai ɗin firist zai dawo don yă dudduba gidan. In cutar fatar jiki da take a riga ta yaɗu a bangayen,
40 dia hasain’ ny mpisorona hesorina ny vato izay misy azy ka hariana amin’ izay fitoerana maloto eo ivelan’ ny tanàna;
zai umarta a ciccire duwatsun da suke da cutar a zubar a wuri marar tsarki waje da birnin.
41 dia hasainy hokikisana ny ati-trano rehetra, ary ny kikiny dia harian’ ny olona amin’ izay fitoerana maloto eny ivelan’ ny tanàna.
Dole yă sa a kankare duka shafen bangon cikin gidan a kuma zuba kayan da aka kankare a wurin marar tsarki waje da birnin.
42 Ary dia haka vato hafa kosa ny olona, ka hasolony ny vato teo; ary haka feta koa izy ka handalotra ny trano.
Sai su ɗebi waɗansu duwatsu su sa a wuraren da suka ciccire waɗancan, su kuma ɗiba sabon laka su yi shafen gidan.
43 Fa raha tàhiny miseho indray ny aretina ka mifariparitra eo amin’ ny trano, rehefa voaisotra ny vato, ary rehefa voakiky sady voalalotra ny trano,
“In cutar fatar jiki da take ta rigar ta sāke bayyana a gidan bayan an ciccire duwatsu aka kankare gidan aka kuma yi shafe,
44 ary tonga ny mpisorona ka mizaha, ary hitany fa nanitatra teo amin’ ny trano ny aretina, dia habokana mafy eo amin’ ny trano izany, ka dia maloto izy.
firist zai je ya bincika shi, in kuwa cutar ta bazu a gidan, to, muguwar cuta ce; gidan marar tsarki ne.
45 Ary horavana ny trano, dia ny vato sy ny hazo ary ny lalotra rehetra, ka ho entina ho amin’ izay fitoerana maloto eny ivelan’ ny tanàna.
Dole a rushe gidan, a fid da duwatsun, katakai da kuma dukan shafen daga birnin zuwa wuri marar tsarki.
46 Ary izay miditra ao amin’ izany trano izany amin’ ny andro rehetra izay hihidiany dia haloto mandra-paharivan’ ny andro;
“Duk wanda ya shiga gidan yayinda aka rufe shi zai ƙazantu har yamma.
47 ary izay mandry ao dia hanasa ny fitafiany; ary izay mihinana ao dia hanasa ny fitafiany koa.
Duk wanda ya kwana ko ya ci abinci a gidan dole yă wanke rigunansa.
48 Kanefa kosa raha tonga ny mpisorona ka mizaha azy, ary hitany fa tsy nanitatra teo amin’ ny trano ny aretina, rehefa voalalotra ny trano, dia hataon’ ny mpisorona hoe madio ny trano, satria efa afaka ny aretina.
“Amma in firist ya zo ya bincika gidan kuma cutar fatar jiki da take ta rigar ba tă bazu ba bayan an yi wa gidan shafe, zai furta gidan tsarkakakke, domin cutar ta tafi.
49 Ary haka vorona roa sy hazo sedera sy jaky ary hysopa izy hanadiovana ny trano.
Don a tsabtacce gidan, zai ɗauki tsuntsaye biyu da itacen al’ul, jan ƙyalle da hizzob.
50 Dia hovonoiny eo ambonin’ ny vilany tany izay misy rano nalaina tamin’ ny rano mandeha ny vorona anankiray;
Zai yanka ɗaya daga cikin tsuntsayen a bisa ruwa mai kyau a cikin tukunyar laka.
51 dia horaisiny ny hazo sedera sy ny hysopa sy ny jaky ary ny vorona velona, ka hatsobony eo amin’ ny ran’ ny vorona izay novonoina sy eo amin’ ny rano nalaina tamin’ ny rano mandeha, dia hamafazany ny trano impito.
Sa’an nan zai ɗauki itacen al’ul, hizzob, jan ƙyalle da kuma tsuntsu mai ran ya tsoma su cikin jinin tsuntsun da aka yanka da kuma cikin ruwa mai kyau, ya yayyafa wa gida sau bakwai.
52 Dia hanadio ny trano amin’ ny ran’ ny vorona izy sy amin’ ny rano nalaina tamin’ ny rano mandeha sy amin’ ny vorona velona sy amin’ ny hazo sedera sy amin’ ny hysopa ary amin’ ny jaky.
Zai tsabtacce gidan da jinin tsuntsun, ruwa mai kyau, tsuntsu mai ran, itacen al’ul, hizzob da kuma jan ƙyalle.
53 Fa hasainy ho entina eny ivelan’ ny tanàna ny vorona velona ka halefa; dia hanao fanavotana ho an’ ny trano izy, ka dia hadio izany.
Sa’an nan zai saki tsuntsu mai rai ɗin a fili waje da birnin ya tafi. Ta haka zai yi kafara saboda gidan, gidan kuwa zai zama tsarkakakke.”
54 Izany no lalàna ny amin’ ny habokana rehetra sy ny kongonina,
Waɗannan su ne ƙa’idodi saboda duk wani cuta mai yaɗuwa, don ƙaiƙayi,
55 ary amin’ ny habokana amin’ ny fitafiana sy amin’ ny trano,
don cutar fatar jiki da take a riga ko a cikin gida,
56 ary ny amin’ ny mamontsina sy ny manako-pery ary ny mifaritra fotsy mangirana,
da kuma don kumburi, ɓamɓaroki ko tabo,
57 hampianatra hahalalana ny andro hahadiovana sy ny andro hahalotoana. Izany no lalàna ny amin’ ny habokana.
don a tabbatar sa’ad da wani abu mai tsarki da marar tsarki. Waɗannan su ne ƙa’idodi domin cutar fatar jiki mai yaɗuwa da cutar fatar jikin da take a riga.